6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

Mba miangavy ny olom-panjakan’ny repoblika mba hijery ny boky tahiry rehetra momba ny tantaran’ity Madagasikara ity. Rehefa tsy mahay sy tsy mahafantantra dia mbola maro ireo « mahatadidy ny ela » no azo anontaniana sy hakàna ny hevitra. Dia mankanesa eny Anosizato eny mba manao fanadihadiana tsotsotra fa ianareo rehetra ireo moa toa mahay sy havanana amin’ny « fitsikilovana » ny misitery miafina rehetra any ambadimbadika any. Anontanio eny Anosizato, fa teny no nisy an’ilay lehilahy iray nahafoy ny ainy tamin’ny fananganana ny rova itoeran’ny mpanjaka teto.

Mbola misy ny taranak’Itrimofoloalina eny dia asaivo hazavain’izy ireo ny tantaran’ny razambeny. Mila sorona sy fanomezan-kasina ny fanorenan-javatra ka dia nanolo-tena io Itrimofoloalina io  mba handatsaka ny ainy noho ny fitiavany ny mpanjaka sy ny fireneny; kanefa ny Mpanjaka dia nanana ny fahendrena ihany koa fa tsy « masiaka » lozan-tany amin’ny tsy antony ka ny sofin’Itrimo ihany no nandalovan’ny meso mba hampiraraka an-tany ny ràny. Dia vita ny sorona. Samy nahavita ny tokony ho azy sy ny adidiny, ary nahazo tso-drano ny taranak’Itrimo rehetra teto amin’ny tany sy ny firenena.

Fa manana ny adidiny ho amin’ny fiarovana izany tantara sy hasina maha-fanjakana ny fanjakana izany ireo mpitonona ho fanjakana raha tena any aminy tokony ny fahefana fa tsy hifandroritana amin’ity resaka  tsy hihinanan-kanina ity. Aoka hianatra ny mpitondra zatra kitapo latsaka fa raha ny lapam-panjakana no misy mihanika sy manafika, misy mandroba, misy mametaveta dia tokony hangina ve ny ambanilanitra ?  Hiray hevitra amin’izay manatontosa an’izany ve ny olompirenena ?

Ony Rambelo

2 Réponses

  1. Dadabe Elyse no nitantara tamiko io tantara io fa izaho anisan’ny taranak’io olona voalaza io. Tsy dia hitako izay azo hanampiana fa ity ny numeros mahazo azy 032 43 274 83 sy 033 73 039 73

  2. Faly miarahaba Tompoko,
    Fankalazana ao anaty fahanginana feno sy tanteraka no mendrika ny andro anio. Hankalaza inona anefa aloha e?
    Hankalaza fa tena kapoaka sy tandra vadikoditra ho antsika ny fihatsarambelatsihy.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :