Ny andron’ny 07 febroary 2009, hotsarain’ny ampitso

Dia nafàna sy nangotraka raha ity androany ity no lazaina.

sunp00661

Rehefa nifamotoana teny ankianja ny rehetra androany dia niandry tamim-pahatoniana izay ho mpikambana ao amin’ilay fitondrana tetezamita ‘Andry Rajoelina’

sunp0055

Mandra-piandry an’izay dia niosy ny fanentanana maro samihafa nentin’ireo artista maro nifandimby (samoela, Tearano, Krutambul,  Sareraka…)

Hipoka tanteraka Analakely, Soarano, Andohan’Analakely, Tsaralalana, sy ny manodidina.

Na teo aza anefa ny vahoaka maro teo an-kianja, dia nisy, ary tena maro tokoa ireo mpivarotra amoron-dàlana,  no nanohy nivarotra sy nitady vola toy isanandro. Tsy nihevitra velively araka izany ny maro fa hisy zavatra hafahafa hitranga, satria tokoa mantsy dia tamim-pahatoniana hatrany no nolazaina hitondràna ny tolona.

Rehefa tonga ary Andriamatoa Andry Rajoelina, ary nanao ny kabariny, dia nolazainy tamin’izany fa Andriamatoa Monja Roindefo Zafitsimivalo no notendreny ho Praiminisitra. Horakora-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka izany filazana izany. Ary satria an’ny Comune Urbaine Antananarivo ny Lapan’Ambohitsorohitra, dia omeny kosa ho toeram-piasan’ny Governemanta tetezamita.

Nanao lahateny tamin’ny teny Malagasy, Frantsay ary Anglisy ny Praiminitry ny fitondrana tetezamita, ary rehefa izany dia nanontany ny hevitry ny vahoaka.

‘Tsy mety raha hanao zavatra ka tsy hàka ny hevitrareo vahoaka…Inona no hataontsika? ».

Nilaza ny vahoaka fa ny haka avy hatrany ny Lapa no hatao, (ka i Mahazoarivo no nangatahan’ny olona haleha tao anatin’ny valin-teniny voalohany saingy ny teny ambony sehatra no niteny fa Ambohitsorohitra no omena ho trano fiasan’ny governemanta tetezamita).

Taorian’izay dia nametraka ny fandaminana faramparany ny mpitarika, fa dia hanainga haka ny Lapa izany, araka ny fanirian’ny vahoaka.

Nanomboka teo dia nihazakazaka ny toe-draharaha. Feno hafanam-po ireo vahoaka niakatra ho eny Antaninarenina. Ka rehefa tonga teny dia nifampiresaka tamin’ireo mpitarika ny tafika avy amin’ny andaniny ny Jeneraly Dolin Rasolosoa avy aty amin’ny Tetezamita. Tsy arako loatra izay fandehany tao fa tsy ela taorian’izay dia ny mpanao gazety nantsoin’ny Hotel Colbert hiditra ao aminy haingana no nanaitra ahy. Isaorana etoana ny Hotel Colbert amin’izay zavatra izay. Tsy nisy intsony sary azo teto fa nisafotofoto nanavotra aina ny rehetra. Sans sommation fa rehefa tsy nisy vokany izay fifanantonana tetsy aloha izay, dia tifitra variraraka avy hatrany nitodika tany amin’ireo vahoaka marobe no satriny. Be no lavo teo, be ny naratra. Ary izay nahazendana dia ny nijery ireo maty, izay saiky teny amin’ny tenda, na ny loha no voatifitra. Midika izany fa tena efa tifitra matihanina no nitranga fa tsy tifitifi-poana velively.

sunp01101

sunp0107

sunp0106

Raha ny fanisàna vonjimaika teny an-tany fiadiana, dia manodidina ny roapolo. Be koa ny naratra. Isan’ireo maty i Ando RATOVONIRINA, 26 taona,  mpanao gazety niditra niasa tao amin’ny RTA tamin’ny oktobra 2008, ary mpanao gazety vahiny iray hafa kosa no voatifitra teo amin’ny lohaliny, toa an’ny RFI hono ilay mpanao gazety iray hafa voatifitra teny amin’ny tanany angaha.

sunp0089

img000411

Noho ny hatezeran’ny olona dia voaroba ny Hotel iray teo ampitan’ny Trésor. Satria nisy tifitra niainga avy amin’ireo rihana ambonin’ny tranon’ny Trésor.

sunp0067sunp0066

Raha nitsirika  naka sary ny lapan’Ambohitsorohitra aho (avy ety amin’ny kihon-dàlana avy aty amin’ny BMOI, dia lohana miaramila mitam-basy manao ‘couchez-vous’, maromaro no tsinjoko amin’ny faritra ambanin’ny vavahady miditra mankao an-dapa. Nisy telolahy koa ao anatin’ireny trano hazo kely eo am-bavahady ireny.

sunp0091

…Nisy fotoana nidinako namonjy an’Andravoahangy mba hitady sakafo, ary rehefa hiverina ho eny Antaninarenina aho, no naheno tamin’ny olona teny an-dàlana, fa maro ireo fiara 4 X 4 nandeha nirifatra nitsoaka namonjy ny seranam-piaramanidin’Ivato. (ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, hoy ny olona). Araka ny loharanom-baovao mantsy dia any Mahajanga andriamatoa Ravalomanana. Izany hoe trano foana (vide) ity narovana mafy sy nadatsahana aina tsy an-kitsitsy ity.

Niantso tody ho an-dRavalomanana Marc sy ny fianakaviany ny vahoaka maro tonga teny sy nanatri-maso ny tantara. Toy izany koa ireo tonga nitady ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA.

img000481

sunp0140

Ka na ny Ministra teo aloha Radavidson Andriamparany, izay tonga teny hampahery ny naratra sy hampionona ny manana ny maty aza, dia saiky niharan’ny hatezeran’ny oolona. Voateny teo  ny hoe

sunp0118

Inona no alehanao aty? Handatsa anay? Efa niara-nihinana tao ve ianao vao mody mijery anay aty! Maty ny havanay, Mandehana ianao mody. Tsy te-hahita ny tavanao izahay. Ianao koa tafiditra ao amin’ny afera Force One.

sunp0138

sunp0136

Tsy nitsahatra ny fivezivezen’ireo taxi sy fiaran’olon-tsotra ary fiara mpamonjy voina hatramin’ny fito ora hariva (19h) nialako teny amin’ny HJRA androany. Noho ny fahafenoan’ny toerana tao amin’ny tranom-paty dia nisy tamin’ireo razana no napetraka teny ambony bozaka teo an-tokontany aloha mandra-pandamina ny tao anatiny. Be ireo olona tsara sitrapo no namonjy hainga ny HJRA mba hanone maimaim-poana ny rany ho vonjy aina. Hatramin’ny karana aza dia tonga teny. Nanontany azy ireo aho ny amin’ny antony nahatongavany teny hanome rà. Sao mba misy havany marary ao. Rehefa tonga tety tokoa mantsy ka natao ny fanisana faramparany azoko natao talohan’ny nialako ny hopitaly dia dimampolo latsaka ny maty voatifitra. Ny naratra moa dia miditra isaky ny minitra angamba. Misy ny afaka nalefa nody fa ratra vokatry ny fifanosehana kely, fa nisy ireo nojerem-potsiny fa tsy nisy azo natao aminy intsony, nefa tsy vitan’ireo mpitsabo koa ny tonga dia hanatitra olona miala aina ho any amin’ny tranom-paty avy hatrany.

Toy izao no valin-tenin’izy ireo:

Teraka teto ny raiamandreninay, teraka teto izahay, monina eto izahay ary mbola honina eto. Tsy manana havana marary aty izahay, fa mahatsiaro fa Malagasy, ka tonga haneho solidarité amin’ireo mila izany. Marina fa tsy rà Malagasy angamba no aty anatinya, nefa rehefa mena ny rà, dia mena, ary raha mahavonjy aina, dia foinay.

Misaotra azy telo lahy karana aho. Indrindra fa ilay iray izay efa hitako fa nahazohazo taona ihany.

Ny HJRA no voatsidiko, fa ny toeram-pitsaboana lehibe rehetra teto an-tanàna dia saiky nivezivezen’ireo fiara mpamonjy voina daholo. Ny hitako tao amin’ny tranom-patin’ny HJRA fotsiny (efitrano iray ihany no azoko nidirana fa tsy nisy nodiavina tao noho ny habetsahan’ny olona), dia nisy faty 25, ka vehivavy ny 2 mandra-pialako tao. Misy ny potiky ny bala ny lohany, misy ny voa teny amin’ny vatany.

sunp01342

Fa izay tena nanohina ahy indrindra dia ny nahitako maso ny lehilahy iray voatifitra teo amin’ny Hotel du Louvre Antaninarenina. Nitodika nanatrika ny Trésor ilay ranamana, ary izahay kosa aty amin’ny ONE (kihon-dàlana avy aty amin’ny Hall de l4information taloha ho anareo efa ela tsy taty Dago). Raha sendra nitsipalotra nijery azy aho, noho ireo namany nikiakiaka niantso azy hiampita haingana, dia ini segondra iny indrindra no nahitako ny tratrany gorobaky ny bala sy nitambotsorany moramora. Tsy nisy azon’ireo namany natao intsony afa-tsy ny nihazakazaka nibata azy hiala teo amin’ilay toerana sisa, ka nanatitra ny vata-mangatsiakany teny amin’ny fiara mpamonjy voina an’ny Croix Rouge.

Tonga teny ihany ny Zandary maromaro tamin’ny kamiao, saingy ny nanao cordon nanosika ireto vahoaka mba hiataka ho eny an-jaridaina akaikin’ny Le Buffet. Nihevitra teto ny vahoaka fa hifanandrina amin’ireo ao an-dapa, araka ny antsoantso izay nataony, ireto Zandary tonga ireto. Nefa tsy izay no zava-nitranga. Talohan’io dia efa nisy ny fiara voadotra teo anelanelan’Ambohitsorohitra sy ny sampanana ety anoloan’ny Le Buffet du Jardin.

Rehefa tsy nanao afa-tsy ny nihazona ny vahoaka ary ireto Zandary ireto, dia tsy faly ny vahoaka ka niverina indray niditra ankeriny tao amin’ny hotel du Louvre naka izay tiany. Tsy nisakana sy tsy nisambotra azy ireo ireto mpitandro filaminana, satria be noho vitsy koa.

Tsy fantatra izay zava-nitranga fa nihataka kely indray ireto mpitando filaminana ireto, ary dia nisy indray ny tifitra avy tany anaty Lapa tany ka nahavoa olona teny amin’ny arabe.

Tsaroako eto ny tenin’ilay Komandin’ny Zandary nanakana ahy tsy hanala ny ain’ilay tonga nanafika tato an-tranoko tamin’ny fotoana nahavaky ny Supreme Center hoe:

Aoka ramose fa na izahay aza tsy mahazo mikasi-tànana azy

dia lasa ny saiko hoe, ‘raha mpangalatra aza moa narovana toy izany, dia mba ahoana ny amin’ireto olona voatifitra marobe ireto? Satria tokoa mantsy na aiza na aiza, dia ny vahoaka no tompon’ny fahefana fa mpindrana fotsiny ny mpitondra. Ka raha vahoaka haka izay nampindraminy no andraisana azy ireo, tsy ho azo natao ve ny nifampiresaka taminy? Raha ny fandraisako azy mants (tsy asiko firehana an!), dia rehefa tonga  amin’ny fara-tampony toy izao ny fitakian’ny vahoaka, dia efa lasa ambonin’ny lalàna rehetra izany fitakiana izany, ka mihisaka maka zoron-trano daholo aloha na ny Lalampanorenana, na ny hafa. Diso ve aho? Raha eny, mba hazavao ny saiko.

…Niala teny Antaninarenina ny tenako tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany mahery tany ho any, mety ho efa tamin’ny efatra ora hariva mba handeha hijery ny eny amin’ny teram-pitsaboana.

Vahoaka sesehena sy mifanitsa-kitro no teny.

Ireo onjam-peo izay henoina amin’izao ora izao dia mikiaka valifaty noho ny rà latsaka , ary mitaky ny fisamborana an-dRavalomanana daholo izay antso an-tarobia tafiditra. Miantso tody ihany koa ho amin’ny taranak’ingahy Ravalomanana, ary misy mihitsy aza ny midradradra ny amin’ny hisamborana sy hamonoana azy.

Fisaonam-pirenena rahampitso araka ny voalazan’ny rafitra tetezamita (Fanambarana avy amin’i Monja Roindefo sy Andry Rajoelina). Entina ho eny amin’ny Stade couvert Mahamasina avokoa ireo razana no andrasana. Iantohana ny fikarakarana ny fampodiana ireo razana entina lavitra sy ny fitsaboana ny naratra. Ary hisy takelaka hapetraka ao amin’ny Kianja Ambohijatovo hisy ny anaran’ireo namoy ny ainy tamin’ity andro ity.

Ampidiriko tsikelikely eto ny sary fa ny hamoaka ny lahatsoratra aloha no nahamaika.

Fa na ahoana na ahoana, ary na avy amin’iza na avy amin’iza dia helohiko tanteraka ny famonoana sy ny fandringanana. Na izay nitondra ny olona hovonoina ho sorona, na ny nanome baiko hamono. Ny nitondra tokony hahalala izay miandry azy, ary tokony ho nampiomana ny olona, ka izay sahy no manaraka, ary ny nampamono, tokony ho nanao ny fampilazana rehetra alohan’ny hitifirana.

Ny vahoaka koa tokony handinika tsara, fa ny mpitarika anie efa mahalala ny lalana hivoahany e. Izany hoe tsy voatery ho voa foana. Fa ianareo no sorona eo.

 

Ity ny rohy hijerenao ny sary sasantsasany amin’izay niseho androany

40 Réponses

  1. c’est horrible mais vraiment insupportable. la prudence s’impose Mamy!

  2. Manao ahoana tompoko,

    Izaho izay manoratra eto dia tsy te hiandany amin’iza fa manome ny hevitro fotsiny.
    Voalohany aloha dia mitodika amin’Atoa Andry Rajoelina aho :

    Milaza ianao fa mitaky ny demokrasia nefa ny zavatra hataonao ve manaraka izay hevitra izay ?
    Hitanao izao fa mikatso ny toakarena rehatra na fanjakana io na privée; fantatrao fa misy ary mbola maro koa ireo olona tsy mankasitraka ny korontana eto nefa ve nohenoinao ?
    Mahafaty anao anio ve raha manaraka ny fomba demokratika ka miantso ny olona haneho ny heviny amin’ny alalan’ny referendum ?
    Raha tsy maintsy natao ihany ny fakana ny palais ambotsirohitra nahoana ianao sy ny vady aman janakao sy ireo mpiara dia akaiky aminao no nanjavona tsy hita teny an toerana rehefa raikitra ny ady ?
    De tsy maintsy amin’ny alalan’ny barofo ve vao mety ho azonao ny fahefana izay mbola manjavozavo ankehitriny hoe homenao an’iza avy eo ?
    NY tantara hitsara fa manana andraikitra goavana amin’iny zava miseho iny ianao.

    Ho an’Atoa Ravalomanana :

    Mbola ianao aloha no mitondra ka na inona mitranga eto amin’ny firenena dia tomponanadraikitra amin’ny famahana ny olana ianao eny fa na dia fananganam panjakana aza.
    Maninona raha noraisina fotsiny ireo solo tenan’ny mpitokona dia nosamborina raha nilaina dia naparitaka fotsiny ny olona avy eo ?

    Raha tsy madray andraikitra haingana ianao sy ny gouvernemantanao eny fa na amin kery aza raha ilaina hampandeha ny raharaha andava,andro dia tokony ary rariny raha mametra pialana ianao.

    Misaotra tompoko

  3. Avylavitra, tena merci less t@ lay info rehetra sy sary fa stp mba mitandrema tsara elah fa sady efa marary no mbola be adidy fa aza dia maka toerana aloha be ohatran’io fa tena mampatahotra

    kiss dia ampy
    dia mirary soa foana

  4. Il y a eu sommation :

    Interrogé par CNN, Rodney Ford, un porte-parole de l’Ambassade des Etats-Unis à Madagascar, a déclaré que son pays a oeuvré jusqu’au bout pour le dialogue et pense que “personne ne voulait la violence”. Il a aussi ajouté avoir reçu des rapports comme quoi la garde présidentielle a jeté des gaz lacrymogènes et tiré des coups de sommation pour disperser la foule.

    avy amin’ny tompo’ny blog => nisy aloha ilay fandefasana setroka, fa ny tir kosa, mba iangaviana ianareo hijery ny sary nalefan’ny TV Plus izay nanatrika sy naka sary teny an-toerana. Vao nalefa io zavatra io, dia tir variraraka nankany amin’ny olona no natao.

  5. misaotra @ fitantarana sy ny sary.
    Nikikiaka valifaty koa za raha hoe nisy havako ny iray t@ ireo maty na naratra. nefa ny gasy samy rà iray ihany …
    Aiza no hisy tirs sans sommation izany? Tena hoe ny vahoaka mihitsy no hiadivany sy tiany ho vonoina (?)

  6. Maninona raha tsy mamafy lainga otran’ny mamafy voan’anana kay azafady tompoko? Voalazan’ny Louvre sy ny Colbert fa tsy nisy commando,tsy nisy miaramila ary ts nisy fandrobana tao aminy. Nareo dia milaza fa tsy nahita na inona na inona, nefa avy eo nareo miteny fa nisy miaramila avy any amin’ny tafo…

    Leo anareo journaliste de foire reto aho, tsy mba ny marina sy ny tena izy no avoaka fa ny ambo-ponareo diso toerana. Mba azonareo antsaina ve ny zavatra mety hitranga noho ny zavatra tsy mari-potitra afafinareo?

    avy amin’ny tompon’ny blog => Tsy niteny ny resaka mercenaire Colbert aho, fa ny tifitra hitako maso dia ity, ka saino tsara ny fandehany alaina sary an-tsaina. Raha hainao ny topon’ny toerana dia ery aoriana be ery ny palais, raha mijoro avy aty amin’ny jardin ianao. Ary aty amin’ny ilany havianao kosa ny trésor. En face du Trésor no misy ny Louvre. Rehefa tsy nanao na inona na inona ireo Zandary tonga teo hoy aho ka nahatezitra ny olona dia lasa ny olona nadeha hanao mise à sac ilay hotely. Teo no nahitako lehilahy iray nitodika manatrika ny Trésor, tonga dia nitosaka ny tratrany. Anjaranao ny misaina raha tir avy any anaty Palais no mety ho nahatonga an’izay na tsia. Fa raha ny hevitro dia tsy misy afa-tsy roa no valiny: na avy aty amin’ny Trésor, na avy ao anatin’ny Louvre ihany. Ataoko fa mazava izay fanazavana fohy izay. Tsy haiko ianao na aiza na aiza, fa angamba izany mandainga daholo ireo rehetra nanatri-maso teny an-toerana ka nitatitra izay hitany any anatin’ny fampielezam-peony sy ny sisa any. Voarainay tokoa ny filazan’ny tompon’ny hotely Louvre fa vahiny mpaka sary ireo efatra hita tao anatiny tao fa tsy vahiny mpikarama an’ady toy izay voatonontonon’ny sasany, raha izay dia tsy misy afa-tsy ny hoe avy ao amin’ny Trésor

  7. MITARAINA NY TANY
    MITOMANY I MADAGASIKARA

    Ry Malagasy , ndao isika samy hivavaka ho an’ity nosindrazantsika ity.

    ZANAHARY O tahio ny tanindrazanay
    handroso lalandava
    handry fahizay
    enga anie hanjaka ao
    ny fo sy saina mahay miray
    dia ho TANY SAMBATRA
    ILAY MADAGASIKARANAY

    …………
    MITSANGANA RY TANORA
    AZA MANANA AHIAHY
    IZAO NO ANDRO SADY ORA
    MIJOROA HO TENA LEHILAHY

  8. ra voatifitra teo amin’ny lohany ireo lavo voalohany dia mazava fa avo toerana ny mpitifitra zany!ny fitifirana faharoa no avy ao amin’ny lapa!

  9. Mampihetsipo tokoa ny sary sy ny fomba fitantatranao azy.
    Dolin anie général retraité, mahafantatra tsara ny atao hoe zone rouge. Raha tsy hoe efa voan’ny alzhéimer angaha. Maninona no noentiny teny ireo lazaina fa martiry. Tena sur tokoa ve ianao fa tsy nisy sommation teo, sao dia resak’olona no henonao ramose?
    Ny radio viva namerimberina hoe miantso vonjy ny mpiasa ao am hotel du louvres fa misy mercenaires manao otages an-dry zareo, hay avy eo nataon’ny naman’ireo martiora mise à sac ilay hotel, tsy hitanao ve hoe hafahafa zany?
    Ilay lazaina miverimberina hoe alain’ny vahoaka ny fahefana izay nomeny taloha ho an’ny mpitondra, dia tsy démocratie ramose no définition tsara omena an’izany, fa anarchie.
    Ary ramose tsaratsara manao demande d’emploi ao am viva fa tonga dia tafiditra.
    Veloma é!

  10. Olona toa anao itony no mpandrisika ny tarika tgv hanao ny tsy mety dia hitondra ny vahoaka ho atao ho sorona hitadiavana seza. May ery ity ianao rehefa ny tranonao no hisy handroba fa tsy maninona rehefa an’ny hafa fa fitsaram-bahoaka. Tsy misy izay tsy noana rangahy ity izao na aiza na aiza misy anao fa ny fitaomana olona hanao zavatra toa izao dia fanetriben’ny firenena. Tokony gadraina sesin-tany ary vetezina isan’andro ho tadidy ny anaran’ireo olona nitondra ireo vahoaka tsy manan-tsiny teny mba tsy hiverenan’izao intsony fa tsy izao no atao hoe demokrasia. Dia Arahabaina ihany ianao izany tsy maty tany.

    avy amin’ny tompon’ny blog => mba tsy hampalahelo ny mpanoratra dia tsy nisy nanalako mihitsy ity hafatra ity, saingy fanamarihana kely fotsiny: ny olona manana ny hazon-damosina dia tsy miafina toy ity ataonao ity, fa mijoro sy miseho tava. Koa aza Lâche, ary aza maika hitsara. Sahia miseho fa aza zatra misaron-tava toy ireny mpanao ratsy rehetra ireny e!

  11. eh! moramora ihany, fa ny aina anie ka lahitokana e!!!!!

    mahereza.

  12. […] Gazety Avy Lavitra […]

  13. rehefa anaty cafouillage koa aloha tsisy mihtsy ny miteny hoe « misy maloto ny fitombenako » e (resaka tena nisy na tsy nisy mercenaires no lazaiko ; eo ihany koa ny resaka nisy na tsy nisy na nisy somation tonga dia narahana tifitra).
    Samy tsisy mahalala izay any ambadika sy efa nomanin’ny andaniny sy ny ankilany tany, ary raha tsy niaina sy tsy nanatri-maso koa angamba dia tsaratsara kokoa ny mamaky fotsiny fa betsaka azo isafidianana ny versions azo raisina eto @ tontolon’ny net dia mba samy mino izay tiany mba tsy hisian’ny fifandirana e.

  14. …eee….mandainga kosa enao raha tsisy sommation teo….jereo tsara le video @ dailymotion…..fa efa nanao 1e sommation ny miaramila, niteny hoe: »halte….atreho ny farany »….tsy nanaiky le olom-betsaka fa nanohy ny diany ihany….niemotra ny miaramila…..teny halte fanindroany…mbola nanantona iany ny olona……naka côté ny miaramila….de nisy grenade flashbang reny nirefotra (sommation fahatelo)…..de ny mpitarika rehetra sy ra dolin nisisika nankaty @ coté an’i colbert de ny olona nanantona ihany…ze voa nisy poa-basy……jereo tsara ny sary………

  15. ….matoa misy voatifitra any aorina …misy koa ny atao hoe balle perdue…..
    balana AK48…ny portée jusqu’à 2km eo eo…..
    ary le rafale iny balle à blanc ny 20 balles voalohany…ny ambiny balle réelle daolo…….
    ..mieritreritra ngah enao fa raha balle réelle daolo reny tsy tonga de faty mirarakompana ny teo aloha teo……jerevo fotsiny reny olona voatifitry ny mitraillette reny e…..de itanao ny effet any….
    ….farany aza mamafy lainga…….

  16. Miarahaba anao rahalahy! Tamin’ny vaovao manokana navoakan’ny Tvplus voalohany indrindra tamin’ny Asabotsy dia nisy iny tovolahy naratran’ny bala tamin’ny tongony iny. Nisy nibata ilay zalahy io ka rehefa napetraka tamin’ny tany tao amin’ny toerana vonjimaika hitsaboana ilay zalahy dia nisy bala niraraka avy tamin’ilay olona sivily nibata io naratra io. Tsy niverina intsony ilay ampahantsary fa notapahina nandritra ny vaovao manokana hafa rehetra tamin’io andro io. Midika izany fa « nisy » nitondra fiadiana avy taty amin’ny vahoaka, izay nolazain’i Andry Rajoelina tamin’ny resaka nifanaovana tao amin’ny Viva TV androany, fa na nitondra fitaovam-piadiana aza ny vahoaka araka ny nambarany tsy tokony hamaly mihitsy ny mpitandro ny filaminana.

    Asa ihany koa raha naharaka isika tamin’ny Viva fa notapahin’ity TV dimy segondra talohan’ny tifitra variraraka ny fandefasany ilay lahatsary nasehony ny mpijery, ny ampahantsary hita farany dia ny firodorodon’ny olona avy namaky ilay barazy voalohany. Eo no misy zavatra mampiahiahy… eo manko no nahitana tsara amin’izay nitifitra voalohany na ny avy tany amin’ny lapa na ny avy tamin’ny mpihazakazaka. Nanatrika tsara ny lapa manko io mpaka sarin’ny Viva io fa « tena tsara vintana » tsy tahaka ny cameraman rta, somary variana ihany aho tamin’izay toe-javatra izay. Koa raha ny fahazoako ny resakao, efa tany amin’ny Hotel Colbert ve izany ianao no re ny tifitra voalohany sa taiza ho aiza marina? Dia misaotra indrindra e! fa dia sahisahy ihany ianao an!

  17. Mahagaga ihany ny olona sasany fatra-panenjika ireo izay mba miezaka manome vaovao. Miezaka hoy aho satria tsy misy olona afaka mahafehy ny atifanahiny.
    Koa ataovy toy ny voankazo an’ala fa ianareo aza mitavana maimaim-poana, ka ny olona manao ny ainy tsy ho zavatra, mitatitra ny zava-misy no omen-tsiny.
    Tsy manelingelina ahy mihitsy ny mamaky blog sasany izay tsapako ho miandany be indraindray, kanefa feon-dakolosy daholo izany ka tokony hohenoina. Ny mihinana am-bolonyDia manararaotra manolotra fisaorana feno an’i avylavitra. Teto no nahitako sombim-baovao marim-pototra indrindra. Mankasitraka, Tompoko.

  18. Nisy tapaka ilay hafatro teo :
    Ny mihinana am-bolony no tsy atao.

  19. Ry vahoaka mba mihevera fa ny aina tsy ananampiry ary ny fanaovana barofo ataon’ny mpitarika diso eritreritra tsy mbola nahazoana dera teto ambonin’ny tany. ZMT, ZOAM, TTS ary izao dia TGV-ndray, midika inona amin-tsika ireo anarana ireo? midika horohoro sy barofo.
    Diniho tsara fa ireo rehetra mpitarika korontana ireo dia tsy hanana chance ny ho lanim-bahoaka mihitsy raha ny fifidianana demokratika ho filoham-pirenene no resahina, ka izany no mahatonga azy ireo hanakorontana. ( n.b.: normale raha tireur d’elite no garde presidentielle fa tsy olona tsotra kosa e, tsy efa ela ve no maty izay rehetra president raha izany?)

  20. mba ts ahenoana feon-dakolosy tokana, hisian’ny demokrasia katsahina mafy, mangataka ny modérateur mba handefa ty message ity,

    un lien intéressant afin qu’on n’entend pas seulement d’un côté, merci au modérateur de ne pas filtrer le message, preuve de votre impartialité de journaliste :

    http://madagascar-evenements-2009.blog4ever.com/blog/index-288010.html

  21. Salut daholo e
    ZAVATRA TSOTRA NO TIAKO AMBARA E !
    rEHEFA NY NY MPITARIKA NO VENDRANA DE IERENY NO ALEHAN NY VAHOAKA.FALY ERY SATANA SATRI MITOMBO NDRAY NY ISAN NY OLONY.
    OANAO RY TGVENDRANA
    NY DIKAN INY SIGNE OTRAN NY V NA KO II INY DIA SIGNE SATANIQUE RAHA TSY FANTATRAO ENY NA FANTATRAO AZA E.ENAO ANGAMBA MIARAMIL SATANA E!TSY AZONAO LAVINA IZANY .ANANAKO POROFO MIHITSY .
    MIBEBAHA IANAO FA HO VERY ANE E!!
    NAHOANA NO FITAHANA NY OLONA ;NAHOANA NO POTEHINA NY GASY MITOVY AMINAO;
    ANTSO HO ANAO IZAO FA RAHA TSY MIBEBAKA IANAO DE AMPIDINA AFO AVY ANY ANDANITRA ANDRIAMANITRA ANDEVONA ANAO SY NY FANANANAO
    TSOTRA TIA ANAO JESUS DIA ENY ZAO MIVERENA .
    INONA NO TIANAO AFA-BARAKA IMASON OLONA SA VERY ANY @HELO???????????????????

  22. Impossible de participer car peu de personnes parlent le malgache dans le monde !!!
    C’est dommage car beaucoup de gens sont interressés d’avoir un autre son de cloche que celui de la presse française ou étrangère 😦

  23. […] Ny andron’ny 07 febroary 2009, hotsarain’ny ampitso Dia nafàna sy nangotraka raha ity androany ity no lazaina. […]

  24. Toavina: ary raha hiteny anao aho hoe tsy voatery ho asa-tànan’ny Devoly foana ny toy izao fa mety ho asa tànan’Andriamanitra ihany koa? Sao mahatezitra an’Andriamanitra ny mahita antsika vahoaka miantso JESUS kanefa ny fomba aseho mbola baikoan’i Satana, miaraka amin’ny fiteny manao hoe « Foka ialahy ». Raha mba azo atao dia avoahy faran’izay haingana ny porofo anananao amin’ny maha-miaramilan’i Satana an’ny TGV fa mbola betsaka loatra ny olona voatariny.

  25. Tena gaga amin’ireto fanatika an-dra8 bobaka be reto aho. Ny tsy azonareo de zao hoe efa novain’i razoky daholo anie na ny constitution sy zay rehetra lalàna eh, en plus député sy ny senatera azy daholo zany, eny e! azy daholo na i Madagasikara aza, novidiany satria izy manam-bola. Fa mba jereo ny tohiny, mbola tonga soa any amin’ny faritany ve izy ary. Toliary, Tamatave, Diégo. Ary na ny endriny miteny amin’ny télé ireny aza efa vizana be mitsy satria tsy mahita tory sy miady saina loatra. Asa hoe aiza Onja hanafosafo azy. Amiko reny teny Ambohitsirohitra reny tena famonoana olona tsotra izao, naninona navela norobain’ny olona ny magro rehetra, fa naninona le olona no novonoina nefa mbola firy metatra eo amin’ilay fefy vy be, sady amzay le hoe filoha tsy tao akory. Mba mieritrereta ihany raha ny havanao no nisy maty tamin’ireny na ny namanao. Mety ny an’ny minisitra sady iny koa saribakoly fotsiny fa ra8 foana no ao ambadika, dia mbola sahy handà ihany ve lery amin’ny zavatra misy, mba mieritrereta re olona fa aza dia fanatique loatra ah!!

  26. Ce n’était pas un reproche avylavitra , une constatation car moi-même je ne lis pas le malgache …

  27. […] ne peut justifier la violence et le sang, ni la liberté, ni la démocratie, ni la justice. Rien ne peut justifier que l’on manipule un […]

  28. Tout comme Marie-Sophie, je suis tsy mahay teny gasy izany. Mais gazetyavylavitra, si vous trouver quelqu’un pour la traduction malgache-français, à partir du français vous pouvez traduire via des outils tels que: http://translate.google.fr/ ou bien http://fr.babelfish.yahoo.com/ pour atteindre presque le monde entier.

    Bon courage et merci pour votre travail.

  29. dia lasa ny saiko hoe, ‘raha mpangalatra aza moa narovana toy izany, dia mba ahoana ny amin’ireto olona voatifitra marobe ireto?

    ARAHO NY TANTARA. RAHA TSY MISY RA LATSAKA TSY MISY FIOVAM-PITONDRANA TETO DAGO. NAMPIDIRINA TAMIN’NY KIZO NY ZANAKY NY AMBANY TOERANA HATAO SORONA HIAKARANA NY MPITONDRA VAOVAO. RAHA IANAO NO RATSIRAKA NA RA8, TSY HITIFITRA VE NY MIARAMILANAO RAHA NY LAPAM-PANJAKANA NO TADIAVIN’NY OLONA MAROBE HATAO AMBOLETRA.

    MATIMATY HO AZY FOTSINY HOAN’I ANDRY RAJOELINA SY IZAY AO ANDAMOSINY IRENY OLONA IRENY HO AHY NA DIA MANGETA FIOVANA MAFY TOANAO MAFY KOA AZA AHO. TOERIKO NY TSIRARINY SY NY FANAM-PENAMBAVA ARY NY FANGORONAN-KARENA.

    Satria tokoa mantsy na aiza na aiza, dia ny vahoaka no tompon’ny fahefana fa mpindrana fotsiny ny mpitondra.

    RESABE FOTSINY IZANY FA IZAY MITONDRA EO NO TOMPON’NY FAHEFANA ARY NY HANAMAFY AN’IO FAHEFANA IO NO IMATIMATESAN’IZAY REHETRA NANDALO TEO. IVERENO DINIHINA AMIN’NY MASO TSY MIANGATRA NY TANTARA.

    Ka raha vahoaka haka izay nampindraminy no andraisana azy ireo, tsy ho azo natao ve ny nifampiresaka taminy?

    MIHEVITRA VE IANAO FA MAHASOLO TENA NY SARANGAN’NY MALAGASY 20 TAPITRISA MAHERY ANKEHITRINY IREO OLONA NIROTSAKA ANDALAM-BE IREO? DISO RA8 TSY NIFAMPIDINIKA TAMIN’I ANDRY TANY AMBOALOHANY. EFA TARA LOATRA VAO VONONA HIRESAKA I RA8. NIOVA ISAN’ANDRO NY FITAKIAN’NY MPANOHITRA RAHA DINIHINAO NY FIZOTRAN’NY TANTARA.

    Raha ny fandraisako azy mants (tsy asiko firehana an!), dia rehefa tonga amin’ny fara-tampony toy izao ny fitakian’ny vahoaka, dia efa lasa ambonin’ny lalàna rehetra izany fitakiana izany, ka mihisaka maka zoron-trano daholo aloha na ny Lalampanorenana, na ny hafa. Diso ve aho? Raha eny, mba hazavao ny saiko.

    NY LOJIKA DIA TSY MAINTSY MIEZAKA MIFIKITRA AMIN’NY ARA-DALANA FOANA ALOHA IZAY EO AMIN’NY FITONDRANA ARY MANDAMINA ARAKA IZAY FARA HERINY. NANAO AN’IO RATSIRAKA, MANAO ANIO RAVALOMANANA ANKEHITRINY. REHEFA TENA TSY TAFA INTSONY IO IZAY VAO MIAFARA AMIN’IRENY FITSOAHANA ANY IVELANY IRENY. AMIN IZAY FOTOANA IZAY VAO TONGA AMIN’ILAY METY HO ERITRERETINAO.

    IANAO VE MINO FA RAHA TAFIDITRA TAO AMIN NY LAPAN AMBOHITSIROHITRA IREO OLONA MAIMBO RA BE DIA BE TEO ANOLOANA IRENY DIA TSY HANDRAVA SY HAMOTIKA AN’IO TRANO MANAN-TANTARA IO NO HATAONY? NY BANKY FOIBE EO ANKILANY KOA ETSY NATAHORANA?

    NIJABAKA IM-BE DIA BE I RA8. MANAIKY AHO FA TSY MILAY NY FANAPOTEHINA IZAY ZAVATRA MANANTANTARA ETO AMIN’NY TANANA. MAY NY ROVAN’I MANJAKAMIADANA, MAY NY RADIO RNM MBOLA HO DORANA KOA VE NY LAPA SANATRIA NY VAVA?

    Diniho ampahatoniana ny resako fa aza maika ny hilaza fa mpanao saron-tava sy ny sisa aho. Tsy misy tombony ho anao tsinona ny hahafantarana ahy. Izay hahasoa ny firenana no ndeha ho katsahintsika.
    Misaotra betsaka.

  30. za aloha avt aty @ faritany tsa mahalala zvt tena misy fa anlyser ireo tanterinaeo fontsiny atoko dia izao, raha za manokana dia manana safidy ny olona tsira2 na izao eny na ianao. fa raha ho ahy dia izay mpitondra eo dia mitrongy vao homana foana isika e! fa izao mantsy ianareo akaiky vilany dia mainty fa izahay dia, ery anjoro trano nomisy. Ny mangro hany orinasa tafantsangana teto tao anatiny fito taona aza maiko (fantatrareo avy aiza angamba za izao) fa tena tsara ra ho ahy manokana dia zarao mitovy ny mpitondra dia aza atao ny olona avy ao tana ihany fa asio iray avy faritra 22. nefa aoka ireo voatendry tsy hanao tsindrio fa lavo

  31. Miarahaba zoky avylavitra a! Misaotra anao indrindra mitondra ny fomba fijerinao hatrany, ary misaotra amin’ny famelanao anay rehetra haneho hevitra ato amin’ity blaoginao ity hatrany koa.

    Ny teniko voalohany dia sanatria ho fandatsana fa fiaraha-miory tanteraka amin’ireo havan’ny maty. Maty noho ny fitiavan-tanindrazana tokoa ry ‘zareo ary tsy isalasalàko izany. Ny anampiako io dia ny hoe: maty noho ny tsy fahafantarana ny « lalàna » koa anefa. Sanatria tsy hiteny aho hoe « vendrana » satria tsy manana alalana hiteny izany aho. Na ny rahalahako rehetra izay any ambanivohitro, izay tsy nandia fianarana aza tsy ataoko hoe vendrana tsinona.

    >>>>avylavitra : Hoy ianao hoe :
    ———————–
    Raha ny fandraisako azy mants (tsy asiko firehana an!), dia rehefa tonga amin’ny fara-tampony toy izao ny fitakian’ny vahoaka, dia efa lasa ambonin’ny lalàna rehetra izany fitakiana izany, ka mihisaka maka zoron-trano daholo aloha na ny Lalampanorenana, na ny hafa. Diso ve aho? Raha eny, mba hazavao ny saiko.
    ———————–
    Te handiso an’io fijery io tanteraka aho satria izao :
    1°-tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza. Ny lalàna dia nataon’ny vahoaka ary natao harahin’ny vahoaka rehetra. Izany fanaovana ny lalàna izany dia efa misy toro-lalàna fa tsy hoe: rehefa olona maro no tapaka hevitra ny hanao zavatra iray dia ho rariny ny azy. Ny toro-làlana misy ao amintsika ohatra dia ny « fifidianana depiote », ary ireo no mandany ny lalàna.
    2°-Manaraka izany, azonao antoka koa ve fa mitondra ny hevitry ny « ankamaroan’ny » (majorité) malagasy ilay ataonao hoe « vahoaka ». Tsy rehefa hoe « vahoaka » na olona maro akory dia « majorité ». Ny fifidianana ihany amiko no fomba ahafantarana ny hevitry ny vahoaka.

    >>>>>Sam225 : Mba te hitondra fanazavana am-panajana aho : Tsy hoe fanatik amin-dRavalomanana velively fa mba te hanaraka ny lalàna manankery izay efa napetraka fotsiny ‘ka. Mahatsiaro mantsy izahay ho voahitsaka ny safidinay izay nifidy azy raha esorinareo tsy amin’ny fomba demokratika izy. Eto aho dia mahatsiaro ny fehezanteny lesonay taloha : « ny fifidianana no endrika lehibe indrindra isehoan’ny demokrasia », ka dia manontany tena ihany aho amin’ity ataon’i Andry ho demokrasia ity.
    Raha hoy ianao hoe: efa an-dRavalo ange ny depiote, sns. Dia hoy aho hoe : mety ho tsy nofidinao tokoa nefa dia ireny ange no nolanian’ny ankamaroan’ny malagasy e. Mety tsy ho tianao ry zareo, nefa dia ireo no lany ka tokony arahina.

    Momba ilay « points negatifs » lazainao ho ananan-dRavalo indray : ekeko fa tsy lafatra tokoa izy. Na dia tsy namidiny aza ny tanintsika. Mba manontania tena ihany koa sao tsy izahay no fanatik fa ianao.

    Farany, maninona hoy ianao no tsy navela horobaina toy ny « magro » ny lapa? Ny valiny dia satria : raha avelany ho robaina ny lapa dia midika izany fa mametra-pialana izy. Izy anefa efa fantatsika fa tsy amin’izany mihitsy. Noho izany dia tokony ho efa fantatry ny olona ny zavatra hiseho. Mba alefaso ange ny saina e : tsy mbola misy mpitondra hanaiky ny fananihan’ny vahoaka ny lapany mihitsy teto ambonin’ny tany. Io no antony namoronana ny atao hoe « solontena ». i Andry no tokony ho nanaiky nidinika tamindRavalo, nefa i Andry dia tsy nanaiky raha tsy « tetezamita » hono.
    Raha fintinina dia sady nandà ny fitadiavana ny marimaritra iraisana i Andry, no mbola nitondra olona hatao sorona (olona izay olom-bodo [tsy mahay lalàna] na dia azoko antoka sy tsy isalasalako tokoa fa tia Tanindrazana).

    Misaotra indrindra!
    Tokinao

  32. Tokinao : mazava ary marina.
    Izaho tsy momba na ny iray na ny iray. Tia tena roa no tafaray, akory atao. Madagasikara kosa ho’aho dia sendra izay tia tena foana e, tssss.
    Ny indro be nampidina ny point-ndramose fotsiny dia ny fampiasana hery. Moa ve tena tsy maintsy natao iny. Be ny mpomba, be koa ny mpanakiana. Izaho tsy @ toeran’ny mpitondra ka tsy haiko ny stratégie de guerre @ circonstance toa ireny. Manontany tena fotsiny aho hoe na dia mila faizina aza ve ny zanaka, tsy itsitsiana rotsa-kazo satria tiana, dia faizina vonoina mihitsy ve ?
    Teo @ ilay ra latsaka no nampidina ny popularité-ny.
    Isika toa vahoaka kanosa izay ihany manko rehefa dinihana, sao lahy dia tifi-danitra maromaro, na bala fopla natao @ izay teo @ première file dia naharava vahoaka ? Asa anefa aloha, rehefa tsy nanatrika moa tsy dia afaka miteny be loatra fa manjary ataon’ny rehetra tsaky matsiro eto indray 😛
    Enga anie fotsiny ho fay amin’izay ny vahoaka ka hitokona fts eny @ 13 mai ohatra fa tsy mandeha lavitra intsony, manao bain de soleil zany e, mandra-pilamin’ny resaka eny ambony latabatra, tsy maintsy ho eny ihany no hiafarany tsinona koh.

  33. Je vous ai fait croire que je maîtrise le malgache? Alors, ça c’est un vrai tour de magie! Haha. En fait, je suis américain, j’ai passé ~13 mois à Madagascar en tant que bénévole (de 1999 jusqu’en 2001). Alors, j’ai appris des phrases amin’ny teny gasy par-ci et par-là. Rien de plus, malheureusement.

    Madagascar est un pays qui me tient énormément au coeur et c’est toujours avec beaucoup de tristesse que j’apprends des mauvaises nouvelles à son sujet.

    Et pour expliquer un peu comment j’ai fait pour trouver votre blog, c’était à partir du blog de Mialy Andriamananjara, une bloggeuse Malgache qui vit aux USA (http://globalvoicesonline.org/2009/02/09/madagascar-bloggers-react-to-red-saturdays-bloodshed/). Elle a traduit quelques extraits de ce que vous avez écrit et alors je me suis rendu ensuite à votre blog pour en savoir plus. Vous voyez, je suis étudiant de droit et votre discussion de l’autorité de la loi m’a intrigué.

    Je vous souhaite beaucoup de courage dans ces moments difficile. Merci encore pour votre travail. Et j’espère que vous trouverez quelqu’un pour la traduction! 🙂

    Ben

  34. slt daholo inona indray no malaza fa taty Fianarantsoa dia nisy fanoratana Anarana ho izay tia mandeha mamonjy ny famoriam-bahoaka ny androny 11/02 ho tana tao @ kianja be ny Mahamasina, betsaka no lasa. Feno ve tao? ary nanao ahoana tao @ 13 mai? Tsara ny safidy fa mitaky adidy sy fahatsiarovantenany tsiairay indraindra ho anreo Mpitarika olona fa aza de atoa toa izany izahay fa minjaly loatra E

  35. toe-javatra somary henjana sy mampalahelo ihany iny ho an`ny ity Madagasikaran-tsika ity.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :