Inauguration « place de la démocratie:Ambohijatovo »

Et voilà, la Place de la démocratie a été inaugurée ce jmatin.

La foule a répondu ‘présente’. Et comment! il fallait vraiment une Place comme celle-ci pour pouvoir crier les injustices vécues au quotidien par le peuple, et pour se faire entendre.

En Malagasy maintenant.

Notokanana androany ny Kianjan’ny demokrasia [Fahalalahana]. Vahoaka sesehena no namaly ny antso, ary tena tsy ho antonona azy intsony amin’ny antso manaraka. Satria mbola nampanantena fihanonana amin’ny vahoakany ny Ben’ny tanàna Andry RAJOELINA. Ity hetsika ity dia nifanandrify indrindra koa amin’ny hetsika izay nataon’ireo Malagasy mipetraka any Frantsa, manoloana ny tranon’ny Masoivoho Malagasy any an-toerana. Be ny zavatra novakiana batsilana, ne ny fitakiana natao, ary isan’izany ny hanokafana ny haino aman-jery tsy miankina nakaton’ny fitondrana noho ny resaka politika. Re izany izao fa rahampitso amin’ny 7 ora hariva dia hiverina handefa fandaharana ny VIVA TV na ahoana na ahoana no ho tohiny. Araka ny fangatahan’ireo vahoaka marobe teny an-kianja androany. Tao anatin’ny filaminana tanteraka no nanaovana izany rehetra izany. Na dia tsy nisy tamingana Polsiy sy Miaramila, na Zandary iray aza nalefan’ny fitondrana ho eny an-toerana mba hitandro ny filaminana.

Marobe anefa ireo olona voatokana manokana hitandro io resaka filaminana io teny an-toerana, ary nanana ny fanamiana nampiavaka azy manokana. Nanana fanamiana manokana niavahany tamin’ny be sy ny maro toy izany ko any mpikambana ao amin’ny TGV. Fanamiana izay nahitàna ny soratra hoe ‘AVOTANTSIKA NY DEMOKRASIA, SAUVONS ENSEMBLE LA DEMOCRATIE, DEMOCRACY, YES WE CAN’.

Sady nifety ny vahoaka no niandry am-pilaminana tanteraka ny Ben’ny tananany na dia efa tamin’ny 12 ora mahery aza ity farany vao tonga.

Taty amin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby Soarano no nosafidian’ireto mpitandro ny filaminana ho toby, hiandrasany fotsiny izay zava-miseho.

Voalaza teny ihany koa ny afera maloto nataon-dry Yvan Randriasandratriniony (mpitantana ny MBS tamin’izany fotoana) sy Marc RAVALOMANANA (Ben’ny tanana tamin’izany fotoana) momba ny tany ampiasain’ny MBS ao Anosipatrana. Niofaina 4000FMG/m² akory isan-taona, ka rehefa nanao kajy ny Ben’ny tanana ankehitriny dia eo amin’ny 334FMG isam-bolana no hofany nanomboka tamin’ny 18 Aogositra 2000, talohan’ny nanovana indray ny fifanarahana ho ‘tsy misy fetra’  nanomboka tamin’ny 14 febroary 2007, ary tsy misy hofany intsony. Voatanisa tao koa ny aferan’ny vola nividiana ny Force One 2, sy ny fanomezana tany ho an’ny vahiny mba hamelomana ny vahoaka any aminy, nefa ny gasy kely eto tsy mahita tany hovolena.

Tonga nanafàna ny fotoanaireo artista toa an-dry Ra-Ckiki, Samoela, Black Jack’s, Tsiliva, Sareraka, Bekoto (Mahaleo)…

Nandray fitenenana tao ny solon-tenan’ireo avy any amin’ny faritra, ny CONECS tarihan-dramatoa Nadine RAMAROSON.

Hita teny an-toerana koa ireo solon-tena vitsivitsy avy amin’ny mpanohitra sy ireo mpiara-miasa amin’ny Ben’ny tanana ankehitriny: (Rolland Ratsiraka, IALY vadin’i Pety Rakotoniaina, Daniel RAMAROMISA, Henri Lecacheur, Alain RAMAROSON, Ny Hasina Andriamanjato, Elia Ravelomanantsoa, Michelle Ratsivalaka, Dolin Rasolosoa, RANJIVASON Jean Théodore, …

Mbola mifanome fotoana eny ny rehetra amin’ny sabotsy ho avy izao.

Indreto sary bobaka be azonao jerena hitarafana izay niseho teny. Raha mila maromaro kosa moa ianao dia iangaviana sy asaina an-tanan-droa hitsidika ny flickr avylavitra. Misy koa ny vidéo any amin’ny YouTube any.

Sao hadinoko fa nidina teny amin’ny foiben’ny VIVA ny vahoaka nitaky ny hamohana ity fahitalavitra tsy mainkina ity. Hay efa nisy mpitandro ny filaminana 4 kamiao tao an-toerana. Ny jeneraly misotro ronono Dolin  Rasolosoa no nandamina ny vahoak tsy hitroatra sy niofampiresaka tamin’ireto mpitandro filaminana

9 Réponses

  1. Mahafinaritra b le site fa tena à jour tsara. Tohizo bainina a, milay eh. D courage foana.
    P.S: milay b momba ny kianjan’ny democratie. Gravy b mantsy ny censure eto am tanana ka milay mahita zavatra oatran zao.
    Sur’eh!

  2. ary naninona ho aho no notebahan’i sareraka i lecacheur e?? izao vaovao izao aloha dia hita mihitsy hoe marina e, misaotra ny gazety avy lavitra nampita izany

  3. Misaotra amin’ny tatitra sy ireo sary e !

  4. Misaotra fa izahay aty amin’ny faritra dia tsy maharaka ny tena misy e! efa fantatrareo ny antony

  5. Tsy mandatsa ve ryzalah lé hoe: nareo tsy zatra mitaingina roplanina kanefa volatsika no nividianany azy. tenin’ny filoham-pirenene ny 21/01/2009

  6. Madagasikara lesy malaza erantany @ vanille, girofle, kafé, litchi etc… kanefa ny tany rehetra mamokatra ireo any antsinanana dia amidy daholo @ daewoo logistic. TSY EKENA TSY EKENA eny ambohijatovo no fotoana @ sabotsy

  7. […] Avylavitra who wants to be neutral, tells what he saw and heard during that day. […]

  8. […] de Andry Rajoelina et de la Commune Urbaine d’Antananarivo pour l’occasion. Dans un billet dédié à cette inauguration, Avylavitra, un ami blogueur a écrit: La foule a répondu ‘présente’. Et comment! il fallait […]

  9. […] l’appel de Andry Rajoelina et de la Commune Urbaine d’Antananarivo pour l’occasion. Dans un billet dédié à cette inauguration, Avylavitra, un ami blogueur a écrit: La foule a répondu ‘présente’. Et comment! il fallait […]

Laisser un commentaire