Efa ela no nidradradrana teto mikasika ireny dokam-barotra famitaham-bahoaka ireny. Efa ela no niantsoantsoana teto mikasika ny andraikitry ny ambaratonga tsirairay tandrify izany. Tanteraka tokoa va re ilay hoe ‘Aleo tara toy izay tsy misy’ ?
Ny tiana hahatongavana dia ny resaka dokam-barotra nataonà vondron’orinasa iray sy fahitalavitra tsy miankina iray mikasika ireny bracelet sy fitaovana lazaina fa manatsara ny fahasalamanao, mifehy ny tosidrànao sns… ireny.
Nanomboka omaly dia mba nandre ny tena, tao amin’ny fampielezampeom-pirenena RNM sy ny TVM fa hoe nampitandrina ny ministeran’ny fifandraisana, sy ny ministeran’ny fahasalamana, ny amin’ny tsy tokony hanaovana dokam-barotra amin’ny zavatra toy ireny, satria tsy voaporofo ara-tsiantifika, ary tsy nomen’ny ministera fahazoan-dàlana hamidy amin’ny mpanjifa. Fa taiza foana hatrizay?
Mahalasa saina ilay hoe efa aty aoriana be aty vao ‘mody’ manao fanambaràna. Efa miliara maro no nefain’ny olona nividianana azy ireny, sy azon’ny mpamitaka tamin’ireny, vao ‘mody’ misy fanambaràna sy fandraràna. Hany ka mahalasalasa saina ihany hoe tena tamin’ny fo sy saina nandinika lalina tokoa ve no nandrafetana azy iny, sy nitanisàna ireo andinin-dalàna mandràra ny fanaovana an’izany dokam-barotra izany? Soa mantsy hoe ‘efa ampy ny azo ka aleo amin’izay mba mi-sauver la face’. Miala tsiny raha masiaka fiteny, satria efa ELA dia ELA no nitenenana teto. Ary efa tsy nitsahatra ny nandefa hafatra mivantana ho an’ilay fahitalavitra rahateo koa tamin’izany fotoana. Ekeko fa asa ny azy manao dokam-barotra, fa rehefa mba notairina hoe ‘misy zavatra tsy manjary ao’, dia mba tokony ho nisaina kely ihany vao nanohy taty aoriana. Ny zava-nisy mantsy dia vao mainka aza nampiakarin-dry zareo plateua ilay vondron’orinasa, ary noraisiny toy ny fandraisana vahiny manan-kaja, mba hitondra fanazavàna sy fanasàna ny tavany mikasika ireo fanakianana sy fanenjehana nafafy teto sy tany an-kafa rehetra tany. Misy ny haitao azony (ary fampiasany isanandro) nampiasaina tsara hanaovana fikarohana ny amin’ny maha-mitombina na tsia ireny kiana marobe ireny, nefa na tsy nataony, na tsy norararahainy, fa dia ny nanohy niasa nanampy an’ilay vondron’orinasa hanapariaka ilay vokatra hatrany no nataony.
Manomboka eto izany dia mbola manentana anareo rehetra mpanjifa izay mahita ity hafatra ity: tandremo sy fantaro ihany ny zavatra vidiana. Mba manontania olona maromaro aloha vao miroboka, fa tsy hoe olona iray dia ampy, ary aza mora roboka amin’ny filaza hoe ‘NY ANAY IHANY NO TENA IZY….. fa sandoka ireny tsy misy mari-pamantarana ireny. Isan’ny fitaka be sy fandrebirebena atao anao mpanjifa irey. Moa va tsy toy ireo antokom-pinoana maniry toy ny anana eran’ny tanàna manao hoe ‘ATY AMINAY NO MISY JESOSY…! ‘
Fa izay farany tiako hotsindriana dia ity: nahasorena ahy mafy ny tsy fahasahian’ireo tomponandraikitra mitanisa mivantana ireo karazam-bokatra iantefan’ny fampitandremany, sy izay orinasa na haino aman-jery nanao izany, mba hisy hisaintsainan’ny hafa. Sa mbola mipetraka koa ny hoe ‘présomption d’innocence’, nefa efa fantatrareo izao fa hoe nandika lalàna, izany hoe meolka na dia tsy mbola namoahan’ny fitsaràna didy mikasika izany aza. Maninona no tsy tonga dia tsipihana ao anaty hafatra ny hoe ‘toy ny POWER BALANCE sns…?
Ity kifonofonon-dragasy ity no efa tsy nampandroso hatrizay. Mba miova e! Mba mivantambantàna toa anay, sa mbola hiforiporitra hiandry ny hoe ‘Izay mahasoa ataon’Andriamanitra? ‘ ….Dia ho vatolampy angerezan’ny vorona eo foana isika mianakavy raha izany no izy
Filed under: anao ny fitenenana, fahantràna, fahasalamana, fiaraha-monina, haino amanjery, haitao, tapatapany, telecommunication, tontolon'ny asa | Tagged: #powerbalance, RNM, TVM | Leave a comment »