Ny andron’ny 07 febroary 2009, hotsarain’ny ampitso

Dia nafàna sy nangotraka raha ity androany ity no lazaina.

sunp00661

Rehefa nifamotoana teny ankianja ny rehetra androany dia niandry tamim-pahatoniana izay ho mpikambana ao amin’ilay fitondrana tetezamita ‘Andry Rajoelina’

sunp0055

Mandra-piandry an’izay dia niosy ny fanentanana maro samihafa nentin’ireo artista maro nifandimby (samoela, Tearano, Krutambul,  Sareraka…)

Hipoka tanteraka Analakely, Soarano, Andohan’Analakely, Tsaralalana, sy ny manodidina.

Na teo aza anefa ny vahoaka maro teo an-kianja, dia nisy, ary tena maro tokoa ireo mpivarotra amoron-dàlana,  no nanohy nivarotra sy nitady vola toy isanandro. Tsy nihevitra velively araka izany ny maro fa hisy zavatra hafahafa hitranga, satria tokoa mantsy dia tamim-pahatoniana hatrany no nolazaina hitondràna ny tolona.

Rehefa tonga ary Andriamatoa Andry Rajoelina, ary nanao ny kabariny, dia nolazainy tamin’izany fa Andriamatoa Monja Roindefo Zafitsimivalo no notendreny ho Praiminisitra. Horakora-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka izany filazana izany. Ary satria an’ny Comune Urbaine Antananarivo ny Lapan’Ambohitsorohitra, dia omeny kosa ho toeram-piasan’ny Governemanta tetezamita.

Nanao lahateny tamin’ny teny Malagasy, Frantsay ary Anglisy ny Praiminitry ny fitondrana tetezamita, ary rehefa izany dia nanontany ny hevitry ny vahoaka.

‘Tsy mety raha hanao zavatra ka tsy hàka ny hevitrareo vahoaka…Inona no hataontsika? ».

Nilaza ny vahoaka fa ny haka avy hatrany ny Lapa no hatao, (ka i Mahazoarivo no nangatahan’ny olona haleha tao anatin’ny valin-teniny voalohany saingy ny teny ambony sehatra no niteny fa Ambohitsorohitra no omena ho trano fiasan’ny governemanta tetezamita).

Taorian’izay dia nametraka ny fandaminana faramparany ny mpitarika, fa dia hanainga haka ny Lapa izany, araka ny fanirian’ny vahoaka.

Nanomboka teo dia nihazakazaka ny toe-draharaha. Feno hafanam-po ireo vahoaka niakatra ho eny Antaninarenina. Ka rehefa tonga teny dia nifampiresaka tamin’ireo mpitarika ny tafika avy amin’ny andaniny ny Jeneraly Dolin Rasolosoa avy aty amin’ny Tetezamita. Tsy arako loatra izay fandehany tao fa tsy ela taorian’izay dia ny mpanao gazety nantsoin’ny Hotel Colbert hiditra ao aminy haingana no nanaitra ahy. Isaorana etoana ny Hotel Colbert amin’izay zavatra izay. Tsy nisy intsony sary azo teto fa nisafotofoto nanavotra aina ny rehetra. Sans sommation fa rehefa tsy nisy vokany izay fifanantonana tetsy aloha izay, dia tifitra variraraka avy hatrany nitodika tany amin’ireo vahoaka marobe no satriny. Be no lavo teo, be ny naratra. Ary izay nahazendana dia ny nijery ireo maty, izay saiky teny amin’ny tenda, na ny loha no voatifitra. Midika izany fa tena efa tifitra matihanina no nitranga fa tsy tifitifi-poana velively.

sunp01101

sunp0107

sunp0106

Raha ny fanisàna vonjimaika teny an-tany fiadiana, dia manodidina ny roapolo. Be koa ny naratra. Isan’ireo maty i Ando RATOVONIRINA, 26 taona,  mpanao gazety niditra niasa tao amin’ny RTA tamin’ny oktobra 2008, ary mpanao gazety vahiny iray hafa kosa no voatifitra teo amin’ny lohaliny, toa an’ny RFI hono ilay mpanao gazety iray hafa voatifitra teny amin’ny tanany angaha.

sunp0089

img000411

Noho ny hatezeran’ny olona dia voaroba ny Hotel iray teo ampitan’ny Trésor. Satria nisy tifitra niainga avy amin’ireo rihana ambonin’ny tranon’ny Trésor.

sunp0067sunp0066

Raha nitsirika  naka sary ny lapan’Ambohitsorohitra aho (avy ety amin’ny kihon-dàlana avy aty amin’ny BMOI, dia lohana miaramila mitam-basy manao ‘couchez-vous’, maromaro no tsinjoko amin’ny faritra ambanin’ny vavahady miditra mankao an-dapa. Nisy telolahy koa ao anatin’ireny trano hazo kely eo am-bavahady ireny.

sunp0091

…Nisy fotoana nidinako namonjy an’Andravoahangy mba hitady sakafo, ary rehefa hiverina ho eny Antaninarenina aho, no naheno tamin’ny olona teny an-dàlana, fa maro ireo fiara 4 X 4 nandeha nirifatra nitsoaka namonjy ny seranam-piaramanidin’Ivato. (ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, hoy ny olona). Araka ny loharanom-baovao mantsy dia any Mahajanga andriamatoa Ravalomanana. Izany hoe trano foana (vide) ity narovana mafy sy nadatsahana aina tsy an-kitsitsy ity.

Niantso tody ho an-dRavalomanana Marc sy ny fianakaviany ny vahoaka maro tonga teny sy nanatri-maso ny tantara. Toy izany koa ireo tonga nitady ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA.

img000481

sunp0140

Ka na ny Ministra teo aloha Radavidson Andriamparany, izay tonga teny hampahery ny naratra sy hampionona ny manana ny maty aza, dia saiky niharan’ny hatezeran’ny oolona. Voateny teo  ny hoe

sunp0118

Inona no alehanao aty? Handatsa anay? Efa niara-nihinana tao ve ianao vao mody mijery anay aty! Maty ny havanay, Mandehana ianao mody. Tsy te-hahita ny tavanao izahay. Ianao koa tafiditra ao amin’ny afera Force One.

sunp0138

sunp0136

Tsy nitsahatra ny fivezivezen’ireo taxi sy fiaran’olon-tsotra ary fiara mpamonjy voina hatramin’ny fito ora hariva (19h) nialako teny amin’ny HJRA androany. Noho ny fahafenoan’ny toerana tao amin’ny tranom-paty dia nisy tamin’ireo razana no napetraka teny ambony bozaka teo an-tokontany aloha mandra-pandamina ny tao anatiny. Be ireo olona tsara sitrapo no namonjy hainga ny HJRA mba hanone maimaim-poana ny rany ho vonjy aina. Hatramin’ny karana aza dia tonga teny. Nanontany azy ireo aho ny amin’ny antony nahatongavany teny hanome rà. Sao mba misy havany marary ao. Rehefa tonga tety tokoa mantsy ka natao ny fanisana faramparany azoko natao talohan’ny nialako ny hopitaly dia dimampolo latsaka ny maty voatifitra. Ny naratra moa dia miditra isaky ny minitra angamba. Misy ny afaka nalefa nody fa ratra vokatry ny fifanosehana kely, fa nisy ireo nojerem-potsiny fa tsy nisy azo natao aminy intsony, nefa tsy vitan’ireo mpitsabo koa ny tonga dia hanatitra olona miala aina ho any amin’ny tranom-paty avy hatrany.

Toy izao no valin-tenin’izy ireo:

Teraka teto ny raiamandreninay, teraka teto izahay, monina eto izahay ary mbola honina eto. Tsy manana havana marary aty izahay, fa mahatsiaro fa Malagasy, ka tonga haneho solidarité amin’ireo mila izany. Marina fa tsy rà Malagasy angamba no aty anatinya, nefa rehefa mena ny rà, dia mena, ary raha mahavonjy aina, dia foinay.

Misaotra azy telo lahy karana aho. Indrindra fa ilay iray izay efa hitako fa nahazohazo taona ihany.

Ny HJRA no voatsidiko, fa ny toeram-pitsaboana lehibe rehetra teto an-tanàna dia saiky nivezivezen’ireo fiara mpamonjy voina daholo. Ny hitako tao amin’ny tranom-patin’ny HJRA fotsiny (efitrano iray ihany no azoko nidirana fa tsy nisy nodiavina tao noho ny habetsahan’ny olona), dia nisy faty 25, ka vehivavy ny 2 mandra-pialako tao. Misy ny potiky ny bala ny lohany, misy ny voa teny amin’ny vatany.

sunp01342

Fa izay tena nanohina ahy indrindra dia ny nahitako maso ny lehilahy iray voatifitra teo amin’ny Hotel du Louvre Antaninarenina. Nitodika nanatrika ny Trésor ilay ranamana, ary izahay kosa aty amin’ny ONE (kihon-dàlana avy aty amin’ny Hall de l4information taloha ho anareo efa ela tsy taty Dago). Raha sendra nitsipalotra nijery azy aho, noho ireo namany nikiakiaka niantso azy hiampita haingana, dia ini segondra iny indrindra no nahitako ny tratrany gorobaky ny bala sy nitambotsorany moramora. Tsy nisy azon’ireo namany natao intsony afa-tsy ny nihazakazaka nibata azy hiala teo amin’ilay toerana sisa, ka nanatitra ny vata-mangatsiakany teny amin’ny fiara mpamonjy voina an’ny Croix Rouge.

Tonga teny ihany ny Zandary maromaro tamin’ny kamiao, saingy ny nanao cordon nanosika ireto vahoaka mba hiataka ho eny an-jaridaina akaikin’ny Le Buffet. Nihevitra teto ny vahoaka fa hifanandrina amin’ireo ao an-dapa, araka ny antsoantso izay nataony, ireto Zandary tonga ireto. Nefa tsy izay no zava-nitranga. Talohan’io dia efa nisy ny fiara voadotra teo anelanelan’Ambohitsorohitra sy ny sampanana ety anoloan’ny Le Buffet du Jardin.

Rehefa tsy nanao afa-tsy ny nihazona ny vahoaka ary ireto Zandary ireto, dia tsy faly ny vahoaka ka niverina indray niditra ankeriny tao amin’ny hotel du Louvre naka izay tiany. Tsy nisakana sy tsy nisambotra azy ireo ireto mpitandro filaminana, satria be noho vitsy koa.

Tsy fantatra izay zava-nitranga fa nihataka kely indray ireto mpitando filaminana ireto, ary dia nisy indray ny tifitra avy tany anaty Lapa tany ka nahavoa olona teny amin’ny arabe.

Tsaroako eto ny tenin’ilay Komandin’ny Zandary nanakana ahy tsy hanala ny ain’ilay tonga nanafika tato an-tranoko tamin’ny fotoana nahavaky ny Supreme Center hoe:

Aoka ramose fa na izahay aza tsy mahazo mikasi-tànana azy

dia lasa ny saiko hoe, ‘raha mpangalatra aza moa narovana toy izany, dia mba ahoana ny amin’ireto olona voatifitra marobe ireto? Satria tokoa mantsy na aiza na aiza, dia ny vahoaka no tompon’ny fahefana fa mpindrana fotsiny ny mpitondra. Ka raha vahoaka haka izay nampindraminy no andraisana azy ireo, tsy ho azo natao ve ny nifampiresaka taminy? Raha ny fandraisako azy mants (tsy asiko firehana an!), dia rehefa tonga  amin’ny fara-tampony toy izao ny fitakian’ny vahoaka, dia efa lasa ambonin’ny lalàna rehetra izany fitakiana izany, ka mihisaka maka zoron-trano daholo aloha na ny Lalampanorenana, na ny hafa. Diso ve aho? Raha eny, mba hazavao ny saiko.

…Niala teny Antaninarenina ny tenako tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany mahery tany ho any, mety ho efa tamin’ny efatra ora hariva mba handeha hijery ny eny amin’ny teram-pitsaboana.

Vahoaka sesehena sy mifanitsa-kitro no teny.

Ireo onjam-peo izay henoina amin’izao ora izao dia mikiaka valifaty noho ny rà latsaka , ary mitaky ny fisamborana an-dRavalomanana daholo izay antso an-tarobia tafiditra. Miantso tody ihany koa ho amin’ny taranak’ingahy Ravalomanana, ary misy mihitsy aza ny midradradra ny amin’ny hisamborana sy hamonoana azy.

Fisaonam-pirenena rahampitso araka ny voalazan’ny rafitra tetezamita (Fanambarana avy amin’i Monja Roindefo sy Andry Rajoelina). Entina ho eny amin’ny Stade couvert Mahamasina avokoa ireo razana no andrasana. Iantohana ny fikarakarana ny fampodiana ireo razana entina lavitra sy ny fitsaboana ny naratra. Ary hisy takelaka hapetraka ao amin’ny Kianja Ambohijatovo hisy ny anaran’ireo namoy ny ainy tamin’ity andro ity.

Ampidiriko tsikelikely eto ny sary fa ny hamoaka ny lahatsoratra aloha no nahamaika.

Fa na ahoana na ahoana, ary na avy amin’iza na avy amin’iza dia helohiko tanteraka ny famonoana sy ny fandringanana. Na izay nitondra ny olona hovonoina ho sorona, na ny nanome baiko hamono. Ny nitondra tokony hahalala izay miandry azy, ary tokony ho nampiomana ny olona, ka izay sahy no manaraka, ary ny nampamono, tokony ho nanao ny fampilazana rehetra alohan’ny hitifirana.

Ny vahoaka koa tokony handinika tsara, fa ny mpitarika anie efa mahalala ny lalana hivoahany e. Izany hoe tsy voatery ho voa foana. Fa ianareo no sorona eo.

 

Ity ny rohy hijerenao ny sary sasantsasany amin’izay niseho androany