FANGATAHANA OFISIALY

Atao amin’atoa Rajaonarimampianina Hery, ny Governemanta Kolo Roger, ny mpikamban’ny Antenimiera (na inona io na inona)

Izaho, RADIFERA RANAIVOSON Maminirina, mpiasa madinika, tera-katsembohana sy izay rehetra mety ho latsaka,
mba hahafahany mandoa ny hetra asain’ny fanjakana aloany (trano, tany, karama),
mba hahafahany mandia sy miriaria amin’io arabe andehanan’ny maro io,
mba hahafahan’ny ankohonany mihinan-kanina ho velona,
mba hahafahany mampiana-janaka sy mividy ny fitafiany,
mba hahafahany mandoa izao karazan-ketra madinidinika alaina an-kolaka amin’ny vahoaka rehetra izao handoavana ny karamanareo isan’ambaratonga

Dia:

mangataka anao Filoa, Praiminisitra, mpikamban’ny Antenimiera (na ambony io na ambany),

Mba:

hanova ny anarana fiantso ireo mpikambana amin’ilay Antenimiera etsy akaikin’ny vala fitehirizana biby Tsimbazaza, ho Mpitsetsitra Vahoaka, ary ny toeram-piasany ho Antenimieran’ny Mpitsetsitra Vahoaka, hifanaraka amin’izany.

Ataoko Atoa Filou sy ianareo rehetra voakasik’izany, fa tsapanareo tsara ny antony anoratako ireo rehetra ireo, ary anantenako valiny mahafa-po avy aminareo tsirairay avy. Inoako fa rehefa voaova ireo zavatra angatahako ireo dia tsy himenomenona intsony izahay vahoaka raha misy fitakiana hataon’ireo Mpitsetsitra Vahoaka ataony aminareo mpitondra ny tany sy ny firenena mba hampitomboana ny tombontsoany manokana fa tsy ny an’ny vahoaka mitapy nifidy azy, sy mba tsy handoavany hetra toy ny vahoaka adala nametraka azy ho eo amin’ny toerany. Hangina ihany koa izahay raha toa koa ka tonga ianareo hanampina ny vavan’izy rehetra mba tsy hiongananareo, satria efa mba hahay mionona izahay fa na ny anarany aza efa novàna amin’iry nangatahako ery ambony.

Raiso Atoa Filoa sy ianareo Mpitsetsitra isany ny hany haja kely sisa atolotro anareo (mandra-panaisotro azy tanteraka)

RADIFERA RANAIVOSON Maminirina

Une Réponse

  1. Mety izay no tsy hanomezana fianarana araka ny tokony ho izy ny Gasy rehetra mba hanambakana azy amin’ny toe javatra tahaka izao, olona nofidianao izao no mivadika aminao tahaka izao nefa dia tsy fantatry ny Gasy rehetra hoe izy no miala vola amin’ireo solom-bava ihinanana ireo

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :