Mitomany an’i Kamba kely ny foko(2)

Herintaona omaly maraina ny 19 mars 2009.

Tsy ny krizy politika ihany no tsaroan’ny gazetyadaladala, fa ny namoizany koa ny zandrikeliny Kamba. Tsy asiako resaka betsaka fa maro tamin’ny mpanaraka ny gazety no nahalala ny aminy. Nefa ho an’izay tsy nahafantatra kosa dia fampahatsiahivana tsotra no atao:

Zazalahy kely tratry ny aretina saropady tany amin’ny lohany tany izy. Nonina tany Mahajanga. Nanaovan’ny mpitoraka blaogy Diana Chamia antso avo teto amin’ny ateineto mba hahafahana mitsabo azy. Niara-nientana ny rehetra, na ny teto Madagasikara, na ny tany ampita, ka vory ny vola nilaina. Nentina niakatra an’Iarivo izy ary tao amin’ny HJRA no notsaboina. Vita soa aman-tsara ny fanadidiana natao. Niverina nody tany Mahajanga izy. Tany no notohizana ny fanaraha-maso. Saingy hafa ny sitrapon’Andriamanitra ka nalainy nodimandry izy tamin’io 19-03-2009 maraina io

Tamin’io andro io indrindra no nanoratako teto ny lahatsoratro mitondra ny lohateny hoe « Mitomany an’i Kamba kely ny foko »

Mahatsiaro manokana an’i Viviane kely anabaviny ny tomponandraikitry ny gazetyadaladala amin’ny vaninandro toy izao. Io no ilay kambana aminy. Efa lehibe sy matanjaka tsara ary mikarenjy eraky ny tanàna i Viviane ankehitriny

Publicités

BEHORIRIKA / mpivarotra amoron-dàlana…

Hagagàna ny an’ny mpampiasa iny làlana avy any Andravoahangy ho any Analakely sy Behoririka iny androany fa nitohana be  ny fifamoivoizana. Be ny fiara no nitady làlam-baovao niakatra tany Ambondrona. Niova làlana daholo araka izany ireo Taxibe rehetra mpandeha amin’iny zotra iny.

Nitohana vokatr’izany koa ny fifamoivoizana, nanomboka teo amin’ny fivarotan-tsolika Galana eo Behoririka, Antaninandro, Ambondrona, Ambohijatovo, Analakely. Raha nalàlaka kosa ny teny afovoan’Analakely mankany Soarano.

Tsy naharitra ny Gazety_adaladala fa nidina teny an-toerana hanangona ny vaovao ho anao mpamaky.

Nolazain’ireo mpivarotra manao hetsika eo an-toerana fa fikambanana maromaro ry zareo no mitambatra amin’io androany io: ny an’ireo teo amin’ny Building, ny an’ny Globe, ny an’ny Behoririka.

Raha ilay ranamana noraisim-peo dia manaiky raha toa ka havoaka ho an’ny Analakely ny ao amin’ny Pochard, ary izy ireo kosa ampidirina ao amin’ny tsena Pochard mba hahafahany miditra ho ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna, sy handoavany hetra ho an’ny kaominina.

resadresaka nifanaovana

Nisy solontena avy amin’ny C.U.A sy avy amin’ny mpivarotra manamarina ny maha-mpivarotra na tsia ireo olona efa samy nitsitokotoko naka toerana teny anatin’ireo fariparitra natao ho anjara toeran’ny tsirairay.

Ny fiaraben’ny CUA etsy an-tsisiny tsy mitsahatra ny mamerimberina fa ny solontenan’ny mpivarotra no nametraka sy nanamarina ny momba ireo olona rehetra efa mipetraka anaty fariparitra ireo. Averiny any amin’ny samy mpivarotra araka izany ny andraikitra raha sanatria ka misy ny fifanolanana aoriana ao.

Mitaraina mantsy  ireo mpivarotra amoro-dàlana efa ‘matihanina’ fa misy ireo izay vao tonga fotsiny nandritry ny tsenan’ny faran’ny taona no midongy hahazo toerana. Nanjary nisy ampahany tamin’izy ireo, hono, tsy nahazo toerana, ka nanangam-peo fa avelany hipetraka aloha ny entan’iretsy ‘vao tonga tafara’, ka rehefa tsy mahazo toerana ry zareo, dia raikitra ny fanipàzana ny entana any anaty ranomaimbo. Dia ho toy izany foana ve?

Raha mbola eritreritra ny an’ireo ao amin’ny tsena Pochard hoe hanao ‘sit-in’ eny anoloan’ny biraon’ny CUA amin’ny Alatsiiany, dia tonga dia vavany kosa  ny an’ireo tetsy Behoririka androany.

Miandry ny fiovàna fitaovana isika dia omena anareo eto ny  video.

Kamba: Vaovao avy any Mahajanga

Nidina tany Mahajanga izahay tamin’ny faran’ny herinandro lasa (Paka) teo mba hanangona vaovao momba ny fianakavian’i Kamba, sy hamita ny adidy tsy vita ihany koa fony mbola nahateo am-bohitra ny razana. Nisy ny sary nentina avy any, toy ny sarin’i Kamba (miisa 3) talohan’ny famonosana azy (Nalaina tany amin’ny naman’i Diana Chamia),

dsc00963

dsc00964

ary ireo sary nalaiko manokana tany an-tokantranon’ny reniny, ka ahitantsika an’i Viviane (ilay kambana tamin’i Kamba) sy ny reniny ary ireo mianadahy iray tampo aminy mbola velona, dia i Said sy Berthine. Raha zaza mbola tsy nahay afa-tsy ny mikisakisaka amin’ny tany no nanateranay an’izy telo mianaka teny amin’ny taxi brousse fahiny, dia zazavavy kely pelipelika sy mihazakazaka eran’ny tokotany no ahalalana an’i Viviane ankehitriny. Izy io be kilaoty kely eo anoloan-dreniny io.

sunp0303

sunp0306

Tafiditra tao anatin’ny dia ihany koa ny fijerena izay mbola azo atao hanampiana ny ankohonana kely sisa tavela. Misy efatra mianaka moa izy no mbola miara-miaina ao.  Ankoatra ireo dia misy ihany koa ireo mpiray tampo amin-dreniny miray tokotany amin-dry zareo ao.

sunp0312

sunp0307

Betsaka ny resaka nifanaovana tamin’i maman’i Kamba. Tafiditra tanatin’izany ny fitantarany ny andro farany nahitany an-janany tsy nahatsiaro tena intsony sy ny fitondrana azy tany amin’ny dokotera. Ny fanafody voavidy, nefa ny aina nafoy.

Tsy zakany hatramin’izao ny fahalasanan’I Kamba kely, noho izany dia ireo kilalao sy zavatra rehetra  nampiasaina tamin’ny fikarakarana azy fahavelony, tapitra nomeny sy nozarainy taman’olona avokoa. Saingy tsy misy navoakany ny trano kosa ny sarin-janany rehetra.
Hoy izy

Ireny no tsy foiko ka notazoniko

Mivarotra arina (charbon de bois) eo anoloan’ny vavahadiny no asa fitadiavana vola anampiany ny sasa lamba izay efa fanaony taloha sy mbola nampiana koa tato aoriana.

Noho i Viviane mbola kely sy tsy mahaleo tena tsara dia sakanan’ny zokibeny tsy hiasa ivelan’ny trano, hono, izy. Nefa i Said dia andoavana saram-pianarana 60.000 FMG isam-bolana, raha any amin’ny sekolim-panjakana kosa i Berthine. Ary dia io zokibeny tsy mamela azy hiasa any ivelany io no mifanampy aminy amin’ny fandoavana izay saram-pianarana izay. Rehefa noresena lahatra moa i maman’i Kamba ny amin’ny hoe tsy voatery ho eo foana i Zokibenao nefa ny fiainana tsy maintsy hitohy, dia nanaiky nanao iretsy sasa lamba voalaza ery ambony

Nahatsapa ho irery sy sahirana mafy tokoa aho tamin’ireny krizy ireny, satria ny zaza tsy maintsy entina any amin’ny hopitaly rehefa marary, nefa ny bombe lacrymogene tsy zakan’ny ankizy rehetra. Ny lehibe aza taty tsy nahatanty. Izaho rahateo sady manangy no lehilahy, i kamba etsy andaniny marary any amin’ny hopitaly, i Viviane ao ambavahadin’ny hopitaly tsy maintsy omena nono satria tsy azo nampidirina tany amin’ny hopitaly ny zazakely.

Marihana ho an’izay tsy mahalala fa nilaozam-bady ny renin’i Kamba. Izy daholo noho izany no mihevitra izay hamelomana azy efatra mianadahy teo an-tanany, na eo aza ny fanampiany mpiray tampo.

Na teo aza anefa ny elanelan-tany dia tsy nitsahatra izahay avy aty Antananarivo nandefa izay azo natao rehetra ho fanohanana ny fianakaviana tany Mahajanga. Ho fanamaivanana ny vidim-panafody. Nisy koa taminareo namana no nitondra izay voatsirambin’ny tanana

Ho antsika rehetra nanao izay tratra sy nahatsiaro azy, ho anareo rehetra izay nandefa fanampiana ho azy, dia hoy i maman’i Kamba nampitondra hafatra anay nandalo tany hoe:

Misaotra betsaka, ho tahian-janahary, fa tena nanana raiamandreny tokoa izahay, nanana mpiray tampo, ary na teo aza ny elanelan-tany dia tsy namela anay ho irery ianareo fa rehefa tafavoaka ny HJRA ny tsaikinay iny, dia mbola nanohy hatraty Mahajanga ianareo. Tsy nitsitsianareo vola aman-karena i Kamba. Nahavita be ianareo tamin’ny fanohanana ara-bola, nisy nitondra fanafody sy Farilac, sns…. Tsy voavalinay ireny, fa hitanareo ihany ny fianakavianay fa tena fianakaviana sahirana tanteraka. Andriamanitra hamaly ny soa vitanareo.

Tsaroany manokana tamin’ireo teny ireo ny Armée du Salut (izay fantany bebe kokoa amin’ny alalan’i Mino, Avylavitra, Mavo), ny Serasera ary ny maman’i Lova Rakotomalala izay tonga vatana nijery azy ireo tany Mahajanga nisolo tena ireo malala-tànana tsy nitonona anarana, ka isan’izany ireo fianakaviana Italiana mazoto amin’ny fanaovana asa soa ho fanampianana ny fianakaviana Malagasy sahirana, sy nanaovany fanamarihana manokana hoe:

veloma sy misaotra any amin’ilay olona tsy nahay teny gasy iny, fa ny saoferan’ny taxi no nanjary mpandika teninay taty Mahajanga

Fa izay tena zavatra tsy nampoizinay mivady tamin’ny zavatra nitranga tany an-toerana dia ny filazan’i Maman’i Kamba ny fisian’ny olona nanararaotra ireny fitsaboana ny zaza ireny mba hanangonan-karena sy hieboeboana eran’ny tananan’i Mahajanga. Misy ny anaran’olona voatonontonona amin’izany. Tsy iray monja an ! Fa ilay olona monina any an-toerana no tena fanta-poko fanta-pirenena satria ny vadiny ihany,hono,  no mitantara eran’ny tanana ny fandehan’ny afera maloto.

Toy izao no fitrangany, araka ny fitantaran’i Maman’i Kamba azy.
Nifankahita tamin’i Diana Chamia ry zareo ary dia fantatsika ny tohiny.

Tonga tany Antananarivo, dia zara raha nahazo lamba iray sakaosy (fripperie) izahay,

hoy i maman’I Kamba,

ary raha mba niteny tamin’io olona nanodina ny vola io aho, dia nambaran’ity farany fa efa manana ny làlany ny vola fa ireny aloha no anjaranareo. Dia nividianana zavatra madinidinika teny indray avy eo….Nefa,

hoy hatrany i maman’i Kamba,

dia hitako izao ny valopy feno vola vahiny, vola miloko manga izany ilay izy, ary tsy vola gasy an, haiko lokon’ny vola gasy jiaby io…

Indray mandeha io olona io no voalazany fa mba nitsidika azy teny amin’ny hopitaly fony taty Antananarivo…

Nony tonga tany Mahajanga dia nisy fotoana nilaza ilay olona fa hanatitra vola hividianana fanafody. Tonga tokoa izy nanatitra, toa 150.000FMG angaha. Dia izay koa no nanitsahany farany ny tokonam-baravaran-dry Kamba kely mandrapahafatin’ny zaza araka ny filazan’i maman’i Kamba hatrany.

Izao anefa no vaovao farany voaangonay mivady tany: nalahelo mafy i maman’i Kamba saingy tsy nisy azony natao aloha nandritra ireny fahoriana nidona taminy ireny. Normal angamba hoy ianao? Eny tokoa, saingy ny tohiny no hahitanao izay tena vao mainka nandetika lalina kokoa ny fantsin’ny fijaliana. Tongan’ny olona tany am-poto-tsofiny fa hoe

ny volan-janany dia nahavitan’ilay olona trano misy efitra telo.

Ary tsy iza,hono, no nivoahan’ny feo fa ny vadin’ilay olona ihany.
Tsy nisy fotoana nanamarinana ny momba an’io intsony aho na dia naniry mafy ny handeha hijery ilay trano sy izay monina ao aza, noho ny tsy nilazan’i maman’i Kamba ny fisian’izay olana lehibe izay raha tsy efa hariva be talohan’ny andro hiverenanay hody aty Antananarivo. Nampanantena anefa izy fa hisy fotoana hanomezany vaovao lehibe ho antsika mikasika an’io trangan-javatra mampalahelo azy io.

Misy moa ny olona no tsy mahalala an’i Kamba sy ny tantarany

hoy i maman’I Kamba (satria toa maromaro ihany no niteraka kambana ry zareo ao Mahajanga), ka dia manontany an’ilay vadin’ity nanodina ny vola hoe

Kamba iza moa izany?

Ka novalian’ity olona hoe

Ilay tsaiky nentina tany Antananarivo nodidiana iry e

Taty aoriana ny olona vao nisy tonga saina, rehefa naheno fa maty ny zaza hoe,

hay ve iny ilay kamba nolazain’ilay olona fa nahazoany vola nanaovana trano e.

Ary dia nolazainy tamin’i maman’i Kamba ny tantara.

Olona tsy fantatro velively, tsy mbola nanan-draharaha tamiko ary tsy mbola hary niresaka tamiko no nahalalako an’izany. Ary dia niezaka nanontany ny olona aho, ka ao Tsararano ao no misy ilay trano natsangana tamin’ny vidin’ny ain-janako

Tena asa re rey olona izay fomba hatoriana ao anatin’izany trano izany, fa tsy hampanonofy ratsy ve izany, raha ‘ndeha hataontsika hoe tsy hanangatra ny zazakely?
Izahay mivady moa dia velom-panontaniana mihitsy hoe fa angaha tsy niteraka izy mivady izany, dia valiny azonay ny hoe efa nahalehibe zaza tokoa ry zareo, ary toa misy mianatra aty Antananarivo aty aza.

Miala tsiny fa sarobabay izy ity ka izay voa aza tezitra, zavatra natao koa moa ka samia mizaka ny vavan’ny olona araka izay nataony e!

Tsy zakako notehirizina mantsy ka tsy maintsy navoakako eto sao hankarary an-doha ahy.

Filazan’ny renin’ny zaza ireo, ary tateriko aminareo etoana araka izay resany. Ninia tsy namoaka anarana mihitsy ny mpanoratra na dia nisy tokoa aza ny fanononany anarana nandritry ny resaka nifanaovana taminy.

Samia ho tahian’Andriamanitra daholo isika rehetra.

Mitomany an’i Kamba kely ny foko

Maro tamintsika no hahatadidy ny tantaran’i Kamba (na i Antefindrazana Tombotsara, amin’ny tena anarany, teraka tamin’ny 07 jona 2007 tao Mahabibo, Mahajanga). Ilay zazalahy kely nentina niakatra an’Iarivo mba hatao fandidiana tao amin’ny HJRA noho ny olana hatrany am-bohoka nahazo azy.Naseho an-gazety tao amin’ny Midi Flash tamin’ny volana jona na jolay 2008  tany ho any -volana nanaovana fandidiana azy indrindra – i Kamba tamin’izany fotoan’andro izany.

Niezaka isika olombelona ny hanamboatra sy hitsabo araka izay takatry ny saina, saingy Andriamanitra no mandahatra, ka naka an’i Kamba kely androany maraina.

Mbola hisy ny fotoana hanaovako tamberina fohy momba azy eto rehefa afaka ny alahelo sy ny ngidiny.

Maty tokoa i Kamba, tsy hitako izay teny hahalaza ny alahelo, fa toa sary vongana mandehandeha aho misaina izay rehetra nolalovana hatreto tamin’ny fikarakarana sy fanohanana azy sy ny ankohonany.

Androany maraina tokoa mantsy, raha niantso ny iray amin’ireo mpiara-mifarimbona amiko amin’ny fikarakarana sy fanohanana an’i Kamba ny reniny, dia niangavy fanohanana momba ny ho enti-manana ny hampidirana azy any amin’ny hopitalin’Androva – tratry ny fahatoranana i Kamba kely tamin’io fotoana io, ary efa an-dàlana ho any amin’ny hopitaly ry zareo – dia nandefasana crédit tamin’ny alalan’ny E-Recharge aloha ny reniny, no sady nafàrana fa raha vantany vao tonga manoloana mpitsabo dia miantsoa haingana aty Antananarivo mba hifampitàna vaovao momba ny tena fototr’aretina. Lasa iny crédit phone iny, dia niandry ny renin’i Kamba mba hiantso aho, saingy rehefa tsy nahandry intsony dia izaho no niantso mivantana azy. Navelany hipetraka tsara ny fanontaniako raha voarainy na tsia ny sandan’ny fahana nalefako, avy eo dia sady namaly ny faharaisana izy no nigogogogo nitomany nilaza fa

Lasa, tonton, Kamba kelintsika e! Lasa Kamba! Maty ny zanako! Tsy arakaraky ny nitondrana azy tan-Tananarivo tany fa maty Kamba‘.

Tankina aho, nipararetra sy nalemy ny lohaliko ary na ny zavatra rehetra nataoko aza dia tsy nanànako antoka daholo.

Nitomany tanaty aho, satria mbola tany amin’ny birao. Tsy haiko nofefena kosa izany nony tany an-katakonana tany. Naka bàhana aho, ary rehefa nahazo hery kely dia nanapariaka ny hafatra ho anareo namana rehetra – ialako tsiny izay tsy naharay mailaka avy amiko noho ny fo feno tafahoatra –

Ny tao an-tsaiko voalohany dia ny niteny tamin’ny Lehibeko hamela ahy haka andro tsy iasana hahafahako mandevina an’i Kamba kely (Isaorako azy fa tsy nandà izy). Saingy rehefa niantso sy nifampiresaka matetika tamin’ny fianakavian’i Kamba aho, dia tsy ho tratranay telo mianadahy avy aty Antananarivo ny hitondràna ny razana hiala an’i Mahajanga, satria any ambanivohitra lavitra an’i Mahajanga no hitondrana azy,ka tsy maintsy miala aloha araka izay tratra ny fianakaviana, na dia mbola amin’y Sabotsy aza vao hasitrika i Kamba.

Ho anareo rehetra nahalala azy, ho anareo rehetra nahare fotsiny koa aza angamba, ary ho anareo vao nahita ny aminy amin’ny alalan’ity hafatra ity, dia fantaro fa TSY MATY AO AM-PO I KAMBA, mivavaha ho an’ilay anabavy kely kambana aminy, navelany ho irery eo anivon’ny fianakaviany, mivavaha ho an’ny reniny izay niezaka hatrany hitady ny soa sy ny tsara ho azy tamin’izay fotoana kely nandalovany teo anivontsika, sy niaretany izay rehetra azon’ny nofo keliny nozakaina tety ambanin’ny masoandro

Tsarovy ny fiaraha-mientana nentin’i Kamba teo amintsika rehetra, tazony izany ho fahatsiarovana azy sy ho fanohizana ny asa amin’ireo Kamba kely hafa mila izany, sy mbola hila izany

Maty izy, tsy nahavita nisaotra anareo rehetra tonga nijery, nitrotro sy nanafosafo azy fony fahavelony, maty tsy azontsika  natrehina tamin’ny fotoana farany sy ny minitra fara-fananana azy koa, nefa koa VELONA  SATRIA MBOLA EO ISIKA REHETRA NIARAKA TAMINY SY NANOHANA AZY

Niniako tsy nasiana sariny mihitsy ao anatin’ity hafatra ity, ho fanajana ny zaza sy ny fianakaviany.

LASA OMALY I RAKOTONIRAINY Jean Richard

Tsy ho fatatrao mihitsy aloha raha i RAKOTONIRAINY Jen Richard e! Tsy olo-malaza izy fa olona tsotra toa ahy sy ianao ihany, nefa indro atolotro anao eto ny tantaran’ity lehilahy mahantra iray ity, rehefa avy niandrasana fotoana maharitra ihany vao tapaka ny hevitra fa havoaka.

Mpiavy avy any Ambalavao i RAKOTONIRAINY Jean Richard. Hitady ravinahitra no nahatongavany teto Iarivo. Mianadahy izy ireo no zanaky ny raiamandreniny. Nanambady teto ny anabaviny ary efa nodimandry. Ny reniny koa sisa no velona any amin’ireo nahitany masoandro. Rehefa tonga teto Iarivo ny anao lahy dia nahita asa tokoa. Ireny manaraka kamiao miaraka amin’ny patirao be ireny.

Nandeha tsara ihany ny fiainana raha mbola ao ny tanjaka sy ny hery, ary indrindra indrindra fa ny fahasalamana. Hitan’ny olona sy fiantsoantso koa satria mbola nisy natoraka.

Nandeha anefa ny andro sy ny taona. Feno 40 taona mahery kely i Richard. Tsy manambady, tsy manna-janaka koa. Nitranga ny tsy nampoizina. Narary izy. Ary ny vavoniny no tena voa mafy. Asa na noho ny sakafo tsizarizary, na aretina efa ho avy fotsiny izao. Tany Talatavolonondry tany no nisy ny mpampiasa an’i Richard. Rehefa nandoa rà i Richard dia naterin’ity mpampiasa azy (avy eny Talatavolonondry) ho eny amin’ny HJRA Ampefiloha.

Na dia nandefasana taratasy aza ny vadin’ny anabaviny, hany havany teto Iarivo, dia nanempoka tsy nipoitra mihitsy, araka ny filazany hatrany.

Ny andro voalohany nanateran’ireto mpampiasa azy teny amin’ny hopitaly ihany koa no nahitan’i Richard farany ireto mpampiasa azy. Taorian’io dia tsy hita nielingelina intsony ireto farany, na dia ny hanontany ny fahasalamany fotsiny aza.. Lany tokoa va re ny mamy nandrasany tamin’ity olo-mahantra? Asa!

Tao amin’ny chambre N°4, 1ère étage tao amin’ny HJRA no nisy azy. Rehefa hitan’ireo mpiray efitrano taminy fa tsy nisy mpitsidika sy mpamangy mihitsy i Richard, dia izy ireo no namahana azy (mandra-paha…) sy nanampy koa tamin’ny resaka fanafody. Mba olona manana fahafaha-manao ihany mantsy ireto olona (avy any Tsiroanomandidy, araka ny filazan’i Richard azy). Tena antra olona tokoa, hoy ihany izy.

Vita ihany anefa ny fitsaboana ny havan’ireo Samaritana tsara fanahy, ka tsy maintsy handao an’i Richard mahantra sy ny aretiny tsy misy mpijery izy ireo. Namela izay azony navela ho an’ity olo-mahantra ihany anefa ireto fianakaviana talohan’ny tena handehanany. Ary natorony hevitra koa aza i Richard mba hanatona an-dry Masera tao amin’ity hôpitaly ity. Nandeha tany ,hono, izy nefa nilaza tamin’i Richard fa tsy afaka hanampy azy, hono, ireto Masera tao.

Làlana hafa indray no natoron’ny olona azy, dia ny hankanesany eny amin’ireo Frera mpanao asa soa ao Tsiazotafo. Niera tao amin’ny tompon’andraikitry ny hôpitaly ary i Richard mba ho afaka hivoaka hitady izay fanafody ilainy sy ny ho sakafony. Efa am-bolana i Richard no tsy nisolo akanjo. Mazava ho azy fa tsy maintsy hamofona.. Io andro nivoahan’i Richard hitady fanampiana io no nitondra azy teo ambavahadinay sy nahafantarako koa ny tantarany…

…Tonga teny Tsiazotafo tokoa izy iny andro iny, saingy tsy nisy azon’ireo olona tao natao satria,hono, tsy eto an-toerana fa any an-dafin’ny ranomasina ilay Frera direktera. Ora vitsy ihany anefa no nomen’ny hôpitaly an’i Richard hivoahana, fa tsy maintsy miverina miditra eny izy avy eo.

Very hevitra ilay mahantra, ary dia nanomboka nitsiry tao an-tsainy ny tsy hanana henatra intsony handona izay varavarana sendra azy. Rehefa avy nandona tsy nahazo rariny tany an-kafa àry izy, dia tonga teto am-bavahady.

Somary nànana fisainana hafahafa momba ity olona ihany aho tany ampiandohan’ny resakay (efa voa mantsy aho tany aloha), saingy rehefa nihaino lalina teo sy nangatahako ny taratasim-panafody ary ny taratasy momba ny aretiny izy, dia resy lahatra ihany fa olona tsy mamitaka ity manoloana ahy.

Rehefa ela niresahana teo izahay mirahalahy, dia nomenay fanampiana izy avy ary nadikako ny momba azy tao anatin’ilay taratasy teny amin’ny hôpitaly, ny laharan’ny efitrano misy azy, sns….Rehefa malalaka izahay, hoy aho, dia ho avy hijery anao eny amin’ny hôpitaly. Andro vitsy talohan’ny pentekôty tamin’izay (08-05-2008).

Andro maromaro aho no tsy teto an-toerana fa tany Ambohimanambola tany. Alina vao miditra ny trano isan’andro. Tsy afaka akory nanatanteraka ilay teny nomeko an’i Richard.

Hay ka niandry izay mba handalovako tokoa ilay olo-mahantra.

…Tonga teto am-bavahadiko i Richard omaly tamin’ny dimy ora hariva.

Hoy izy:

“Tonga aho, ry izy mivady, hanao veloma anareo sy hisaotra tamin’ny fanampiana efa nataonareo. Niandry aho fa angamba sahirana ianao, ramose, ka tsy nandalo. Fa noho izaho efa tsy ao amin’ny hôpitaly intsony dia nandalo aty aho hilaza fa nahita kamiao hitondra ahy hody any amin’i Neny any Ambalavao. Tsy miantoka afa-tsy fitaterana anefa ry zareo, tsy ampandoaviny saran-dalana aho, fa ny vatsy eny an-dalana sy ny izay mety ho ilaiko dia tsy maintsy izaho no nasainy mitady. Faly be aho, ry zareo fa hody. Tsy salama aho, nefa raha ho faty ihany dia aleoko ho akaikin’ny fianakaviako. Koa fiangaviana farany ataoko aminareo dia mba vonjeo lamba fitafy raha misy sy akanjo hisoloako fa tena masiso mampandositra olona aho”.

Nomena lobaka, pataloha, akanjo amboniny ary vola izy teto…..Raha nanatrika teo nahita azy sy naheno ny fisaontsaorana saiky tsy nitsahatra ianao dia ho vaky fo. Ny maso nanganohano nafeniko azy no nentiko koa nandositra ny tavany tamin’ny fotoana farany nisarahanay.

Menatra, tena menatra anefa aho satria tsy afaka namangy sy nitsidika azy teny amin’ny toeram-pitsaboana akory, nefa koa tsy afaka nanoatra satria resaka asa no tsy maintsy natrehiko taorian’ny pentekôty.

….Omaly alina tamin’ny valo ora no nainga hanao lava alina hitodi-doha ho an’ny amin’ny reniny any Ambalavao i RAKOTONIAINA Jean Richard. Faly tokoa ny lehilahy na dia nakentron’ny aretina mafy tokoa aza. Na ny miteny aza nila tsy no vitany intsony. Mikentrona sy manao ezaka mafy rehefa izy te-hiresaka.

…Talohan’ny tena nisarahanay telo mianadahy sy nifanaovana veloma, dia natolotra an’i Richard ny laharan’ny finday mba hiantsoany rehefa tonga soa aman-tsara any Ambalavao ny tenany.

“Rahampisto amin’ny roa eo, ramose, no lazai’ny mpamily fa tokony ho tonga any izahay. Raha vao tonga aho dia hitady telefona hiantso anareo”

Tongava soa any an-tanindrazanao ianao, Richard.

Miandry izay antsony sisa no ataonay aty Antananarivo.

Tsy natao hamendrofendro anao ity tantara ity, nefa koa mino aho fa mba nitondra fihetseham-po, na dia kely monja ihany aza, tao anatinao. Manentana anao aho, hanao izay azonao atao amin’ny olona mila izany, toy ity tranga iray faharoa omeko anao ity. Ampio i Kamba kely