PRESIDENCE & CIM Ambohidahy : Hafatra ho anareo rehetra ao tsy misy ankanavaka

Tsy dia mahagaga ahy loatra raha hatramin’ny mpamily aza mihevitra ny tenany ho filoham-panjakana rehefa eny an’arabe, ka mahavita hadalàna, hatramin’izay fahadisona mahafaty aza
Tao amin’ny #CIM #Ambohidahy izahay androany hikarakara ny fanoloana ny fahazoandàlana taloha ho #biometrique. Mbola tsy fisokafan’ny birao dia efa teo satria mba te-ho afaka aloha. Olona folo raha be indrindra no teo alohan’ny tena.
Rehefa tafiditra. Ela ny fandraisan’ingahy mpandray teo amin’ny Guichett N°1 ny olona iray. Nanomboka niainga ny fanehoankevitry ny mpilahatra tety an-jorony hoe:
« Fa angaha tsy efa resaka solosaina no miasa no mbola milona be? »
Izay fahelàna izay eo ihany, fa ny tena vao mainka nampisondrotra ny olona dia ity: Nantsointsoina nanerana ny efitrano raha toa ka misy aminay mpilahatra no avy amin’ny Présidence. Niala avy any ny olona 5 voalaza fa avy amin’ny #présidence. Dia hoe tsy miantsy mandeha alohan’ny olona rehetra fa maika hiverina birao
Hoy ny olona hoe:
Fa izahay izany angamba tsy misy fotony daholo ary tsy manana anton’asa sy birao hovonjena ve?.
Dia noleferina fa hoe mba 5 fotsiny ireo ka aleo ary handeha e!
Fa talohan’ny handraisana azy ireo dia nifampiresaka kosa aloha ireo olon-tsotra nilahatra sy ry zareo 5 vao tonga ireo. Hoy ireo mpilahatra’ara-dalàna’ hoe:
Tsy mampaninona anay ny handefa anareo, fa kosa aleo hifandimby.
Tsy sarotiny ireo olona 5 voalohany ireo, fa nanaiky no sady nisaotra aza.
Mahagaga fa ingahy mpandray teo amin’ny Guichet N°1 indray no nisolelaka hoe, tsy maintsy halefa daholo aloha ry zareo fa bedin’ny Chef ao aminy, hono, izy. Ary dia tsy navelàny raha tsy vita ny 4 voalohany. Na dia nomena fanazavana aza izy fa efa nifandamina ny vahoaka madinika fa hatao mifandimby.
Tsy nijanona teo ny tantara. Fony mbola ny olontsotra no noraisiny, dia elabe vao vita ny olona iray. Nony ireto avy amin’ny « tompon’ny kadasitr’i Madagasikara » no noraisina, dimy minitra raha ela indrindra dia vita ny dossier iray. Mbola tsy vita fa mitohy ihany. Tsy mbola voahilika akory ny 2 ambiny tamin’ireo 5 voalohany dia efa nisy andiany 5 hafa indray – mbola avy amin’ny « tompony » ihany, niampy 5 hafa in-2.
Fa ny nampalahelo dia tsy mba nipitrapitra mampalahelo mba hanao izay hangorahana sy handefasan’ny olona azy ny sasany tamin’ireto « tompony » ireto, fa vao mainka niridiridy sy nidiridiry nanome fo, na tamin’ny fiteny, na tamin’ny fihetsika. Marina fa nisy avy taty aminay olon-tsotra ny fiakàrana afo nateraky ny zava-nitranga, fa tsy izy ireo mihitsy no ndeha hampianatra anay ny fahaizana miaina sy fahalalam-pomba.
Nampahatsiahivina nandritra io fotoana io ny fihetsiky ny filoha Obama raha nandalo ireny toerana fanamarinana ny mombamomba ny tena sy fisavàna karapanondro ireny izy. Voamariky ny mpitandro filaminana iray fa anisan’ireo nilahatra ny filoha Obama ka saiky halefany nialoha ny rehetra. Izy tenany mihitsy no tsy nanaiky, fa hoe « aleo aho hanaraka ny fandaharana toy ny olona rehetra, savaina sy hamarinina toy ny olona rehetra ». Ilay mpitandro filaminana indray no menamenatra nanoloana izany hafatra nampitainy izany. Fa tsy toy izany ny Malagasy nahazo fahefana, na ireo Malagasy mahazo fofonkeliky ny mpitondra fanjakàna, sy mba nahatahiry kely ny vovoka avy eny Iavoloha.

Mba rahoviana re ny eto amin’ity Madagasikara-ntsika ity no hiova e. Hoy mantsy ny valintenin’ilay madama (izay tsy hotononiko eto ny anarany) raha namaly an’io fanamarihana io:

 

« Tsy hainao angaha fa eto Madagasikara anie isika e…I don’t hear anything »….

 

Nahazo ny hafatra tsara koa fa tsy izy irery no mahafehy ny teny vahiny. Mba hahazoan’ireo rehetra manodidina ny adihevitra, raha hendry, dia amin’ny teny Malagasy no mifampiresaka, araka ny voalazany rahateo hoe ‘eto Madagasikara’ isika. Sady nihebohebo ery ikala maivan-doha.
Nivoaka tao mihitsy aza ny hatezeran’ny sasany hoe:
« Aza mba hitanay manao hadisoana eny an’arabe eny, fa dia hataonay fitsaram-bahoaka ».
Dia sanatria ve izany no andrasana hitranga vao hihevitra hanova famindra? Jereo ihany izy tokony hilaminana ry zareo a!
Tsetsatsetsa tsy aritra:  TEHAKA be kosa aloha ho anareo tao amin’ny #CIM tao amin’ny 202 fa nisy Shinoa tratra nitondra fahazoandàlana sandoka tao e! Ataovy mahafantatra tsara mihitsy fa tsy toy ny y any ny aty.  Laharna amin’ny anaran’olona hafa no netiny tao, nefa dia tsara tarehy sy toy ny vaovao ery anie izany izy eeee!
Publicités

Fifamoivoizana: Ireo Tranga Hita Androany 11 Sept 2014

Betsaka ny zavatra hita eny an’arabe eny isanandro, saingy santionany vitsy no entina ho anareo eto androany (sary nalain’i Maminirina RADIFERA R.) Ao ny tsy fahatsiarovan-tenan’ny mpamily ka mametraka fiara anaty fiolanana tetsy Ambohidahy, ary tsy misy iraharahàny ny hafa mihitsy na niandry efa ho 20mn aza ny file avy any Anosy tokony hiodina teo vao tonga ny mpamily hanaisotra ilay fiara, tao koa ny loza nitrangàn’ny fahamaizana fiara tetsy Tsiazotafo (Golf T III), noho ny tsy fetezana tamin’ny tariby mitondra herinaratra. Fiara vao novidiana androany maraina anefa ity nirehitra ity. Tsy asiana resaka lava ireto fa ny sary no aoka hiteny / hampitenenina…

DSC_0194 DSC_0195 DSC_0198

 

Taxibe 119 – Ambohijatovo

Misy ny tetikasan’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ho fanatsarana ny zotra taxibe 119 mba hofitaratry ny zotra hafa. Miandry izay ho tohiny sy fihatraran’ity raharaha iray somary nampisavoritaka ny avy any Ambohitrimanjaka ity ny rehetra.

Fa raha izay fahita isa-maraina etsy Ambohijatovo aloha dia asa raha tetika mahomby ilay tsy fisian’ny polisy mandamina fifamoivoizana tato ho ato na ahoana (efa ela koa moa no nitovy foana na misy na tsy misy polisy eny an-dalambe eny). Isa-maraina tokoa mantsy dia tsy maintsy mibahana ny fifamoivoizana amin’ilay sampanana miakatra mankany Antaninarenina iny ireto zotra taxibe 119 ireto. Ary tsy izy ireo ihany kosa aloha fa manampy trotraka ny ataony koa ireo zotra 147 sy ny hafa avy amin’ny kaoperativa Tselatra.

Ambohijatovo isa-maraina

Rehefa tonga eo amin’ny sampanana hiakatra ho any Antaninanarenina iny ianao isa-maraina dia manontany tena hoe : « sao dia ny mpanampy ny mpamily – receveur – aza no eo amin’ny familina eo ka tsy mahalala ny tokony hataon? » . Farafahakeliny amin’izay tokony hatao mantsy ny mamela ny làlana mba hizoran’ny hafa rehefa hita fa tsy ho afaka hisosa akory ny fiaranao. Fa dia miroso soa amant-tsara mibahana ny hafa ry zalahy ary miandry ny sitra-pony eo ny rehetra. Ny fanalàna olona eny afovoan-dàlana moa manginy fotsiny.

Na ny kaoperativa hafa koa aza manao ny ataony eto Ambohijavtovo

Ny zavatra tokony ho ao an-tsain’ireto mpamily ireto ihany koa dia ny hoe : rehefa voabahana – mitohana – ny fifamoivoizana eo amin’io faritra io dia miantraika hatrany Antsahabe, Ambondrona ary Ambohidahy sy Anosy ny vokany. Saingy ny azy aloha no voalohan-daharana, ary ny azy no tsy azo ampandeferina, ka dia « izay voa manodidina ».

Barcamp andiany faharoa – IVOTEL

Nahafinaritra, nahazoana lesona betsaka, tanaty firahalahiana sy fifankatiavana, ary nahitàna karazan’olona samihafa (teratany vahiny sy Malagasy araka ny laharam-boninahiny avy) sy avy amin’ny faritra maro nanerana an’i Madagasikara.

Izay raha lazaina amin’ny teny fohy sy tsotra ny fifankahitàna tava natao androany tolakandro tao amin’ny IVOTEL Ambohidahy.

Teo ambany fiahian’i Lova Rakotomalala, izay nanokatra ny fotoana,  moa ity andiany faharoa ity, raha i Joan Razafimaharo no nitondra ny andiany voalohany izay natao teo amin’io toerana io ihany.

Santionany tamin’ireo tonga nanome voninahitra ny fotoana ireto tanisaiko manaraka ireto (ary ialako tsiny amin’izay sendra tsy voatonona nefa tao, fa dia ataovy toy ny efa voalaza sahady…):

  • Foko (mpikarakara), ny sampana Foko avy any Fianarantsoa , Antsirabe, Toamasina, Antalaha
  • ny mpanao gazety samihafa,
  • ny minisitra tany aloha (Tsilavina Ralaindimby),
  • mpampianatra ny mpanao gazety avy any Antsirabe,
  • ny Global Voices Online Malagasy (avylavitra-Jentilisa),
  • i Hery Zo izay nanazàva momba ny blaoginy mifototra main’ny resaka Fizahantany sy ny aterineto,
  • ny Radio Ciel Antalah 100_1737 (Chris sy Afik, nisolo tena rahateo koa ny Radio Meva Ankarana – Tetikasa ‘fampielezam-peom-bahoaka’ na Radio Communautaire miara-miasa amin’ny radioactive mba hananan’ireo faritra lavitry ny renivohitra loharanom-baovao sy loharanom-pahalalàna – misy vata fampielezam-peo mandeha amin’ny alalan’ny famahànana azy (ahodina) moa nentin’izy ireo naseho tao mba ho fanosehana izay tetikasa izay, 100_1781
  • Andriakoto Ratozamanana,
  • Barijaona, namana tsy fanadino,

Nifampizara ny zavatra niainàna nandritry ny olana nolalovan’ny firenena nanomboka ny volana Janoary no mankaty ny tsirairay, ankoatra ny fizaràna fomba fijery manokana.

Nivoaka nandritra izany ny tahotra sedrain’ny rehetra (mpitoraka blaogy sy mpanao gazety matihanina) eny ankianja eny rehefa manatanteraka ny asa fanangonam-baovao. Voatanisa ihany koa ny fampitahorana zakaina taorian’ny famoaham-baovao nataon’ireo mpitoraka blaogy sasantsasany.

i Claire Ulrich manokana

100_1768dia namelabelatra maharitra ny momba ny sivana amin’ny fampahalalam-baovao sy ny fitaovan-tserasera maneran-tany, indrindra any amin’ireo tany misy mafampana (indrindra indrindra fa raha vao miresaka fanakianana momba ny fitondrana misy eo an-toerana). Ohatra nentiny tamin’izany i Maraoka, Sina, Iran, Gaza (Palestina sy Israely). Ny sivana amin’ny endriny rehetra (na amin’ny alalan’ny Logiciel io, na amin’ny fandraràna ny mpanao gazety tsy hivoaka ny toerana misy azy mba tsy hahazo vaovao, na amin’ny fanapàhana tsotra izao ny fantsom-pampitàna rehetra mety ho azon’ny mpilaza vaovao ampiasaina)

Nandritra ny famelabeàrana dia nivoitra hatrany ny hoe ‘tompon’andraikitra amin’izay soratany sy avoakany ny tsirairay’. Ny mpitoraka blaogy rahateo moa tsy manana sata manokana mifehy azy.

Momba izay sata izay indrindra dia nilaza ny zoky iray eo amin’ity sehatra ity fa tsy tokony hisy akory izany ‘code de la communication’ izany raha ny fijeriny ny fivoaran’ny fomba fampitana vaovao ankehitriny (aterineto).  Betsaka ny azo ampiasaina -Tweeter, Ushaidi, FriendFeed, SMS, sns…- ary vaovao misy fanavaozana isan-minitra, mba tsy hitenenana hoe isan-tsegondra.

Voaresaka tamin’izany koa ny tokony hifamenoan’ny asan’ny mpitoraka blaogy sy ny mpanao gazety matihanina (zareo ireny rahateo misy mangalatra ny asantsika mpitoka blaogy. hihhihi, Sa tsy marina izany?).

i Thierry Andriamirado kosa niresaka manodidina ny ‘réseau social’ –  izay rehetra mety ho tombontsoa azo sintonina avy aminy –

Nentanin’ireo rehetra nandray fitenenana moa ny mpitoraka blaogy tsy hihemotra amin’ny fampitàna izay hitany sy rèny, nefa koa navoitra ny tokony hitandremana fa tsy ananam-piry ny aina (ne pas jouer l’héroîsme, hoy ny teny nilazàna azy). Voa manokana tamin’io ilay iraikalahy mpilingilingy izay;;;;izaho ihany anefa ilay izy;;;hahaha. Zavatra iray isan’ny niderana manokana ny mpitoraka blaogy ny tsy fanafenam-baovao, raha oharina amin’ny any gazety an-tsoratra izay tsy maintsy mandalo sivan’ny tompony sy manaraka ny antsoina hoe ‘ligne éditoriale’. Io fametrahana arofanina io no isan’ny tsy nanekeko hiara-hiasa tamin’ny fananganana  ‘plateforme’ iray izay. Satria misy ‘ligne éditoriale’ apetraka harahan’ny rehetra hiditra ao anatiny. i Randy, zokibe iray isan’ny mpanoro hevitra, dia niteny hoe mijanonà foana ho tsy miankina fa very ny fahalalahanareo raha miala amin’izay làlana izay.

Fa raha tafaresaka tamin’ny olona iray nanatrika tao ny tena, dia niarahanay nanaiky ny fitotongan’ny toe-tsaina Malagasy ankehitriny. Raha tany aloha tany ny tsy fitovian-kevitra dia nijanona teo amin’ny sehatry ny fifanasàna vangy, dia ankehitriny kosa tonga hatrany amin’ny fifampikasihan-tànana (toy ilay sary nasehon’i Stephane tamin’ny fàfana (écran) nandritra ny anjara fitenenany, ka nahitàna roalahy mpomba ny andaniny sy ny ankilany amin’ny olana mitranga ankehitriny, izay samy efa nihoson-drà avokoa).

Mba manaova toa anay ireto e!

100_1759Ny hevitra tsy mitovy tsy voatery hifanangànana ho fahavalo. Dia maninona izao izahay? Ny olona no mihevitra fa ‘hanao ahoana re raha tafahaona izy roalahy ireo e?’, fa izahay kosa manao hoe ‘latabatra hafa no anaovanay daomy, ary latabatra hafa no iraisanay misakafo’. Mahaiza araka izany manaja ny fanehoan-kevitry ny sasany na tsy mitovy aza ny hevitra, fa halaviro toy ny fasam-paoana ny fifankahalàana sy ny ompa toy ny fahita any amin’ireo tranonkalan-tserasera sasany, izay fantatry ny maro tao ny anarany na tsy notononina mivantana aza. Miala tsiny fa sady manararaotra mifanabe ihany isika.

Mety tsy ho feno araka ny ilàna azy ny fitaterako ny zava-nisy fa dia entaniko kosa ianao mba hitsidika ny blaogin’ireo namana rehetra tonga nandritra io fotoana io.

Ampidiro fotsiny ny teny fototra ‘ivotel’, na ‘barcamp madagascar’, dia tsy maintsy ho hitanao ao daholo ny resaka rehetra manodidina izay androany izay.

Sady mba tongava koa moa amin’ny sisa e!Amin’izay mba mahita ny toy izao sy mifampizara fomba fijery, satria samy manana ny solomaso itarafany ny raharaham-piainana andavanandron’ny tsirairay sy ny firenena isika, ka mila mifampizara:

100_1786