CLUB SATANIQUE

Hafatra nalefan’i Tsarafara Faniry Rakotoarison ho an’ny Malagasy rehetra:

Nisy chaîne lava be tamin’ny internet tamin’ny herinandro nangataka SOS vavaka ho an’i Morondava. Mampalahelo fa tonga eto Antsirabe io toe-javatra io amin’izao fotoana izao.

Efa ela no nisy club satanique an’ny ankizy teto Antsirabe, efa ela koa no nanambarako izany tao am-piangonanay teto Antsirabe ampahibemaso teny amin’ny polipitra, fa ny nahavariana ahy dia olona roa no niezaka ny nanontany ahy ny antsipirihany tamin’ny olona amanjatony nihaino izany.

Misy ankizy efa club mampilendalenda ny namany amina karazana magie tsotsotra, ka rehefa liana ilay ankizy dia asainy manaraka azy hampianariny hono. Amin’ireny dia misy kidnapper-ny mihitsy ary rehefa mivoaka avy ao dia tsy mahatsiaro izay nitranga tao ilay zaza.

Vokany: betsaka ireo ankizy izay tafiditra no, rehefa samy mody any an-tranony, dia miandry ny ray aman-dreniny sy ireo iray trano aminy hatory, dia mandrehitra labozia sy miresaka amin’ny fitaratra. Io no tena ampianarina ireo ankizy any amin’ilay club. ZAVA-DOZA

Ny fitrangany anakiray koa dia misy mandona na misafo ilay zaza tsy manan-tsiny ka raha tezitra na mijery ilay nandona azy fotsiny dia tafiditra ilay devoly. Io no tena sarotra satria tena fiainana an-davanandro mihitsy izany. Automatique ianao tezitra raha misy mandona.

Tsy misy mitombina amin’ny fianarana mihitsy ny ankizy eto Antsirabe amin’izao fotoana izao fa dia na matahotra, na variana miresaka hoe izao hono ny tatsy, izao ny taroa. Mazava ho azy fa misy tsaho be dia be mihitsy miara-mipoitra amin’izao toe-javatra izao, kanefa aleo malina ihany.

Misy koa antso an-téléphone ka mahavariana fa miseho mahafantatra be izay antsoiny izy io, ary manontany hoe ianao ve hiditra club? Ilazao ny ankizy fa raha sendra mahazo izany antso izany dia tapahina avy hatrany ny fanafodiny fa raha vao mihaino azy eo foana dia lazainy fa efa tafiditra club ianao fa arahabaina.

Izay no mba kely fantatro dia zaraiko, fa tsy ampoizina mihitsy izy ity fa tsara ny hahalàlàna azy, ka mba ilazao daholo izay mana-janaka ankizy sy zatovo fa izay aloha no tena lasibatra izao. Ary sanatria mety hiparitaka erak’i Madagasikara satria ny hanaparitahana ity zavatra ity mihitsy no tanjony.

Jesosy no vaha-olana, ampianaro ny ankizy mba hivavaka raha vao mifoha sy mivoaka ny trano ary amin’izay ataony rehetra mandra-podiany amin’ny hariva. Ampianaro ny ankizy mba hahay hanohitra ny devoly izay miherona toy ny liona manodidina azy, mba hahay handroaka devoly amin’ny anaran’i Jesosy amin’ny fotoana rehetra satria tsy ny mpiandry ihany no andrasana raha sanatria misy ny hamehana fa afaka manao izany ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Aza adino ny mivavaka ho fanafahana izao loza mananontanona ny firenena izao.

 

Fanavaozam-baovao nampidirina ny 19 Jona 2012:

Angatahana an-tanan-droa izay rehetra manana vaovao mikasika ity raharaha ity mba hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao fanadihadiana ka hiantso ireto laharana ireto 034 14 005 23  /  033 11 801 03  /  017

P.S: Zarazarao

Publicités

Blog Action Day 2011 #BAD11- Momba ny Sakafo

Andron’ny Fitorahana Bilaogy Manerantany androany, ka ho an’ity andiany 2011 ity dia mikasika ny SAKAFO no lohahevitra nofinidy.

Malalaka ny zavatra azon’ny rehetra tantaraina, soratana sy aseho mandritra ity andro ity.

Nofidiako manokana ny hiresaka mikasika vokatra Malagasy iray, voajanahary tanteraka, nefa tsy ambaka amin’izay vokarina amin’ny sehatra indostrian’ny fahasalamana sy ny farmasia  any amin’ny tany lazaina ho mandroso sy efa lasa lavitra any.

Sendra nikarokaroka taty anaty aterineto tany aho indray andro ka tamin’izany fitsidihana pejy maro samihafa izany no nahitako fa hay na ny mpanamory fiaramanidin’ny NASA any Amerika any sy ny European Space Agency aza, dia efa nampiasa azy io nandritra ireo sidina notontosaina, ka raha eto Madagasikara izy miseho amin’ny endrika vovony na koa spaghetti, dia ny an-dry zareo kosa amin’ny endriny pilina. Lafobe tokoa izy io any ampita any, raha ny sandany no asian-teny. Saingy noho izy misy eto amintsika ny mamokatra azy, dia ariny araka izany raha atao takatry ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka ilay izy. Mbola manodidina ny 25.000Fmg na Ariary 5000 eo aloha ny vidin’ny fonosana hatreto.

Fomba fampiasa telo eo amin’ny ankapobeny no azo ampiasàna ity vokatra Malagasy haroso ho anao ity.

  1. Voalohany dia azo atao tohana ara-tsakafo ho an’ireo mila izany izy io. tombony ho an’ireo sahirana ara-pivelomana araka izany
  2. Faharoa dia ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana maro koa izy io. Ny mpitsabo irerey ihany no afaka manome ny fatra sahaza ny tsirairay arakaraky ny ilain’ny vatany sy mifanaraka amin’ny valin’ny fizahana natao. Tsy mitovy araka izany ny fatra ho an’ireo manaraka fitsaboana ho fampahiazana ny tenany, na ny fatra ho an’ireo tsy ampy otrikaina ka mila tohana, na ihany koa ho an’ireo mpianatra manao ezaka mafy amin’ny lafiny fianarana.
  3. Fahatelo, dia azon’ny rehetra (na iza, na iza, tsy anavahana sokajim-piarahamonina, na saranga misy azy) ny mihinana azy ity isan’andro, saingy mbola averina ihany fa tsy tsara ny manao dokotera tenany, satria raha olona mifady sira ohana ianao, na manana olana amin’izany lafiny izany, dia tsara ihany ny manatona mpitsabo.

Izahay, ary ireo ankizy marobe tohananay miaraka amin’ny fikambanana TETEZANA ONLUS, amin’ny alàlan’ny tetikasa SaD Antananarivo, dia mampiasa azy io ho fanohanana ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana, mba ho fanampiana azy ireny amin’ny resaka otrikaina sy ho fanamafisana ny hery fiarovana ao anatin’ny tena ho afaka miatrika sy manohitra tsara ny aretina.

Efa liana angamba ianao hoe: « mba inona loatra ary izao vokatra Malagasy tsy manampaharoa izao? Ny Spiruline

Ny Spiruline du Menabe vokarin’ny ECAR SPIRMEN no atolotro ho anao mpamaky. Miara-miasa amin’ny famokarana azy io ny Diosezy ECAR Morondava sy ny CODEGAZ France, saingy ny toerana hamokarana sy anaovana ny zavatra rehetra dia eto Madagasikara.

Ho fankalazana ity andro ity izay napetraky ny FAO rahateo ho andro manerantany ho an’ny sakafo afaka mitsinjara ara-drariny ho an’ny rehetra, sy ho fampisondrotana ny fari-piainan’ny olona, dia indro arosoko ho anao ny soa rehetra hita ao anatin’ny Spiruline

Zavamaniry anaty ranomasina, fantatry ny maro amin’ny hoe algue fihinana ny spiruline. Azon’ny sokajin-taona rehetra hanina ary misy protéine eo amin’ny 60 ka hatramin’ny 65 % eo izay ilaina tokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hampitombo ny hery fiarovan’ny vatana. Miaro ihany koa amin’ny tsy fahampian-drà, anémie, ny tazo sy ny rarintsaina. Toroina handray azy ihany koa ireo ankizy madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny zokiolona sy ireo mpanao fanatanjahantena.

Azo hanina miaraka amin’ny karazan-tsakafo rehetra (arakaraky ny mety amin’ny tsirairay), na io ranombary, na vary, na paty, na yaourt, na lasaosy, na iny nem fihinanao eny an-dàlana iny aza.

Eo amin’ny fonony dia efa misy torolàlana napetraky ny mpamokatra, ka:

raha resaka fahaosaosana ara-batana, na tsy fahampian-tsakafo niserana dia 1/2 na 1 sotrokely fanaovana dite sy kafe isan’andro dia ampy (2 => 5 g)

Tsy fahampian-tsakafo amin’ny endrika lalindalina kokoa dia hatramin’ny 1 sotro lehibe fihinanana

Aoka anefa tsy handrahoina, na afangaro zavatra mamay be ny spiruline fa manimba ny otrikaina voatahiry ao aminy izany.

Mandritra ny 2 na 3 herinandro tsy tapaka no anaovana an’izay.
Toy izao ny kasinga ao anatiny (anarana amin’ny teny frantsay fa ialàna tsiny amin’ny mpamaky)

protéine végétale …….. manodidina ny 60% amin’ny fonosana iray

lipides………………………. 6

glucides…………………….19

minéraux…………………….8

oligonutriments vitsivitsy.

vitamine A (β-carotene)..100

vitamines B1 à B12 ……….22

vitamine E……………………10

Fer………………………………60

Phosphore……………………800

Calcium……………………..1400

Magnésium………………….200

Chlorophylle…………………790

Acide γ-linoléique…………1000

Dia mirary anao hahazo ny soa avy amin’ity vokatra Malagasy ity. Azo jerena eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amion’ny ECAR Antanimena ny Spiruline. Nahasoa olona maro tamin’ireo mifanerasera amiko isanandro izy io, ka heloko raha tsy zaraiko aminao

Lozam-pifamoivoizana nataonà vadin’ny CST

Tatitra avy amin’ny fianakavian’ny niharam-boina no ampitaina etoana.

Iray volana lasa izay (7 Jona 2011), dia nisy vadinà mpikambana iray ao amin’ny CST nandona zazalahy iray teny amin’ny Lalamben’i Masay. Tapaka taolam-pe tamin’izany ny niharam-boina. Tsy ity vadina olona ambony ity anefa no nijanona hanolo-tena hitondra ny niharam-boina ho any amin’ny hopialy, fa mbola nindrana olon-kafa izy hanao izany amin’ny toerany.

Nampitondraina  vola 100.000 Ariary io ho saran’ny fikarakarana maika, nefa dia lany tamin’iny andro iny ihany izany vola izany (HJRA). Taorian’io andro voalohany nisehoan’ny loza io dia mbola tonga nanatitra 200.000 Ariary indray ilay ramatoa iraka, no sady niteny fa izay no farany fa tsy hanome intsony ry zareo, ka afaka mitory raha te-hitory fa maharaka izy ireo.

Ny olana amin’ity loza ity dia sahirana ireo fianakaviana, satria tokony hiatrika fandidiana ilay naratra. Efa nasiana vy moa mitazona ny taolana tapaka sy hanitsy ny tsy mety. raha ny filazan’izy ireo hatrany. Nefa toa mihombo ny fery, ary izay no ilàna ilay fandidiana maika. Izay tsy manam-bola moa dia miandry ny rariny any amin’ireny toeram-pitsaboana sasany ireny, na dia miankina aman’aina aza ny raharaha.

Atahoran’ireo manana ny tsy salama hivadika ho homamiadana ny fery mahazo ny fianakaviany. Koa dia niezaka indray ireto farany mandefa antso ho an’ilay nahavanon-doza sy ny malala-tànana mba hanampy azy ireo.

Mbola ny havan’ny marary ihany no niteny fa na dia nanatona ny polisy aza izy ireo, ary ireto frany no mifandray tamin’iretsy nandona, dia valinteny toa manao hoe « ampiakaro fa manaraka eny amin’ny fitsarana izahay » no azony.

Marihana etoana fa CST avy any Morondava, hono, no vadin’ity ramatoa nandona ity.

Takaitra mandra-maty, ary mety ho fahafatesana mihitsy aza moa raha sanatria tonga amin’ilay hoe homamiadana no mahazo ilay niharam-boina.

Asa na mba aiza ho aiza no fahazakan’ny olona ny anaram-boninahitra mipetraka eo an-tsorony, raha mandinika ity tranga ity ny tena? Toa mampahatsiahy ilay tranga henoko fahiny tany Antsirabe tany: Karana iray nandona nahafaty zaza, ka rehefa tezitra ny vahoaka dia izy indray no niteny hoe: « ohatrinona ny kilao? fa aloany » .  Sanatria ve mety ho metisy karana izay olona izay sa mba Malagasy ray,Malagasy reny, fa dia manao vain-drahalahy tsy mba maharary. Sanatriaviko. Ary raha mba ny fianakviany, na ny zanaka naloaky ny kibony no nisy nanao toy izay, na namoahana vava toy izany, mety ho navelany ho vita mora ve? Tsy matoky aho, raha izao fihetsika izao no hakantsika taratra ny mety ho toe-tsain’ny olona resahana.

Efa nanatona ny Gl Dolin, filohan’io andrim-panjakana io moa ny fianakavian’ny tra-pahavoazana, ka nahazo valinteny fa hoe  » voaray ny amin’ity fa dia hodinihanany ary mampiantso anao izahay amin’nmanaraka » . Rahoviana io? Satria ny marary, araka ny tenin’ny fianakaviany, dia mila fandindiana maika, izay tsy efan-dry zareo ny sarany

Ao amin’ny Traumatologie, sampana momba ny taolana, efitrano 3xx ity maratra ity.