Oviana i #Andry Rajoelina no nanatitra ny firotsahany?

Fanontaniana napetraky ny maro ny hoe: oviana izy no nanatitra? Ara-potoana ve ? sa taty aoriana? Dia ho iza izany izao no hotohanan’ny antoko TGV , sns….?

Fa izay nanaitra teny anaty tambajotra sosialy no indro ampitaina amintsika mpamakyan’ity bilaogy adaladala ity, satria dia nahita zavatra adaladala tokoa izy, ka tsy ariny, mikasika iry fanontaniana hoe  » oviana? « . Natao dika petaka tsy nasiam-panovàna ity hafatra eto ambany ity

MBOLA HANARA-DALÀNA MOA ISIKA ITY ?

Naka fotoana naharitra mihitsy izahay mba handinihina taorian’ny « fanambaràn’ny CES mikasika ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina ». Tsy nanao afa-tsy ny nihaino sy nijery ary namakafaka. Na inona na inona aloha filazan’ny CES dia tsy takona hafenina ny « tsindry nahazo azy ». Ary dia nanao fahotàna mahafaty sy mahamenatra. Ny tenanay dia nanatona ny HCC ary nilaza tamin’izy ireo fa toa tsy mandeha ny tranonkalany. Dia nisaorana azy ireo fa dia azo nojerena tao ihany ny lisitr’ireo KANDIDÀ MIISA 49 nametraka ny antontan-taratasy firotsahany ho fidiana ny afak’ampitson’ny andro farany filatsahan-kofidiana.
SIVY AMBY EFA-POLO no voarakitra tao.
Androany zoma, faha-03 may 2013 no « nametraka » ny filatsahan-kofidiany i Andry Rajoelina, ary dia « neken’ny CES ». Porofo mihohoka amin’ny tenda ny « kabary nataon’i Andry Rajoelina teny Ivato » izay nanambara fa « tsy nirotsaka izy ».
Mitovy tsisy valaka tamin’ilay nitranga tamin’ny « Référendum » niantso ny Vahoaka hifidy amin’ny alàlan’ny Karnem-pokontany indray izao mitranga izao.
TSOTRA NY TENINAY : NATAO HITSAHIN’NY MANAMPAHEFANA NY LALÀNA.

Miala tsiny aminareo, fa tsy fombanay ny miresaka lavabe toy izao, kanefa dia mba tsy maintsy misy ihany izany manoloana ity « fahotàna mahafaty » ity.

Alohan’ny hanomezanay ny toromarika ho an’ny Olompirenena rehetra, dia mamelà anay hampahatsiahy ireto andinin-dalàna roa manaraka ireto :

LALAMPANORENANA
Andininy faha-166 :
… Raha misy fahabangan-toeran’ny Filoha, n’inon’inona antony dia iarahan’ny Praiminisitra, Filohan’ny Filankevitra Ambony ny Tetezamita ary ny Filohan’ny Kongresy misahana ny asan’ny Filoham-panjakana.

TONDROZOTRA
Andininy faha-14 :
Ny Filohan’ny Tetezamita, ny Praiminisitra nifanarahana ary ny Mambra ao amin’ny Governemanta dia tokony hametra-pialana amin’ny asany 60 andro alohan’ny vaninandro anaovana ny latsabato, raha toa izy ka tapa-kevitra hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana Solombavambahoaka sy Filohampirenena. Na izany aza, mba hamenoana izay rehetra mety fahabangana eo amin’ny lafiny lalàna, dia hisy lalàna hankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita mba hamaritra ny fepetra fampiharana mifandraika amin’izany.

– – – TOROMARIKA AROSONAY – – –

Ô RY VAHOAKA,
ANDAO ISIKA HIFIDY, HAHAY HIFIDY …
TSY HANAIKY TARITINA AMIN’NY KORONTANA ISIKA …
TSY HIFIDY OLONA TOA AN’I ANDRY RAJOELINA ISIKA …
HASEHONTSIKA FA MAHAY MIFIDY ISIKA …

Ô RY MPITARIKA ISAN-TSOKAJINY,
AMPAHALALAO SY AMPIANARO AN’NY OLOMPIRENENA REHETRA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA NATAON’I ANDRY RAJOELINA SY NY FITSARÀNA MANOKANA …

Ô RY RAIAMANDRENY FFKM,
ELA NIJALIANA NY VAHOAKA, ARY TSY KILALAO NY AIM-PIRENENA …
SAHIA MIJORO MANAMELOKA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA …

Ô RY MIARAMILA,
TSY HITSITSY AMIN’IZAY TSY MANARA-DALÀNA IANAREO, HOY IANAREO …

Ô RY COUR ÉLECTORALE SPÉCIALE,
MBOLA HO TSARAINA IANAREO …

HAMARANANA, HIVAVAKA HO AN’NY FIRENENTSIKA ISIKA.

MBOLA HANARA-DALÀNA MOA ISIKA ITY ? Naka fotoana naharitra mihitsy izahay mba handinihina taorian'ny "fanambaràn'ny CES mikasika ny filatsahan-kofidian'i Andry Rajoelina". Tsy nanao afa-tsy ny nihaino sy nijery ary namakafaka. Na inona na inona aloha filazan'ny CES dia tsy takona hafenina ny "tsindry nahazo azy". Ary dia nanao fahotàna mahafaty sy mahamenatra. Ny tenanay dia nanatona ny HCC ary nilaza tamin'izy ireo fa toa tsy mandeha ny tranonkalany. Dia nisaorana azy ireo fa dia azo nojerena tao ihany ny lisitr'ireo KANDIDÀ MIISA 49 nametraka ny antontan-taratasy firotsahany ho fidiana ny afak'ampitson'ny andro farany filatsahan-kofidiana. SIVY AMBY EFA-POLO no voarakitra tao. Androany zoma, faha-03 may 2013 no "nametraka" ny filatsahan-kofidiany i Andry Rajoelina, ary dia "neken'ny CES". Porofo mihohoka amin'ny tenda ny "kabary nataon'i Andry Rajoelina teny Ivato" izay nanambara fa "tsy nirotsaka izy". Mitovy tsisy valaka tamin'ilay nitranga tamin'ny "Référendum" niantso ny Vahoaka hifidy amin'ny alàlan'ny Karnem-pokontany indray izao mitranga izao. TSOTRA NY TENINAY : NATAO HITSAHIN'NY MANAMPAHEFANA NY LALÀNA. Miala tsiny aminareo, fa tsy fombanay ny miresaka lavabe toy izao, kanefa dia mba tsy maintsy misy ihany izany manoloana ity "fahotàna mahafaty" ity. Alohan'ny hanomezanay ny toromarika ho an'ny Olompirenena rehetra, dia mamelà anay hampahatsiahy ireto andinin-dalàna roa manaraka ireto : LALAMPANORENANA Andininy faha-166 : … Raha misy fahabangan-toeran’ny Filoha, n’inon’inona antony dia iarahan’ny Praiminisitra, Filohan’ny Filankevitra Ambony ny Tetezamita ary ny Filohan’ny Kongresy misahana ny asan’ny Filoham-panjakana. TONDROZOTRA Andininy faha-14 : Ny Filohan'ny Tetezamita, ny Praiminisitra nifanarahana ary ny Mambra ao amin'ny Governemanta dia tokony hametra-pialana amin'ny asany 60 andro alohan'ny vaninandro anaovana ny latsabato, raha toa izy ka tapa-kevitra hilatsaka ho fidiana amin'ny fifidianana Solombavambahoaka sy Filohampirenena. Na izany aza, mba hamenoana izay rehetra mety fahabangana eo amin'ny lafiny lalàna, dia hisy lalàna hankatoavin'ny Parlemantan'ny Tetezamita mba hamaritra ny fepetra fampiharana mifandraika amin'izany. - - - TOROMARIKA AROSONAY - - - Ô RY VAHOAKA, ANDAO ISIKA HIFIDY, HAHAY HIFIDY … TSY HANAIKY TARITINA AMIN'NY KORONTANA ISIKA … TSY HIFIDY OLONA TOA AN'I ANDRY RAJOELINA ISIKA … HASEHONTSIKA FA MAHAY MIFIDY ISIKA … Ô RY MPITARIKA ISAN-TSOKAJINY, AMPAHALALAO SY AMPIANARO AN'NY OLOMPIRENENA REHETRA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA NATAON'I ANDRY RAJOELINA SY NY FITSARÀNA MANOKANA … Ô RY RAIAMANDRENY FFKM, ELA NIJALIANA NY VAHOAKA, ARY TSY KILALAO NY AIM-PIRENENA ... SAHIA MIJORO MANAMELOKA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA ... Ô RY MIARAMILA, TSY HITSITSY AMIN'IZAY TSY MANARA-DALÀNA IANAREO, HOY IANAREO ... Ô RY COUR ÉLECTORALE SPÉCIALE, MBOLA HO TSARAINA IANAREO … HAMARANANA, HIVAVAKA HO AN'NY FIRENENTSIKA ISIKA.

J’aime · · Partager · il y a 9 heures ·