8_Mars

Na dia tsy mbola anatin’ny 8 mars tanteraka aza isika dia entina ihany ity lahatsoratra ity ho an’ny rehetra. Manana ny toerany lehibe eo amin’y fiaraha-monina ny vehivavy. Ankoatry ny maha ravaky ny saha sy endriky ny tanàna azy dia aoka ho tadidy mandrakariva fa izy no kofehy na fantsona iray miantoka ny fitohizan’ny taranaka. Andry lehibe iankinan’ny firenena sy ny fisiany araka izany ny vehivavy. Niezaka nitaky fitovian-jo izy ireny. Dia nomena izay tandrify azy tokoa.
 Na izany aza anefa dia lazaiko fa tsy mbola, ary tsy ho tanteraka (lafatra) na oviana izay resaka fitovian-jo tadiaviny izay.
Voajanahary mantsy ny maha samy hafa ny lahy sy ny vavy. Aza tonga dia tsinianao avy hatrany fotsiny amin’izao izay lazaiko, fa raha misy adihevitra dia tokony haroso. Fony aho nianatra dia hoy ity anabavy iray mantsy ahy. Efa teny amin’ny ambaratonga ambony tamin’izany fotoana: « Na inona na inona fitakiana fitovoan-jo ataonay, dia ekenay fa resinareo lehilahy foana izahay amin’ny lafin-javatra maro. Resa-be tiana hateza ny hoe tena hitovy tanteraka fa efa napetrak’Andriamanitra ho ny lahy no lohan’ny vavy« . Akatoko eo ny amin’iny sao dia hisy hilaza fa mpanamaivana ny andriambavilanitra aho.
Fa ny zavatra tiako hapetraka dia izao. Anisan’izay tena miezaka mampihena io elanelana io ny tenako. Ary dia sarotiny mihitsy raha vao ny vehivavy no atao tsinontsinona. Isan’ny fanaovana tsinontsinona ny vehivavy Malagasy sasany ny tsy famelàna azy handray anjara amin’ny adihevitra atao eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy sasany. Anjaran’ny lehilahy mantsy hono izany. Eo koa ny tsy fanajàna ny safidin’izy ireny amin’ny alàlan’ny fanolorana azy ho vadin’olona fa tsy ho tompon-tsafidy amin’ny fitiavany. Ary izay miseho any amin’y faritra somary atsimo atsinanana iny no tena mahavàka ny saina indrindra. Raha misy vehivavy miteraka kambana, dia tsy maintsy vonoina ny iray na ariana ho lasan’olona hafa. Izay mantsy hono no fomban-drazany ka dia tsy afaka miteny sy tsy manam-pidiny ilay kitapo nifonosana. Nilaza mihitsy aza ireo raiamandreny be (Ampanjaka) tao amin’io tanàna io fa na hiady aminy aza ny fanjakana dia tsy hilefitra hitaiza zaza kambana izany ry zareo. Tsy fanaon’ny razany izany ary tsy ho ataony na oviana na oviana,hono. Be ny vehivavy no mizaka ny mafy: na io noho ny adim-piainana tsotra izao fotsiny, na noho ny setrasetra mihatra aminy (fanolanana sns…). Vao tsy ela fa ny 06-03-2008 teo no nahenoako tovovavy iray nanoratra tany amin’ny mpanolotra fandaharana iray « Ny fitiavana sy ny tontolony » tao amin’ny  radio Don Bosco, nitantarany ny manjo azy. Toy izao izany manjo azy izany: sembana ity anabavy nanoratra (sima).
Ny zavatra mampalahelo dia ny reniny izay tokony ho nàmany sy hanampy ary hiaro azy no mitsangana ho fahavalony, noho io fahasembànany io. Tsy avela hianatra fa hataon’ity farany inona, hono, izany, Tsy avela hitady asa koa fa atao toy ny mpanampy
ao an-trano. Iainany isan’andro ny latsalatsa sy ny teny tsy voahevitra rehetra. Mankahàla azy tanteraka noho io antony io ny reniny,  ary dia manaraka izany koa ny iray tampo aminy rehetra, izay mahazo vàhana sy fitiavana manokana amin’ity reny mpianga-janaka. Mba mitsetra azy ihany ilay rainy saingy tsy mahavita inona noho iretsy ankilany maro mifanandrina aminy. Avoaka daholo ny vava tsy ambina rehetra toy ny hoe « tsy hahita asa na vady na oviana na oviana raha ny toa azy sima io« . Niantso vonjy tamin’ny alalan’ny taratasiny io anabavy io ny mba hanampian’izay afaka manao izany ho azy, eny fa na dia hanao mpiasa an-trano aza, mba hialany amin’ny ziogan-dreniny. Efa navoakan-dreniny hatramin’ny teny maharary hoe : « tsy manan-janaka anao aho« . Mafy anie izany rey olona e. Tsy te-ho eo amin’ny toerany aho.
Tsaroako eto koa ireo vehivavy lavo sy potraka noho ny fitiavany. Noho ny fitiavany hoy aho, satria nitia izy saingy nilaozan’ilay, na ireo notolorany ny fony. Mibaby kitra irery avy eo,nefa dia tsy maintsy manohy miaina. Isaorana manokana ireo reny be herim-po tsy mitsoaka adidy ka na dia lasa aza ilay nantenainy, izy kosa mijoro hatrany mba ho andry sy ho tokin’ilay menaky ny ainy izay tsy nahalala na inona na inona akory. Tolomina ny zaza, nefa koa ny vola tsy maintsy tadiavina ary dia mitomban-dahy tokoa ny sasany amin’ireny reny ireny. Misy manao asan-dehilahy mihitsy toy ity sary entiko aminao ity
. Ny zaza babena, ny asa tefy vy sy fanaovana tsikalakalam-pàtana tsy maintsy atao raha mbola te-hanokatra ny vavan’ilay tsy manan-tsiny tsy mahita atao afa-tsy ny matory maka hafanana ao an-damosin-dreniny. Mivoaka maraina be sao lasan’ny sasany ny mpanjifan’ny tena. Tsy miala eo indray raha tsy antony tsy azo anoharana. Teny Ambodirano-Ampefiloha no nakako ny sary. 

sunp0015.jpg 

sunp0017.jpg

 Tsy lavitra teo koa anefa, saingy niniako tsy nalaina sary kosa, dia nisy vehivavy iray hafa mamo tampona tsy naharay tena, mitsinkasina anaty loto sy dikadikain’ny akoho sy alika (ara-bakiteny io). Ireo vehivavy sendra nandalo dia samy tezitra sy nanome tsiny avokoa hoe « manala-baraka vehivavy, tsy misaina »
 Isan-taona dia omena azy ireo ho andro tsy iasany ny 8 mars. Raha ny orinasa iasako manokana izao dia sady mbola omena vola Ar15.000 tsirairay izy ireny. Saingy moa ve izay andro sy vola no tena hampiaka-danja ny vehivavy, sa asa maharitra sy
tontolo feno  fitsinjovana tsy mitsahatra omena azy isan’andro hanatanterahany ny adidiny? Angamba ny tena fitiavana azy dia ny fanampiana azy amin’ny fiainana isan’andro, ary amin’ny lafiny rehetra mihitsy tsy asiana faritra na fetra (na fitsaboana io, na fampitoviana karama ho an’ny asa mitovy ataon’ny lehilahy na vehivavy, sns…).
Ekena fa misy ny asa vatana tsy ho efany velively mihitsy kosa aloha e! Ary tsy mampitombina ny resaka fitovian-jo io lafiny iray io. Fa dia noho ilay fitiavana azy sy ny fandeferana dia mba mody mangiana ery ny lehilahy! Araka ilay fiteny hoe « Ny lehilahy raha mandingana in-telo, mahazo hevitra, ny vehivavy kosa raha miondrika in-efatra, mahazo saina« . Izany hoe mifameno eo foana ilay malefadefaka sy ilay maozamaozatra.
Izy ireo kosa (ny vehivavy), ho tambin’izany, dia tokony ho mendrika izay fijerena sy fitsinjovana azy manokana izay. Fa tsy sanatria hidingin-drambo ka hanao akohovavy maneno, na ao an-tokantrano na any amin’ny sehatra hafa anatin’ny fiaraha-monina. Satria misy tokoa mantsy ny vehivavy, rehefa mba tafasondrotra izay, ka tonga amin’ilay hoe « manana ny maha-izy azy » no lasa toy ny soavaly tapaka lamboridy (miala tsiny amin’ny ohatra masiaka). Ajanoko eo ny fitanisana izay mety ho lafy ratsy fa ndeha hitodika kosa amin’izay tombon-dahiny ananan’ny vehivavy isika.

Ekena fa « amboan’olona,kofehy manara-panjaitra, vady andefimandry, taranak’i Eva, haingo mipetraka ho ravaky ny tanana, ary voarabe ho endriky ny saha, mandeha ravaky ny lalana, akohovavy maneno » , ireo rehetra ireo dia mirakitra ny fomba fiheverana sy fiantso ny vehivavy, na amin’ny ratsy na amin’ny tsara, na amin’ny fomba fiheverana maro. Raha ny resaka fanabeazana no horesahana dia tsy toy ny any amin’ireo firenena silamo sy ny hafa izay manavaka manokana ny vehivavy intsony ny eto Madagascar.Efa rava tanteraka io fanavakavahana io, na dia mbola misy aza ilay pi-maso an’ila voalazako ery ambony any amin’ny faritra sasany izay mihevitra fa ny lehilahy no handimby anaran-dray ka tsy maintsy omena tombon-dahiny manokana eo amin’ny fianarana. Fa ny vehivavy kosa dia olo-manaraka, andraikitr’olona ka tsy tokony handaniana mondron-kely sy vary iraiventy.
Manomboka izao dia ndeha hiara-hientana isika mba hampihàrana ny zo mitovy ho an’ny fahafahana mahazo fanabeazana mitovy, fahafahana manatratra tanjona mitovy ary azo tratrarina amin’izany fanabeazana izany. Maro amintsika no nampianarin’ny mpampianatra  vehivavy. 65% mahery amin’ny mpampianatra Malagasy no vehivavy, raha ny tatitry ny Ministera misahana izany no raisina. Midika izany fa na eo anivon’ny firenena, na eo anivon’ny fiaraha-monina ary indrindra moa fa miainga ao an-tokantrano dia singa iray tsy azontsika tsinontsinoavina ny vehivavy, fa manana ny lanjany tsy azon’ny saina refesina. Talenta manokana nomen-janahary azy ireny ny fahaizana manabe. Tena tsinjon’ny mpianatra ho hafa kokoa ny manoloana mpampianatra vehivavy  noho ny manoloana mpampianatra lehilahy na dia sanmy mpanabe izao aza. Raha eo amin’ny lafiny fanabeazana izany dia mazava fa tsy
vitan’ny hoe mira lenta intsony ny lahy sy ny vavy, fa tena efa nihoaran’ny vehivavy lavitra ny lehilahy.
Mankasitraka anareo Andriambavilanitra!

3 Réponses

  1. Misaotra avylavitra nitondra fanamarihana sy fahatsiarovana hoa n’ny vehivavy, mahafinaritra.

    Tsara ery ny fanoratanao azy ka mahalasa saina tokoa. Asa na tokony hiady ho an’ny fitovian-jo tokoa ny vehivavy na tsia satria ara-boajanahary ny tsy fitoviana. Angamba hoy aho dia ny fanomezam-boninahitra ho an’ny vehivavy no tokony ampiana kokoa. Ny fanomezan-dalàna azy ireo amin’ny fianarana, fanomezan-kevitra sy fiadian-kevitra, tokony henoina izy ary omena ny toerana tandrify azy .

    Misy ihany ny fiovana anafa misy koa ny lehilahy mbola tsy mahatsiaro an’izany satria mihevitra tokoa fa ny vehivavy no ambany, raha ny tany amintsika aloha no marihina (efa voalazanao ihany ) dia nanana anjara mitovy ny lahy sy ny vavy raha ny asa fivelomana no andeha jerena efa tany aloha be tany, efa voafaritrin’ny fiarahamonina tanteraka ny anjara asany avy . Ary nandeha ohatran’izany foana. Ny any tsy nahazahoan’ny alàlana angaha dia ny fanambadiana (mety hoe kely izy dia efa nomanin’ny ràd oe iry no tiany ho vady, na ny lova tsy mifindra) kanefa afaka misintaka izy raha tsy tiany izany…sipakv toa efa nanao post momba ity raha tsy diso aho

    Taty aoriana ny vehivavy dia nialonana’ny mpanjanaka sy ny missionnaire ka novolavolainy hitovy aminy (satria hitany aza fa ny lehilahy malagasy hono no kamo…fa ny vehivavy miasa be. Dia izay no nahatonga antsika aty aoriana mihevitra sy lasa manao fihetsika machos toy izao hono e

    Mazotoa dia misaotra amin’ny gazety e

  2. ouups tena tara aho vao nahita ity fa dia mahafinaritra reh ny fomba fijerinao ny amintsika vehivavy izany e!!!!, raha mba ho tonga saina tahaka izao daholo moa ny rehetra!!!! dia ngamba hisosa milamina ny fiaraha monina e!!

    mahereza e!!

    biz a+

  3. salama !!!

    tena miombon-kevitra @nao ny tenako; ra @ zany resaka izany satria mampala helo tokoa ny ankamaroan’ ny vehivavy no tsy mianatra @ zao fotoana izao, noho izany tokony tsy kivy ny vehivavy @ fitakiana ny zony @ fampandrosoana ny firenena indrindra

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :