Voaroaka hiala ny tanin’ny CUA ny MBS

Nandefasan’ny CUA (Commune Urbaine Antananarivo) taratasy fampilazàna ny tokony hialany amin’ny tanin’ny comune ny MBS. Ny antony dia noho ity farany tondroina ho tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny fifanarahana (contrat). Milaza anefa ny filoha Marc RAVALOMANANA fa nisy ny fifanarahana natao ka tokony ho ny fitsarana no hanapaka farany.

Raha 50 no nasaina nanao andrimasom-pokonolona teny amin’ny Foiben’ny VIVA teo aloha, dia tsy hay tohaina ireo olona no tonga (na andro , na alina) manao izany eny an-toerana. Efa tafakatra ho 100 mahery foana izany isak’izay mandalo mitazana any aho. Heno amin’ny tenin’ireo mpanao andromaso ireo, fa

‘na hisy faty olona aza eto, dia tsy hiala eto izahay, ary na tsy hisy aza ny tambin-karama, dia ny demokrasia sy ny tsy handaingana amin’ny vahoaka no tadiavina’.

.

‘Tsy avelanay ho samborina izany koa i bandikely, fa vonoy aloha zahay vao sambory lery’

Fa aviliko kely ny resaka: mba hatao inona tokoa moa izany ireo fitaovana marobe ami’ny naran’ny Daewoo voalaza fa tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toliara? Engins goavana daholo mantsy hono no any.

Faharoa, dia mba mampanontany tena ahy ihany ny hoe, misy ve sa tsy misy ny olona afaka mba miteny an’ingahy filoha amin’ity fomba fiteny manao valy boraingona sy toa manivaiva ny Malagasy ity e? Indraindray dia mampanongo tena mihitsy ny fomba famaliny, hitako ho tsy dia mendrika loatra ny maha-filoha azy. Tsy idiran’izay maha-mpomba ahy na maha-mpanohitra ahy izay fomba fijeriko izay, fa tena fitenenana tsy misorona mba hio fanatsarana any ampitso, sao dia hisy hilaza indray fa hoe mpomba an’i Andry RAJOELINA tsy asiana fepetra aho. Efa nanoratra momba izany ihany aho anay anatin’ny hafatro mitondra ny lohateny hoe ‘ELANELAM-PANAHY’, volana vitsy lasa izay. Any no ahitanao hoe mpomba ve aho, na mpanohitra ve? Anao ny safidy. Satria mba mandratra ny sofin’ny maro ihany mantsy raha filoham-pirenena no hiteny hoe ‘raha mbola misy hafa azo totofana any dia totofantsika koa’ fony izy nanototra nt tany teny Andohatapenaka, sy n y fihantsiany izay te-hifampitsapa hery aminy fony izy namangy teny ihany andro vitsy lasa izao.

Tsy izay toerana ametrahana ahy anefa no olako, fa ny hahafahako manome ny vaovao hoanareo rehetra araka izay azo atao, sy araka izay tena izy, na farafahakeliny , manakaiky izay tena izy.

Nandray ireo Tangalamena avy amin’ny faritra 22 koa ny Ben’ny tanana androany, ary nilaza ireto vahininy fa manohana tsy misy fepetra ny hetsik’Antananarivo. Maro hoy izy ireo ny olona no te-ho tonga saingy efa mandeha koa ny sakantsakana isan-karazany any rehetra any. Ny eto Antananarivo aloha izao dia lasa misy baiko tampoka midina avy amin’ny CISCO milaza fa TSY MAINTSY MIAKATRA manao grand menage ho fanomanana ny journée des écoles ny mpampianatra amian’ny sabotsy (journée izay mbola any amin’ny tapaky ny volana Febroary anefa), ary ny mpiasam-panjakana indray dia lasa nisy fambolen-kazo tampoka izany koa, sns raha tsy hiteny ilay fanakanana ny Taxi brousse avy any amin’ny faritra tsy hiditra teto Antananarivo raha tsy taorian’ny Kabarin’ny Ben’ny tanàna tamin’ny sabotsy isika. Re izao fa tsy azo atao ny manao ‘spéciale » avy any amin’ny faritany hankaty Antananarivo. Betsaka anefa ny olona no te ho avy. Sao ve sanatria ka misy mamerina ilay hafetsifetsena tamin’ny Sabotsy? Nisy mantsy ny nanao fampitàna mivantana ny kabary avy teto Antananarivo tamin’ny alalan’ny Finday, ary avy hatrany dia narahan’ny fanjakana, fanakatona avy hatrany ilay onjampeo tsy miankina izany (tany Ambositra izay)…

HO ELA VELONA ANIE NY MALAGASY TIA FAHAMARINANA
HO ELA VELONA NY DEMOKRASIA (izay raha ny kely fantatro dia midika ho FIKATSAHANA IZAY SOA HO AN’NY VAHOAKA, alohan’ny maha FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA AZY)

Tapatapany ho anareo any lavitra any kosa ireto:

Nandefa hafatra tao amin’ny Radio Antsiva FM 97.6, andritry ny fandaharana ‘NY MARINA’ ny fikambanana mpianatra iray eny Ankatso, miantso ny mpianatra rehetra ho tonga hanotrona ny Ben’ny tanana Andry RAJOELINA amin’y sabotsy izao.

Nosavaina ny tranon’ny lefitry ny Ben’ny tanàna aninkeheo maraina tamin’ny dimy , mba hikarohana fitaovana, na taratasy manohintohina ny filaminana anatin’ny firenena

Korontanina amin’ny resaka ‘contrôle fiscal’ ny orinasa sy ny seha-pihariana rehetra tanatani’ny vadin’ny ben’ny tanàna, na izay an’ny fianakaviany. ‘Tsy hampihemotra ahy izany’, hoy ny ben’ny tanàna, eny fa na dia ny haha-4’mi ahy aza no tetehina, dia hikatsaka ny marina mandrakariva aho.