Directoire militaire!!!

Be  izay andro very izay. Samy milaza sy manao izay tiany hatao na ny andaniny na ny ankilany. Mbola betsaka ny olona manaraka ny hetsika eny amin’ny 13 mai. Nefa koa tsy vitsy ny mpitazana no efa manomboka maneho hevitra eny an-tsisiny eny.

Naka ministera tamin’ny fomba ‘milamina’ ny pro-TGV. Tsy naneho fanoherana nampiasa tifaovana ny mpitandro filaminana. Ny antoandro sy ny harivan’ny Alakamisy 19 febroary izany no niseho.

Niakatra avy any Arivonimamo ny BRDM (Blindés). Tonga ‘nanadio’ -izay moa no nilzana’ny mpitondra sy ny mpomba azy ilay hetsika – ny teny amin’ny faritra Anosy misy ireo ministera efatra vao azo ny omalin’iny ireo tafika marobe ny Zoma vao maraim-be. Nirefodrefotra ny basy tao anaty haizina tao. Niasa ny lance roquetts, hoy ny ankilany, ka nisy ny maty sy ny naratra, ary araka ny feo avy amin’ny pro-TGV dia hoe nisy faty nentina indray tamin’ny camion, tsy fantatra hoe hankaiza. Nisy koa, hono, ny natao sambo-belona ka 50 teo izany.

Nandefa filazana kosa ny mpitandro filaminana fa hoe tsy niys ny naratra sy maty.

Rehefa nanontaniana kosa anefa ireo mponina teny amin’ny manodidina dia nilaza fa hatrany Andavamamba sy teny Ampatsakana no nisy fanenjehana sy poa-basy.

Nadio be nahalasalasa saina ihany ny arabe nanodidina ireo faritra izay vao avy nanaovan’ny pro-TGV hetsika ny omalin’iny. Saingy ny azo marihana fotsiny dia ny tsangambato iray ao amin’ny Fitsarana eo anosy no mitriatra sy mivava. Araka ny pro-TGV dia noho ny fampiasan’ny mpitandro filaminana fitaovana mahery vaika sy ny tifitra ny alin’iny no antony. Nolazain’ilay mpitarika ny reservistes tao amin’ny Radio mihitsy aza fa hoe nisidina ambony mihitsy ireny bac à ordures fitondran’ny camion-n’ny commune ireny tratry ny lance roquette tamin’io fotoana io. ary mbola voateny tao koa fa nisy izany vehivavy antsoina hoe LALA izany niaraka tamin’ireo olona teny an-toerana maty tamin’io fotoana io ka nentin’ny mpitandro filaminana ny fatiny (?), koa ampandrenesina hoy izy ny fianakaviany sao sahirana mitady azy.

Ndeha hiverenana ny teny amin’ny 13 mai sy ny kabary: isan’ny voalaza teny ny antso avo nataon’i Andry Rajoelina amin’ireo manamboninahitra dimy sa enina (tsy tsaroako tsara) izay nihaona tamin’i Ravalomanana. Nanome fotoana azy ireo mba hifanantona izy hatramin’ny Zoma tamin’ny 12 ora alina. Toa namaly anefa ireto farany fa tsy ho avy amin’izany. Raha ny nambaran’ny ’13 mao’ anefa dia hoe rehefa tsy ho avy sy tsy handray ny andraikiny amin’izao raharaha izao ireto farany sy ny fitondrana, dia hisy ny diabe hataony miaraka amin’ny mpanara-dia azy androany Sabotsy 21 febroary. Tsy nolazaiany ny tanjona haleha fa ny nampiomanany ny olona dia ny hoe ‘mintondrà sakafo sy rano fa ho lavitra ny dia’. Diabe ho aiza? Tsy fantatro, fa ny siosio mandeha sy ny vinavinan’ny maro dia ny hoe ‘ho eny Iavoloha matoa lavitra’.

Niantso mpanao gazety koa ingahy Rolland Ratsiraka omaly ka nilaza fa ao anatin’ny telo na efatra andro dia hilamina ny tany sy ny firenena ‘raha vonona ny hitady vaha olana marina’. Isany nambarany tamin’izany ny hoe « tsy probleme politique intsony no misy eto Madagasikara fa problème militaire ». Nilaza izy fa raha hisy ny dinika ho fitadiavana vahaolana, dia aza adino ny tokony hiantsoana ireo antoko manana olonabetsaka manaraka azy, izany hoe ireo nahazo vato betsaka tamin’ny fifidianana.

Naheno izany ny sasany amin’ireo tsy mpirotsaka ankianja, sady mitonona ho tsy momba ny atsy na ny aroa, ka nilaza fa tsara raha raisin’ny miaramila aloha ity firenena ity (ho directoire militaire – hic!) mandra-pahita izay lalan-kivoahana, rehefa tsy hifanaraka ny roa tonta. Tena izay tokoa ve no anosehana ny vahoaka Malagasy ka nampitarazoka izao raharaha izao? Raha izany, iza no ao ambadik’ilay eitreritra hahatongavana amin’izany?  Wait and see!!!!

4 Réponses

  1. […] sums up the feeling that the crisis has been going for a while now (mg): Be  izay andro very izay. Samy milaza sy manao izay tiany hatao na ny andaniny na ny […]

  2. […] indray mamehy ny tsapa fa efa lasa fotoana ela ihany izany no nisian'ny krizy (mg): Be izay andro very izay. Samy milaza sy manao izay tiany hatao na ny andaniny na ny ankilany. […]

  3. […] resume o sentimento de que a crise já se passa há muito tempo [mg]: Be izay andro very izay. Samy milaza sy manao izay tiany hatao na ny andaniny na ny ankilany. […]

  4. Спасибо большое за предоставленную сообщение. Нахожусь рад разместить ее у себя на дневнике. Если Вы не против, то я так и совершу.Если имеемся какие-то проблеммы со копирайтом, постучитесь на мой дневник,я целое исправлю. Так же прибавил Ваш должность на соцзакладки. Вообщем если что обращайтесь, – вовек выслушаю и постичь. Со, почтением, Firestarter.

Laisser un commentaire