Valàla sa Fety? Iza no maika ?

Ho anao namako,

criquets_accouplement

Volana iray sisa dia hifety ny Valàla(bemandry), faritra maro anefa no rakotra ‘Valàla tsy mandry’. Sao tokony ho ny ‘valàla tsy mandry’ ary aloha no atrehan’ny fitondram-panjakàna vao ny fety fampatoritoriana ny Valàla(bemandry) ::

Firifiry moa izao no faritra mitaraina fa nolalovan’ny andiam-balàla? Voly tahaka ny inona, sy vokatra an-taoniny firy no tandindonin-doza vokatr’izany?  Toetrandro manome vahana ny fipariahany rahateo izao. Mampivarahontsana na dia ny mieritreritra fotsiny aza fa hoe tany amin’ny toerana sasany dia mainty ny lanitra nandritry ny fotoana nandalovan’ireny andiam-balala ireny, ary na ny fanamoriana fiara sy ‘moto’ aza dia nanano-sarotra tokoa sy nitaky fitandremana fatratra mba tsy hidiran’ny patsa iray tsy omby vava (sy tsy hitelemana valàla eny am-panidinana – araho tsiky kely).

Isan-taona dia tsaroan’ny maro ny fisian’ireo fetibe isan-karazany, karakaraina etsy sy eroa, manerana ny faritany – ho fampandriana adrisa sy familiana ny saina hanadino vetivety ny olam-piainana andavanandro sy ny krizim-pifidianana – ka isan’ireny ny podium, sy ny fandefasana afomanga. Vola an-davitrisa no mitsefotra anaty minitra vitsy mandritra ireny fotoana ireny.

Ho avy ity ny volana Jona, raha misy ny tokony hosemporina ho faty, dia tsy ho ireo vorona mipetraka am-pilaminana etsy amin’ny manodidina an’Anosy velively kosa angamba, fa ireny andiam-balàla izay tsy hoe ‘tokony hapetraka ho fahavalom-pirenena’, fa ‘tsy maintsy raisina ho fahavalo manani-bohitra’ mihitsy.

Satrin’ny Valàla(bemandry) hahita lanonana sy hifety isak’izay misy, ary izay indrindra, izay fahalemena izay no toa lalaovinareo mpitondra isan’ambaratonga sy handrebirebenareo ny vahoaka. Ka na dia efa hita aza fa tsy tokony ho anaty laharam-pahamehana, dia atao ihany. Mino tanteraka aho fa raha voazava tsara amin’ny vahoaka Malagasy ny antony tsy anasiana fety mitalakotrokotroka amin’ity indray mitoraka ity, noho ny hamehana ka hamiliana ny vola efa nomaninareo holaniana amin’izany, mba hoentina kosa hamonoana ny andiam-balàla ‘tsy mandry’, dia hanaiky io vahoaka io fa aleo tsy misy fetibe, toy izay hiaina anaty tsy fahampiana atsy ho atsy, ka hiafara amin’ny ‘Valàla mifanipaka an-karona’ eto Madagasikara eto isika mianakavy. Tsy maintsy izay mantsy no hitranga rehefa raikitra ny fifanilihana andraikitra aoriana ao rehefa mitranga ny tsy mety.

Raha mitsidika ny tranonkalan’ny Ministeran’ny Fambolena ianao, dia ity no hita ery ambony ery: « Fambolena Voarindra, tosika ho an’ny Fanavotam-pirenena ». Koa ho anareo mpitondra (na dia efa tamin’ny 2011 aza no vaovao farany misoratra ao amin’io tranonkala io momba ny ady amin’ny valàla, miampy resaka rotsak’orana fotsiny ho an’ny taona 2013), asehoy aminay vahoaka fa tena mikatsaka izay hahasoa anay tokoa ianareo, mikatsaka ‘fanavotam-pirenena’ tokoa ianareo, fa tsy sanatria ho ‘resin’ny valàla -tsy mandry- ‘ amin’ny afindrafindrao eo isika mianakavy. Anisan’ny fanavotam-pirenena ny ady amin’ny ‘valàla tsy mandry’, mba hiadanan’ny valàla(bemandry) sy ny ambanilanitra rehetra.

lahatsoratra mifandraika amin’ny resaka valàla:

http://agir.avec.madagascar.over-blog.com/article-lutte-antiacridienne-seulement-15-millions-de-dollars-collectes-117833373.html

http://www.maxisciences.com/criquet/une-invasion-de-criquets-ravage-les-cultures-de-madagascar_art29458.html

Laisser un commentaire