Manjakamiadana: 20 Taona lasa izay

Fanontaniana. Ranomaso latsaka. Fo torotoro. Saina nivalaketraka. Izany rehetra izany no niatrehan’ny rehetra ny alin’ny 06 Novambra 1995, alina nahamay hotohoto ny Rova Manjakamiadana. Isan’ireny olona nahatsiaro ny ngidin’ny famoizana io Lovan’ny tantara io i Ramisarimanana RANAIVO izay ny alin’iny ihany dia efa nahavita nanoratra ny tononkalo, nanehoany ny alahelo miharo hatezerana tao anatiny. Atolotra anao ato anaty lahatsoratra.

 

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

20 taona lasa izay. Mbola itadiavana vola an-davitrisa maro fanampiny foana ho fanarenana azy

 

I Z A ?

(Dian-drangotra nandritra ny afo)

Torovana ny fo, voatraika koa ny saina,

Fa aloka no sisa, hany mba ho tantaraina.

Dia… aiza indray aho zao no mba hirehareha!?

Eny e! ekeko fa mbola be dia be,

Ka nefa kosa anie, jereo anie ery e!!!!

Izy no avo indrindra, ‘lay lova tsy mifindra

Kanefa dia nahetry natao ambany indrindra.

Eny e! diso aho satria, fantatro fa Malagasy ray, Malagasy reny

No zary nahavita ireny rehetra ireny,

Fa mba iza moa izany!? Moa va tsy izaho ihany!?

Ny saiko angamba no efa diso tsy te-hahafantatra ny lasa

Fa hoe hibanjina ny ampitso, ka noheveriko ho angano

Dia nodorako ‘lay trano.

Sa… izaho ve no voakarama vola fa hoe milaza loza

‘lay antitra tsy mety sola, ka dia voatery nodorona!?

Na ndrao kosa ary misy ambadika tokoa

Na ‘reo mpanao politika no tsy mety afa-po!?

Tsia… tsy mino izany raha izaho, sa… ahoana hoy ianao?

Na izaho koa aza anie… io seza io mba nahamaika e!

Ka na izany aza anefa, dia any ve no hiantraika!?

Sao hanendrikendrika aho fa aleo zakaiko samy irery ‘ty hazo fijaliana ho ahy

Zay mafonja sy mahery.

Eh!!!! Indrisy…indrisy…, indro ankehitriny, indro fa tanteraka ilay tsy manan-tsiny

no trotraka sy reraka,

kila, potika, rava, nandavenona ‘lay haingo, dia apetrako ho baraingo :

IZA, IZA, IZA???

Tsia…! Ngidy sy tsy teliko eto an-tany raha izaho tokoa mantsy no dia nahavita izany.

Ny ràn’ilay rahalahiko angamba no niova volotany, na nihofaka ny hodiny

Ka tsy Malagasy intsony fa nivadika avokoa na ny sainy na ny fony,

Eny e! mivadibadika ny lelako, misavoro ny atidohako

Fa raha fantatro tsy avelako, na izaho aza hifoterako.

Sambasamba aho izao no mba sahy nihantsy tena,

Ahy irery anefa izany, fa ho anao, mitonia ry firenena

Fa tsy hahafantarana ny marina, sady… tsy aleo aloha manarina!

Fa ho anao Manjakamiadana, matoria, makà aina tsara aloha

Fa ianao dia mbola hitsangana, mbola hijoro toy ny teo aloha.

Ramisarimanana RANAIVO

06 Novambra 1995

 

lahatsoratra mifandraika amin’ny tantara:

MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa

6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

 

Publicités

OLONDIA MIDELIRA (31 Okt 2014)

Tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita

Aty Andavabato ( Kapingo) aho fa tsy ao Ouagadougou…Soa fa tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita. Efa ela no fantatry ny olondia toa ahy fa ny korontana politika efa lasa fomban-drazana tsy hita izay naharatsy azy ary efa iainana an-davanandro io ho an’ireo manan-tsaina sy olon-kendry.

Ho dorantsika raha mbola misy azo dorana satria mety ho maro no mihevitra fa fanehoany hevitra ny fandorana izay kely ananany. Efa may ny lapan’ny tanàna, ny teny Andafiavaratra, ny tao Manjakamiadana, ny RNM sy ny TVM…Fa olona adala kosa izay te-ho Burkinabé handoro an’i Tsimbazaza e! Tsy maintsy hiverina aty Kapingo izany ny gidro?

Raha tianao dia aleo aho hijanona aty Andavabato ihany hiaraka amin-dry Lemizo . Amin’izay na tsy hisy ho tantaraina intsony aza aho amin’ireo taranako dia mba afaka hihirahira ihany! Averimberiko eo ny hoe: ”foza orana,ho’aho, biby mi-torina”.

Ony Rambelo

Dikamitovy nanomezan’ny tompony alàlana

MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa

06_nov_199514 taona lasa izay no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny tao amin’ny Ministere des Finances Antaninarenina. Zafy Albert no filoha ary Ravony no praiminisitra tamin’izany fotoana.

Ny 06 Novambra 195 tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 min hariva no voalazan’ny vavolombelona tamin’izany fotoana fa nahitana ny lelafo voalohany teny an-dRova.

Ny 30% tamin’ireo fanaka tao aminy ihany no avotra, raha nafindra vonjimaika ho ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha talohan’ny nametrahana azy ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, izay natao indrindra tamin’izany fotoana hifanandrify tamin’ny tsingerintaonan’ny andro nahaterahan’ny Praiministra Rainilaiarivony.

Kotsan-dranomaso Antananarivo tamin’izany andro izany nony nahita ny lavenona navelan’ny afo ny ampitson’io 06 novambra 1995 io.

Nisy ny fanangonam-bola,nahatonga ilay fiteny manadrohadro hoe ‘mametraha kely mba hanarenana ny Rova’. Saingy tsy dia nisy loatra ny mangarahara tamin’ny fitantanana azy ireny.

2005: nilaza ny hanarenana ny Rova ny Filoha tamin’izany fotoana, Marc RAVALOMANANA.

2009: 90% amin’ny asa goavana nampiandraiketina ny Colas no vita ary mbola ilàna vola hatrany amin’ny 11 miliara ariary ny fanohizana ny asa, izay orinasa hafa mbola tsy fantatra no hanohy azy. Ny asa miandry moa dia ny fandrakofana hazo ireo beton be nananganana ny Rova indray.

Hatramin’ny anio, mbola miandry izay marina momba ireny fahamaizana samihafa ireny ny vahoaka satria tsy mbola nisy nilaza ny marina hatreto. RAHOVIANA ?

LOZA IRAY! LOZA ROA!

Hatairana tokoa no nandrenesako androany ny fahamarinan’ny siosio henoko talohan’ny nandehanako tany Mahajanga tamin’ny volana Aogositra 2008. Honohono izay nilaza ny namindràna an-tsokosoko razana enina (6), ka isan’izany ny an’ny Mpanjaka, nalaina tao Manjakamiadana ny 03 Aogositra 2008 ary nafindra an-tsokosoko ho eny Ambohimanga.

Taraiky be ny vaovao tamin’ny TvM androany alina vao nandeha, ny antony ve? Mbola nanomana sy niandry io vaovao lehibe io ry zareo. Niakatra tao ny Tale iray ao amin’ny fiadidiana ny firaketana ny tantara sy ny rakitry ny ela, narahan’ny Minisitra Gilbert RAHARIZATOVO, nilaza ny fisian’io marina tokoa tamin’izany fotoana. Tsy izany ihany anefa no LOZA voalaza, fa ny fanovàna endrika tanteraka ny eny Ambohimanga, izay nampalahelo ny mponina eny sy ireo taranak’Andriana, eny fa na hatramin’ny UNESCO aza, noho ny Rovan’Ambohimanga efa tafiditra ho Harena Iraisam-pirenena.

Niova Ambohimanga satria nofonosina lalotra simenitra ilay tambohon’ny Ntaolo nataon’Andrianampoinimerina tamin’ny tapotsin’atody, norariana pavé autobloquant ny faritra (zavatra izay tsy nisy tamin’izany fotoan’Andrianampoinimerina izany), ny Vato nanandràtana an’Andrianampoinimerina dia notakonana vato hafa, novàna toerana sy efitra ny fanaka sasany tao anaty Rova. Ka aiza intsony ny haha vavolombelon’ny tantara ny toerana toy izany?

Raha iverenana kosa ny eo Manjakamiadana, dia ny endrika ivelany sisa no voalaza fa tazonina, fa ny ao anatiny, raha ny tatitra voaray (Tvm), dia ovàna ihany koa. Hasiana suite (azo ipetrahana, ho an’iza?) sy ascenceur ary WC fosse sceptique.

Noraisin’ny Minisitra sy ilay Tale ho fanimbazimbana ny Tantaram-pirenena sy fanaovana Zinona ny Malagasy iray manontolo izany rehetra izany. Fanitsahana an-tampon-doha hoy izy ireo.

Miandry izay fanakianana avy aminareo rehetra sy ny fahitanareo ny momba ity resaka ity indray aho, ary miandry koa ny filazàna an-gazety hivoaka rahampitso mba hahazoako vaovao mazava kokoa momba azy ity, izay mba nahatohina ahy koa fa tsy afeniko. Aiza ve ka amin’ny alina sy an-tsokosoko, ary 3CV no namindràna ireo razana (izay tena mahasarotiny dia mahasarotiny ny Malagasy tokoa), sady izay indray razana mirakitra tantaram-pirenena iray manontolo!

Fa ny nahagaga ahy dia izy ity tsy nisy sahy niteny hatrizay. Sa izao vao mahatsiaro ho afa-patorana?

Rehefa mahita tsy mety re rey olona ô, lazao foana, na izaho aza no tratranao nanao azy dia ambarao fa aza asiana tahotra sy kinamanamana.

Mitohy ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga.