Halatra Hitako Atsy Amin’ny Madagascar Matin Online

Raha nitsangana tamin’ny andro Paka ny Tompo, dia Alatsinainy Paka miavaka tokoa ity androany ity. Miavaka satria nahatsikaritra fitsanganana tamin’ny maty tamin’ny fomba hafahafa aho. Ary rehefa nitsangana tamin’ny maty dia niova anarana fa tsy ilay anarana tany ampiandohana.

Hafahafa koa izany raha fampidirana an! Hoy angamba ianao mamaky izay soratako. Hazavaiko ny tiako hambara:

Tany ampiandohan’ity volana ity dia nisy namana nanoratra lahatsoratra iray tamin’ny teny frantsay, niresahany mpanakanto iray antsoina hoe Jonny Andriamanankoavy. Mipetraka tsara ao anatin’izany lahatsoratra izany ny datin’andro namoahana ny lahatsoratra ( 03 / 04 /2014) sy ny anaran’ny tompon’ny lahatsoratra ( ikalamako tao amin’ny vaovao.org).

Efa dila tapa-bolana aty aoriana anefa dia nitsangana tamin’ny maty ve sanatrian’ny vava, sa niofo ilay lahatsoratra, fa dia hitako mivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny Madagascar Matin, amin’ny lohateny mitovy, datin’andro hafa, ary anaran’ny mpanoratra hafa (Tahiana Andrianiaina).

Zendana tanteraka satria ny na ny firafitry ny fehezanteny aza, dia ny an’ilay namana manontolo no mìverina ao, ankoatra ilay nataon’i Tahiana anaty farango sosona manao hoe :

« Depuis quelques années je travaille avec les Ambassades, Consulats et Représentations de Madagascar à l’étranger : à Paris aux journées africaines de l’Unesco ; à Lyon au stand du consulat de Madagascar (Village Consulaire) ; à Bayonne pour représenter les artistes malgaches au Musée Basque avec son excellence Monsieur Razafy-Andriamihaingo ambassadeur de Madagascar en France. Ces manifestations sont très importantes puisque nous y montrons les premières vitrines du pays » affirme t-il

sy ny nanovany kely ny « contemporain » ho « moderne »

Isan’ireo tena faran’izay masika sy sarotiny amin’ny fangalarana asa tahaka izao n y tenako, ary efa nampahafantatra ny tompon’ny asa rahateo, mikasika ity lahatsoratra ity.

Tsy misy idirako ve hoy ianao mamaky? Tsia misy tokoa, namako akaiky no niharany, ary dia adidiko ny mampaneno lakolosy. Farafahakelin amin’izay tkony ho natao ny nametraka ny anaran’ny tompon’ilay asa navoakan’ny Madagascar Matin mba tsy hanondroana azy ho mpangalatra, fa raha nanao izay izy, dia tsy ho toy izao ny resaka. Mety ho ilay namana indray aza angamba no ho faly nankalaza ny anaran’ny Madagascar Matin raha nahita ny asany nivoaka tao.

Am-bava homana, am-po mieritra, tompoko.

Ato ny lahatsoratry ny tena tompony

ary ato koa ilay halatra nataon’ny mpanoratra ao amin’ny Madagascar Matin

Fotoam-pijinjana…

Raha vao miresaka fotoana fijinjana isika dia misaina vokatra avy hatrany.

Inona avy no vokatra azo jinjaina? Ho an’ny raiamandreny manabe ankizy dia ny fahendrena sy ny fahaizana no vokatra andrandrainy. Ho an’ny ankizy mianatra dia ny laharana misoratra any anaty filazam-pahaizana, na ny fahafaham-panadinana. Ho an’ny mpiasa am-birao dia ny tambin-kasasarana noho ny asa natao rehefa tonga ny faran’ny volana. Ho an’ny tantsaha kosa, ary ity no foto-dresaka androany, dia ny fiakaran’ny vokatra eny an-tsaha.

Tsy zavatra mora ny miandry vokatra. Mba nirotsaka niaina azy io aho tamin’iny taom-pamokarana lasa teo iny. Isan’ireo mba manana tanimbary eo Betsimitatatra nolovaiko aho, ary nandray fanapahan-kevitra mba hanaraka akaiky ny fiainan’izany tantsaha mamboly vary izany, mandra-piakatry ny vokatra. (Any amin’ny faran’ny lahatsoratra ny sary rehetra)

Ny Vary Aloha (ndeha hataontsika tsotsotra hoe mandositra ranobe) no fanao eo Betsimitatatra. Atao aloha ny voly vary satria rehefa tonga ny fotoanan’ny orana sy ny rivodoza dia tsy misy azo avotana ny eny raha tondraka ny rano. Tatao anatin’ny roa taona anefa izao dia mba voafehy tsara aloha ny fandrindrana ny rano nataon’ny APIPA avy etsy Ambodimita, ka dia faly ny mpamboly. Noho izany dia tsy maintsy any amin’ny volana Jolay any dia efa atao vita karakara ny tanimbary, efa voasaintsaina ny resaka ketsa sy ny kenonkenona rehetra momba ny voly vary hatrehina manomboka eo amin’ny volana Aogositra eo ho eo raha tara indrindra. Mafotaka tokoa ny asa tanimbary, ny fihosena azy sy ny fanalàna ahitra. Manaraka avy eo ny fanetsana (famindràna ny ketsa ho eny amin’ny tena tanimbary hiandrasana ny vokatra any amin’ny volana Janoary manaraka ny fanetsana any). Manomboka eo dia tsy maintsy araha-maso ny voly natao, sao be ahitra, sao mila zezeika, sao misy tsy mety e!

Isan’ny tsy mety hita eny an-tanimbarin’i Betsimitatatra ny HALATRA. Tena ontsa tanteraka tokoa ny foko nahita ireto mpivady, izay tsy nihevitra velively fa hisy hangalatra ny voly natao sy nandrasana nandritry ny volana maro. Tanimbary iray manontolo no fongana. Lehibe tokoa ilay taninmbary, nefa mahagaga hoe tamin’ny fotoana manao ahoana no nakàna ny vary teo, ary dia tsy ho nisy nahalala ve ny olona nilatsaka nijinja teo? Nitomany nigogogogo toy ny zazakely teo amoron-tahalaka teo izy mivady, ary tsy vitan’ny hoe bongo, fa tena nivonto mihitsy ny mason’izy roa.

Na dia tsy tompon’ny very aza aho dia mba izan’izay niantso ny fitsaran’ny lanitra kosa hianjera amin’izay nahavita zavatra toy izany. Tsy tsapan’izy ireny ve fa vola sy harena miampy herin-tsandry sy fotoana maro no lany, izay vao mba mioty ny vokatry ny hasasarany ny olona? Sa dia efa malaina hisasatra sy zatra ny mitavana ny tsy an’ny tena ka tsy maninona fa ampanginina ny foen’ny fieritreretana? Ho ambaka ireo antsoina hoe mpanintsana sy mpitsimpona ve ireny olona sahy nitsetsitra ny hasasaran’ny hafa ireny? Misy tokoa mantsy ireo olona tsy mba manana tanimbary hovolena no manao izay asa fitsimbonana sy fanintsanana izay, toy izay hangalatra.

‘Ndeha hiverenantsika amin’izay ny fotoana fijinjana.

Rehefa tonga ny fotoana voatondro fa hampakarana ny vary,dia tonga eny an-tanimbary daholo ireto sokajin’olona ireto: ny tantsaha nasaina namboly sy nanara-maso ny voly, ny mpijinja, ny mpitaona sy mpively, ny mpanitsana na mpitsindroka (arakarak’izay iantsoana azy), ny mpanihika. Miandahy miambavy ny rehetra amin’izany. Saingy tsy maintsy misy ny mijanona any an-tanana mikarakara ny sakafon’ny mpanao raharaha. Asa be koa io mahandro io an; In-droa na in-telo misakafo ireo mpanao raharaha mandram-pahavitan’ny fijinjana sy ny fivelesam-bary. Ary tsy sakafo kely fa tena amin’ilay fitenin-dry zareo azy hoe ‘Sakafon’ny mpiasa’ tokoa. Ny ankizy kosa indray dia mifampitaiza eny an-tsisiny eny. Mifangaro eo ny zanaky ny Tanan-dehibe sy ny zanaky ny Tantsaha. Tsy misy fihafahafahana na ‘tsy mety hifangaro’ fa dia amin’ny fo madio sy tsy misy politikan’ny fihatsarana velatsihy no ifanosonana. Mahafinaritra ery! Raha mba ny lehibe mantsy no toy izany an! Oadray, nanonofy aho teo fa azafady!

Ny fampakarana ny vary mandeha, ny fialamboly sy fanalàna hamohamo koa tsy avela.

Tsy aleo ve ny sary amin’izay no ampiresahana fa toa lava be izy izany!

1* fiomanana amin’ny asa voly vary

2* Fandroahana ny omby hihosy tanimbary

3* Ny fotoam-panetsana

4* Mijinja ny nafafy

5* Mitaona ho eny am-pamoloana

6* Mively vary

7* Mamatratra ny voam-bary ho ao anaty gony

8* Mandraitra ny gonim-bary alohan’ny hitaterana azy ho an-tsompitra

9* Maka bahana fa hitatitra ny gony

10* Mifampitaiza ny ankizy

11* Mirotsaka ny mpitsimpona rehefa afaka ny mpijinja

sy ny mpanihika (rehefa tsy mandrara ny tompon-tanimbary)

dia manala havizanana rehefa vita ny asa rehetra

Ny fotoana fisakafoanana. In-telo raha be indrindra, ary ind-droa raha kely indrindra no misakafo ireo mpanao raharaha. mandra-pahavitan’ny fijinjana. Ny rano fisotro madio (nalaina avy any amin’ny 700 m any ho any) dia in-telo amin’ity ‘bidon’ ity vao ampy ho azy ireo.

Ny asan’ny mpanintsana: rhefa afa-po tamin’ny vely nataony ireo mpively vary dia atsipiny ny fatorana teny an-tanany. Ireny kosa indray no tatazan’ireto mpanintsana (izay tsy manan-draharaha velively amin’ny rehetra ataon’ny mpamboly sy ny tompon-tanimbary). Mitondra lafika izy ireo, ary miaraka amin’ny vy mafonja (fer rond) hivelesany ny ambi-mololo atorak’ireo mpively. Raha tsara vely ny vary,dia miala maina ny mpanintsana. Raha manao kitoatoa kosa anefa ny mpively, dia mahita hatramin’ny eraky ny sceau fitondra mantsaka izy ireo mandram-pahavitan’ny fivelesana.