Leo an’izao fomba fitondra izao

Hoy i Pety RAKOTONIAINA indray andro izay :

« Manova olona ny seza »

Hasorenena no nandrenesako fa voasambotra ny CT RAZANAKOTO Marcelin. Tsy izay antony tsy fantatro any no tiako ho tsipihana, fa izay tsaroako fotsiny dia izy nangataka ny fialan’Atoa Andry Rajoelina.

Izao izany, raha misy mangataka ny fialan’ny mpitondra dia efa miomàna fa ho voakitikitika ianao. Nefa iza moa no tsy nanao toy izany tamin’ireto olona ireto: RAKOTOARIVELO Mamy, ZAFY Albert sns…

Toa resaka fisandohana ho CT sy intervention, hono ilay izy, nefa ny decret de nomination mbola tsy abrogé, no sady tsy mbola nahazo taratasy filazana fa hoe tsy CT intsony io olona io. Nefa mbola tolorana ny tombontsoa amin’ny solika ihany. Mahagaga an.

Ny zavatra mahagaga ahy koa dia izao, maninona ireo olona marobe miantso anaty radio mangataka ny fialan-dRakoto, Rabe, PM, Minisitra sns, no tsy tadiavina koa ny laharany dia samborina tsirairay.

Raha izao an, tsy dia hahagaga ahy raha sanatria misy ireo mpanao sarisary anaty gazety (caricaturistes) ho samborina koa atsy ho atsy fa hoe nanao sary ratsy endrika an’i Manandafy RAKOTONIRINA, na Andry RAJOELINA, na Mamy RAKOROARIVELO, sns …  izay toy ny rano fisotra any rehetra any. Eto amintsika no asa. FA MANKAIZA ISIKA ITY E ?

Mikiaka aho androany fa endrika JADONA izao miverina izao.

Nangataka fiovàna ny olona, ary dia nanantena an’izany. Isan’ireny ny tena,  tamin’ny fotoan’andro nahatsiarovana hoe toa misy endrika didiko fe lehibe teto amin’ny firenena, saingy raha toy izao no zava-misy dia indramiko ilay fomba fitenin’ny tanora tovovavy hoe « Aleo tsy misy toy izay polisy », rehefa te-haneho hevitra momba ny tsy fitiavany zavatra iray izy ireny.

Raha izao zava-misy amin’izao fotoana izao indray no itarafako ny ampitso, dia sarotra amiko  ny hino fa hisy fifidianana malalaka sy mangarahara tokoa eto amin’ity Tanidrazako ity.

Niala an’Ankatso ianao ry Tanindrazako ka tohitra an’Ambohidempona.

Aza manantena ny hahazo ny vatom-pifidianako aloha eeeee, Ianareo rehetra mouvance 4 ireo. LEO , LEO, LEO

Toa mety tokoa ilay sangisangin’ny olona hoe aleo ry zalahy ireo atsofoka anaty trano iray, dia asaina manao 1 sy 1, dia izay tonga amin’ny famaranana ka mivoaka mpandresy no avela hijanona eo, Ny sasany aza moa miteny mihitsy hoe atsofohy ho ao dia apoaka miaraka ao, Aza hitako anie izany! Ary enga anie tsy hisy. Fa tsy sanatria isika vahoaka efa nataon’ireo sorona hatrizay no hamerina ny fomba ratsy fanaony teo aloha.

Ary mba TONGAVA SAINA KOA ILAY VAHOAKA E, Voninkazo anie no aterina ho anao, dia fao-dranomaso ho an’ny fianakaviana e, fa avy eo ry zalahy ireo hiray latabatra ihany. Dia izay ianao vao ho vaky fo sy hipotsa-maso ve sanatria?  Hitako izany teny Ambohitsorohitra tamin’ny #7fevrier 2012 teo rehefa nandinika ireo mpanao politika rehetra tonga teny aho.

4 Réponses

  1. RAVALOMANANA RESY ! tsisy anampiana fa ra8 sy ny mpanompony dia resssy !

    • Raha mbola nisy olona nampandroso ny firenena teto Madagasikara dia tsy misy toa ny Andriamatoa Marc RAVALOMANANA ary raha mbola nisy koa ny nandedika an’ity firenena ity dia ity tetezamita ity. Tsy misy hanalàna tsy misy hanampiana. Fihalonana sy tsy fitiavana an’i Marc RAVALOMANANA daholo ny sisa.

  2. marina zan eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee

  3. Salama daholo o! Izaho indray hiteny hoe tsy mbola naita mpitondra tia tanindrazana aho teo amin’ny fitondrana hatramin’ny nahafeno 18 taona ahy no nankaty ka nanomboka nanarahako ny politika teto Madagasikara, 39 taona aho izaho, tamin’ny faha 18 taonako ny tena nanaovako izany tolona ho an’ny tanindrazana izany, anisan’ny sisa-paty tamin’ny 10 Aogositra 1991, fa indrisy fa 3 taona monja nitondrana dia tratran’ny empêchement ingahy Zafy dia niverina mora foana i Ratsiraka, dia ankehitriny lasa miray loha i Zafy sy Ratsiraka tsy mitovy hevitra amin’i Andry Rajoelina. Hadino tanteraka ireo rà latsaka be dia be tamin’ny 10 aogositra, tanora, raim-pianakaviana, renim-pianakaviana, ireo tsy hita faty marobe, iza no mijery ireo fianankaviana nihara-manjo, iza no mba mahatsiaro ireo olona maty be dia be ireo? iza no gazety na Télé sahy namoaka santionany tamin’ny carnage Iavoloha tahaka ny nitranga tamin’ny 07 février, dia tsy nisy tahirin-tsary ve ireny mba ho aseho ireo zandry kely aty aoriana fa dia atao tahaka ny tsy nisy ireny??? Mba tsy ho voafitaka tahaka ny tamin’ny 7 février lasa teo intsony ireo vahoaka malagasy indrindra ireo tanora be dia be hoe tahaka izao foana no mitranga rehefa misy olona mitarika vahoaka, tsimaintsy asiana foana ny sorona….. kanefa i Kotozafy ihany no Lekisisy!! aza manaiky atao fitaovana intsony re a! aza manaiky atao sorona intsony!! Tsy fantatro hoe endrika tolona tahaka ny ahoana no andrasana amintsika Malagasy dia ahita mpitondra tena tia tanindrazana isika fa izaho aloa tsy mankasitraka ny fidinana an-dalambe sy ny fanaovana sorona ny vahoaka intsony ary ny fanimbana trano sy fitaovana sns… sanatria na ahoana na ahoana fahatezerantsika dia isika ihany no mizaka ny fahavoazana fa ireo mpitondra ireo ange efa nahangona be dia be e! potehanao izay nahoriny fa izy efa manana fananana miafina tsy ho azonao sy ho voapotikao mihintsy, efa misy firenena vonona ny handray azy foana any ho any, fa ianao? ho aiza? aiza izay mba voahangona? Tsy aleo ve tsy potehina izay voatsangan’ilay mpitondra izay teo e! zara aza izy nahavita an’iny!!! Toy izay maita zavatra potika izay tsy fantatra na rahoviana vao ho voaharina indray!! Ireny ange no mba hivatanan’ny zanantsika izay tsy mba manana na inona na inona raha mbola izao no mitohy e « masotsokina ka ny kely hanana no ahiratra »! Ny zava-tsoa rehetra eto efa ny vazaha no mitavana azy!
    Izao no mba handrasako amin’izay mpitondra ho avy any aoriana any : fanatsarana ny tanàna amin’ny alàlan’ny fanadiovana ohatra mametraka contrat mazava tsara amin’ireo vazaha mitrandraka ny harenantsika, velomina daholo ny fitaovana rehetra eny Andralanitra ary ampiana vaovao, atao mandeha tsara ny électricité, ary atomboka ny asa fanapotehana ireo fako sy ny triage fa tsy ahisakisaka amin’ny bildozera atao manondraka tanimbarin’olona, ka hitady toerana vaovao ho atao Andralanitra II, fananganana association isaky ny fokontany hampianatra ny olona ahay hanavaka ny fako sns… ho betsaka ireo hanana asa, fanadiovana ny tatatra sns, famboarana ny lalan-kely rehetra, misy jiro avokoa na lalan-kely na lalam-be, ho betsaka ny hanana asa satria mila manampy mpiasa ny samva, fanarahana ny « plan d’urbanisme », mba hisy amin’izay izany station d’éppuration izany, bassin manadio ny rano maloto rehetra aloan’ny hivarinany any amin’ny renirano. Fanafoanana ny bidon ville ka soloina cité na bulding ka afaka mipetraka ao daholo ny sarangan’olona rehetra fa tsy izay be vola ihany, tsy misy olona matsaka intsony fa mba efa tonga any antokatranon’ny tsirairay ny rano. Ireo tsy manana trano sy tsy manana asa (4’mi) hezahina ny hanampy azy ireo mba hiverina ao anatin’ny fiaraha-monina, izay vao manao zaridaina tsaratarehy sy salle de spectacle sns (tapi-maso ireny mantsy), ny fampianarana mba tena handeha amin’ny tokony ho izy (indrindra ny fanjakana, tokony hisy ny cantine scolaire sy ny kit scolaire manerana ny nosy), ny fitsaboana mba tena hisy tokoa ny tsy handoavam-bola mihintsy, ny fahaizana mifehy ny vidin’entana ilain’ny vahoala (PPN), toy izany koa ny vidin-jiro sy rano mapikaikaika ny rehetra sns.. Raha tena mpitondra tena tia tanindrazana dia ireo no fepetra apetraka amin’ny vahiny rehetra izay maka ny zava-tsoa rehetra eto (granite, harena ankibon’ny tany sns…) fa tsy resaka tourisme e! pourcentage izay tsy fantatra hoe mankaiza avy eo, ary izay tànana hanaovan’ireny vahiny ireny fitrandrahana dia tokony handroso sy hihatsara indrindra ny làlana, fa tsy lasa tànana lavitra andriana, rehefa azo izay nilainy dia lasa izy.
    IZAY AMIKO NO MPITONDRA TIA TANINDRAZANA REHEFA MBOLA TSY MIPETRAKA IREO DIA TSY MBOLA TIA TANINDRAZANA AMIKO NA IZA IZANY NA IZA. MBOLA BETSAKA NY TOKONY ATAO MANERANA NY NOSY FA IREO AMIKO NO MAIKA ARY TOKONY HO ATAO VAINDOHAN-DRAHARAHA.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :