‘Mitomania ianao ry taniko’

Talata mainty (Mardi Noir) ho anay mianakavy ny androany.

Ankoatra ny hilazako aminao izay nahazo anay androany dia ireto aloha sombintsombim-baovao samihafa. Mety tsy ho feno araka izay andrasanao, fa inoana kosa fa mba misy azo ihoriranana ihany.

Analakely : rehefa nirehitra ny magazay iray dia mbola nisy ihany ny nanao amboletra niditra, mba haka izay heveriny ‘ho anjarany’ tao. Be ny tavela tamin’ireny ka maherin’ny 20 no maty (tatitra avy amin’ny mpamonjy voina eny Tsaralalana)

Tulear : maherin’ny 20 koa ny maty sy naratra (mitambatra io isa io, araka ny Radio Antsiva)

Ambanja : 2 no maty nandritra ny fanafihana ny magazain-dRavalomanana

Sambava : 74 ny moto tokony ho an’ny Ben’ny tanàna nangalarin’ireo andian’olona manao ity asa fandrobana ity. Nangalarina ny zavatra natao ho fiandry voina tokony homena ireo tra-boina mandritry ny rivo-doza (BNGRC). Amina miliara ny fahasimbana tao amin’ny orisana TOYOTA RASSETA, ary tapaka ny jiro. Tetik’ireo manaraka ny hanafika ny sampan’ny JIRAMA any an-toerana. Ravan’izy ireo koa ny tsenan’ny Donia.

Antananarivo : Mirehitra ny SOAM (mpamokatra gaz fampiasa eny amin’ny hopitaly sy ny fanaovana soudure) etsy ambodivonkely Ambohimanarina.

Couvre-feu : Nivoaka ny didy fa manomboka anio 27/01/2009 dia tsy azo atao ny mivezivezy amin’ny alina eran’Antananarivo, amin’ny 9 ora (21h) hatramin’ny 04h maraina.

Andravoahangy :

Amin’ny folo mahery ny andro, nanomboka nisy nitangorongorona teo anoloan’ny Supreme Center (efa vaky ny alina iny). Ary nitombo hatrany. Hay efa niandry ireo namany ho tonga sisa. Tampoka sy haingana be ny fandehan’ny raharaha nanomboka teo amin’ny 1 ora teo. Nirohotra niampita tampoka ireto andian-jatovo (toy ireny Jomaka ireny, miala tsiny fa tena izay no fahitako azy), dia tonga dia namaky ireo magazay tantanan’ny vahiny (Sinoa no betsaka) tsy lavitra teo. Eo andavarangan’ny birao izahay no mitazana izany rehetra izany. Mifindrafindra hatrany izy ireo rehefa vita ny magazay iray, ary toy izany hatrany. Rehefa vakiny ny varavarana dia miakatra ny horakoraka sy ny tehaka. Misy ny mpanome baiko, ary rehefa vita ny fandraofana entana, dia soniavina amin’ny afo hatrany ny ‘opération’ natao. (Soa fa tsy nahavita hatramin’ny farany ny tetika ratsiny ireo tolona ireto fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana. Niantso ny Radio Antsiva indray mantsy izahay tao ampiasana mba hiantso amin’ny onjam-peo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana). Farany dia tonga tandrifin’ny vavahady miditra ato amin’ny birao. Efa nanomboka nisy nandoboka vy be ny vavahady, saingy nisy niteny tao anatin’ireto mpanafika fa hoe

‘Malagasy no ao’

, ary dia avotra aloha ny birao teto. Nandritra izany anefa dia efa tonga koa ny Gendarmes sy ny Polices, ary efa nanomboka nanao tifi-danitra. Raikitra ny ‘sakoroka’. Samy nitady izay handosirany avy ireo avy nangalatra sy naka ny tsy azy.

Fa izay tena nampalahelo sy nahatezitra ahy tamin’ireto ‘sauvages’ ireto, dia ny nidirany an-keriny tao an-tananako. Sendra maka sary eo an-davarangan’ny birao aho, no nitodika tampoka teny an-trano ny masoko ka nahatsikaritra andian’olona mihanika ny tamboho. Tsy iza ireo fa ireo avy nangalatra kidoro sy latabatra sns… tamin’ireo magazay teo anilan’ny birao ihany. Tsy nahatsindry intsony aho fa niady tamin’ny agents de sécurité mihitsy ny amin’ny hamelana ahy hivoaka ny vavahady vy, na hisy inona , na hisy inona. Vantany vao tafavoaka aho dia ny nanatona avy hatrany ireo Gendarmes mirongo basy no nataoko ary naka éléments tamin’izy ireo mba handeha no any an-trano hiaraka amiko.

Ndao mba hiaraka amiko. Vonjeo ny zanako fa izao mitomany anaty telephojne izao. Tafiditra ao an-tananako daholo ry zalahy avy nangalatra teto’

. Dia nahazo olona tokoa aho. Isaorako ireto mpitandro filamionana. Fa ankoatra ireo nentiko dia efa nisy koa nentin’ny mpiara-monina izany tena isaorako manokana tokoa sy tolorako fankasitrahana mitafotafo etoana. Lalàna samy hafa no nizoranay namonjy ny tranoko, ka izaho sy ireo niaraka tamiko dia avy any atsimo, raha avy any avaratra kosa ireo fokonolona. Tampina ny lalana azon’ireto andian’olona nivoahana, ka hany hery dia mbola saiky hihoatra ny tambohon’olona mifanila vodirindrina taminay indray. Efa nomena somation fa hoe tifirina rehefa tsy mitolo-tena, izay vao nitolo-batana. Aleo angamba dia ny zanako vavimatoa no hitantara azy amin’ny fomba niainany azy:

Novakiana indray androany ny magazay mpivarotra iray eto Ambatomitsangana Andravoahangy, tsy lavitra ny Suprême Center. Samy nibata izay azony avokoa ny « mpangalatra » rehetra. Fotoana fohy taorian’izay, raikitra koa ny fifampitifirana, ka be ny mpitsoaka nisaoty tamboho sy niezaka ny hiditra an-tananan’olona mba hiafina. Anisan’izany ny tanànanay. Teo amin’ny valo teo ho eo no tafiditra tao an-tokontany ka samy niezaka ny niafina araka izay azony natao daholo ry zareo. Soa ihany fa tsy nisy niezaka ny hamaky ny tranonay kosa! Soa ihany koa fa tonga haingana ny mpitandro ny filaminana ka naka azy ireo. Nihevitra ary izahay fa efa lasa daholo ry zareo. Kinanjo minitra vitsy taorian’ny nahalasànan’ny mpitandro ny filaminana sy ireo izay tratra dia iny fa nisy iray tsara fiafenana nijokojoko, tsy voatsikaritray akory, nivoaka avy tao amin’ilay elankelan-trano kely niafenan-dry zareo! (elankelan-trano manasaraka ny tranonay amin’ilay trano eo akaiky)

Ireto ny sarin’izy ireo, izay rehefa nisaiko dia feno FOLO be izao :

ireo mpandroba niditra an-keriny tao an-tananako

ireo mpandroba niditra an-keriny tao an-tananako


ireo mpandroba niditra tao an-tananako

ireo mpandroba niditra tao an-tananako


ireo mpandroba niditra an-jeriny tao an-tananako

ireo mpandroba niditra an-jeriny tao an-tananako

any amin’ny Youtube kosa ny bolongan-tsary momba izany

Nirefodrefotra ny basy tety, ary ny tena mahazendana dia tsy matahotra izany ireo mpandroba, fa vao mainka aza mihantsy ny mpitandro filaminana. Rehefa mirefotra ny basy, dia lasa aloha mitsoaka kely. Avy eo aza dia miverina indray ireto ‘brigands’ ireto ary sady mihaogahaoga, no mitoraka vato ihany koa hamely ireo gendarmes

Niverina nandeha ny onjam-peo VIVA androany maraina. Tsy mbola nisy aloha ilay fifampiresahana teo amin’i Andry Rajoelina sy Ravalomanana Marc hatreto. Andry Rajoelinan o tsy nety indray fa mbola hiverina eny amin’ny 13 mai rahampitso noho ny fitakiana sasany nangatahany mbola tsy mivaly. Etsy andanin’izay anefa dia mbola mitohy hatrany ny fahapotehan’ny firenena.

Ka iza no hivoaka ho ‘STAR’ amin’izao zavatra mitranga izao? Asa lahy????????? Fa mandra-piandry izany dia Mitomania ianao ry taniko

Gidragidra (émeutes)

Tanteraka ny famoriana vahoaka teo amin’ny kianja 13 mai ny 26 janoary 2009 teo, ary nahazo olona maro dia maro tokoa. Saingy….saingy….

Rehefa tonga ny tamin’ny:
* 12h 00 ka nifarana ny kabary teo an-toerana dia roso ny dia fa hoe ho an’ny amin’ilay tany nototofan-dRavalomanana eny Andohatapenaka ny rehetra. Nandalo teny amin’ny Radio Nationale Anosy ny sasany tamin’ireo mpilahatra. Feno olona mantsy ny manodidina ny farihy.

Raha i Andry Rajoelina efa any Andavamamba, ny rambon’ny filaharana kosa dia mbola mbola any amin’ny Radio Nationale Anosy. Tamin’ireo olona taraiky taty aoriana ireto no nisy andian-jatovo (toa ireo antsoin’ny maro amin’ny hoe bande organisée irony). Nidiran’izy ireo an-keriny ny RNM ary nopotehiny ny fitaovana tao. Nalainy izay azony nolanjaina, ary nodorany avy eo ny tanàna. Amin’ny 12h 30 izay rehetra izay no niseho

40 mn taorian’ny nialana teo Anosy: Avy eo dia nihoraka irep mpanaraka an’i Andry nony tonga teny Andavamamba fa ho an’ny Anosipatrana. Namaly i Andry fa tsy izany no programa, fa ho any Andohatapenaka.. Nitokona tsy nety nandeha ireto andian’olona ireto, ka tsy nahaleo dohika azy i Andry. Ry Andry lasa nanohy ny diany, ary ireto farany lasa nankany amin’ny MBS. Tonga tany tokony ho tamin’ny 13h 00 teo ho eo. Nisy miaramila tokony ho 50 tany ho any teo am-bavahady, nibosesika ny olona; nitifitra ny miaramila ka mpianatra iray (Paul, teraka ny 21 mai 1974). Nandositra ireto miaramila ireto rehefa hitany fa tsy ho voafehy intsony ny raharaha. Toa tsy miaramila Malagasy no nahitan’ny olona azy. Ary raha ny feo nandeha teny an-toerana, dia nisy iray tamin’ireto mpitandro filaminana koa matin’ny olona. Nodorana ny MBS avy eo. Tsy mbola maty ny afo tamin’ny 17h, satria na ny fiara mpamonjy haintrano aza dia tsy afaka niditra nanao ny asany.

Nirohotra nankeny Tanjombato indray ireto andian’olona ireto, na ny ampahany (satria toa nizarazara izy ireo), ka lasa nankeny Tanjombato mba handroba sy handoro ny MAGRO. Olona an’arivony no mitanjozotra mivoaka sy miditra ao ary nanemno ny arabe (efa ho amina kilometatra ny halavany). Hatrany Andoharanofotsy ka hatraty Andrfan’Ambohijanahary dia ahitanao olona miloloha vary amin’ny gony, na mitatitra amin’ny moto, na amin’ny sarety, na amin’ny 3CV, na ny chariot sy ny caddy tao ihany no nitaterana ny entana. Karazana entana maro no nalaina tao. Tsy ankifidy fa na menaka amin’ny barika, na moto Scooter, na vary sy siramamy amin’ny gony. An-tapitrisa maro ny tetibidin’ny entana entin’ny tsirairay, ary misy tena fianakaviana mihitsy no miara-mientana mitaona izany. Nisy ny olona voahitsakitsaka teo ampidirana, misy koa ny sempotry ny fipoahan-javatra tany anaty magazay tany, ary dia torana tavela any. Tsy fantatra izay hiafarany, fa ny maro amin’ireo olona tonga teny dia ny haka zavatra aloha, izay vao misaina zavatra hafa.

Ankorondrano: Rehefa avy naka ny entana tao sy nandoro ny MAGRO + AUDITORIUM ity andiany iray ity dia lasa indray nifindra tao amin’ny JUMBO SCORE sy ireo mpiray tokotany taminy tao amin’ny ZOOM. Tsy nisy niangana na Banky, na Fivarotana (Courts, …) Samy nilanja indray avy eo. Ary ny nahatsikaiky dia ny nahita fa hatramin’ny voninkazo maniry anaty pot aza dia hitan’izy ireo bataina. Nisy ireo naka fotsiny aloha(satria ny olona ko mba maka), ka rehefa ety ivelany vao mijery hoe inona ilay azo. Rehefa tsy dia ilaina loatra dia amindy, na dia ho 1000Ariary ihany aza.

Teto dia tsy arako intsony na fotoana nitovy na efa taorian’ny teny Ankorondrano, fa nisy nandroba sy nangalatra daholo koa ny tao amin’ny CITIC Behoririka…Nidiran’olona sy norobaina koa ny tranon’ny loholona Mox Ramandimbilahatra, ary avy eo nodorana, na dia nitalaho aza ity olona ity fa aza dorana ny trano, fa efa lasanareo ihany ny entana. 50 taona no nanangonako ireny, hoy izy. Tsy nisy mpihaino anefa izay antso izay.

Teny an-dalana hamonjy fodiana no nahitako olona marobe mitaona entana koa avy ao amin’ny MAGRO Behoririka. Mena amin’ny barika, ranomboankazo, savony, cahiers, sns…Nalaman’ny menaka mihitsy ny arabe, ka raha tsy mitandrina mafy dia misosa eny ambony moto.

19h00 Tonga tety amin’ny SUPREME CENTER indray ny andiany sasany. Niantso maika ny Radio Antsiva aho mba hiantso sy hilaza amin’ny onjam-peio ny zava-misy. Tsy ela tokoa dia nandeha ny filazana tao. Saingy tsy nisy fepetra noraisina hitandroana ny filaminana. Namaky tsy amin-tahotra ny varavarana ambany. Ny tompon-tanana kosa any amin’ny arabe ambony no vonton-dranomaso fotsiny fa tsy nisy azo natao.

Raha ny zavatra voamariko nandritry ny nanatrehako ny teo amin’ny SUPREME CENTER dia misy filohany mitarika sy mibaiko ireto andian’olona ireto. Misy mantsy ao anatiny ao ny mibaiko hoe ‘Mivoaka indray aloha mba hidiran’ny sasany e!). Dia mirohotra mivoaka tsy misy fepetra ny ao anatiny. Niteraka fandosirana sy sahotaka tety ivelany izany satria noheverin’ny olona fa tonga ny mpitandro filaminana. Andosirana daholo izay mety ho elakelan-trano, na dia maizin-kitroka sy tsy fantatra hoe mankaiza aza. Rehefa afa-po teto amin’ny SUPREME CENTER moa ry zareo dia niteny indray tao anaty haizina tao ilay ‘mpitarika’ fa anjaran’ny Tsaralalana indray izao. (Lasa teto ny saiko, hoe mba nisy valiny ve ny antso nataoko sy nampitain’ny RADIO ANTSIVA, ny amin’ny mba hidiran’ny mpitandro filaminana).

Efa tena hariva be ny andro, dia heno niteny tao amin’ny Radio Antsiva ny Ben’ny tanàna, sy ny mpiray minisitra. Nanameloka ny fanimbana sy ny fandrobana i Andry Rajoelina, ary niantso ny vahoaka mba ho tony. Efa misy hoy izy ny eritreritra fihaonana androany 27 janoary 2009, nefa na dia izany aza dia mbola mitohy koa ny 13 mai. Toheriny kosa anefa ny fikotrehana korontana toy iny omaly iny, ary manentana ireo mpiandraikitra ny filaminana sy ny vahoaka izy mba hifampitsikilo ihany koa, fa misy hoy izy, andian’olona alefa eny anatinareo eny mba hanakorontana fotsiny.

Raha mbola teo amin’ny CENAM ny Ben’ny tanàna dia efa re fa nisy olona niforona koa tany IVATO tany,saiky hanao hadalana toy izao.

Fony mbola teo amin’ny kianjan’ny 13 mai ihany moa dia efa nisy iray tamin’ireo mpanakorontana no voasambotry ny vahoaka.

Tamin’ireo tranga rehetra ireo ny nahagaga dia tsy nihetsika ny mpitandro filaminana, na dia hita teny antsefantsefany teny ihany aza, raha tsy efa taorian’ilay antson’ny Ben’ny tanana sy ny Praiminisitra.

Raha ny teo amin’ny SUPREME ohatra dioa nolazain’ny olona fa nisy miaramila 2 camions tonga teo, fa avy eo dia lasa rehefa nahita ireto vahoaka maro. Dia raikitra avy eo ny opération.

Misy dia misy tokoa ny fanararaotana tsy am_piheverana ao anatin’ity raharaha ity. Ary izay tena tsiniako indrindra dia ny fanimbana zavatra. Fa angaha tsy fantatra hoe tezitra raha tsy manimba sy mandrava.

May izao ny RNM sy ny TVM, may miaraka aminy koa ny tahirim-peo sy tahirin-tsary maro. (Enga anie mba hisy toerana hafa efa natokana ho amin’izany, ka tsy ho tao daholo ireo tahiry ireo). Raha ny société iasako manokana izao, dia manana toerana roa fitahirizana ny asa. Atao dika mitovy ny asa, ka misy alefa any an-toeran-kafa foana mba ho tahiry. Fantatra hatr’izay fa toerana saropady, sy tsy maintsy hisian’ny fitakiana toy izao ireny Radio sy TV ireny, ka hadalana raha tsy nisy fepetra ho fiarovana ny tahiry toy iry nolazaiko etsy ambony.

Asakasak’izay tompon’antoka nanome baiko ireny mpandroba ireny fa tena ‘sauivage be’ no itsarako ny zavatra nitranga. Mbola ho ela vao hahay haneho hevitra ny Malagasy raha izao hita izao no hanakarana azy. Fa raha sanatria ka ianareo mpanohitra no tao ambadik’izao zavatra miteraka fatiantoka tsy hita pesimpesenina izao, dia manodiava ny taranakareo, fa ny vahoak no mihinanan ny tadin-kirarony amin’ny lalao ratsinareo. Enga anie ka tsy ho izany, fa mba sendra nyadala tsy hay fehezina isika rehetra.

Re koa fa may ny NAZA eny amin’ny Arcades, vaky ny BAO LAI, voadoro ny BluePrint

Raha

Efa halina no saika hampitaina ireto vaovao rehetra ireto, saingy tapaka ny aterineto rehefa tokony ho tamin’ny fito ora hariva mahery kely tany ho any, ary tsy tafaverina tato an-trano intsony ny tena raha tsy efa tamin’ny 23h (iraikambinifolo alina)

Ny sary sasany momba izany dia ao amin’ny flickr
Sao HAMBOM-PO DISO TOERANA ZALAHY a!

11 maty teny Tanjombato vokatry ny fifanosehana sns.., ary nandriaka koa ny rà omaly halina noho ny tifitra sy fanenjehana rehefa niditra -tsehatra ny mpitandro filaminana omaly halina. Taorian’ny fandrobana ny tety Behoririka sy Soarano. Poa-basy tsy nifandrenesana tety amin’ny manodidina hatramin’ny manodidina ny misasak’alina, raha teo amin’ny 23h teo no nanomboka

Vaovao farny azo izao amin’ny 07h 30 maraina (21/01/2009): Mijanona any an-trano avokoa ny olona rehetra androany fa foana ny eny an-kianja. Mba tsy hitomboan’ny fanosoram-potaka ny Ben’ny tanàna sy hijerena akaiky ny filaminana.