26 Juin, Fetim-panjakana, Fetin’ny Foloalindahy, Fetin’ny Fahaleovantena…Nomena (?)

Notaritarihin’izy ireo teo am-pamoloana IZY…Nafatony mafy teo amin’ny tsatóka. Novelesiny tamin’ny karavasy mafy dia mafy…Manatrika izany ny vadiny sy ny zanany miisa enina…

Nitomany mafy dia mafy ny vadiny ary nifona sy nandohalika…Ireo zanany dia nipitrapitra tsy nahateny tsy naharotsaka akory na dia ranomaso indray mitete aza…

Nangataka ny hamahana ny fatorany IZY alohan’ny nitifirana azy…Dia nitifitra tamin’ny basy marovava ireo maty eritreritra…Maty IZY…kanefa nitraka ny vady aman-janany.
Tsy afa-po ireo “mpanondro molotra” fa dia nodorana sy natao ho lavenona ny tranony…

Ireo nikapoka, ireo nitifitra sy nandoro trano no NANOME ny fahaleovantena…Dia noraisin’ireo “mpanondro molotra” izany…

Soa fa OLONDIA ny taranany…IZY no maty fa tsy ny OLONDIA. Na may aza ny tranony dia nanorina ny taranany… Na nomena aza ny fahaleovantena dia mbola mikaroka izany ny taranany fa tsy hanaiky ny ankositra sy ny sandoka…

mpanoratra: ONY RAMBELO

Publicités

ARENDRINA SINOA

DSC_0025

Ireo arendrina nahantona ho haingon’ny Araben’ny Fahaleovantena – Analakely

Arendrina sinoa,.. no andeha hovidiany,
Fa iny hono mantsy no maminy sy tiany,
Fa ireny hono… no lamaody sady manja
Hanandratany ny tenany ho olo manan-danja !

Fa naleon'ny fikambanana Association Tetezana Mada kosa nanjifa ny vita Mlagasy ho an'ireoankizy tohanany miaraka amin'ny Tetezanaonlus Itaia

Fa naleon’ny fikambanana Association Tetezana Mada kosa nanjifa ny vita Malagasy ho an’ireo ankizy tohanany miaraka amin’ny Tetezanaonlus Italia

Mba inona ny anao, izay baoritra manify
Raha miohatra ny azy dia kôtiany ho tsy misy
Tsy manintona ny maso, tsy mahasarika mpijery..
Fa efa dilan’ny ela, efa naman’ireo very !

Dia faly i « Kely maso », fa mandeha ny tsenabeny
Mody hatsangany ny saina mba haneho ny fahendreny
Dia ampiany doka kely hoe : « HO AVY IZAO NY FETY ,
IRENY NY ARENDRINA, KA JEREO IZAY METY » !

Ireo voazanaka ara-tsaina,dia nanisa ny isan-jaza,
Hividy ity arendrin’ny andro iray malaza…

Andro iray malaza…nahatapaka ny fonja ???
Sa….andro iray malaza ho an’ny kojakoja ????

Hono hoe : andro iray malaza ho an’ny firenena ,
Satria andro iray malaza ho an’ny fahaleovantena ?

Madagasikara dia arendrina sinoa,
Vitany manjelatra ka tretrika tokoa,
Mahajambena maso ny tara-pahazavany
Kanefa tsy ho ela..dia tsy hita no hiafarany..
KA SAINO MORA IHANY

Tsanta MIKANTO 19 06 15

Afomanga sy tifitra avylavitra

Aza taitra amin’ilay tifitra e! Fomba fotsiny io entina hilazana fa avy lavitra no nitifirana ny sary.

Fankalazàna ny  fitsenana ny Andro niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena (25 Jona 2011 2011, Anosy , Antananarivo)

Sary vitsy monja ho anao mpamaky

 

 

 

Fa aoka zalahy mba hialàna ity manipy tavoahangy plastika any an-tampon-dohan’ny sasany ity a. Raha miverina eo amin’ny lohanao moa iny ary niova no tena tavoahangy fa tsy plastika intsony, dia ahoana re eeee! Tsy te-hahita aho.

Hoy ny Eveka…

NY MARINA NO HAHA OLONA AFAKA ANAREO
(Joany 8, 32)

« Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo… »

Izahay ato amin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, rehefa nivory talohan’ny fananganana ny Arsidiosezin’i Toamasina, dia nifampizara ny fiainam-pirenena ka mahatsiaro indrindra ny Taon-jobily lehibe dia ny faha-50 taonan’ny Fahaleovan-tenam-pirenana.

Efa maro ny hafatra nampitainay Eveka Raimandreninareo mikasika ny zava-misy iainantsika tato ho ato, anisan’izany ny fiangaviana ny rehetra amin’ny anaran’ny Fitiavan-tanindrazana mba samy hitazona ny teny nomeny (jereo Taratasy marsa 2009).
Na izany aza dia mbola manantitrantitra izahay fa tsy vahaolana velively ny famafazam-bola sy lainga noho ny ady seza izay mahatonga herisetra, hatramin’ny fandatsahana aina aza.

Tojo fahasahiranana
Ny Vahoaka:
Manjaka amin’ny toerana rehetra ny tsy fandriam-pahalemana. Misara-bazana ny mpianakavy, ny asa tsy misy, ny hevitra politika tsy mitovy mampisavorovoro. Eo koa ny fihanaky ny zava¬madomelina isan-karazany ka mitera-doza mahatsiravina. Misy ny haino aman-jery tsy manabe fa mandranitra korontana mety hahatonga ady an-trano. Ny tafika, tandroka aron’ny vozona dia voasedra mafy koa tato ho ato.

Ny Mpanao politika:
Mikatso tanteraka ny fifanakalozan-kevitra noho ny tsy fahaiza-mifampihaino sy ny fifankahalana. Vokatr’izany tsy hita intsony ny soa iombonana ary very ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana.

Ny Kristianina sy ireo olona tsara-sitra-po:
Rendrika ao anatin’izany fahasahiranana izany koa ny Fiangonana ka takona ny maha-Mpaminany sy maha-Mpampiombona ary Fahazavana azy.

Karazam-bahaolana… tsy nahomby
Politika
Maro samihafa ny fitadiavana vahaolana naroso nefa izay nantenain-kanirina indray no vao mainka nampivandravandra (Le Hintsy, GIC, Ankolafy efatra nentina tany ivelany…)
Tsy nahitam-bokatra sy nandamoka ireo soso-kevitra politika naroso nentina nandaminana ny krizy. Mahatonga saina ireny satria izao no mbola mahazo ny firenena ankehitriny. Na ilaina aza ireo fanelanelanana iraisam-pirenana dia niarahantsika nahita fa nisy fetrany ny fahombiazan’ireny satria ny tena tompon’ny olana sy ny tompon’ny vahaolana dia isika samy Malagasy.

Vondrona sy fikambanana samihafa:
Misy ihany koa ireo te-handray andraikitra manoloana izao fiainam-pirenena mikatso izao ka manao fanambarana sy hetsika amin’ny fitadiavana vahaolana nefa toa vao maika miteraka fisavorovoroana ara-piaraha-monina, ara-toe-karena sy ara-politika, eny ara-pivavahana aza. Ampahatsiahivinay etoana fa amin’ny maha olo-pirenena sy amin’ny maha-kristianina dia zony ary adidiny ny maneho ny heviny. Manahy anefa izahay sao lasa fitaovana hanamarinan-tena ny finoana kristianina. Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny fampianaran’ny Fiangonana katolika.

Tolo-kevitra sy fampirisihina
Faha-50 taonan’ny fahaleovan-tena
Ato ankatoky ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovan-tenam-pirenena isika no miatrika izao toe-java-manahirana izao. Misy ireo nalaim-panahy ka nilaza fa tsy nisy zava-bita hatramin’izay fahaleovan-tena izay. Fomba fijery tsotra loatra izany satria betsaka mihitsy ireo zava¬tsoa noraisintsika: ny fivoaran’ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, ny toeram-ponenana, ny fitaovam¬pifandraisana… Mankasitraka sy mankatelina an’ireo rehetra tia tanindrazana, niara-nisalahy tao anatin’ny fihavanana nahatontosa an’ireo soa iombonana ireo.
Mbola maro anefa ny lesoka, ka ilàna fifanomezan-tànana mba hitondra antsika amin’ny fampivoarana sy fiadanana izao fankalazana izao. Izahay Eveka Ray amam-dreninareo àry dia manantitrantitra ny fanomezana lanja ny fandavorariana ireto lafin-javatra manaraka ireto:

Ny Fibebahana
Araka ny hafatra tamin’ny karemy hoe:  » mibebaha ary minoa ny Evanjely », sy raha te-hanarina ny firenentsika marina tokoa isika dia tsy maintsy miaiky heloka aloha ka miala amin’ny fitiavan-tena tafahoatra sy ny fialonana fa hampanjaka ny fahamarinana ary hanao ho vaindohan-draharaha ny tena fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovana ny soa iombonana.

Ny fihavanana:
Marary ny fihavanana izay soa toavina lehibe indrindra amintsika Malagasy. Ny fitiavam-bola sy voninahitra tafahoatra no mahatonga izany. Mila fanasitranana haingana sy hentitra io, tsy amin’ny ara-politika fotsiny ihany fa amin’ny alalan’ny fiombonana sy ny fiaraha-mientana entanin’ny fanajana ny maha-olona, ny fahamarinana sy ny fitiavana nampianarin’i Kristy.

Ny firotsahana:
Tsy manolotra na manohana rafi-pitondrana manokana ny Fiangonana katolika. Ity rafitra Teteza¬mita ity kosa anefa dia irinay hifarana haingana sy amin’ny fomba mendrika. Mitaky fandraisana adidy sy andraikitra amim-pahendrena sy fahamarinana ny firotsahan’ny tsirairay amin’izany.
Fifidianana madio no kendrentsika ka ilàna fiaraha-manomana mba ho lavorary ny fanatanterahana azy. Dia mba ho rafitra marim-pototra sy mateza anie no holovain’ireo taranaka amam-para.

Teny famaranana
« Tahionao ry Zanahary ity Nosindrazanay ity ». Izany tonom-bavaka ao amin’ny hiram-pirenentsika izany no itondranay tso-drano feno sy iarahabanay anareo sahady tratry ny fetim-pirenena ary hanentana antsika rehetra hiara-hivavaka ho an’ny tanindrazantsika. Ankinintsika amin’i Masina Maria Mpiaro an’i Madagasikara ireo ezaka iarahantsika manatanteraka ireo, mba hiadam-pinaritra isika mianakavy.
Mitso-drano anareo izahay Evekanareo.
Antananarivo faha-28 Mey 2010