Fitsapan-kevitra (REFERENDUM) 17 Novambra 2010

Nisy  ny birao efa nivoha maraina tamin’ity androany ity. Ny fanamarihana azo entina voalohany aloha hatreto dia ny fisian’ny hadisoana betsaka Na ny andro sy taona nahaterahana, na ny anarana, na ny toeram-ponenana. Fa ny tena henjana dia ny tatitra avy amin’ny fianakaviana any Ambohidratrimo. Lisea efa tsy natao biraom-pifidianana hatry ny ela ary tsy ao anatin’ny tokony ho isan’ny birao fandatsaham-bato no voasoratra any anatin’ny kara-pifidianan’ny olona. Tonga teny ny olona vao nivanaka, ary nasaina nifindra amina birao hafa.

Ny anay ato an-trano aloha izao dia diso avokoa na ny anaranay mivady, na ny anaran’ireo raiamandreninay. Tsy mbola nisy mihitsy hadisoana toy izany nahazo anay tany aloha, fa dia gaga ianao hoe taiza no nakana an’itony ‘données’ itony? Sa ny mpanao saisie no vendrana?

Misy indray ny mpivady any amin’ny fokontany sasany ka ramatoa nahazo kara-pifidianana, rangahy tsy nahazo fa te-hampiasa ny kara-panondrony, nefa dia nolavin’ny tomponandraikitra fa hoe tsy afaka mifidy ramose. Hatraiza no fampahafantarana sy fanofanana nomena an’ireny tomponandraikitra ireny? Satria anisan’ny singa iray enti-mamaritra ny maha mangarahara ny fifidiana iray natao ny fahafahan’ny olona rehetra te-hifidy manatanteraka ny safidiny. Marina fa tsy terena ny olona hifidy, nefa izay te-hanao izany dia tsy tokony ho very zo.

Hanainga hitety tanàna mba hanangom-baovao indray aloha ny tena, saingy hisy ihany ny ekipa hampiditra fanampim-baovao mitsitaitaika eto arakaraky ny fahatongavan’izy ireny.

Heno tamin’ny fampielezam-peo iray fa misy andian-jiolahy any Manjakandriana any manakana ny olona tsy hifidy amin’ny alalan’ny fandrahonana.

Amin’ireo birao fandatsaham-bato voatsidika androany aloha dia nilamina amin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fitsapan-kevibahoaka. Nisy ihany anefa teny an-tsefantsefany teny ny tsy fahatomombanana maro samihafa, toy ny an’ny birao tokony hifidianan’ireo avy etsy Ankorondrano andrefana: ny filohan’ny birao fandatsaham-bato mihitsy, miampy ny filoham-pokontany no sady tsy ao anaty lisitra no tsy manana kara-pifidianana. Birao mifanila aminy eo ihany no nahitana kosa fandraisana ny anaran’ireo olona tsy hita tabilao ireo ka soratana ao anaty kahie iray daholo mombamomba ireo rehetra te-haneho safidy nefa tsy hita lisitra sy sy nanana karatra. Nolazaina moa fa ho entina manitsy ny aoriana noho ny ‘hadisoana betsaka hita ao anaty lisitra nataon’ny CENI’ no antony hoy ireo teo an-toerana.Tetsy amin’ny CEG Antaninena no nitrangan’izany.

Fandraisana anaty kahie ny anaran'ireo tsy hita anaty lisitra

Zara raha nisy olona kosa ny tetsy amin’ny EPP ampitan’ny Lil’Optique Ankadifotsy tamin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana tokonyu ho tamin’ny 9 ora sy fahefany.

Tao amin’ny EPP akaikin’ny ISCAM Ankadifotsy indray dia nahitàna famezivezena natao an’ireo olona manana karatra nefa tsy mahay mamaky izay karatra izay. Ramatoa iray no efa nanomboka niakatr’afo satria nasaina nitety efitrano tsy latsaky ny 5 vao niverina indray tao amin’ilay faharoa efa nalehany mba handatsaka ny safidiny. Ankoatra izay dia be no tsy faly sy niveri-maina noho ny tsy fahitana ny anaran’izy ireo tao anaty lisitra, no sady tsy nahazo karatra.

EPP Ankadifotsy II - ISCAM

EPP Vohibola Ampandrana: Maromaro ihany ny olona tonga nanefa ny safidiny. Isan’ny tonga teny koa ireo mpanara-maso Eropeana.

EPP Vohibola

Ny fiara nitondra ireo solontena eropeana niala ny EPP Vohibola

Soamanandrariny: Nisy fifandirana nivadika ho savorovoro ka miantso mpitandro filaminana ny ao an-toerana

Alasora: Misy ny kara-pifidianana nefa tsy ao anaty lisitra

Nitetitety ny araben’Antananarivo avy eo ka ao ireo toerana zara raha misy olona mandeha eny an-dalana. Toy ny hoe andro Alahady. Ny eny amin’ny manodidina an’Analakely sy ny mankany Isotry iny kosa dia mitohy hatrany amin’ny asa fivelomany isan’andro.

Talatamaty: Tonga nanatanteraka ny anjarany ingahy Pierrot Rajaonarivelo (MDM). Fa ny tsininy dia ity, mbola nanao fampielezan-kevitra ho an’ny TSIA ihany ity heverina ho isan’ny voky traikefa amin’ny resaka politika ity. Fanahi niniana ve sa fihantsiana.

Fitsapan-kevitra mandeha, Fivelomana mandeha

Ny fanamarihana faobe azo lazaina dia ity: KITOATOA BE ILAY LISITRA SY KARA-PIFIDIANANA fa misy ny olona efa nipetraka 30 taona mahery teo amin’ny fokontany iray, ary nandray anjara foana tamin’izay fifidianana rehetra nandalo teo, nefa dia tsy tao anatin’ny afaka mifidy tamin’ity indray mitoraka ity. Ao koa moa ireo olona izay rehefa tonga tokoa ny hoe hifidy vao taitra sy namonjy birao, ka any  no nibaboka sy nilaza fa isan’ireo nandrovitra ny fanisàna nomena azy, ary ny hafa nampirina azy « natao haingon-trano » (tena io mihitsy no teny nampiasainy). Izany hoe ifampizarana ve ny andraikitra noho ny hadisoana? Sa ny an’iza no bebe kokoa?

Tsy misy ihany koa ny solontenan’ny mpampanao TSIA any anatin’ireo birao fandatsaham-bato. Mbola lavitry ny antsasa-manila amin’ny mpifidy voasoratra anarana no tonga nandatsa-bato

Fanampim-baovao (15:00) Noho iretsy tandrametaka rehetra etsyu ambony dia mahazo mifidy ireo olona rehetra tsy hita anaty lisitra nefa te-hifidy rehefa mitondra kara-panondro sy certificat de résidence, na kara-pokontany, na ny kara-pifidianana tany aloha, ary novàna ny fepetra mifehy an’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity: raha tokony ho amin’ny 4 ora dia nahemotra ho amin’ny 6 ora hariva ny fikatonan’ny birao rehetra eran’i Madagasikara.

Tsy mbola manaiky an’izay anefa ny tompon’andraikitry ny ao Tsarahonenana, kaominina Ambohidrapeto satriahono tsy mbola nahazo an’izany baiko midina izany ry zareo

Vaovao faramparany : Fihokoana manamboninahitra sy kolonely maromaro ao amin’ny tafika (BANI Ivato)

Une Réponse

  1. […] ihany koa dia nitatitra ny momba ny fitsapa-kevi-bahoaka [mg], nanamarika ny tsy fahatomombanan'ny fifidianana sy ny hadisoana amin'ny […]

Laisser un commentaire