Nandatsa-bato

Niniana natao ilay lohateny hoe « Nandatsa-bato » satria tsy fifidianana no natrehiko teto Antananarivo raha ny sary entiko ho anao no jerena akaiky.

Tsy nisy afa-tsy vato TIM sy valopy no nameno ny latabatr’ireo birao noteteziko (EPP Behoririka, EPP Andravoahangy I sy II, EPP Antanimena, EPP Ankadifotsy ISCAM)

sunp0019.jpg

Raha ny taha-pahavitrihana moa dia ambany tokoa. Ary inoako fa tsy mbola nisy toy iny. Lany andro nanoko resaka sy nialoka noho ny hafanàna fotsiny sisa ireo mpikambana tamin’ireny biraom-pifidianana ireny. Zarany aza nisy anay nandehandeha teny naka sary sy nampiresaka azy.

Ireto sary rehetra ireto dia nalaina teo anelanela’ny 11h sy 12h. Raha misy olona 1700 mahery no voasoratra (saiky isak’ireo birao notsidihako io an!), dia nanodidina ny 70 teo raha be indrindra no tonga nifidy tamin’io ora io (12h). Topazo maso anie ity fandraisana ny isan’ny olona tao amin’ny EPP Andravoahangy II ity e! Isao ny isan’ny tsanganana sy ny andàlana, dia ataovy ny kajy tsotsotra avy eo.

sunp0021.jpg

Ny olona nandràsana tsy tonga, ny hanoanana nanomboka namely. Midinika sy mifandamina ny amin’izay handeha hisakafo mialoha sisa no azo natao. Kanjo tonga tampoka ny olom-boafidy iray eto amin’ny firenena, izay mitàna andraikitra ambony ihany koa eo anivon’ny andrim-panjakana iray. Nombàm-bady ny lehilahy ary efa somary nahenoana fofona alikaola ihany koa. Koa raha izy aza moa nahenoana izany, dia ahoana no hinoana fa tsy mba haka tàhaka izany koa ny olona tsotra? Araho ny tohiny. 

sunp0023.jpg

sunp0027.jpg

Rehefa avy nifidy ingahy olom-boafidy sy ny vadiny, narahin’ity garde de corps, dia namonjy fiara mba hody. Asa anefa na efa nalemin’ny alikaola ny hozatra ka tsy nahazàka tsara intsony ilay tongotra tokony handingana ilay rojo vy nanelanelana ny varavaran’ny fiara sy ny tenany. Niezaka ihany ingahirainy ny handingana, kanjo, loza fa natsipin’ny rojo nitsinkasina tamin’ny tany teo imasom-bahoaka teo.

sunp0031.jpg

Koa raha toy ireny daholo tokoa moa ny ohatra omena ny vahoaka, tsy dia hahagaga antsika loatra raha mihena ny fitokisana sy fitiavan’ny daholobe ny mpitondra azy ankehitriny.

Karazana felaka teha-maina fanindroany nahazo ny fitondrana ny valin’iny latsa-bato iny satria raha ny vokatra tsy tena mbola ofisialy manerana an’i Madagasikara navoakan’ny Ministeran’ny Atitany androany maraina, dia 30,71% ny taha-pahavitrihan’ny olona nandeha nifidy. Tsy tokony hitondra fisainana lalina ho an’ny mpitondra ve izany?

Asa lahy!

5 Réponses

  1. hi! Avylavitra I’ve read your article about « mandatsa-bato ». marina daholo ny zavatra nolazainao ary tena zava misy ankehitriny. za koa tany ampianarana nanoratra article mikasika io fifidianana io. De ataoko hoe tena mitovy ny fomba fijerintsika.misaotra betsaka de mazotoa hatrany . mirary soa ho an’ny firenena. mba jereo koa anie ny articlako ao @ io adresy io.merci bye!!!!!!!!!!!

  2. Mety ho sempotry ny hafalina angamba ilay olom_boafidy satria efa fantany mialoha fa ho lany izy ka izay no nampienjera azy.Fa
    angaha tsy nijery azy koa ilay garde de corps no dia navela nianjera ny patron !

  3. Asa angamba mety nanantena fa tsy maintsy ho lany ilay antoko ka nanao fety alohan’ny fotoana ilay lehilahy.Tena mahamenatra tokoa ny toe_javatra tahaka itony; satria tahaka ny fary hono ny lohany indray ve no matsatso; dia ahoana no hampanjary ny ho entina?Soa lavo hahay hamindra;ny sisa atao hanatra

  4. salama e!!!!!!
    Mahatsikaiky indray izany an! Angamba tena efa faly mialoha ihany ingahirainy io ka nanao ny tsy fanao .Ary mba toerana fampisotroana taiza no nandehanany .Sa tsy mahalala lalàna angaha izy.kolikoly daholo izany rehetra izany

  5. Salama daholo ry MamyNyAina, Olive, Rondro sy Antsa,

    Mafinaritra ny mamaky anareo eto ary manantena fa efa vonona nareo hamokatra ny blaogy nareo ! I avylavitra moa dia efa mpitoraka blaogy « pro » mihitsiny zao ka manantena izahay hoe hitovy azy ianareo

    Good Luck
    FOKO BLOG CLUB

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :