Barazy Antelomita misy mikasa hanapoaka

Barazy isan’ny lehibe eto Antananarivo ary manodina ny famokaran-jiron’ny JIRAMA i Antelomita. Raha sanatria ka vaky izany barazy izany dia ho safotry ny rano ny renivohitr’i Madagasikara. Be no ho faty. Ity vaovao ity dia vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana.

Koa entanina araka izany ireo olona rehetra manakaiky iny faritra iny sy ireo amin’ny tanàna na làlana mitondra mankany mba samy ho mailo sy hitsikilo ary hanao andrimaso ny manodidina rehetra.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Vaovao mafana azo nandritra ny fanoratana ny hafatra:

1) Nametra-pialàna, ka nametraka ny taratasy momba izany teny amin’ny Ministeran’ny Atitany i Raharison Miranarivo chef de region Vatovavy Fitovinany

2) Nisy tamin’ireo miaramilan’Iavoloha [garde Présidentielle] no niala an-daharana amin’ny fiarovana ani Marc Ravalomanana. Nahatsapa izy ireo fa nivoana ny baiko nomena azy ireo, dia ny tsy maintsy handraisany ny baiko omen’ireo vahiny izay lazaina fa manampahaizana manokana. Nambaran’ny fanambaràn’izy ireo koa fa raha raikitra ny fifandonana dia TSY MAINTSY MISY ATAO SORONA ireo olon-tsotra manao andrimaso eny Iavoloha. Ireo no tsy ehen’ny sain’izy ireo ka nanosika azy ireo hamerina ny fitaovam-piadiana teny an-tànany tao amin’ny tobin’ny zandary Andoharanofotsy (toby akaiky indrindra azy ireo, raha avy eny Iavoloha).

Omaly raha niroso nanatona ny olony teo amin’ny sampanana ambanin’ny lapa andriamatoa Ravalomanana, dia izy tenany mihitsy no nitondra ny familiana ilay fiara blindé nandroso sy niverina. Fa angaha tsy misy mpamily? Sa antony hafa mihitsy?

Androany moa raha nivoaka nankeo amin’ny olona miaro azy ingahy Ravalomanana dia nilaza fa « tsy misy miala izany eo…miara-maty aminareo eto aho…Andriamanitra no nametraka ahy eto…nifidy malalaka ny vahoaka… » Midika ve izany fa efa ambivitra ny fifandonana sy ny fampiasana hery? Koa raha Andriamanitra tokoa no nametraka, aiza indray no toeran’ilay fiteny hoa « vox populi, vox dei »?

Izany rehetra izany dia mitranga raha efa mba mihevitra ny hiaina anaty filaminana sy fahatoniana ny maro. Rahampitso koa izao dia mizala ny hanao fanambaràna makotroka sy fandraisana fepetra henjana ny eo amin’ny 13 mai.

Adika ho soratra ho anao eto ny hafatra avy amin’ireo Gardes Présidentilees, miantso ny namany hametraka fiadiana (Atao « mise-à-jour » tsikelikely eo eto ity hafatra ity):

Ho an’ireo foloalin-dahy, miaramila, zandary sy pôlisy izay isan’ireo voatendry hiandraikitra ny fiarovana ny présidence izay mbola nijanona nanatanteraka izany adidiny izany teto amin’ny lapam-panjakana Iavoloha kanefa nahatsapa fa nivoana tanteraka amin’ny andraikitray ny baiko nomena anay omaly 14 martsa 2009 dia manao izao fanambaràna izao:

Nomena baiko izahay fa tsy maintsy mandray ny baiko omen’ireo vazaha izay nolazaina taminay fa manam-pahaizana manokana. Nomena baiko izahay fa tsy maintsy miara-miasa amin’ireo olona tsy fantatray ny fiaviany kanefa ampitondraina basy, ampanaovina ny fitafiana miaramila. Nisy tamin’ireo olona ireo anefa no nilaza taminay fa raha misy ny fanafihana ataon’ny tafika any Iavoloha dia tsy maintsy misy atao sorona ireo olona sivily miaro ny fidirana eny amin’ny lapam-panjakana. Omaly tokony ho tamin’ny 6ora hariva, rehefa nidina nanao bain de foule sy niteny tamin’ireo vahoaka teo Iavoloha ny filoham-pirenena dia ireo vazaha sy ireo sivily mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika no niaraka taminy teo ary tsy nanao fanamiana miaramila intsony fa niseho vatana. Noho izany mba tsy haha-tompon’andraikitra anay amin’ny fandatsahan-drà hanaovana sorona ireo sivily izay tsy manan-tsiny nefa te-hiaro ny filoham-panjakana dia voatery izahay handao izany andraikitra izany ka namonjy ny toby misy anay avy. Manamafy aminareo izay mbola tavela ao Iavoloha mba hamonjy ireo tobinareo tsirairay avy satria ireo mpibaiko antsika sasany aza efa tsy ao intsony. Ho porofon’izany dia ireo fitaovam-piadiana teo am-pelatananay dia naterinay tao amin’ny tobin’ny zandary Andoharanofotsy izay akaiky anay indrindra.

Natao teto Antananarivo, androany 15 martsa 2009 . Manasonia ireo gardes présidentielle ireo.

Ka raha ireo zavatra voalaza ireo no dinihana sy heverina fa tena efa « sangy mihoatra ny loha » no atao. Ary tsy vokatry ny fo ny fifonana natao tamin’ny vahoaka Malagasy. Hevitro izaho manokana io, satria raha nisy fiantsoana hanao fotoam-pivavahana lehibe tetsy amin’ny 13 mai androany, dia mba nanao toy izany koa ny teny Iavoloha? Nefa avy eo dia ireo nampitaina aminao ireo no vaovao voaray. Koa Aiza marina no misy Andriamanitra amin’ireo ankolafiny roa ireto?

13 Réponses

  1. varaiko koa ity vaovao momban’ity barazy ity … Fantatrao ve raha misy mpitandro filaminana any amin’izao fotaona izao ?

  2. Tsy ny fitsaràna sy ny fitsikeràna ny mpamatsy-vola vahiny avy atsy na eroa, na izay mety mpanohana-ambadika ny hetsika avy atsy na ny eroa, no hitondra antsika vahoaka lavitra, na dia mazava aza fa ny lalàna manan-kery ankehitriny dia ny lalàna izay apetrakin’izay tompom-bola, izay tompom-pahefana koa.
    Raha ny tombon-tsoa iraisan-tsika malagasy rehetra marina no katsahintsika dia tokony mitady hevitra isika momban’ny dingana sy fomba tokony atao mba ahafahantsika mampiasa ny hery sy ny zava-misy avy amin’ny ankolafin’ny roa tonta mba hiteraka vahaolana hitondra tombon-tsoa iraisana sady maharitra ho an’ny vahoaka malagasy.
    Ka ny anjarantsika vahoaka malagasy dia ny mitondra sy mamolavola izao zavatra mitranga izao ho any tombon-tsoantsika vahoaka malagasy manokana aloha satria ny rà-tsika no latsaka, ny tanànantsika no kila sy may ary lasa lavenona, isika no tsy an’asa ary isika ihany no noana, isika no tsy voatsabo rehefa marary, isika no tsy zarizary ny fianarana (manomboka eny aminy fanabeazana fototra ka hatreny aminy ambaratonga ambony) sy ny fitazaina (noho ny hamafin’ny fiainana).
    Tsy ny fanohanana ny atsy na ny aroa akory no zava-dehibe amin’izao fotoana izao fa ny firaisakina, izany hoe ny fametrahatsika rafitra mivaingana miaraka, rafitra salama ary lalim-paka, izay tokony apetratsika ho fepetra sy fitsipika tsy tokony ho voahozigonzona na avy atsy na avy eroa any aoriana.
    Amin’izay fotoana izay, n’izaniza tia hiara hiasa @ vahoaka malagasy, dia ny tombontsoa iraisan’ny vahoaka malagasy no manoritra ny ankamaoroan’ny fitsipi-dalao amin’izany (na dia tsy tompom-bola aza).
    Samy manana ny ataony hoe tombon-tsoa anefa ny tsirairay, ka ny tombon-tsoa resahina eto dia ny tombon-tsoa maharitra ho an’ny taranaka malagasy, fa tsy ny tombon-tsoa an’olom-bitsy anio na rahampitso ihany: amin’ny lafiny fianarana sy fitazaina mendrika izany, aminy lafiny ara-tsakafo, aminy lafiny zo ho amin’ny fitsaboina, zo aminy lafin’ny asa (satria ny ankamoraoan’ny asa misy ho an’ny Malagasy dia zara raha mihoatra ny karama vary masaka hatramin’izao), aminy lafin’ny tontolo iainana (madio sy mendrika ary voahàja, satria fanajàna ny tontolo iainana dia fanajàna ny olona miaina ao amin’izany tontolo izany).

    Marina fa tsy afaka manantena izany tena démocratie izany isika, satria na any aminy tany efa mandroso aza dia na misy aza ny rafitra mipetraka mazava ary voahàja, dia mbola azo atao foana ny manondikodina ny saim-bahoaka aminy fampielezan-kevitra diso, mitongilana ny tsy ampy amin’ny alàlan’ireo aingo aman-jery samihafa (manipulation d’opinion publique) mba hitongilanan’izany démocratie izany. Ny azontsika antenaina sy atao anefa dia ny fiarahana mamolavola ny rafi-mpanjakana sy ny lalàna izay tokony hifehy ny ho avin’ny malagasy sy ny taranany, anatin’ny fangaraharana, ka hanome faka lalina, salama ary azo hitokisana mba tsy ho fandrosoana poakaty intsony no hiainana, ary mba hangarahara ny fomba aman-panao ny fanjankana mipetraka na ho apetraka amin’ny ho avy.
    Ny fandraisan’ny tsirairay (manerana ny nosy: manomboka eny amin’ny fokontany tsirairay ka hatreny amin’ireo faritany samihafa) anjara amin’izany asa izany manomboka izao no mba antoka sy vahaolana hitako aloha amin’izao fa mba mety hitondra vokan-tsoa ho antsika rehetra amin’ny ho avy, satria raha mbola avelantsika olom-bitsy na ny tombon-tsoan’ny mpamatsy vola avy any ivelany fotsiny no hamolavola sy hanamboatra ny rafim-panjakàna sy ny lalàna mitondra ny fiaraha-monina malagasy dia mety mbola tsy hifandraika amin’ny fiara-monina, ny kolo-tsaina ary ny hetahetan’ny malagasy ny vokatr’izany ka mety hitondra krizy toy izao indray any aoriana izay mety mbola hamoizana aina maro indray, ary hamela takaitra lalina ho an’ny taranaka.
    Asa goavana izany satria mila fifam-pianarana momban’ny atao hoe lalàna sy rafim-panjakana, mila fifanankalozan-kevitra maharitra, fifampidinihana ary fandraisana andraikitra (izay mety ho sarotra amin’izao fotoana fisian’ny korontana sy fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka malagasy izao).

    Atsipy hono ny tady eny an-tandrok’omby, ary ny teny eny am-pon’ny mahalala. Ka dia ataovy toy ny voankazo an’ala re, ka izay tsara atelina fa izay ratsy kosa aloavy.
    Dia mahereza daholo isika rehetra.

    [open source🙂 sans restriction de diffusion, de traduction ni d’amelioration du texte]

    • Dinika Amorom-Patana> Miombon-kevitra tanteraka aminao. Saingy raha ny fifanenjehana ataon’ireo Radio samihafa misy hatreto aloha, dia ho sarotra ny hanatanterahana azy. Tsy midika izany fa hoe tsy ho atao. Asa ianareo raha mba mihaino ANTSIVA, VIVA, MADA… fa dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Ny fifampihantsiana no tena voizin’ny sasany amin’ireo mpanentana amin’ny radio sasany, raha miantso sy manabe kosa ny hafa.

  3. Mahagaga ianao ry Avy lavitra,

    Aoka ahy hivavaka ho anao na dia fahavaloko aza ianao ary mamelà ahy koa.
    Ratsy ny fampijaliana olona tsy manan-tsiny na amin’ny atsy na amin’ny aroa ary tsara melohina. Ka hono ho’aho ry Avy lavitra, mba noresahinao ve ilay polisy nodorana velona ? mba noresahinao ve ny nataon’ny CAPSAT tamin’ny minisitry ny fiarovana ? mba noresahinao ve ny resaka référendum tamin’io androany 15 mars io ? Mba noresahinao ve ireo olona rehetra terena tsy hiasa sy hiala amin’ny asany ? Mba noresahinao ve ireto zaza bitika norahonana hivoaka amin’ny trano-pianarany ?

    Ho tahian’Andriamanitra hatrany anie ianao sy ny vady aman-janakao ary koa izy hanova lalànao !

    Henohy ny feon’ny fieritretena, mbola tsy tara ianao !

    • Ravorona > ekena tokoa fa misy ny tsy voatatitra teto, nefa inoako fa voalaza tany an-kafa. Tsy voatery ho arako izaho samy irery koa mantsy ny fampitana ny zava-misy, fa iangaviana ianao mba handray anjara amin’izany. Fiaraha-miasa no angatahako aminao. Arakaraky ny fotoana ananako sy ny zavatra eo anoloako ihany mantsy no andraisako ny solosaina, ary dia avelako ho an’ireo namako hafa manana ny fotoana feno ho amin’izany ny ambiny tsy vitako.
      Ianao mandray ahy ho fahavalo, tsy maninona, fa izaho kosa tsy hanangana anao ho fahavaloko.
      Dia samia tokoa ho tahian’Andriamanitra.
      Misaotra

      Nomena > Adinoko ny nilaza fa ny Radio Antsiva sy ny TVM no source nahazoako ny vaovao sasany tamin’ireo. Fa raha ny vaovao mifanandrify amin’ny andron’ny 14/03/2009 kosa dia izaho tenako mihitsy no teny Iavoloha fa tsy olon-kafa no nitatitra. Tamin’io andro io ilay nilazan’Andtoa Ravalomanana fa « tsy hiala izy…Filohan’i Madagasikara foana…Tsy maintsy vita ny sommet… » Fa izay tiako ho marihana hatrany ary efa nodradradradraiko hatry ny ela dia ity: rehefa tonga hanangona vaovao any amin’ny côté pouvoir ianao, dia aza manantena hahazo fahafaham-po sy vaovao tena izy fa na ianao tsy mahazo, na ianao voadaroka, na ianao voatosika hivoaka. Ny 14/03/2009 teo izao dia nahazo daka mafy ny moto nitondra ny mpanao gazety ndeha handrakotra ny zava-nisy teny Iavoloha, na dia nampiseho carte de presse aza. Efa ho vita, na efa vita mihitsy ny resadresaka nifanaovan’ingahy filoha tamin’ireo olona nanatrika azy vao tafiditra ireo namana sasany, fa hoe izay hono vao mahazo alalana hiditra. Ny mpanao barazy no tena tompon’ny làlana sy lalàna, ary aza mba mitondra zava-tsarobidy mandalo azy ireny fa rehefa tsy misy taratasy ny entana entinao, aleo tsy mandalo eny. Marina foana kosa aloha io tranga io, na ho an’ny barazy andaniny na ho an’ny barazin’ny ankilany e! Misy aza moa aty afovoan-tanàna dia manangana barazy manomboka amin’ny folo ora alina, mba hatao fanendahana mpandalo fotsiny.

  4. 20h56: Le site http://www.orange.mg est un site d’information. – 15/03/09
    20h42: Dans un communiqué officiel, la présidence comdamne le piratage de la TVM. « Cela est passible de poursuite judiciaire », explique la présidence. – 15/03/09
    20h39: Selon la présidence, les éléments de la garde présidentielle sont bien en poste à Iavoloha et à Ambohitsorohitra. La présidence dément officiellement la présence d’étrangers armés à Iavoloha. – 15/03/09
    19h36: Marc Ravalomanana demande au gouvernement d’organiser au plus vite un référendum. Il se dit prêt à assumer pleinement les résultats, et invite Andry Rajoelina à faire de même. – 15/03/09
    18h44: L’Union africaine (UA) a convoqué son Conseil de paix et de sécurité pour une « réunion d’urgence » lundi consacrée à la crise à Madagascar. (AFP) – 15/03/09
    18h26: URGENT. La garde présidentielle abandonne Marc Ravalomanana. Leur porte parole s’est exprimé dans l’après midi : « On nous a demandé de suivre les ordres d’étrangers depuis hier. Nous ne voulons pas être pris pour responsables d’un éventuel bain de sang. Aussi, nous avons rendu les armes, et chacun de nous a rejoint son corps d’origine ». – 15/03/09

    Source: orange.mg

    20:50 – Communiqué Officiel du gouvernement : « Toute la garde présidentielle est présente et bien renforcée à Iavoloha et au Palais Présidentiel. Les informations citées par les émissions pirates de la TVM et la RNM sont totalement fausses et passibles de poursuites judiciaires. Les émissions tentent de promouvoir la désinformation. Il n’y a pas de commandement étranger ni dans le Palais ni à Madagascar. »

    Source: Topmada.com

  5. Anisan’ny voalohany niahiahy mafy aho raha tsy nahita anao nampita vaovao intsony saingy @ity vaovaonao androany ity dia hoy aho hoe aleoko indray ianao tsy nanoratra fa lasa manampy trotraka ny fandemen-tsaina efa mihatra amin’ny vahoaka indray!
    Mendri-piderana ny fandàvan-tenanao sy ny fikirizanao hampita vaovao ary deraiko manokana ny fakana sy ny fandefasana sary, kanefa iraha-mahalala fa adin’ny serasera no tena mandeha amin’izao ary ny hampisavorovoro sy hampiady antrano ny malagasy no tanjon’ny maro koa miangavy re : aoka mba hampitainareo akanga sisa nanamborana toa anao ny zavatra tena hitan’ny masonareo mivantana irery ihany fa tsy ny ren’ny sofina (radio & tv) intsony aza na ny honohono etsy sy eroa. Ho sarobidy kokoa ny fandraisanareo anjara amin’izay ary ho voarakitra mandrakizay ao anaty boky volamenan’ny tanindrazana ny anaranareo. Anao ny pejy ary tsy manakana anao hanam-pitiavana bebe kokoa an’i tgv ny olona saingy raha tena tianao ny hampita vaovao tsy mialona araka ny fahazoako azy taloha dia tano ho anao re ny fanamarihana toy ny hoe  » Fa angaha tsy misy mpamily? Sa antony hafa mihitsy? …dia mba nanao toy izany koa ny teny Iavoloha… » raha tsy izay dia alefaso lavitra kokoa ny fanamarihana fa azo lazaina ihany koa anie hoe « izany ka tena lehilahy vonona handray ny omby amin’ny tandrony sy hiatrika ny zava-mitranga na inona hidona na inona hiantra fa tsy hoe vao misy mihetsika dia hafeno aho rey olona! »
    Koa alao hery re, aza manaiky hataon’ny sasany fitaovana fotsiny fa io no mitranga izao nefa ianareo jamban’ny fisavorovoroana misy loatra ka tsy mahajery lavitra intsony. Aleo aza hoy aho mangina ary afantoka amin’ny hijerena izay tokony hatao hiarovana ny Tanindrazana marina ny hery sy ny fotoana.
    Mankasitraka ary mirary soa be dia be, mahereza!

  6. Misaotra anao namaly ahy. Fa izao : diso aho raha nandray anao ho fahavalo, fa nentin’ny fo nahita ireo vaovao alefanao, izay hitako hoe : tena mitongilana.

    Izaho manokana dia be ny zavatra kianiko amin’Atoa filoha, ianao koa tsy latsak’izany. Amin’ny saina sy fo tony ary hendry, ahoana ny hevitrao amin’ity : mino ve ianao fa tena afaka mitondra tsara an’ny M/kara Atoa Andry Rajoelina, ary ahavita be lavitra noho izy aza ?
    Ary amin’ny maha-mpanao « gazety adaladala » anao, inona moa izany no tena efa vitan’ity zandry lahy kelintsika ity ?
    Misaotra anao mamaly io fanontaniana io amin’ny fomba tsy miangatra.

  7. Ravorona> Na dia ny Gazety Adaladala aza no nametrahanao fanontaniana dia te-hamaly anao aho ka ataoko, angamba, fa tsy ho tsiniko.

    Manontany ianao hoe « inona no tena efa vitan’ity zandry lahy kelintsika ity? »

    Dia valiako tsotra ianao hoe « Ianao irery, angaha, no vahiny eto Jerosalema no tsy mahalala » ny nanaovan-dRavalomanana an’io lazainao fa « zandry kely » io raha iny vao lany Maire n’Antananarivo iny izy? Dia ampatsiahivina anao ary, satria tsy mahalala (angamba) ianao, fa nofoanan-dRavaloamanana tanteraka ny « caisse » an’ny Commune…Lasa nanana trosa miavosa aza izany Commune izany ka iny hoa ilay « zandry kely » nitotototo nankatsy nankeroa, nananao antso avo eran’ny tampon-tanety hoe « Ampionareo izay malala-tànana fa loza ity, tsy afa-miasa aho… » Ohatra iray fotsiny iny; fa fantatrao tsara ny « blockages » rehetra nataon-dRavalomanana…

    Eny, hoy aho Ravorona, misiditsidina eny ambony eny, angamba, ianao ka minia mikimpy tsy hahita ny tena zava-misy marina… « To fo » tokoa ilay « zandrikelintsika » @ izao fotoana izao ka zary « mpamosavy » an?! Mitatatata Ingahy Ravalomanana hoe « lanim-bahoaka aho e, sns » i Andry, angaha, tsy lanim-bahoaka?

    Izaho izay mamaly anao izao dia nahavita be raha ny t@ nametrahana an-dRavalomanana teo @ fitondrana no resahina! Tsy mpanao politika aho, nefa nanao izay faraheriko mba ho feno sy ara-dalàna ny voka-pifidianana ho an’ny TIM t@izany andro izany…Fa ankehitriny, kaikerin’ny nenina aho fa « tsy aloha hananatra » tokoa lahy izany!

    Ka hoy ianao hoe « Inona no mba efa vitan’i Andry? Omeo sehatra aloha izy vao afaka mamaly anao aho… Sady izy io koa ange tsy ny zavatra mivaingana toa ny làlana na trano fotsiny no atao hoe « zava-bita » e! Fa iza teto an-tany ankoatran’i TGV no sahy nanambara ho ren-tany ren-danitra ny ratsy nokobonin’io Ravalomanana io? Vitsy ny olona amin’io taonany io no « sahy maty » sahala @izany ? Tsy « zava-bita » ve izany, ho anao?

    Izaho aloha, foko tsotra no hamaliako anao, miteny aminao hoe hahavita be io « zandry » io!

    Ary sarotra dia sarotra ny hanajanona an’io tovolahy io… Izany tokoa no atao hoe « décidé » @ hiran-dry zalahy mpihira!

    (Fa ny angatahiko @ i TGV fotsiny dia « aza mipetraka ao Iavoloha »!)

  8. gazetyavylavitra> Mampalahelo isika vahoaka malagasy. Marina fa mbola lavitry ny afo ny kitay arakan’ny voalazanareo, ary izay indrindra no mbola iangaviako ny tsirairay mba tsy ho kivy hitondra ny kitaiany eny @ afo na dia mbola lavitra aza ilay afo. Farany ve tsy ho tonga eny ihany?
    Dia mirary fahazotoam-po antsika rehetra hatrany.

    Ravorona> Ny tenako manokana aloha mbola tsy namaky teto @ “gazety adaladala” hoe mino na tsy mino ny mpanoratra fa tena afaka mitondra tsara an’ny M/kara Atoa Andry Rajoelina, na hoe ahavita be lavitra noho Atoa Ravalomanana izy.
    Isika dia olombelona ihany, ary aminy maha olombelona (sujets qui percoivent) dia sarotra ny mijery ny toe-draharaha na ny zavatra iaianana aminy fomba tsy miangatra: izay no atao hoe subjectivité. Afaka miezaka isika mba tsy ho subjectif, anefa kosa tsy ho tonga tanteraka amin’izany mihintsy satria tsy afaka mandà ny maha-olombelona antsika.
    Ny objectivité (izay takianao) dia ampifandraisina amin’ny objet, izay matetika foto-kevitra na zava-misy marina sy azo antoka, sarotra lavina, ary tsy miova na misy na tsy misy olona (Sujet) manondidina mahatsapa sy miaina izany foto-kevitra na zava-mitranga izany. Misy fomba maro dia maro mantsy afaka andraisana (interpréter-na) ny zavatra iray tsy miova, arakarakan’ny fomba fijery ny olona tsirairay miaina sy mandinika izany zavatra izany.
    Matetika anefa, indrindra amin’izao andro korontana izao, dia sarotra ny manantena fa ho eo am-pelatanany olona iray ny vaovao na ny information rehetra momban’ny toe-javatra mitranga iray. Indrindra amin’izao fotoan’andro izao izay toa miantra aman’aina ny fanagonana izany information complet izany.
    Ka raha ny hevitro dia tsy ho feno tanteraka (complet) izany mihintsy ny information eo am-pelatanan’ny olona iray mba ahafahana mitsara amin’ny fomba tsy miangatra (de manière objective) ny zava-mitranga arakan’ny angatahinao.
    Matetika koa dia misy fotoana tsy maintsy manapa-kevitra ny olona, manao zavatra izay tsapany fa tokony ho ataony, na tsy feno aza ny information eo am-pelatanany.
    Aminy maha-olombelona, dia tsy misy ny tonga lafatra, ary soa fa tsy afaka hitovy hevitra sy fijery daholo isika rehetra, satria ny fahasamihafan-kevitra dia harena ahafahana mampisokatra sy mampivelatra ny saina, ary afaka mampianatra antsika mba ahay hifanaja kokoa hatrany sy mba ahay iara-hiasa kokoa hatrany na tsy mitovy hevitra aza.
    Avy amin’izay fiarahamiasa izay ny mety ho vokan-tsoa aterakin’ny fifanankalozan-kevitra.

  9. Mazava amiko ny teninareo, ary misaotra anareo ny amin’izany aho. Enga anie i Andry Rajoelina, izay tsy atokisako velively, mba hiova tena ho olon-kendry raha sendra mitondra ny firenena!
    Enga anie isika eto Madagasikara ka mba tsy iharan’ny baiko ankolaky ny Frantsay ! Indrisy mantsy.

    Dia mifanao fotoana eto isika afaka enim-bolana raha misy dia misy ahitana ny fiovan’ny raharaha.

    Mandra-panoratra indray

  10. Fa ahoana no tsy misy vaovao intsony kay ? Fa aiza ianao e ?

  11. Arabaina i gazetyavilavitra fa nahazo filoha « ianareo »!.
    Dia mifalia fa tafita ny fanonganam-panjakana!

    Avy amin’ny Gazetyavylavitra> Aoka hazava fa ady amin’ny jadona sy ny tsy fahafaha-miteny ny an’y Gazetyavylavitra fa tsy olona na antokon’olona manokana. Ka na ilay raikalahy vao tonga aza sanatria no hamerina izay nisy teo aloha, dia avy indray aho fa aza manahy i Tokinao. Mety hiteny ianao hoe ‘dia ho toy izany foana ve?’ Valiny: raha mbola tsy miova ny fomba fisainana itondrana ny fiainam-bahoaka dia ‘ENY’ no valiny’

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :