Ireny Mpamily Ireny….

Resaka fifamoivoizana ny lahatsoratra atolotra anao. Ampahany aminà tononkira iray momba ny mpamily itsy natao lohateny. Voateny ao anatin’izay hira izay ny toetran’ny mpamily eny ambonin’iny fiara entiny iny, ary voalaza manokana amin’izany na tsy mivantana aza ny an’ireo mpampitohy faritra / faritany. Marihana anefa fa tsy ny mpamily rehetra kosa no manana ilay toetra lazain’ny tononkira nakàna io lohateny io. Resaka fampirafesana no malaza ao, saingy ity tantara ho entina aminao ity kosa dia toetra iray hafa mihitsy.

Antaninandro – Ambohijatovo no miseho ny tantara
Mizotra midoladola eo aloha ingahy sy ny fiarany 0919..D, fitaratra matroka daholo ny rehetra ankoatry ny any aloha, ary nijanona kely teo anaty arabe mihitsy rehefa tandrifin’ny Guitare Manako. Manaraka ato aoriana ny scooter iray, sady tsy afaka misongona akory.
Nampaneno anjomara ny scooter, fa tsy noraharahian’ingahy 0919..D
Rehefa afaka tamin’ilay mpivarotra fromage ery amin’ny tohotohobaton’Ambondrona dia nobahanan’ingahy 0919..D indray sady novohainy ny varavaran’ny fiarany hibahana ilay kodiaran-droa tsy ho afaka hisisika amin’ny haviany, dia nitrerona an’ity scooter izy: « Inona no imenomenonan’lah? « .
Namaly tsotra ingahy scooter: « Ianao sady mi-telefaonina eo ampamiliana sy mandeha mora ary mibahan-dàlana eraky ny arabe hatrany ambany any indray ve rangahy ity no hiteny ahy toy izany?- Tsy maintsy mampaneno klaxon aho raha izay no tianao ho fantatra. »
Hany herin’ingahy 0919..D nanakatona ny varavarany no sady nanome làlana. Anjaran’ilay scooter indray avy eo no nitarika moramora ny cortège nanomboka teo Ambondrona hatrany Ambohijatovo. Tsy sahy nanatona akaiky intsony ingahy 0919..D fa nanisy elanelana efa ho 50 m. Nony tonga teny amin’ny sampanana Ambohijatovo, saika nadofotr’ingahy 0919..D tamin’ny taxibe 119 ny fiarany raha nisy kely foana. Antony? Taitaitra tao izy ka saika hanenjika indray sy hibahana ilay scooter, izay efa afaka soa amantsara.
Hatreo ihany no hitako ny tantara, fa iny koa aho no lasa rehefa nahazo làlana.
Ataovy ihany ny manao kely tsy mba mamindro e! Saika nidiran’andro teo ingahy 0919..D sy ny palitao ary ny kiravaty tsy zakan’ny tendany.

Enga anie tsy ho sanatria ho toetra fanaony isanandro ity nataony ity (mihevitra ny tenany ho tompon’ny làlana sy ny lalàna), fa ‘ndeha hataontsika hoe sendra nisy olana nanjo na nitambesatra taminy tamin’io andron’ny 14 Jolay 2014 io. Na koa hoe mety niarahaba ny havany tany lafrantsa tany tratry ny fetin’ny fahaleovantena izy.

Publicités

Polisy mamo am-perinasa

Avy any Ambodihady Ambohimanarina ny tena izao maraina izao. Tsy nifankahitàna ny fitohanan’ny fifamoivoizana manerana an’Antananarivo Renivohitra. Satria moa kodiaran-droa no entina, dia afaka mitsofotsofoka etsy sy eroa, ary avy amin’ireny fitsofotsofohana ireny no nahitàna fa rehefa misy fitohanana, dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’izany ireo fiara mpitatitra iraisana (taxibe).

Rehefa tonga teny ambonin’ny tetezan’i Behoririka  ianao dia gaga fa misy faritry ny arabe malalaka tsara sy migodana be manomboka eo amin’ilay fihodinana amin’io toerana io raha hanitsy ho any Antaninandro fa tsy handalo aty ambanin’ny fiangonana Andravoahangy Fivavahana. Dia raikitra ihany ny ankisisiky ny kodiaran-droa e.

Rehefa tonga tany alohan’ilay fitohanana ka nijery ny fototry ny olana ianao dia zendana. Fa sady mbola tafiditra tao anatin’ny antony ny taxibe, fa indrindra indrindra, ny tena antony lehibe dia ilay POLISY MAMO AM-PERINASA teo amin’ilay faritra.

Tsy mamo miantso polisy ity fa ‘ Polisy mamo miantso’

Rehefa nanontaniana ny fandehan’ny tantara ny olona tao anaty fiara sy ny mpamily ilay fiara mpitatitra dia nitsotra fa niala ny fitohanana avy any ambany, mandalo Mahavoky sy Rotsirotsy iny, daholo ny ankabeazan’ireo fiara mpitatitra teo amin’ilay toerana nitrangan’ny olana (135 , 144 sns…) satria nalalaka be io làlana io avy any Besarety raha hamonjy an’ilay fidinana avy any Tsiazotafo handray ny ety ambanin’ny Pain Français taloha iny .

Avy tany Besarety no efa nalefan’ny polisy hiala fitohanana ireto taxi-be ireto (izay tsy 144 irery, fa izay tokony handalo LIANTSOA rehetra) rehefa tsy misy mpandeha milaza fa tokony hiala ao anatin’io ampahan-dàlana voalaza io. Ary raha ny filazan’ny mpamily sy ny olona tao anatin’ny fiara dia nangataka no natao teny akaikin’ny La Rotonde, fa tsy mokon-doha. Tsy nisy fitohanana mihitsy hoy ireto olona tao anaty fiara, raha tsy efa niditra an-tsehatra ingahy polisy sy ny hamamoany. Tonga, hono, ranamana dia nijoro teo anoloan’ny fiara mpitatitra an’ny zotra 144. Tsy niteny izay hadisoana, na anton’ny fihetsiny, hoy hatrany ireto olona sy mpamily fiara na dia nanontaniana azy aza izay antony izay. Be anefa hoy hatrany ireo olona ireo  ny fiara mpitatitra sasany efa nandalo teo hatrizay , na taloha na nandritra ny nitrangan’ny olana, fa tsy nahoan’ingahy polisy, fa dia ity iray ity no nanalàny ny fony.

Koa satria tsy nety niala mihitsy ingahy polisy dia naroson’ny mpamily miadana teny foana ny fiara mandrapahatonga tery amin’ny tobin-dasantsy izay nisy polisy hafa nandamina sy nilàn’ity mamo vonjy, noho ireo fiara tao afara efa nanomboka nikamenona sy nampaneno anjomara tsy ifandrenesana. Dia mikisaka manaraka ilay fiara, moa va tsy ireny zaza midongy ireny, ingahy polisy. Nony hitan’ity polisy iray hafa nandamina teo amin’ny tobin-tsolika Jovena ambany  – Antaninandro fa tsy ao tsara ilay namany dia ny nandefa ilay fiara mpitatitra no fepetra noraisiny.

Fa talohan’ny nahafahan’ilay fiara nanohy ny diany dia ndeha hiverenana kely ny teo aloha. Tsy naharitra ny tena ka namoaka ny fitaovam-pandraketana ary dia naka saripika sy lahatsary ho entina ho anao mpamaky. Vao nahita izany rahateo ireo olona tao anaty fiara dia samy nihoraka ny hoe

Alaivo sary mihitsy ramose a, indrindra fa ny endriny amin’izao mamo izao

Nohararaotina izany fotoana izany handraisana izay fanehoan-kevitra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany

Ankafizo ary…

An’ny TAXIBE indray izao ny manaraka…

Nisy antso avo nataoko ho an’ny C.U.A teto ny amin’ny tsy tokony hanadiovana ny faritry Behoririka mandritry ny iray andro sy iray alina mba hijerena raha ho sahy hiverina hamelatra entana eo ambonin’ny fako navelany ny omalin’iny ireo mpivarotra mahay vava ireo. Ary dia nisy moa ny saika hijapy an’iny indray tamin-dry zareo mpanao politika. Ny taim-bavan’ilay ramatoa iray mba niseho tele izay aza moa dia manao hoe

* ny madinika ihany no ampiadiana amin’ny madinika (mantsy azy ireo sy ny mpaisan’ny CUA asaina manala azy).

* avelao ny olona hivarotra fa be izao ny tsy an’asa, ary maty antoka izahay raha miala ety, fa tsy hitan’ny olona sy tsy tongan’ny olona ny any Namontana

* ety amin’ny arabe izahay mba mihinana ny zanaka kelinay

Anton-dresaka eto moa ny tsy fikorianan’ny fifamoivoizana araka ny tokony ho izy. F’angaha moa rehefa hitady vola dia tsy maintsy eny anatin’ny 1/3-‘ny arabe, na manao izay hifanandrinana amin’ny be sy ny maro vao mahita an’izany e! Io toe-tsaina io ihany. Dia faly ery koa ireo mpanao politika tsy vanona sasany mikopakopaka ilay afokely entin’ireo mpivarotra amin’izao faran’ny taona izao.

Ka raha vita izay (na ny marina kokoa, nanomboka) ny an’ny mpivarotra amoron-dalana, andro vitsy monja taorian’iny antso avo iny, dia mba misy antso avo iray indray ity alefako, sao mba azo tanterahana koa.

Isan’ny miteraka fitohanana eny an-dalambe eny ihany koa ny tsy fanajan’ireo mpamily TAXIBE ny mpampiasa làlana toa azy. Fa na ho lany eo aza ny vatoaratry ny fiaranao, na hipotsaka eo aza ny masona, tsy hiontsona eo amin’ny toerana nitokonany ingahy mpamily raha tsy sitra-pony. Sao mantsy maty ‘tour’  raha voasongon’ny ao aoriana.

Jereo anie ity tetsy Andravoahangy ambony tsy lavitry ny ‘EPI D’OR’ taloha ity e. Andro Alahady no nisehoan’izao tranga izao. TAXIBE 160 , MAZDA ,  laharana 6190 TS.

Ny antso ataoko dia izao, efa maro ankehitriny ny polisy monisipaly mivoaka eraky ny arabe, mandamina ny fifamoivoizana. Saiky vehivavy no ankamaroan’ny hitan’ny masoko. Asa na izany no tsy hananan’ireo mpamily hena-maso amin’izy ireny, fa MBA MIENJANA KELY AMIN’NY FAMPIHARANA NY LALANAN’NY FIFAMOIVOIZANA E.

Tsy rahavavin-dreniny daholo kosa angamba ianareo ireny, ka hoe hitsitsitsitsy azy ireo foana. Ary izany koa no anton’ny andoavako hetra (izaho aloha no fantatro, fa tsy haiko izay hafa mandoa na tsy mandoa any, satria dia nisy tokoa ny nanao fanentanana mba tsy handoavana izay hetra izay). Ny karamanareo raisinareo ihany isaky ny mifarana ny volana, koa aoka ho mendrika izay koa ny asa atao, fa manjary mifanabe vatan’orona isika.

Izao izao dia miverina mitohana indray ny etsy Behoririka, nefa ny CUA niteny fa tsy maintsy hanadio sy hanala ireo mpivarotra ireo isan’andro. K’aiza ihany e?

Loza mahatsiravina

Ankizilahy kely mipetraka ety amin’ny manodidina an’Ambatomitsangana, eo amin’ny 14 taona eo ho eo no naratra mafy sy mety hitondra takaitra mandram-pahafatiny noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga izao antoandro izao.
Avy nianatra ary handeha hamonjy fodiana ity zaza ity no sendra taxibe 126 mitondra ny Laharana 3555 TAJ.
sunp02912 Ny zavatra hita dia nampihoron-koditra satria dia ny tongotr’ity zaza no nanampy ny tsindryhisatra (frein) nampiato ny hazakazak’adalan’ilay mpamily, izay nitondra ity fiara ity, tsy misy frein afa-tsy ny kodiarana aloha amin’ny ankavia fotsiny. Fahasahiana re izany!
Jereo ny sary dia ho hitanao fa dia tena na ny ba-kiraron’ilay zaza aza mbola tavela eo ambanin’ny kodiaran’ny fiara. Ary ny dian’ny frein dia metatra maro vao mijanona.
Tsy vao izao fa efa imbetsaka no nisy ny toy izao teto amin’ny faritra ary efa nanaovana antso avy fony mbola Ben’ny tanana ingahy RAMIARAMANANA Patrick, hoe mba asio faritra hiampitan’ny mpianatra eo, nefa indrisy! Betsaka anefa ny mpianatra mifamoivoy eo, satria misy sekoly eo am-pita ao ambadikin’ny LOOK’S ao.
sunp03002 Asa raha miandry faty firy vao mba hisy izany hetahetan’ny mponina izany, ary handray fepetra amin’ny fanaraha-maso ny fiarany koa ny tompon’ireny fiara tsy ara-dalàna ireny. Mino aho fa tsy ho vitavita mora iny loza iny ary raha ilain’ny raialmandrenin’ny naratra ny sary, dia omeko azy mba ho ampiasainy amin’izay ilàny azy. Enga anie mba ho hitako izy ireo!
Tsy tanty ny nijery ireo rà very sy nanmonto ny arabe androany. Mivavaka mafy mba tsy haninona ny ain’ilay zazalahy, fa mafy ihany izay fahavoazany any izay.
Izany Erica izany no anaran’ny Dadany. Hatreo aloha no fantatro. Ary mba ahoana ny resaka visite technique amin’izao e? Sa vita risoriso ity zavatra ity mato afaka nisosa tety?
sunp02871