VONOY DAHOLO IZAY MANELINGELINA

11 FéVRIER 1975 – 11 février 2016
1975….Indray andro, hono, teny Ambohijatovo ambony teny dia nisy ny famonoana ny filoham-panjakana teto amin’ity tany ity. Bala maromaro no nandady ny vata-tenany tamin’io andro io. Tao anatin’ilay fiara Peugeot 404 miloko mainty (mainty toa azy?) no nitrangan’ny ra mandriaka. Kômandô voafantina sy mpanao vy very ny ainy avy tamin’ilay GMP (Groupe mobile de police) no nanao ny “asa mahafaty” toa an-dry Zimbo, Mara Seth, Laza Petit Jean, Maurice Alphonse, Boto…Vita “natavy “ teo an-tany fiadiana tamin’iny andro iny ihany koa i Zimbo sy Mara Seth. Dia mba nilaza ny “marivo salosana” sy ny mpandika vilana fa toa mitovitovy an’ilay nanjo an’i John F Kennedy tany Amerika tamin’ny 22 novambra 1963 iny “indray andro, hono-n’ny Gasy” iny…

Poa toa izay dia indreo fa niharihary ho hitan’ny rehetra fa nitsangana ny fahefana tetezamitan’ny foko valo ambinifolon’ny Gasy, izay notarihin’ny Jeneraly Andriamahazo. Tsy maintsy ny foko 18 no natambatra tamin’ny fomba mailamailaka satria marefo ny hoza-dohan’ireo “mpamono olona”. Tsy maintsy naseho ho hitan’ny rehetra fa mahay miatsaravelatsihy ao anaty fitondrana iaraha-mitantana ny Gasy erak’ity Nosy ity. Iza no tao ambadiky ny ridao? Iza ireo maivan-doha tsy mahalala izay tany asiana ny tongony? Iza no tsy mahalala fa resaky ny mpandany andro ny fiaraha-mitantana (baikon’ny sehatra any ivelany) tamin’izany ?

Ny 21 martsa 1975 ihany dia efa natao ny haingon-tsehatra rehetra fa mba hikaroka “ireo” izay nahavanon-doza ny Gasy. “Raha Andrian-dray aho, raha Andrian-dreny dia mba avohay ho hitan’ny voamasoko izay rehetra mpiketrika ny zava-doza teto amin’ity tany ity”. Izany angamba no tany anatin’ny tsikalam-pieritreretan’ny Gasy tamin’izany?… Saingy indrisy fa na dia nijoro teo anoloan’ny hazomeloka daholo aza ireo oloben’ity tany ity toa an-dry Tsiranana, Resampa, Rabetafika, Rajaonarison…sy ny maro hafa, dia nitsaha-niketrika ny “fampisehoana” satria nifarana maimaina foana teo izany ny 12 Jona 1975.  30 no noafahana, ny sisam-paty tamin’ireo kômandô no nivantana tany amin’ny fonja fa ilay /ireo tompon’antoka dia nangatsiakiaka hatramin’ity ny anio. Izay rehetra maty ho an’ity tany ity ve dia mbola ho velona ao ampon’ny vahoaka Gasy tokoa? Mbola ilaina ve ny hahatsiahy izany rehetra izany?

Inona izao no tombony azo tamin’ny famonoana ny filoham-panjakana? Efa tsy miady intsony ve ireo Merina nateraky ny mainty enin-dreny sy ireo komohina mihevitra ho ambony razana? Efa nilamina tamin’ny fananganna ny tetezamitan’Andriamahazo ve ny ady nampisaritaka ny anivon-tany sy ny an-tsiraka rehetra? Iza amin’ireo Gasy miaina amin’izao andro izao no mahafantatra fa misy mpamporisika ny fisian’ny fahasamihafan’ny fiaviana, ny finoana, ny fomba sy ny firazanana mba hamotehana ity tanindrazana ity? Iza no tsy hahay fa nasesika hiady isika hatramin’izay kanefa ady tsy misy mpandresy no nataontsika, ary ady nandeha tany amin’ny famotehana fa tsy ho fanorenana?

Mbola misy tokony hovonoina ve eto? Mbola misy fahavalon’ireo mpiatsaravelatsihy sy mpanao ny ampihimamba ny haren’ity firenena ity? Mbola misy mpitondra fivavahana ve eto ka mahita tombony amin’ny fandripahana ny mpanelingelina azy? Mbola misy andian’olona ve eto mitady hanompo ny mpaniraka azy ka tsy maintsy hamono sy handripaka izay tsy mihevitra afa-tsy ny ho an’ny Gasy? Raha misy ireo rehetra ireo dia omen-jo izy rehetra hamono sy handringana ny Gasy, vonoy daholo dia hanjakao izay sisa tsy maty. Aripaho sy potipoteho izany tombotsoan’ny firenena Malagasy izany dia ny “mpaniraka” ihany tompoina. [ato ny tohiny]…
Mpanoratra : Ony RAMBELO

Publicités

« Adala » miresaka !

28 Nov 2014 – RAMBELO (ilay olondia) MIKÔZY: (ho tohin’ilay « con » angamba?)

« Adala » miresaka !

Betsaka ny oham-pitenenana teo amintsika Gasy raha momba sy/na resaka adala (resak’adala) no atao. Izany no porofo fa ny tany dia tsy nilaozan’adala, kanefa tsapa koa fa tsy azo nahilika sy navela tamin’izao ireny adala ireny fa notafian-damba, narahina am-bokony amin’ny sitra-pony na dia zary ho enta-mavesatry ny fiaraha-monina aza izany.

Raha sendra izay adala matanjaka dia mihafy amin’ny daroka ataony, ny doro-trano sy ny fanimban-javatra mahazatra azy, ny teny ratsy sy ompa mivoaka ny vavany. Dia hiafiana satria adala! Ka hovonoina kosa àry ve? Tsy maintsy hanananan-tsiny amin’Andriamanitra Andriananahary raha miadaladala hanao an’izany. Fa ianao ve efa nanana, na manana havana adala sy ondrakondrafana? Neson’ny mpiara-belona ve ianao? Mahatsiaro menatra? Dia inona no vaha-olana mba nataonao?

Ny adala ihany no avelanao hiteny ny hevitra tianao ho resahana? Ny adala no avelanao hanapaka amin’ny hevitra hifehezana anao? Ny adala no ataonao ho tompon’ny fanapahan-kevitra? Feheziny sy tsy avelany hihary harena na hikaroka ny tombony ho anao ianao fa ny azy ireo ihany no mahalala ny fetra tokony hataonao. Malahelo ny havantsika ianao, nihevitra fa lalin-tsaina tokoa izy ireo tamin’ireny fotoana nanombohan’ny fihetsehan’ny “hadalany”. Sao diso hevitra (sanatria) e!

 

Fanamarihana: nadika tsy nasiam-panovana araka izay nanoratan’ny tompony azy ny lahatsoratra. ISaorana hatrany izy sy ny asa sorany