Behoririka: Fanendahana niafara tamina fakàna takalon’aina

Fanamarihana napetraka ny 25 Martsa 2011: Ity lahatsoratra ity dia nosoratana, minitra vitsy, na ndeha atao hoe ora iray monja taorian’ilay tranga.  Ahitana taratra ny fahasamihafan’ny fanangonam-baovao eo anivon’ny antsoina hoe Citizen Media sy ny Mainstream ihany koa izy ity. Nahoana ? Satria raha nijery ireo lohatenin-gazety nivoaka ny ampitson’iny aho dia zendana nahita fa toa Fanafihana ilay sinoa no tena nankalazaina. Midika ve izany fa tena voafatotra tanteraka amin’ny resaka lafiny ‘marketing’ ny Mainstream media’ ka izay hahasarika ny mpividy sy handafosana bebe kokoa no tanjona?

Fa ny faharoa dia ny teo amin’ny lafiny fitandroana ny fandriam-pahalemana: tsy omena tsiny ny mpitandro filaminana raha mirona amin’ny fanazavana ny fandraisany andraikitra tamin’iny raharaha iny ka nitodika bebe kokoa tamin’ilay resaka Sinoa, satria toa maivana ihany rha ny resaka fanendahana no oharina amin’ny fakàna takalon’aina.

Tsy dia nataoko nahagaga ahy loatra raha tao ireo jiolahy no nisafidy hiditra satria nisy mpiasa tranainy tao ny sasany tamin’izy reo araka ny tatitra, ary mahalala tsara fa raha tampina n y lalana ho any Ankadifotsy, sy ny hiakatra aty amin’ny tetezana, dia mbola misy azo andosirana avy ao amin’io tanana io (araka ny resaka sy famariparitana nomena ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, nataon’ireo mponina eo). Raha miditra eo mantsy ry zalahy, ka mihoatra ilay tamboho avy ao anatiny, dia mbola afaka indray kosa mamonjy elakelan-trano hafa avy ao ambnadika ary ho afaka mitsoaka mihazo any ambony any avy eo.

Nilazana ny amin’ny tokony hametrahana mpitandro filaminana hiambina izay fivoahana izay ireo nanao ny tetikady teo an-toerana. Saingy ny olan-dry zareo dia ny fisian’ny antoko iray efa nampakarina any an-tafon-trano ka tsy fantatra mazava izay toerana misy azy ireo, ka sao dia izy samy izy indray no hifampitifitra ao anaty haizina ao. Nandritra izany rehetra izany no nisian’ny tatitra (mbola avy amin’ireo samy mpitandro filaminana ihany fa taorian’ny tifitra natao, dia ‘toa nisy nidoboka  any anaty saosety any’. Tsy nisy nanao fanamarinana an’iny na maty na velona. Araka ny filazan’ireo tompon-tanana anefa dia afaka andosirana tsara any ambadika any rehefa afaka amin’io saosety io. Rehefa natao ny fitsirihana ny tao anatin’ny tokotanin’ny Daktigrafz dia razana 2 no hita, 1 voalaza fa azo sambo-belona, iray hitan’ny olona tafaporitsaka. 4 izay. Ary ilay faha 5, Nankaiza? Taiza no toerana nahafahany nandositra? Satria tsy nahita na inona na inona intsony ireo mpitandro filaminana nilaza fa nanao sava hao ny tanana.

Vava-kisoa misy sira ity raharaha iray ity araka izany, koa asakasakareo hihinana azy.

Tsy hahataona ahy hanova ny lahatsoratra nosoratako velively anefa izay resaka voalaza an-gazety, satria izay no tatitra sy angom-baovao nataoko teny an-toerana.(mifarana eto ny fanamarihana)

Ity ambany ity ny lahatsoratra nosoratana ny andron’ny trangan-javatra:

Eto am-piandohana dia isaorana i zokibe Jentilisa nanaitra tamin’ity vaovao ity, ka nahafahana nanangona azy haingana araka izay azo natao.

Fa inona no tena nitranga?

Raha ny siosio re avy amin’ireo olona marobe teo no henoina, dia betsaka sy samy manana ny filazany. Fa izay taterina aminao eto kosa dia ny resaka nangonina avy amin’ny olona nahita ny zava-nitranga avy eny an-davarangany ka hatramin’ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra.

Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva tany ho any dia nisy ramatoa iray naka vola teo amin’itony milina mpitsinjara vola itony (BFV/SG – Behoririka). Io no nendahan’ny bandy dimy lahy. Niantso vonjy ramatoa io ka raikitra ny fifanenjehana. Nisy polisy avy amin’ny Firaisana Fahatelo niditra an-tsehatra.

Eto ambanin'ity lavarangana ity ny milina mpitsinjara vola, ary eo ampitan'io ny làlana miakatra mankany Ambatomitsangana ambony

Nifidy ny hiakatra tamin’ilay làlana eo ampitan’ny banky miakatra mankany Ambatomitsangana ambony iny ireo jiolahy niisa 5, ka rehefa nahita fa tsy nisy azo nizorana tany dia niverina indray saika hiakatra hihazo ny arabe miakatra mankany amin’ny tetezana. Teo no niova tampoka sy nihazakazaka ny raharaha, satria tsy nanohy ny diany ireto jiolahy ireto fa niditra avy hatrany tamin’ny vavahady eo amin’ny DAKTIGRAFZ izay mifanila rahateo amin’ilay trano fivarotan-tsinoa ao ambany rihana rehefa hitan-dry zalahy fa tampina ny lalan-kalehany. Efa niatrana hifanatrika taminy tsinona ireo polisy avy amin’ny Firaisana fahatelo sy ny avy etsy amin’ny tobin-tsolika Galana.

eto no vavahady miditra ao amin'ny tanàana nofinidin'izy ireo hailofana sy nitazonana ny takalon'aina

Nitifitra ny polisy avy amin’ny Firaisana fahatelo ka lavo ny jiolahy iray rehefa voan’ny bala teo amin’ ny kibony. Ny iray kosa azon’ireo polisy sambo-belona ka nentiny any amin’ny birao.

ny faritra voan'ny bala

ity ilay voatifitry ny polisy Fir III teo amin'ny kibony

 

Nisy ny fiantsoana mpanampy, ka isan’ny tonga teny an-toerana ny GIR, sy ny FIS ary ireo antokona mpitandro filaminana hafa toy ny Zandary. Teo anelanelan’izay anefa, hoy hatrany ilay mpitantara, no tafaporitsaka nandositra ny iray tamin’ireto jiolahy. Efa nihena izany ny isa hatreto ka 3 sisa no ifampitadiavana ao anatin’ny trano.

Rehefa tonga ny mpitandro filaminana nantsoina hanampy, dia nisy ny niakatra hatrany an-tafon-trano, ary nisy ny niandry baiko avy aty ambany.

Nandritra ny fidiran’ireto jiolahy ireto tao amin’ity tanàna ity dia nisy ny fakàn’izy ireo ho takalon’aina ny sinoa iray tratrany tao, sy ‘vendeuse’ iray. Nofatorany tamin’ny rojo vy ilay sinoa ary noratrainy ihany koa. Tsy nanaiky ny halaina sary moa ity sinoa ity. Ny lohany no tena hita ho nisy naratra sy voatery nofehezina lamba.

ny rojo vy namatorana ilay sinoa

Tsikaritr’ireo avy eny ambony tafo ny iray tamin’ireo jiolahy mbola tavela tao an-trano, ka notifiriny avy hatrany. Gorobaka tanteraka ny lohany ary rimbona mihitsy ny ila loha havia eo ambonin’ny sofiny iny. Ankoatra izay dia gorobaky ny bala ihany koa ny eo amin’ny tendany.

Nilomano tanteraka tao anatin'ny ràny ity zalahy ity

Sady voa ny lohany no trobaka ny tendany

Raha tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any no niandoha izany rehetra izany, dia tany amin’ny 10 ora alina latsaka 5 minitra kosa vao vita ny fanadihadiana rehetra nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny pitsopitsony rehetra nahafahana nanàla ireo razana teo amin’io toerana io.

Fotoana nanadiovana ny tanàna

Ireo kiriana

Nandritra ny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana dia nakatona tsy ho azon’ny fiara nolalovana ny ampahan-dàlana nanomboka teo amin’ny Tobin-tsolika Galana ka hatreny amin’ny tobin-tsolika Shell Behoririka. Voatery navily làlana avokoa araka izany ny fiara rehetra saika hihazo io ampahany io.

Fa ny zava-mahazendana amin’ny tranga toy itony dia ny kirin’ny olona te-hahalala zavatra. Ndeha hataontsika hoe liam-baovao, saingy koa azo lazaina tsotra izao ho tsy mahatsiaro tena. Tsy mahatsiaro tena satria fidirana an-tsehatra ilàna fampiasana fitaovam-piadiana no natao, nefa toa tsy misy manahy na kely akory aza ny amin’ny ainy ireo olona marobe tonga nitangorona teo. Miandry hatrany ny fampitahorana ataon’ny mpitandro filaminana vao mikorapaka miala metatra vitsy. Mandritra ny minitra vitsy. Avy eo dia miverina indray eo amin’ny metatra vitsy manakaiky ny toerana itrangan’ny firotsahana an-tsehatra.

ireo olona tsy nataho-maty nitangorona nizaha ny zava-nisy

Ireo jiolahy mbola nokarohana tao an-trano rahateo tsy fantatra na inona avy no fitaovana any aminy na karazany manao ahoana. Ka raha sanatria nisy ny fifamaliana tifitra, dia mety ho zava-doza hafa no hita.  Tsy nahitako fitaovam-piadiana mahevy vaika aloha teny amin’ireo  roalahy maty, fa fitaovana tsotra toy ny fandraka no tavela. Tsy fantatro kosa na kazaran-javatra inona ilay toy ny boaty napetraka teo ambonin’ny patalohan’ilay voatifitra voalohany.

Mba isan’ireny kiriana sy liam-baovao ireny anefa ireo mpanao gazety tonga teny ka dia nitampifimpify nanao izay hahazoana manangona misimisy ny vaovao hozaraina.

Tsara tehirizina

Raha ny fahitàna ity tranga teo Behoririka ity dia averina etoana fa tsara ihany ho an’ny tokantrano tsirairay ny mitahiry irao laharana ahazoana miantso vonjy haingana rehefa misy ny toy izao. Satria dia isan’ny nahafahana nanao ny asa famonjena an’io tokantrano io ny nisian’izany laharana finday izany. Ireto averina ato ambany ireto izy ireny:

FIS                  033 40 434 40

Polisy             17  –  22 241 76

Gendarme     034 05 700 68

GIR                034 05 517 22

SAG               034 07 517 10

Misy dia misy ny sary azo avy eny an-toerana, saingy noho ny ‘connexion MOOV’ ampiasain’ny tena, tsy mandeha araka izay nifanarahana, dia ialana tsiny fa tsy afaka nampakarina. Apetraka eto ihany rehefa omen’ny MOOV alàlana hampiasa malalaka ny aterineto isika.

Fanavaozana: Amin’ny sasakalina izao, izay vao afaka nampakatra ny sary ho anareo rehetra.

5 Réponses

  1. Misaotra nitatitra ny vaovao sy ny sary fa dia tena toy ny nanatri-maso e.

  2. ny zao-baviko nandalo teny mihitsy tamin’ny fitifirana. Mbola tsy voatohana ny lalana ka saika tafiditra tao mihitsy ry zareo hono. Soa ihany fa nahay niverina aingana.
    Dia misaotra hatrany amin’ny fampitana ny vaovao e
    Fanamarihana kely: (mety ho diso aho fa tsy aiko) Fa angaha moa tsy rehefa manana basy ny jiolahy vao tokony tifirina. Ary raha tsy manana aza tsy tokony tongotra ve ohatra no kendrena fa tsy vonoina izy ireo?

  3. Ataoko fa tena mahatsiravina ny mahita sary ahitana ra sy vaky loha toa ireo na hoe mba takomana ny eny amin ny masony izay fanaon’ny mpanao diffuser ny photos olona maty sy maratra na dia hoe mpangalatra aza satria aiza ny fitandroana ny zo maha olona azy ireo tena « atteinte grave aux droits de l’homme » ka ataoko fa tsara ny mi-diffuser ireo sary ireo mba lesona ho any sasany fa tokony takomana ny eny amin’ny faritra ny masony MISAOTRA

  4. […] pas d’armes à feu sur eux. Un ami blogueur, Avylavitra a été sur place et a posté un article (en Malgache) sur cette […]

Laisser un commentaire