Anosy/Mahamasina Pr.Zafy sy ny tariny

Na dia nihevitra aza ny maro fa mbola hiverina ny korontana toy ny omaly, dia tsy nisy na inona na inona afa-tsy olona visivitsy nihirahira sy nipetrapetraka nanandrify ny fiantsonan’ny taxibe teo Mahamasina no hita androany hariva.

Hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia mbola teny koa ireo mpitandro filaminana.

Sady nandrindra ny fiatoan’ireo taxibe izy ireo, no niandry izay mety hiseho ihany koa.

Niandry an’i Manandafy sy ny Pr Zafy moa ny ankamaroan’ny olona, saingy nangaina fa tsy nisy hita teny ny mpitarika.

Teo ampialofana noho ny erika nifafy, dia nisy ny nahatsiaro ny tany amin’ny 1991 tany, ka nilaza fa tafaraka indray ireto i  Zafy sy Manandafy, ka hafàna tokoa ny tanàna. Toy izao mantsy hoy izy ireo no nitarihany ny olona tamin’izany fotoana sy nahatonga ireny raharahan’ny 10 Aogositra ireny. Asa re!!!

Raha jerena tokoa mantsy izay nolazain’i ¨Pr Zafy tamin’ny mpanao gazety avy amin’ny  Express de Madagascar nivoaka androany, dia efa vonona tanteraka hiatrika korontana ry zareo. Nolazainy fa ‘olona efa niomana sy vonona hifanehatra amin’ny mpitandro filaminana ary tsy matahotra grenady ireo olona tarihany eny, ary izany no isan’ny antony mahavitsy azy aloha amin’izao fotoana izao . Azonao vakiana ato izay resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny l’Express de Madagascar izay

Publicités

Ambohijatovo androany 11-09-2009

Ny tenin’iza no arahana, ary ny an’iza no hodisoina?

Raha nilaza tamin’ny rehetra ry TABERA sy LECACHEUR teny Ankorondrano (kianjan »ny ara-dalana »)  omaly ny amin’ny mety hidinana an-dalambe sy hankanesana eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo (kianjan’ny « demokrasia »), dia nandiso izany kosa ry RAKOTOVAHINY Emmanuel sy ANDRIANARISOA Ange.

Tsy nohamaivanin’ireo mpitandro filaminana anefa izany fa dia tonga maraina be teny anoloan’ny vavahadin’ny kianjan’Ambohijatovo izy ireo. Fiara vaventy miisa 4 no mitoby eo, ankoatra ireo fiara hafa nidina nizotra ho any Analakely hanao fisafoana sy hijery taratra ny manodidina. Efa misy hetsika voaomana mialoha rahateo ao anatin’io kianja io, ary efa eo ampametahana ireo fitaovana filalaovana samihafa ho amin’izany ny tompon’andraikitra.

Etsy andanin’izany koa anefa dia tsy hay intsony ireo olona mivorivory ety ambony akaikin’ny TELECEL fahiny (ilay sampanana mifandray amin’ny fidinana avy any Ambatonakanga iny), na olona haniona ny antso omaly, na olona liam-baovao fotsiny ihany.

Hita araka izany fa dia miakatra tokoa ny maripàna politika eto Madagasikara.

Ny ankolafy Zafy Albert rahateo moa efa nilaza fa « Raha ady no ilain’i Andry Rajoelina, dia hahita izy« . Samy nitatitra ny momba izany avokoa ireo mpampita vaovao rehetra.

Tombontsoa ho an’iza, na vondrona toy inona anefa ny fikorontanana?

Efa fiteniko matetika foana ny hoe ny mpanaopolitika anie ka mody miady androany, fa mifanoroka atsy ambadiky ny rideau e!

Porofo mivaingana amin’izany no atrehintsika ankehitriny. Nanao izay ho afany RAVALOMANANA hanalàna sy hanilihana an-dRATSIRAKA (tsy hiteny aho na ‘coup d’éta’t iny na tsia) ary dia nitarika ny olona hanao ‘désobéissance civile’, na tsy fandraisana baiko avy amin’ny mpitondra teo amin’ny fitondrana intsony. Nisy ny maty, nisy ny mitondra takaitra mandra-maty (na raharaha 1991, 2002 na 2009 io). Ary rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ingahirainy io dia avy indray i ZAFY Albert nilaza fa tsy hanaiky ary tsy hiantso mandrakizay an’ingahy Ravalomanana hoe ‘filoha’, fa aminy dia toy ny olon-tsota rehetra ilay rangahy iny. Izany dia mandra-pialan’i « dada » teo amin’ny fitondrana. Tonga indray ny 2009, dia nentin’i Andry teny ankianja ny vahoaka ary dia izao atrehintsika ankehitriny izao sy mbola iainantsika ny tantara.

Ny mizaka ny vokatr’izany rehetra izany ve? IZAHO, IANAO, ny vahoaka tsy mandady harona, fa ny politika mizotra, mizotra foana mankany mankany.

Izao dia mifandray tànana (mba tsy hilazako hoe mifanao ‘bras dessus-dessous’) ry ZAFY-RAVALOMANANA-RATSIRAKA). Ary ianao VAHOAKA, iza no mba azonao atao ‘bras dessus-dessous’? Rehefa lany ny mamy ao aminao dia aloa tahaka ny fikam-pary ianao, ny omby sisa akamanao, na ny tany mba hitelina anao ho zezika.

Ny mahagaga koa anefa dia misy foana hatramin’izao ny olona voarebirebin’ny mpanao politika ka azo aroso ho sorona isak’izay misy tiana hahatongavana. Firy ny maty tamin’ny 07-02-2009? Tsy fantatra. Nefa mba misy  ve fanadihadiana marina sy mitombina hahalalàna ny amin’izany? Firy ny maty 10-08-1991? Fanontaniana toy ny teo aloha ihany koa ny momba an’io. Tsy lazaina moa ny momba ny 2002.

Anjaranao vahoaka no misaina. Mbola fotoana ve izao hanaovanao sorona nyainao ho an’ny politika maloton’ny sasany? Fotoana ve izao hamoizanao ny zanakao, ny vadinao, ny havanao noho ny hambom-po diso toeran’ireo be vozona sy matavy noho ny politika? Fotoana ve izao mbola hitampenan’ny masonao, na ny sofinao ka hanarahanao tsy misy fepetra izay heverinao ho marina (na hany tokana mba fantatrao) hatrany amin’ny fahafatesana?

Aoka hisokatra amin’ny lafy maro ny fijery sy ny fihaino fa izany no mahatonga antsika ho toy ny soavalin’Anosibe : tratry ny tampi-maso havia sy havanana, ka tsy mahita afa-tsy ny lalana asaina izorana. Ny fanaovana ‘halako hatramin’ny tsinay mainty’ no tiako hahatongavana eto, ka na misy aza feo tokony hohenoina avy amin’ny ankolafy hafa, dia sesehana lamba ny sofina tsy handre, na akimpy ny maso tsy hahita.

Am-bava homana, am_po mieritra. Atsipy ny tady ho an-tandroky ny omby, ny teny ho ao am-pon’ny mahalala.