Hetsiky ny mpitondra fivavahana (tohiny)

Hita nanatrika ny fotoana teny Antsahamanitra androany ny mpanao politika toa an-dry Mamy Rakotoarivelo sy  Rabetsitonta.

Marobe ny olona tonga nanatrika ny fotoana, ary saiky ireo mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana no nameno ny kianjan’Antsahamanitra (tonga namaly ny antso natao azy ireo omaly).

Marobe toy izany koa ireo mpitondra fivavahana, izay tsy menatra intsony maneho imasom-bahoaka ny toerana raisiny ao anatin’izao disadisa misy eto amin’ny firenena izao. Nilaza ny tsy hijanona intsony amin’ny fanaovana fampitandremana izy ireo fa hirotsaka hanao asa mihitsy amin’io herinandro io. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampiasana ny fitsarana amin’ny fomba mitanila.

Io hariva io dia nisy mpitandrina F.J.K.M nivahiny tao amin’ny TVM (tsy miombon-kevitra amin’ireo namany tetsy Antsahamanitra) niantso ny mpino F.J.K.M mba handinika tsara, ho tony sy tsy ho entin’ny fientanam-po fotsiny amin’izao antso rehetra atao izao, ka ho lasa fitaovana fotsiny ho entina hanohana foto-kevitra. Tsy natao hanohana olona, na antoko, na fikambanana, ary tsy tohanan’olona, na antoko politika, na fikambanana ihany koa araka ny teniny ny Fiangonana. Raha fintinina dia tsy tokony haneho fiandaniana fa tokony hitoetra mandrakariva ho eo afovoany sy ho mpampihavana ny fiangonana. Toa an’i Jesoa Kristy, hoy izy, izay tia an’ireo olona rehetra ireo na mpomba an’iza izy na mpomba an’iza.

Aviavy sy hentitra tokoa moa ireo mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tetsy Antsahamanitra androany hariva. Isan’ny tena mafana fo hita ao anatin’ity hetsika ity ny mpitandrina avy ao amin’ny F.J.K.M Ankadikely Ilafy

Tany am-pamaranana ny fotoana dia nentanina ny olona rehetra nanatrika teo mba hanoratra ny laharan’ny findainy amin’ny taratasy kely, adiresy mailaka raha misy, ary dia notatazana toy ny fanatitra (rakitra) izany avy eo. Ny antony dia ny hoe raha misy tokony hifanentanana sy hifampiantsoana maika (hifamoriana) noho ny mety ho fivoaran’ny raharaha, dia andefasana SMS maika be ny tsirairay, ka tokony ho vonona amin’ny fotoana rehetra (na any ampandriana aza) mba hamaly sy hiainga avy hatrany hamaly ny antso atao.

Hafa kely indray iny tetikady iny an! Fa tanan’iza no handefa ny SMS an’arivony ho an’ireo avy etsy amin’ny MAGRO amin’izay fotoana izay? Satria izy ireo no betsaka tonga namaly ilay antso?