Mitomany an’i Kamba kely ny foko

Maro tamintsika no hahatadidy ny tantaran’i Kamba (na i Antefindrazana Tombotsara, amin’ny tena anarany, teraka tamin’ny 07 jona 2007 tao Mahabibo, Mahajanga). Ilay zazalahy kely nentina niakatra an’Iarivo mba hatao fandidiana tao amin’ny HJRA noho ny olana hatrany am-bohoka nahazo azy.Naseho an-gazety tao amin’ny Midi Flash tamin’ny volana jona na jolay 2008  tany ho any -volana nanaovana fandidiana azy indrindra – i Kamba tamin’izany fotoan’andro izany.

Niezaka isika olombelona ny hanamboatra sy hitsabo araka izay takatry ny saina, saingy Andriamanitra no mandahatra, ka naka an’i Kamba kely androany maraina.

Mbola hisy ny fotoana hanaovako tamberina fohy momba azy eto rehefa afaka ny alahelo sy ny ngidiny.

Maty tokoa i Kamba, tsy hitako izay teny hahalaza ny alahelo, fa toa sary vongana mandehandeha aho misaina izay rehetra nolalovana hatreto tamin’ny fikarakarana sy fanohanana azy sy ny ankohonany.

Androany maraina tokoa mantsy, raha niantso ny iray amin’ireo mpiara-mifarimbona amiko amin’ny fikarakarana sy fanohanana an’i Kamba ny reniny, dia niangavy fanohanana momba ny ho enti-manana ny hampidirana azy any amin’ny hopitalin’Androva – tratry ny fahatoranana i Kamba kely tamin’io fotoana io, ary efa an-dàlana ho any amin’ny hopitaly ry zareo – dia nandefasana crédit tamin’ny alalan’ny E-Recharge aloha ny reniny, no sady nafàrana fa raha vantany vao tonga manoloana mpitsabo dia miantsoa haingana aty Antananarivo mba hifampitàna vaovao momba ny tena fototr’aretina. Lasa iny crédit phone iny, dia niandry ny renin’i Kamba mba hiantso aho, saingy rehefa tsy nahandry intsony dia izaho no niantso mivantana azy. Navelany hipetraka tsara ny fanontaniako raha voarainy na tsia ny sandan’ny fahana nalefako, avy eo dia sady namaly ny faharaisana izy no nigogogogo nitomany nilaza fa

Lasa, tonton, Kamba kelintsika e! Lasa Kamba! Maty ny zanako! Tsy arakaraky ny nitondrana azy tan-Tananarivo tany fa maty Kamba‘.

Tankina aho, nipararetra sy nalemy ny lohaliko ary na ny zavatra rehetra nataoko aza dia tsy nanànako antoka daholo.

Nitomany tanaty aho, satria mbola tany amin’ny birao. Tsy haiko nofefena kosa izany nony tany an-katakonana tany. Naka bàhana aho, ary rehefa nahazo hery kely dia nanapariaka ny hafatra ho anareo namana rehetra – ialako tsiny izay tsy naharay mailaka avy amiko noho ny fo feno tafahoatra –

Ny tao an-tsaiko voalohany dia ny niteny tamin’ny Lehibeko hamela ahy haka andro tsy iasana hahafahako mandevina an’i Kamba kely (Isaorako azy fa tsy nandà izy). Saingy rehefa niantso sy nifampiresaka matetika tamin’ny fianakavian’i Kamba aho, dia tsy ho tratranay telo mianadahy avy aty Antananarivo ny hitondràna ny razana hiala an’i Mahajanga, satria any ambanivohitra lavitra an’i Mahajanga no hitondrana azy,ka tsy maintsy miala aloha araka izay tratra ny fianakaviana, na dia mbola amin’y Sabotsy aza vao hasitrika i Kamba.

Ho anareo rehetra nahalala azy, ho anareo rehetra nahare fotsiny koa aza angamba, ary ho anareo vao nahita ny aminy amin’ny alalan’ity hafatra ity, dia fantaro fa TSY MATY AO AM-PO I KAMBA, mivavaha ho an’ilay anabavy kely kambana aminy, navelany ho irery eo anivon’ny fianakaviany, mivavaha ho an’ny reniny izay niezaka hatrany hitady ny soa sy ny tsara ho azy tamin’izay fotoana kely nandalovany teo anivontsika, sy niaretany izay rehetra azon’ny nofo keliny nozakaina tety ambanin’ny masoandro

Tsarovy ny fiaraha-mientana nentin’i Kamba teo amintsika rehetra, tazony izany ho fahatsiarovana azy sy ho fanohizana ny asa amin’ireo Kamba kely hafa mila izany, sy mbola hila izany

Maty izy, tsy nahavita nisaotra anareo rehetra tonga nijery, nitrotro sy nanafosafo azy fony fahavelony, maty tsy azontsika  natrehina tamin’ny fotoana farany sy ny minitra fara-fananana azy koa, nefa koa VELONA  SATRIA MBOLA EO ISIKA REHETRA NIARAKA TAMINY SY NANOHANA AZY

Niniako tsy nasiana sariny mihitsy ao anatin’ity hafatra ity, ho fanajana ny zaza sy ny fianakaviany.

20 Réponses

  1. Tohina be ny foko raha vao namaky io andalan-dahatsoratra io fa ahoana moa no atao fa miaraka ory amintsika rehetra voakasika izany moa ny aty avy Tamatave ary mampahery ihany koa.

  2. Mandry ampiadanana Kambana

  3. Maneo etoana ny fiarahako miory amin’ny fianakavianan’i Kamba izay namoy ny havana tiany sy ny zanany malalany aho.
    Andriamanitra anie hitahy sy hanafaka ny fanahiny ka handry am-piadanana izy.
    Andriamanitra anie hampitony sy hankahery ny fon’ireo havana sy namana iray alahelo.
    Andriamanitra hony fitiavana ka raha ny fitiavana ao am-po no mbola velona sy tsarona hatrany, dia tsy misy izany maty izany satria Izy no fiainana mandrakizay.

  4. Mandria am-piadanana Kamba kely.
    Miara ory amin’ny fianakaviana manontolo sy ireo izay akaiky azy rehetra.

  5. Tiako be ity tenin’i Pascale Jeannot ity, tena hitako nampiakatra ny moral-ko :

    Il n’est pas mort pour rien, il a été entendu, et il est parti en supportant le maximum de ce qu’il peut endurer sur cette terre. Il ne faut culpabiliser qui que ce soit, renforcer votre courage, et dites vous, que vous aviez contribuer à votre niveau à faire du peu de temps qu’il a vécu, une lumière dans son parcours.
    Courage à la maman.

    Misaotra indrindra indrindra anareo telo mianadahy nahavita be tamin’ny anaran’ny rehetra.
    Efa anjely kely marobe no mitsena azy izao.

  6. Mirary fiononana tanteraka ./.

  7. Tsy dia nahavita zavatra be loatra ho an’i Kamba aho. Izay angamba no nampilatsaka tsy tana ny ranomasoko tamin’ny nandray ny hafatr’i Avylavitra.
    Misaotra anareo rehetra izay tsy nitarain-tana-mihepaka tamin’ny nikarakarana azy. Tsy very maina ireny fa fitiavana daholo.
    Miara-miory amin’ny fianakaviany indrindra. Ary mifankahery amintsika ihany koa

  8. tsy hay letsy ny tsy handatsa-dranomaso à izao fa tena tohina tokoa aho, atao ahoana moa fa dia tombon-dalana ny azy, miandry antsika any izy izao.

    ampitao any @ fianakaviany ny fiaraha-miory.

  9. tena tanatin’ny fahatairana tokoa no andrenesako ny fahalasan i Kamba iny ary tena tsy nampoiziko ho izany tokoa.Raha ny fahasalamany nialany teto Antananarivo no nahitako azy farany dia tsapako sy nahavelom-bolo fa tena nety ilay fandidiana nataon’ny dokotera.saingy tsy isika no tompon’ny aina,tsy isika no mandahatra ny dia hizorana eto amin ‘ity tany feno tebiteby ity koa noho izany dia miaraka ory amin’ny fianakaviany sy ny manodidina azy ny tenako ary indrindra indrindra ny namana serasera dago
    Atao ahoana fa izay no anjara sy lahatra ary tombon-dalana ny azy fa isika izao samy miandry laharana avokoa ary samy mbola ho any avokoa !
    Mandria am-piadanana ry Kamba

    ravatorano
    NSD

  10. Ndry mampalahelo ery fa dia izay no lahatra e!
    Any izy salama mandrakizay!

    ikalakely

  11. Veloma Kamba. Mivonto ny fo amin’ny vaovao mampitomany. Mbola te hino ny tena fa « tsy maty akory fa mbola matory »

  12. Na dia efa vita aza ny fandevenana an’i Kamba kely dia mbola mamerina hatrany ny fiaraha-miory @ fianakaviana sy ianareo namana tena nikarakara azy mivantana. Andriamanitry ny Fiadanana hitahy antsika rehetra! mivavaka hoan’ny fianakaviany, indrindra ilay anabavikeliny.

  13. […] and this family kept on caring for him when they got back to Majunga after a successful operation. Avylavitra became a close friend, an uncle, who was the first to let us know about the sad news of […]

  14. Avylavitra,

    I am so sorry for your loss. Baby Kamba will stay in our hearts.

    From Avylavitra: Thanks a lot, from my heart. God bless you!

  15. Baby Kamba forever

  16. […] ny tany ivelany na ny taty an-tànana: toa an’i ikalamako “blaogy misaona” na i  gazety avy lavitra “mitomany an’i kamba kely ny foko” . Ary izao kosa ny hafany amintsika: Ho anareo […]

  17. tena androany za vo mba nahalala ny fisian’ity tantara ity, dia teo ampamakiana ny taratasy itsy ambony dia tena tohina tokoa ny fo, ary tena mangorakoraka te hitomany ny tena amzao fotoana izao.
    na dia efa tara loatra ary dia mbola mitondra ny teny fampiononana ho an’ny namany sy ny fianakaviany ary ho antsika rehetra ihany!
    mino aho fa miadana kokoa i Kamba any amin’ny toerana misy azy amzao fotoana izao kanefa amin’ny maha olombelona antsika dia marary ny fisarahana an-tany!
    mahereza daholo!

  18. Ouf!c’est vraiment très lamentable.que Dieu lui protège et surtout sa mère.MAEREZA NENY AN,HO TAHIAN’ANDRIAMANITRA IANAREO MIANAKAVY,maereza

  19. androany 24 Novambra izaho no mamaky ity tantaran’ i Kamba ity, tohina tokoa ny fo, indrindra fa manakaiky indrindra ny andron’ny 26 Novambra 2014 izay nandaozan’ ny zanako satria taizako (zafikely io)
    nifampitolona tamin’ny aretina nandritra 9 volana, tsy mba sary tsara ho ahy ny fiafarany fa taolana mifono hoditra satria aretina tsy mamela mahazo ny nanjo azy (cancer ), ny 22 May 2014 izy no feno efatra taona , mafy tamiko izany, fahatsiarovana tsy maty ato am-poko isaky migadona ny 26n’ ny volana

Laisser un commentaire