Sahy hitifitra mpanao gazety ve ny RM1?

Mpanao gazety sy mpaka sary maro isika ry zalahy no nandrakotra ny andron’ny 28 mars 2009 teo.

Rehefa nidina ho eny amin’ny 13 mai ireo mpomba an-dRavalomanana avy eny Ambohijatovo ka tonga hatraty amin’ny tohotohobaton’Antaninarenina dia natosiky mpitandro filaminana avy aty amin’ny Hotel Le Glacier. Rehefa tonga teny amin’ny manandrify ny BNI Analakely anefa ireo olona marobe, dia nisy tifitra variraraka nataon’ireo tafika avy ao amin’ny RM1 nentina nanaparitahana ny vahoaka.

Rehefa tonga tery ambony manakaiky ny tsangambaton’ny 29 mars 1947 kosa ireo vahoaka sy ny sasantsasany tamin’ireo miaramila avy ao amin’ny RM1 nanosika azy ireo hiala ny faritra, dia efa nigadona tety akaikin’ny BNI indray kosa ireo mpaka sary ny mpanao gazety maro niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana avy aty amin’ny Le Glacier.

Nahazendana ny maro ny zavatra nitranga teto satria tsy nampoizina velively: nisy iray tamin’ireo miaramila avy tao amin’ny RM1 izay nivoaka teo amin’ny arabe no tonga dia nanondro basy AHY no sady niteny hoe:

Miala any ny mpanao gazety, Tsy mila mpanao gazety eto. Miala sao tifiriko eo an.

Tsy nahita izay hatao aho no sady nanangana fotsiny ny karatra niantona tety ambozoko. Eo ambony Scooter aho amin’io raha mandeha an-tongotra kosa ny maro tamin’ireo mpanao gazety sy mpaka sary maro namana teny an-kianja mafàna teny. Rehefa hitany fa tsy nihetsika aho no sady mbola nanangana ny karatra tety an-tànako, dia vao mainka niakatra ny feon’ilay ranamana. Tsy haiko na mpifehy ao amin’io toby io ilay zalahy iny, na iza. Fa ny fihetsika nataony aloha no niarahana nahita.

Nisy tamin’ireo mpanao gazety sasany no nihiaka niteny azy nanontany hoe :

Fa hatramin’ny oviana ny mpanao gazety no tsy mahazo maka sary sy manao ny asany. Sa efa niova indray koa ny lalàna?

Namaly ranamana no sady efa nikendry ny lohako. Ny elanelan’ny trottoir roa no manasaraka anay amin’io fotoana io. Hoy indrindra izy:

Rehefa hoe tsy mila mpanao gazety eto dia tsy mila, miala hoy aho sao tifiriko eo. Tifiriko ialahy an!’

Fahatsiarovana sady tsara no ratsy ho ahy iny ry zalahy namana. Kanefa tsy mba voatahiriko an-tsary, fa dia ny nanodina ny Scooter sy ny nidina ambanimbany namonjy ireo mpanao gazety sy mpaka sary sasany no nataoko sisa.

Koa miangavy anareo izay nahazo sary an’iny ‘scène’ iny aho, tena miangavy. Mba omeo sary hotehiriziko, na farafaharatsiny, mba omeo rohy hahafahako mijery azy.

Enga anie ka ho anatra ho an’ireo miaramila rehetra ny namoahako ity lahatsoratro ity, fa aleo hivoaka ny marina sy ny nisy. Izay rahateo no ezahako ijoroana hatrany amin’ity GazetyAdaladala ity.

17 Réponses

  1. Ka izay anie ilay « demonkrasia » tiana hajoro e! tahaka ilay tari-bato vilam-bava io ry avylavitra, ny fahefa-miaramila vatatay no tian-kajoro. Nisokatra ity ilay « boîte de pandore » ka tsy hay na rahoviana vao voahidy, na iza no afaka hanidy azy?????
    Ianao ve dia nanampo fa ho tahaka izao ny habibian-drizalahy ??? mampahonena!!!!!

  2. ny miaramila Gasy mihintsy no tsy alehany ary efa nasehony izany teny Antanimena no koa mbola averiny foana. Tezitra foana aho isaky ny mijery ilay film misy ilay commandant Capsat teny Antanimena iny, ireny toetra ireny ve no nampianarina azy tany @ Acmil, toa andaniana vola fotsiny ireto miaramiala Gasy ireto fa olona indiscipliné no tsy mahalala akory ny tokony ataony sy tsy tokony ataony.

    Atao ahoana fa izao ilay DEMOKRASIA nodradradraina efa hatramin’ny 13 dec 2009 fa hampanjakaina. Efa lasa Tonton Macoute mihintsy ny miaramila Gasy, ary sao dia milisy kosa ary ireo tao @ RM1 ka tsy mahafantatra ny lalana misy akory, ny any fantany dia hoe mitifira dia mitifitra. Misy vidéos maromaro anie mipetraka amin’ny internet momba an’io 28 mars io fa dia mahavariana sy mahagaga ny nataon’ireo Miaramila ireo. Aiza ary i Msgr Razanakolona hiteny an’ireo, sa rehefa ny mpomba ny TGV ihany no tratran’ireny vao miteny Ingahy Msgr fa rehefa ny pro-Ra8 dia aleo ho faty any.

  3. Saika nahita ny tsy fahita indray ianao tamin’iny indray mitoraka iny ry Avylavitra an! Tsy tiandr’izareo hisy porofo momba ny zavatra ataony. Matoa matahotra porofo dia manao ratsy (mba tsy hitenanako hoe « habibiana »). Ny tena tsy azoko amin’inty raharaha manga inty dia ry zareo nivaoka tanteraka ny faritrin’ny place du 13 mai mba hanenjehana ny mpanao fihetsiketsehana. Raha tsy diso ahy, ny antony nametrahana ny miaramila, polisy sy zandary teo amin’ny place du 13 mai dia ny mba handrara ny vahoaka tsy ihiditra io faritra io.
    Endrika mampiseho ny tsy fahavononan’ny mpitondra fanjakana tetezamita, amin’ny demokrasia izay fototra tokana tena niorenan’ny tolon’dry zareo.

  4. Tena nampalahelo tokoa izany nahazo anao izany. Tsy vao izao ianao no voan-javatra avy amin’ny tariky ny TGV ( naika voaroba ny trano …)

    Ka mbola TGV-iste ihany ve ianao ry namako ? sa rehefa ny aina no hafohy atsy ho atsy vao hivadika amin’ny marina « ny vady aman-janaka », tsy fantatro izy ireo na miray hevitra aminao na tsia fa miala tsiny ?

    Sao lahy …azoazoko an-tsaina ny zavatra nanjo anao tamin’ny andron-dRavalomanana, fa mahaiza mamela heloka, alao ny lolom-po fa manimba , fa na fahavalo aza rehefa manana ny marina, dia marina iny.

    Ravalomanana efa niaiky ny fahotany. Efa lasa iny izy, ka inona indray, miraisa hina amin’ny fahamarinana fa sao voagejan’ny firenena lehibe toy ny La Frantsa i Madagasikara.

    Dia mankahery hatrany anao amin’ny filazana ny marina. Raha teo akaikiko ianao dia angamba efa nosakambiniko. Mirary soa anao, tena am-pitiavana marina. Veloma indray.

  5. Aza mimokamoka elah avylavitra fa ny aina tsy amidy eny an-tsena. Olona efa maimbo rà sy vitan’ny zava-mahadomelina lesy ireo. Ny aina sy hafanampon’lahy mbola ilaina @ antony hafa fa aza ariana @ tsy antony ao. Izay ilay nahatonga ahy nitsikera ilay bandy nitondra sainam-pirenena. Tsy ny nataony no ratsy fa tsy t@ fotoanany intsony iny na t@ toerana tokony nanaovany azy ilay izy. Misy angamba nanome tsiny ahy nanome tsiny azy fa izaho kosa manao hoe tsy izany no mariky ny fitiavan-tanindrazana na mariky ny fanohananao ny firehanao. Isika mijery dia mety samy hiteny hoe « mampaninona anefa izy raha manao iny », fa ireo miaramila @ iny fotoana iny sy iny segondra iny tsy mieritreritra toa antsika. Ny fianakaviana fotsiny no ho sahirana raha misy mahazo anao. Tena nety ilay hoe velomy ny moto dia tohizo ny lalana fa sady tsy atody hiady @ vato, tsy hiady @ basy no tsy hiady @ adala. Hadalana miharo tsinjaka ny mi-défier azy ireo @ fotoana toa ireny, mampihena iray ny olona manohana firehana iray, na TGV ianao na TIM.
    Mahakivy ny toa izao nefa dia zava-misy io. Aza mimokamoka (hoy ny fitenin’ilay namako officier izay) fa tsy solution ny fampisehoana hafanampo diso toerana.
    Misaotra an’Andriamanitra tsy nivadika ratsy ny resaka fa toran-kovitra ampitoerana aho mamaky azy. Dia mahereza daholo e, tena mbola lavitra be ny ezaka…

  6. Tena mampalahelo ny zavatra nisoeho t@ nao ity nefa na dia izany aza dia mahereza fa mivavaka ho anao hatrany aho e hahavitanao ny adidinao. Misy tokoa ny miaramila indraindray tena manahirana ny mifampiraharaha aminy saingy ataoko fa tsy maintsy hisy ny fiovana atsy ho atsy.Ny tiako ho marihina koa nefa dia izao : matoa tsy avy dia nitifitra anao izy fa nandrahona mafy dia mba olona misaina ihany izy noho ianao tsy niteny firy angamba . Ny hevitra mety angamba dia tokony havoaka @ gazety isan’andro ny fitakiana ny fahalalahan’ny mpanao gazety ka mety mba ho tonga any am-pototry ny sain’ny mpitondra.
    Na izany aza dia mirary fankaherezana sy fahasalamana feno tanteraka ho anareo mpanao gazety aho fa asa sarotra tokoa no iandraketanareo ary anisan’ny zava-dehibe takiana hiova ny fahazoana ny fahalalahana.
    Ankoatra izany mba henonao siosio ve ny hisian’ny decentralisation any @ faritra hafa. zava-dehibe mansty io fa tsy lasa ity zavatra rehetra miangona eto Tana ity.
    Dia mitelephone ny havanay any @ province aho ka milaza izy ireo fa Tana sy Antsirabe ihany no maneho ny tsy hafaliany io fa na dia misy aza olona tsy faly any @ faritra hafa , dia satria merina izy ka ny fieritreretan’ny olona azy dia hoe toa ady ny samy merina izy io @ izao fa ny an’ny olona @ ankampobeny rehefa niala Ravalo dia nahazo vahaolana izy.
    Mahereza e, tena mivavaka ho anao sy ny mpanao gazety rehetra izaho.

  7. Tsy nampoiziko indray ity zavatra nahazo anao ity! Mankahery anao mandrakariva Avylavitra! na ahoana manko na ahoana mba tsy ekena kosa izany fanondroana basy olona manao ny asany izany!

    tena tsy mety e! Fa hono ho’aho, sao dia nahita izany polisy tsy nanaiky hitifitra izany koa ianao?

  8. […] From Gazety_Avylavitra : nisy iray tamin’ireo miaramila avy tao amin’ny RM1 izay nivoaka teo amin’ny arabe no tonga dia nanondro basy AHY no sady niteny hoe: Miala any ny mpanaogazety, Tsy mila mpanao gazety eto. Miala sao tifiriko eo an. One of the soldiers from RM1 (a downtown military camp, in front of 13 May square) pointed his weapon at me ordering: Go away , journalist, we don't need journalists here. Go away or I'll shoot you. […]

  9. Mankahery tanteraka fa tsy maintsy avoaka ny marina fa tsy mety izany fa aleo haparitaka be izany zavatra izany fa mila tezaina ireo miaramila ireo.

    Marina fa samy manana ny heviny ara-politika avy ny rehetra fa kosa tsy tokony manao izany ireo miaramila ireo, satria ve hoe HAT no tena tiany dia ny vahoaka sy ny mpikirakira vaovao dia tsy izy daholo?

    Tsy rariny izany fa mila omena ny anjarany amin’ny alalany fanehoana ny vaovao tena marina ireo fa mahamenatra loatra.

  10. Mampalahelo izany tranga-javatra niainanao izany. Arahaba mbola salama tsy marofy.
    Midera ny fihetsikao manoloana izany: marina fa ny tsihy hono no fola-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra.

  11. Miarahaba anao Avylavitra mbola salama sy velon’aina. Efa olona roa ankoatranao zao no fantatro fa nampitahorin’ zalahy ohatran’izany. Ny iray blogger dia ny iray twitterer. Tsy avelan’ zalahy maka sary mihitsy.

  12. […] Avylavitra witnessed more serious fright and wrote: […]

  13. […] reported by Avylavitra, one of the bloggers who has the most prolifically covered the crisis. He writes : “Nahazendana ny maro ny zavatra nitranga teto satria tsy nanmpoizina velively: nisy iray […]

  14. na hivazavaza eto isika, ny mampalahelo anie dia ny miaramila angamba na nampiseho ny karatra ny journaliste aza ianao tsy fantany akory ny dikany satria olona donto sy tsy misaina izy mianakavy. Tsy fantany na iza no tokony hambanana ny basiny. Olona Tsimisaina izy mianakavy ao.

    • aleo kosa angamba tsy hatao avy hatrany ao anaty sobika iray ny tafika iray manontolo e. Misy ny mamalan-kira, fa tsy izany no entina milaza fa heo ny antoko mpihira iray manontolo no tsy mahay mihira.

  15. […] But the most scary incident was reported by Avylavitra, one of the bloggers who has the most prolifically covered the crisis. He writes : […]

  16. […] were new for me: Tattum, Tony Rakoto and Elsifaka. I’ve already met and had co-worked with Avylavitra and Saveoursmile (or […]

Laisser un commentaire