« 05 mars 2009 » – Film tena izy

Tsy film akory no hotantaraiko anao fa ny tena niainana. Ary tsy tany Texas na Liban, na Irak fa teo Antananarivo Renivohitra.

Toy ny omaly dia efa tomefy mpitandro filaminana nialohan’ny nahatongavan’ireo mpanao fihetsiketsehana ny tanàna. Ary dia tena tanteraka tokoa ilay antso avo nataon’i Andry Rajoelina fahiny hoe hatao « tanàna maty Antananarivo » – saingy ny fotoana no tsy nifanojo – satria tamin’ity indray mitoraka ity dia ny EMMO/NAT no nanao ‘fitokonana’ teo amin’ny kianjan’ny 13 mai ary nameno ny elakelan-trano rehetra sy ny vodi-rindrina, hatrany Ambodifilao sy Soarano, Behoririka, Analakely, Ambohijatovo, Ambanidia, Ankadifotsy.

Nivoaka indray aho androany ho anareo mpamaky, niakatra ny tetezan’ny Behoririka. Feno olona teo ambony teo.
sunp0257
sunp02641

Nisy ireny fiaraben’ny mpitandro filaminana ireny koa tonga nankeo aorian’ireo mpitangorongorona.
sunp02791

Rehefa elaela teo ny roa tonta, dia niteny ireo mpitandro filaminana fa tokony hiparitaka daholo ny olona ka tsy hisy hijorojoro sy hitangorongorona intsony. Tsy nahoan’ireo olona teo ambony tetezana izany rehetra izany. Hany herin’ireto mpitandro filaminana dia sady namelona ny fiara no nandatsaka baomba mandatsa-dranomaso ary dia nirifatra nandao ny toerana. Tsy niverina teo intsony izy ireo raha tsy fotoana ela taty aoriana, fa lasa kosa nidina namonjy ny tery ambany akaikin’ny toby fitsinjarana solika Galana ampitan’ny Pain Français.
sunp0265

Tsinjo ery ambany ery manakaiky ny ranomaimbo Behoririka hatrany kosa ireo namany mandeha an-tongotra sy manao sakana.
sunp0275

Rehefa lasa ny herin’ny entona nandatsa-dranomaso, dia niverina nitangorongorona indray ny olona. Nanoloana indrindra ny toeram-pivarotana Luxor ka hatraty amin’ny tohotohobato sy iny ambany tetezana iny. Nofenoin’ireo olona nitangorona ireo vato ny arabe nanoloana ny Luxor…

sunp0266

Minitra vitsy aho no teo dia lasa indray namonjy ireo namana mpaka sary sy mpanao gazety tany Ambohijatovo. Efa somary antoandro ihany ny andro, ka dia niara-namonjy toeram-pisakafoanana teo ampototry ny tohotohobato Tavao. Iray metatra eo amin’io toerana io kosa no misy ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana…

Rehefa avy nisakafo indray dia lasa nidina nmakivaky ny lalam-be migodanan’Analakely sy ny kianjan’ny 13 mai izahay rehetra.
sunp0289
Niato kely izahay rehefa teo ampitan’ny Hotel Select, haka aloka sy hamory aina vao. Nandritra ny fidinanay ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai no nahitanay ireo mpitandro filaminana isaky ny sampanan-dàlana sy elakelantrano. Tena tanàna maty tokoa Antananarivo androany ary ny mpitandro filaminana no nanohy ny hetsiky ny 13 mai. (sic). Ao ireo mitsotsotra maka aina, na matory ampitoerana mihitsy aza, ao ireo mahita fahafinaretana ‘manala azy’ amin’ireo mpandalo mba sendra azy, ka ampihazakazahana ny olona, dia avy eo indray asaina mandeha mora, ary dia ampifandimbiasina tahaka izay (sady arahana fihomehezana). Toy ny nahazo ilay boaikely tetsy amin’ny Firaisana voalohany no lalina. Nitaingina bisikilety i zandrikely. Handeha ho any Behoririka na Ambondrona any angamba no anton-dia. Avy any Ambodifilao izy no nipoitra. Rehefa tonga teo amin’ny fivoahan-dàlana teo amin’ny firaisana voalohany, dia nasaina niverina tany amin’ny 20 metatra aloha, ary dia nantsoina indray hiverina hanohy ny làlany, ary rehefa nahazo ny làla-mahitsy hihazo ny Econo Center iny dia nokorododosina sy nihogahogan’ireto mpitandro filaminana.

Rehefa nandalo kosa izahay teo amin’ny Econo Center ka nitodika miakatra amin’iny làlana miakatra ho any Ambondrona iny, dia nahita miaramila marobe miankin-drindrina sy makamaka aina tamin’ny ilany havian-dàlana. Nisy taminay no naka sary izany zavatra izany, ary dia nahazo vava be avy amin’ny iray tamin’izy ireo, nanao hoe:

Eh; inona no hakahakanao sary eo, Tsy mila maka sary, raha vao misy sakoroka eo dia ianao no pehako voalohany.

Saingy nisy tamin’ireto namany kosa no nahatsikaritra ny sasany taminay hoe nanao akanjo misy soratra PRESSE sy niambozona badge ka nampangiana hainga ity namany, no sady niteny hoe

avelao leroa ny olona hanao ny asany a! Mpanao gazety ireny, ka tsy azon’ialahy atao inona rehefa mitondra ny badge-ny

Zavatra iray nahazendana sy nahatsikaiky anay rehetra koa anefa ity iray ity: feno kapaoty an-jatony efa nampiasaina teo amin’ny faritra nisy ny sakana nataon’ireo miaramila nanoloana ny tsenaben’ny Pochard. Maro be ireo mpitandro filaminana teo, na ny mandeha an-tongotra, na ny tao anaty kamiao…

sunp02901

Tafaverina teo Behoririka ambany amin’izay izahay rehetra tokony ho tamin’ny 2 ora mahery tany ho any. Ireo olona marobe dia avy ery ambony tetezana sy manoloana ny Luxor ary iny ambanin’ny tobin-tsolika Galana iny.
Ireo ‘miaramila’ kosa dia mipetrapetraka toa tsy te-hahalala ery akaikin’ny Toyota Rasseta ery.
sunp0292
Tsy tapitapitr’izay dia indreny fiara tsy mataho-dàlana (4 X 4) roa nisosososo nidina an’i Behoririka nanitsy ho any amin’ireto olona nivorivory ka tsy nisy alaharo alaharo, fa tonga dia sady mandefa grenade lacrymogène sy manao tifi-danitra.
sunp02931
sunp0294
sunp0295

Izay angamba no efa nandrasan’iretsy ‘miaramila’ tsy nihetsika tery akaikin’ny Toyota. Rehefa mandeha moa ny tifitra sy ny grenady, dia milefa ny olona, ary rehefa dila indray izany dia miverina izy ireo. Nahatezitra ny olona ny zavatra nitranga, ka nahatonga azy ireo hanangona vato tao ambony tetezana, nataony tamin’ny sisiny. Vantany vao nandalo sy nitifitra grenady indray ireto fiara (izay lasa telo, ary hafa fa tsy ny teo aloha intsony), dia nandrasan’ireo olona teo ambony tetezana ny handalovany teo ambany, ary dia notontany vato avy any ambony any. Voatery nialoka tao ambany tetezana araka izany ireo fiara nitondra ireto mpitandro filaminana, ka nidina ny sasany mba hanipy grenady lacrymogène tany ambony tetezana ho fisavana ny làlan-kandosirana. Dia nifanao fangalam-piery teo foana ny roa tonta…

Rehefa tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany ho any, raha noheverina fa nilamina sy tsy nisy nitangorona intsony ny tety amin’ny manodidina an’i Behoririka sy ny tetezana , ary iny làlana mitondra ho any an-tsenan’Andravoahangy iny, dia nisosososo avy any indray ireto fiara 4 X 4, ka na dia efa tsy nisy intsony aza ny olona nivorivory sy nitangorongorona, dia mbola napaoka ihany ny grenade lacrymogène tamin’iny faritry ny tohotohobato sy ny tetezana iny. Mbola natahorany ihany angamba ny hisian’ny tora-bato. Aza mahavoa kosa aloha ny goavy manta e! Nefa anie ka efa tsy nisy na inona na inona e. Sa kosa mbola nangidihidy ny tànana? Na efa zatra nitsotra?

Ary aza mba tratran’ilay fisamborana noho ny lokon’akanjo koa an! Rehefa ry zalahy no mifaniraka, mandritry ny fisamborana, aorian’ny fanipazana grenade, ka manao hoe:

Ilay manao akanjo mena iny (na izay voatonona eo)

dia miomàna izay miakanjo mena ao, na tsy nanao aza, fa nitazantazana fotsiny, rehefa nahazo baiko izay ilay nirahana dia ‘sônegaly’. Mandeha ny daroka tsy misy fijerena ny maha-olona, tsy mahazo miteny na mifandahatra, fa rehefa mena dia mena. Satria tena misy tokoa ny hoe ‘ny kary no nanao ny nataony ka ilay saka nitazantazana no voatapa-drambo”.
sunp0286
sunp02871

Tsy sahy nalaina moa ny sarin’ny daroka sy ny ompa, noho ny fitaovana tsy zarizary,nefa kosa azonareo atao ny mijery izany amin’ny sarin’ireo fahitalavitra manana tranonkalan-tserasera.

Vehivavy iray no maty androany. Nisy ihany koa ny naratra, saingy tsy mbola fantatra ny isa farany, raha ny androany 05 martsa no resahana. Tontolo iray hafa mihitsy izao no iainana eto Antananarivo Renivohitra, satria sarotra be ny fivezivezena hanangonam-baovao.

Niantso diabe amin’ny Sabotsy kosa tao amin’ny fampielezam-peo tsy miankina iray eto Antananarivo i Andry Rajoelina izao hariva izao, tsy voafaritra ny toerana haleha.

Fa ity sary farany omeko anao ity kosa dia olona nandalo tamin’ny moto teo Behoririka, tsy nanao casque ranamana fa nahantony teo amin’ny guidon ilay izy. Ireo fiara 4 X4 anefa aoriany efa mirimorimo miakatra ho any ambany tetezana sady mitifitra grenady lacrymogène ihany, ary nisy tifitra hafa koa (tsy fantatra hoe tena nisy bala hafahafa raha tsy efa ny vokany no hitanay). Loaka tanteraka ilay casque teo amin’ny guidon, ary ny bala notsimponiko eran’ny làlana dia boribory fotsifotsy toy ny kanety ny habeny. Ireny hopno ilay balle en caoutchou e! Fa nahaloaka casque moto an!

sunp0309

toy izao ireo bala nahavoa azy, rehefa mitefoka indray mandeha ny basy avy eny amin’ireo 4 X 4 dia bala maromaro amin’itony no mivoaka avy any:

img00057

Ireto kosa indray dia mba ambinambin-tsary mifameno amin’ireo tany aloha

sunp0299
sunp0300
sunp0304
sunp0311
sunp0313
sunp0314

10 Réponses

  1. Misaotra hatrany mampita vaovao e !
    Saingy mahaontsy ny fo ny zava misy. Nisy sary navaokan’ny mpanao gazety sasany, izay hitako fa tena mampalahelo tokoa dia nisy vehivavy nampandolian’ireto miaramila gasy ireto. Fa nahoana ? tsy fantatra ny antony. Misy koa sary ny mercenaire (???) sa iza marina vazaha 2 na telo manao solomaso mainty teo akaiky ny camion nisy ireo miaramila ireo. Inona marina no tena asa ataon’ireo olona ireo, ary raha toa ka journaliste, nahoana no tsy nisy fakan-tsary na camera ? Mahaontsa ny zava-misy. Ary maniry sy mivavaka ny fiverenan’ny filaminana. Titi.

    Ny tsy hitanareo aza dia ny fandefasana ireo izay lazainy fa mpanakorontana -vokatry ny arrestation sommaire- any anaty rano maloto. Tonga dia atsipy, na atosika, araka izay tiany ihany io. Ka raha sendra mba nahay nianjera tany anaty rano ilay olona ka tsy lena ny lohany, dia baikoana mihitsy handena ny lohany, na dia tsindriana tsotra izao hiditra any anaty rano ny lohany. Antsika no mieritreritra

  2. Nilaza ny mpanoratra hoe: « Tsy sahy nalaina moa ny sarin’ny daroka sy ny ompa, noho ny fitaovana tsy zarizary,nefa kosa azonareo atao ny mijery izany amin’ny sarin’ireo fahitalavitra manana tranonkalan-tserasera. »
    ka saika hanontany sao dia mety misy afaka manome ny adiresy ahafahana mijery ilay fahitalavitra manana tranonkalan-tserasera. Misaotra mialoha

    azonao atao ny mijery ity http://www.tvplusmadagascar.com

  3. titi : iny izy telo mirahavavy sa mianaka nampandohalihana iny dia efa tena mampiseho ny toetsaina mirefarefa amin’ny tany. Tsy hita intsony izay ilazana ny any amintsika, ory ny fo.
    Misy namana nitaraina fa tsisy zavatra de valeur azonao entina intsony fa ny miaramila mody manakana sy misava anao indray no mangalatra ny volamena eny an-koditrao na ny finday sy ny vola any anaty poketra na kitaponao – loza iray loza roa loza telo.
    Fa ilay kapoty no nahavariana ahy rey olona. Tsy hoe zah no vetaveta saina ka iny ihany no tsikaritro an, fa raha ireo habetsahany @ toerana iray ireo mahavariana ihany hoe mifanelaka ve zany ny rasila manao garde amin’ny alina ? beurk. Ka ny olona aza tsy mahazo mivezivezy fa tratran’ny kovra fe koh ! Sa manolana amin’ny andro antoandro be nanahary rizareo ? Tsy misy fanazavana re na azo atolotra ve momba ireo ???
    Dia mitandrema ihany elah ry avylavitra fa ny aina tsy ananampiry kle. Zahay faly mahazo vaovao fa na izany aza, aleo izahay ho taraiky toa izay elah no hanefa any kah !

    Miala tsiny aminareo aho fa hilaza izay hitanay teo Behoririka omaly. Tsy izaho irery no nahita an’ity fa ireo mpanao gazety maro niaraka teo dia samy nahatsikaritra ny fomba fitafy sy ny fahaiza-manaon’ireo ‘miaramila’ teo an-toerana. Nisy taminay no nahamarika namany iray ‘mpivarotra devizy’ eo Analakely amin’ny andro andavanandrony, ary lasa ‘anaty tenue’ tampoka nony nisy ity raharaha ity. Nifanontany izy mitsamy hoe fa inona lety no ataon’ialahy ity? Dia namaly ilay ranamana fa bizna ny azy. Tena misy tsy mahay mandefa ny lance-grenade akory aza ry zalahy fa eny vao atoron’ny namany. Koa azagaga raha ny iray kamio no mety hiara-hipoaka eny ampandehanana eny sy hiara-maty ao anatiny ao, satria olona tsy natao ho amin’izany ve no asaina mirotsaka hitandro ‘filaminana’. Samy manana ny ataony hoe ‘filaminana’ koa moa isika rehetra e!

  4. Ry Ra-Malagasy,
    Tsy fantatrareo ve fa nanomboka taminy 7/02/09 dia hifantrapatratra izao ny olona malagasy maty, ankizy, tanora, olona mbola tsy nahafantatra izany atao hoe manana ny hoaviny izany akory?
    Tsy misy hajany amin’nyy maha-olombelona azy intsony ny vahoaka malagasy: rehefa avy nampivarotana tena ny ankamaroan’ny vehivavy malagasy, dia izao ampadoalihana eny an-dalambe izao… izany sisa ny hajan’ny Reny malagasy, Reny nipoiran´ ireo taranaka rehetra.
    Ny alika sy ny akoho ary ny omby aza mbola misy hajany lavitra noho ireo olom-belona, vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao, izay aripadripaka amin’ny fomba mahatsiravina.
    Tezitra aminy karana sy ny sinoa ary ny vazaha ve isika? Ahoana moa no antenaintsika ny hanajan’izy ireo ny zon-tsika? Tsy diso toerana ve izany raha isika samy isika malagasy aza mahavita mifandripaka sy mifanao tsinontsinona toy izao, amin’ny anaran’ny vola sy fahefana, amin’ny anarany fitiavan-kely.
    Inona no hanadiovan-tsika izao rà be dia be milatsadatsaka erakin’ny tanàna izao?
    Aoka ho tonga saina isika rehetra fa hamela ratra lalina hatrany amin’ny taranaka amam-para izao toe-javatra mitranga aminy firenentsika izao, firenena izay mety tsy firenentsika intsony akory, tanindrazana izay mety ho tanin’ireo razana efa nialoha lalana fa mety tsy ho tanin’ireo taranaka fara amam-dimby intsony akory. Satria efa toa namidy mora, varo-boba ny ràn-tsika ankehitriny.
    Sarobidy hono ny aina, kanefa ankehitriny toa ny zavatra tsy manan’aina no sarobidy lavitra noho ny ràn’ny olombelona malagasy eo imason’ny olona maro. Jamba ve isika sa izany no midika fa efa ao anatin’ny haizina tanteraka isika?
    Maneho etoana ny fiarahako miory amin’ireo fianakaviana izay namoy ny havana tiany sy ny zanany malalany aho, amin’izao andro matroka mampisavorovoro ny vahoaka sy ny firenena malagasy izao.
    Raha mbola manoratra eto anefa dia mbola manantena hatrany fa any andro iray, hiverina eo am-pelatanan’ny olona malagasy tsirairay ny hasiny, ny haja sy ny zo amin’ny maha-olombelona azy, mba ho mendrika indray ireo Razana rehetra efa nialoha lalana.
    Mahereza Ra-Malagasy.

  5. ary loza fa na miaramila na « mpirotaka » samy mamely avokoa ! de ahoana koa izany kapoty e. tena tsy izy mihitsy, sa de mandeha koa ny commerce de nuit amin’ny tovovavin’alina. tsy azoko mihitsy.
    fa dia soa fa misy andrajentilisa sy avylavitra aloha hanarahana vaovao e.

  6. le hoe mercenaires, sao dia mba miaramila instructeurs sudafr nalefan’ny sadc?

  7. tena tsy mandeha ilay site http://www.tvplusmadagascar.com tsy mety mahita an’ilay video mihintsy ny tenanay sao dia misy hafa ahafana mahita an’izany miaramila midaroka izany fa tsy izy intsony izany eh

  8. Tsy mandeha ilay TVplus (site). Sao dia mba misy hevitra. Misy manan-kevitra ve ny amin’izay tokony hatao mba hanaparitahana izao toe-javatra izao amin’ny teny maro samy hafa mba ho ren-tany sy ren-danitra satria tsy mety kosa ilay tsy fanajana ny zo sy ny hasina mahaolona ataon’ny miaramila. Na momba ny fanjakana aza izy ireo dia tsy maintsy tandrovana ny zo sy hasin’ny mahaolombelona.

    Tena miala tsiny aminareo fa noho ny fandrahonana ho faty mahazo ireo haino amanjery sahy maneho ny zava-misy iainan’ny vahoaka, dia tsy mandeha koa izao ny TVPlus hatry ny omaly. Niandry ihany izahay ny amin’ny hiverenany fa dia e e e. Angamba dia hipetraka eto tokoa ilay hoe ‘one way thinking, one way doing’. Asa raha mba mahalaza izay tiako lazaina ireo teny angalisy kely vôtako ireo.

  9. AOKA NY FIFAMONOANA EH

    Marina ny anao e!

  10. Toa efa mahazatra ny maheno hoe misy maty atsy misy maty aroa, tsy misy taitra intsony isika. fahavoazana arapsychologie sarotra sitranina izany.
    Ny fanahy mahaolona mantsy no tsy ao intsony fa toy ny biby isika

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :