MITAFY LAMBA TONTA

Firifiry tokoa moa izay, nany marina kokoa, efa impiry no nitenenan’ireo tompon’ny fahefana teto Madagasikara fa « Manomboka izao dia hatao itsy, hampiharina iroa, tsy andeferana ny tahàka an’izatsy… » Na resaka fifamoivoizana io, na fandriampahalemana, – ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy e –  Fa dia andro vitsy, raha misy, no nisy ny fanatanterahana, dia very an-javony tany daholo ireny tsianjery maimbo famerin’ny mpifehy ireny. Saino anie ireto nosoratan’ny  OLONDIA MIDELIRA ireto e:

 

Mila ovàna ny politika sy ny fanaovana politika eto Madagasikara! Fanovàna tena izy, ary mikaroka ny tena fandrosoana marina ny isam-batan’olona. Politika miantehitra amin’ireo harena nananatsika hatrizay, ary politika tsy miankin-doha. Miaro hatrany ny hasina sy ny hambo tena Malagasy. Politika misokatra ihany koa amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ho mpanaja ny fitoviana sy ny fahafanan’ny tsirairay.

Ireo indray izao no hevitra abosesika ao an-dohan’ny Gasy ato ho ato. Tsy hevi-baovao akory ireo fa efa fandre hatrizay saingy tsy nisy nanatanteraka na dia toy ny silak’hoho aza. Koa aza lany andro manazava ny sain’ny olompirenena fa efa hainy sy fantany ny tsianjery maimbo fanao hatrizay. Varotra firiperia (hevitra tonta) no mahazatra anareo e!

Raha tena mpanao politika manana tanjaka ara-kevitra dia tsy ho lany andro mampiteraka ao an-tanànan’Ambatobevohoka sy miandry papelika tsy ho hita. Raha Gasy mahatsinjo lavitra ihany koa dia tsy hanaiky lembenana amin’ny fampisotroana ronono amin’ny pô plastika.

RONONO MAMONO, TANDREMO

Nihorona ny hodi-dohako raha nahita hafatra iray tao amin’ny http://globalvoicesonline.org izay nosoratan’i I-fan Lin  [amin’ny teny anglisy] miresaka momba ny ronono voapoizina nahafaty zaza (telo hatreto) tany Taiwan sy Shina.
Tsikaritry ny maro angamba fa feno entana nafàrana, izay  efa fohy dia fohy sisa ny fetra ahafahana mampiasa azy, manerana ny moron-dàlana (Behoririka, Soarano, Analakely, Ambodifilao sns…hatrany Andravoahangy) Tsy vitsy amin’ireny ny vokatra Sinoa, hatramin’ny vilia  na kaopy plastika misy melamine. Efa nisy ihany fotoana nilazan’ny mpampahalàla vaovao azy io hoe misy poizina ireo kilalao sy vilia vita avy any Shina ireo. Maro koa ny dentifrice, biskoitra, sns… tena maro ireny no  mameno ny sisin-dàlana. Chocolats, chips, sns sns…

Manentana re rey olona ô! Aza dia matimatin’ny hoe vita tany an-dafy ity sy iroa, fa sao ny aina no manefa e!  Indrindra moa fa ireo entana feno soratra toy ny kankana tsy fantatra izay lazainy na niaviany.
Folo hafatra mihitsy aho ao an-trano mba tsy hividy ireny vatomamy, dattes, sns amidy eny rehetra eny ireny, fa aleo hoy aho mividy JB sy Socobis ihany rehefa tsy hainareo ny momba azy manontolo, fa efa nisy koa ny matin’ny zavatra toy ireny teto Madagasikara..
Alaina ny entana dia hoe dorana fa lany daty, nefa mbola misy tonga eny an-tànan’ny kilonga ihany. Toy izay nahazo ireo mponina teny Andralanitra, eny amin’i Pere PEDRO ohatra.
Lasa fanariana sy famarotana ireo zavatra efa ho lany andro avy any ivelany i Madagasikara izao. Asa na mba iza loatra no olon-tsy vanona ao ambadik’ireny fanafàrana mamoa-fady sy mamono ny mpiray rà ireny (raha Malagasy) ary mpiray firenena (raha vahiny toy ny Karana).
Tao Antohomadinika tao efa an-tanonay vitsivitsy izao , nisy  karana tratra mikosoka ireny daty mipetraka amin’ny entana efa lany andro, amin’ny fonosana ireny, ary dia manisy daty vaovao indray, ka manaparitaka entana lany andro eny an-tsena. T

okony ho henjana sahala amin’ny an’ny mpanolana sy ny mpamono olona mihitsy ny sazy ampiharina amin’izay tratra toy izany, fa tena aina no lalaovin-dry zalahy.
Nadikako ho amin’ny teny Malagasy ilay hafatra voalazako ery ambony raha mba tianao ho hita eto na midira mivantana ao amin’ny http://mg.globalvoicesonline.org/. Ary misy fanampim-baovao koa azonao jerena ao amin’ny Yahoo Actualitée.

Mba ampitapitao ny hafatra sy fifampitandremana raha azo atao, fa ny toy izao ny tsy laitra. Rehefa andevozin’ny vola mantsy ny olona dia mahavita zavatra tsy takatry ny saina ho eritreretina, na dia hamonoana ny hafa aza izany (na mivantana io na an-kolaka)

Tsy any Taiwan na Shina ihany no mety hisy ny toy izao, fa iza moa no mahalala na efa tonga hatraty Madagasikara koa izany habobo (yaourt) sy ronono voapoizina avy any Shina izany. Aza hitako anie izany.!