MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa

06_nov_199514 taona lasa izay no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny tao amin’ny Ministere des Finances Antaninarenina. Zafy Albert no filoha ary Ravony no praiminisitra tamin’izany fotoana.

Ny 06 Novambra 195 tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 min hariva no voalazan’ny vavolombelona tamin’izany fotoana fa nahitana ny lelafo voalohany teny an-dRova.

Ny 30% tamin’ireo fanaka tao aminy ihany no avotra, raha nafindra vonjimaika ho ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha talohan’ny nametrahana azy ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, izay natao indrindra tamin’izany fotoana hifanandrify tamin’ny tsingerintaonan’ny andro nahaterahan’ny Praiministra Rainilaiarivony.

Kotsan-dranomaso Antananarivo tamin’izany andro izany nony nahita ny lavenona navelan’ny afo ny ampitson’io 06 novambra 1995 io.

Nisy ny fanangonam-bola,nahatonga ilay fiteny manadrohadro hoe ‘mametraha kely mba hanarenana ny Rova’. Saingy tsy dia nisy loatra ny mangarahara tamin’ny fitantanana azy ireny.

2005: nilaza ny hanarenana ny Rova ny Filoha tamin’izany fotoana, Marc RAVALOMANANA.

2009: 90% amin’ny asa goavana nampiandraiketina ny Colas no vita ary mbola ilàna vola hatrany amin’ny 11 miliara ariary ny fanohizana ny asa, izay orinasa hafa mbola tsy fantatra no hanohy azy. Ny asa miandry moa dia ny fandrakofana hazo ireo beton be nananganana ny Rova indray.

Hatramin’ny anio, mbola miandry izay marina momba ireny fahamaizana samihafa ireny ny vahoaka satria tsy mbola nisy nilaza ny marina hatreto. RAHOVIANA ?

2 Réponses

  1. Tao amin’ny gazety L’Express de Madagascar raha tsy diso aho, taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « Le Rova devait brûler » ary efa karazan’ny nisy anaran’olona nabaribarin’i Xhi sy M’aa ankolaka ho tompon’antoka tamin’ny fandoroana io Rova io.

    Izany hoe ny marina dia samy mahalala ihany ny vahoaka fa samy mody gisa fotsiny.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :