Rova Ambohidratrimo May

Tsy hita izay ho lazaina fa aleo ity tononkalon’i IARANTSOA ity no hiainana azy

AMPY ( Ainga noho ny rovan’ Ambohidratrimo may 😥 )

Mitonia aloha, mitonia ianao ry Imerina,
ka hevero sy diniho ity loza be niverina.
Tsy tranobe no may, tsy ala tsy tanety
ka ndeha hitony kely, hangina vetivety.

lavenona no sisa mba ho vakoka sy lova
napetraky ilay afo nitelina ny rova,
atambo ry Iarivo ity zavatra nitranga
Io Ambohidratrimo fa nanjary bory sanga.

Rava teo ny manda, nitsahatra ny kalo
tafiditra ao am-bohitra iretsy fahavalo
ny hadivory misy, raha raikitra ny ady,
fa nisy tamintsika no namoha ny vavahady.

Isika samy isika no manao an-dolom-po,
mpikobay an-kelika, mandefona ivoho.
Isika raha miady, izay ho faty aleo hitsipaka
fa mahonena loatra iretsy lovantsika ripaka.

Iza indray izao no manaraka ho dorana
harenan’ iza koa no kendrena ho fongorana,
Ambohimanga sa ry Alasora sy ny sisa…
manarina azy anefa tena vola an-tapitrisa.

Kila teo ny hasina, ny aviavy sy ny amontana
ny lazano ry Gasikara no sahinay nongotana.
koa AMPY tena AMPY, ary tena AMPY izay
AMPY izay ny rova sy ny lapa efa may.

IARANTSOA

 

Publicités

Mitomany an’i Kamba kely ny foko(2)

Herintaona omaly maraina ny 19 mars 2009.

Tsy ny krizy politika ihany no tsaroan’ny gazetyadaladala, fa ny namoizany koa ny zandrikeliny Kamba. Tsy asiako resaka betsaka fa maro tamin’ny mpanaraka ny gazety no nahalala ny aminy. Nefa ho an’izay tsy nahafantatra kosa dia fampahatsiahivana tsotra no atao:

Zazalahy kely tratry ny aretina saropady tany amin’ny lohany tany izy. Nonina tany Mahajanga. Nanaovan’ny mpitoraka blaogy Diana Chamia antso avo teto amin’ny ateineto mba hahafahana mitsabo azy. Niara-nientana ny rehetra, na ny teto Madagasikara, na ny tany ampita, ka vory ny vola nilaina. Nentina niakatra an’Iarivo izy ary tao amin’ny HJRA no notsaboina. Vita soa aman-tsara ny fanadidiana natao. Niverina nody tany Mahajanga izy. Tany no notohizana ny fanaraha-maso. Saingy hafa ny sitrapon’Andriamanitra ka nalainy nodimandry izy tamin’io 19-03-2009 maraina io

Tamin’io andro io indrindra no nanoratako teto ny lahatsoratro mitondra ny lohateny hoe « Mitomany an’i Kamba kely ny foko »

Mahatsiaro manokana an’i Viviane kely anabaviny ny tomponandraikitry ny gazetyadaladala amin’ny vaninandro toy izao. Io no ilay kambana aminy. Efa lehibe sy matanjaka tsara ary mikarenjy eraky ny tanàna i Viviane ankehitriny