PDS / solontenan’ny mpivarotra…

Nihaona tamin’ny PDS Antananarivo Renivohitra androany ny solontenan’ireo mpivarotra etsy Analakely, Soarano, Petite Vitesse, Behoririka (ireo efa ela nanaovana ity asa ity, sy nandoa hetra hatramin’izay ka nanao ny asa fivarotana ho anton’asany), ka teo amin’ny telopolo latsaka teo no niaka-dapa, ary ny sisa kosa nipetraka tety ivelan’ny birao.

Taorian’ny fihaonana dia nanao sonia ny fifanarahana ny roa tonta (PDS/Solontena) fa VONJIMAIKA IHANY NY FAMETRAHANA IREO MPIVAROTRA AMORON-DALANA ho etsy amin’ny araben’ny Petite Vitesse sy manamorona ny ranon’i Behoririka.

Tsy mazava ao anatin’ilay taratasy nifanaovana kosa anefa ny hoe VONJIMAKA MANDRA-PAHOVIANA.

Mandra-piandry ny fandaminana maharitra izany dia miaina ny fitohanana aloha Antananarivo Renivohitra, satria dia efa mitatra hatrany ambanin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra sy ny faritra rehetra manana sampanana mifandray amin’Analakely sy Petite Vitesse ary Behoririka izany tranga izany

Mpivarotra amoron-dàlana / Efa ela…

Efa ela no nanaovana ezaka hanalàna ireny mpivarotra amoron-dàlana ireny. Tsy vita anefa izany hatramin’izao. Asa na ny olona no tena màzan-doha, na ny mpitantana ny tanàna no tsy mahefa.

Efa ela ihany koa no nahalalan’ny besinimaro fa tsy hafa akory ireny entana amidy eny antsisin’arabe ireny fa an’ireo sinoa tompona toeram-pivarotana goavana eto Antananarivo Renivohitra ihany.

Izay rehetra tsy mahita asa atao, na ‘ndeha tonga dia hitsiana hoe malaina hiasa saina, dia mitondra kara-panondro fotsiny manatona an’ingahy ‘Chong’ [anarana entin’ny mpanoratra hibangoana tokana ny sinoa rehetra fotsiny io]. Rehefa vita izay ifanarahana eo, dia mivoaka ny entana, ary dia miandry ‘versement’ sisa i patirao be. Izany hoe, mandry ny  sain’ i ‘Chong’  fa tsy maintsy hisy foana ny vola hiditra, na tsy hisy hiditra aza ny magazainy, ny mpivarotra amoron-dàlana koa tojo izay notadiaviny ka tsy hiasa saina, fa hitanin’andro sy hanoaka fotsiny dia manatona ny mpividy.

Fehiny: Raha tiana izany ny hanadio ny sisin-dàlan’Antananarivo Renivohitra dia ny fanaraha-maso  sy ny fihenjanana amin’ireo ‘Chong’ manome vahana ny Malagasy hilona anaty fahalainana, sy hiankin-doha lava aminy no tokony himasoan’ny mpitantana, ankoatry ny ezaka hafa efa natomboka. Sa ve manohintohina ny fahalalàhana eo amin’ny sehatry ny varotra koa ny fanaovana izany? Izao aza dia efa misy amin’ireo mpivarotra amoron-dàlana sahady no efa namelatra entana amin’iny arabe mamakivaky ny ‘Petite Vitesse’ iny na dia tsy mbola nolazaina mazava aza ny vaninandro tokony hanombohan’izay.

Koa rehefa lasa fivarotana àry ny arabe eo amin’iny faritra iny, mba efa noheverina ve ny amin’ireo mpivarotra nanara-dalàna efa nipetraka teny ampolon-taonany maro? Ny amin’ireo magazay sy hotely lehibe amin’iny faritra iny? Ny hoe raha sanatria misy tsy maintsy handehanan’ny mpamonjy voina miditra amin’io faritra io noho ny vonjy aina? Làlana aiza no hatao azo ifanenana mba hasolo azy io? Ny aty amin’ny Foibe ara-tsaina Albert Camus ve? Sao mba tsy izay no vahaolana? Sao azo heverina ny famerenana ny ZOMA LEHIBE eo Analakely, ka amin’izay fotoana izay dia mba indray mandeha isan-kerinandro ny fifamoivoizan’ny olona no voaelingelina? Raharaha sarotra ihany ity miandry ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity raha izao no jerena. Mbola manginy fotsiny koa ny fampanantenana ny hametrahana ny ampahany amin’izy ireo amin’iny faritra Ambodifilao iny. Raha nisy ihany ny fanapahan-kevitra toy izao, angamba aza tsaratsara kokoa raha efa noheverina mialoha ny hanokànana ny tsena arakaraky ny entana amidin’ireo mpivarotra: ohatra hoe Ambodifilao = voankazo sy legioma; Petite Vitesse = X ; Isotry = Y , sns…  Ny eny Namontana aza mbola ahiana hiakatra afo ka hidrikina hiverina aty afovoan-tanàna mahita ireto namany nahazo vàhana sy nahazo toerana tsara lavitra sy akaiky ny mpanjifa noho ny azy ireo.

Tsetsatsetra tsy aritra koa no ilazàna fa be ireo sinoa ireo no mpivarotra no asany rehefa tonga eto Madagasikara, nefa dia anaty Fiara mitondra takelaka maitso (laharana diplaomatika, pasipaoro diplaomatika) no ivezivezeny eran’ny tanàna. Fiarovan’ny Sina ny olom-pireneny mila ravin’ahitra ve izany? Ary raha izany tokoa, mba manao ahoana re ny fiarovan’ny fanjakana malagasy ny azy rehefa mila ravin’ahitra any ampita any e?

ANTSO AVO ho an’ny mpiandraikitra ny Commune Urbaine Antananarivo

Vao avy any Antsirabe aho no manoratra ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra soratako manokana hiantsoako ny mpiandraikitra ny Commune Urbaine Antananarivo Renivohitra.

Nandritry ny andro vitsy nipetrahako tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra dia tena faly sy ravo ery ny saina nahita fa milamina sy madio ny tanàna. Tena mendrika e! Tsy hitako izay ilazana ny zaridaina eo anelanelan’i Tobin’ny fiaran-dalamby sy ny Hotel des Thermes.

Vantany vao niditra an’Antananarivo anefa dia ny fako no tsikaritra. Ny teny Behoririka no tena tsinjoko (sy fahitako isaky ny alina rehefa mody avy miasa). Tavela eny  (na iniana avela mihitsy) ireo fatim-baoritra sy loto isan-karazany aorian’ny fotoana ialan’ireo mpivarotra amoron-dalana (marchands de rue) amin’ny toerana nobahanany. Amin’ny antoandro anefa ry zalahy lasa tompon’ny 1/3 ny arabe. Sahirana mihitsy ny tena mitady làlana hodiavina, ary raha sendra mba mandefa fanairana ianao, dia na ompa no azo, na dia ny masony no mivontirika mila hitelina anao manta.

Koa antso avo no mba sendra tonga ato antsaiko alefa hiantefa aminareo tomponandraikitra. Toy izao izany:

Mangataka anareo aho ny tsy hanadio ny tanàna (eny fa na dia iray na roa andro monja aza). Indrindra fa amin’izao fotoanan’ny orana izao.

Hazavaiko ny antony:

Mba mampalahelo ahy ihany ny mahita ireo mpiasan’ny Kaominina isaky ny alina manàla ny loto sy fako (eny fa hatramin’ny dikin-dry zalahy mpivarotra ireo, izay ataony anaty sachet aza indraindray). Aman-taoniny maro isaky ny alina no diovina amin’izany. Rehefa maraina ny andro, dia indreny indray ireo mpivarotra maty eritreritra rehetra fa tonga mibàhana ny toerana sy ‘manalika’ ny rehetra (tsy an-kanavaka io an, na mpandeha an-tongotra, na mpampiasa arabe, na ny mpiasanareo ao amin’ny Kaominina). Mety hisy amin’ny mpamaky izao no hanatsiny ahy hoe dia ahoana ny aretina sy ny fofona aterak’izany? Saingy raha indray andro sy indray alina no mety hahitantsika fahadiovana sy filaminana mandavan-taona, tsy ho aritra ve sanatria? Didy maso asiam-panafody io ka asakasa-tsika rehetra ihany.

Rehefa esorina teo anefa ry zalahy ireo dia inona no avaliny:

Aiza no mba hiveloman’ny madinika e? Dia madinika ihany no atao tsinontsinona e! Ny madinika ihany no oia sy oia e! sns…Tonga hatramin’ny filazana fa ianareo mpanao politika ihany no nametraka anay teto e!!!

Ka ny tiako hahatongavana dia ny hoe: raha tsy manadio tanàna ianareo (na dia indray andro sy indray alina monja aza), dia tiako ho hita kosa raha hahavita hamelatra entana eo ambonin’ny fako navelany ny omalin’iny ireo mpivarotra ireo. Tena mampivonto fo mantsy ny loto tavela sy hitan’ny maso, ary lalovan’ny fiara rehetra amin’io faritra lazaiko manokana io rehefa hariva ny andro.

koa averiko ny antso avo avy amiko:

AZA DIOVINA ALOHA NY TANANA, NA DIA HO IRAY ANDRO SY IRAY ALINA MONJA AZA

Farany, marina fa tsy mbola voahaja ny fanasokajiana ny fako misoratra eto amin’ny varavaran’ity fanariana fako ao Antsirabe ity,

saingy kosa mba hita fa tafiditra tsara ao anatiny ao daholo ihany ny loto. Tsy manimba ny endriky ny tanàna? Sa izaho no sendra ny andro tsara sy madio fony aho tany? Mba hanao ahoana re raha aty Antananarivo no misy toy ity e? Asio aloha hihomehezana e! Raha tsy hoe ho lasa tranon’ny 4’mi angaha. Olona nahita fianarana daholo mantsy no betsaka eto Antananarivo Renivohitra eto, ka tsy ho hita eo ve. Ny taolam-pary avy notsakoin’ny ngetroka aza mbola atsipiny avy any anaty fiara miaraka amin’ny sachet keliny ho eny afovoan’ny làlana lalovany. Mahamenatra an!