RATSIRAKA Didier: ho avy androany, hono

Amin’ny 11 ora sy 25 mn no ho tonga eto Madagasikara raha tsy misy sampona ny filoha fahiny RATSIRAKA Didier. Mitohana ny fiara eny amin’ny faritra manodidina na dia tsy dia betsaka loatra aza ny olona tonga hitsena azy.

Fa mandra-piandry azy dia ambara etoana aloha fa nanambara ny hiala tsy ho ao anatin’ny governemanta Omer Beriziky ramatoa Rufine TSIRANANA na dia efa avy anao famindram-pahefana tamin’ny minisitra teo aloha aza. Nifanohitra tanteraka ny fanambarana nataony fony nivoaka avy tao amin’ny famindram-pahefana, sy n y fanambarana nataony teny amin’ny MAGRO Behoririka. Nahatsiaro ho voafitaka ny tenany raha ny filazany.

Fa hiverenana ny momba ny fahatongavan’i RATSIRAKA Didier: Rehefa tonga eto Madagasikara moa ity ray amandreny nitondra fahiny ity, dia hizotra hiditra ny renivohitra, ary (toa) hanao kabary etsy Anosy manoloana ny INSTAT.

Eny Ivato amin’izao fotoana ny Prof  Zafy Albet, Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina

Publicités

ESCOPOL dotè 2 nlle coordination: Fanambaràna tsy fankasitrahana ny fanitsakitsahana ny tondrozotra ataon’i #Omer Beriziky sy ny Ankolafy 3

Votoatin’ny fanambaran’ny ESCOPOL ilazan-dry zareo ny tsy fankasitrahany ny zava-miseho amin’izao fotoana izao eny amin’ny Villa La #Franchise, trano fonenan’i #Zafy Albert. Miaraka aminy ao i #Mamy Rakotoarivelo, #Monja Roindefo

1* Fandikàna ny andininy faha-6 ao amin’ny Tondrozotra izay milaza mazava fa tsy misy quota eo amin’ny fanolorana minisitra, ny fanerena ny praiminisitra sy ny filohan’ny tetezamita ataon’ny vondrona Zafy sy Ravalomanana ary Monima handray tsy misy fepetra ireo kandidà minisitra natolotr’izy ireo

2* fandikàna ny andininy faha 3 amin’io tondrozotra io ihany koa ny fanaovan’ireo vondrona Zafy sy Ravalomanana ary Monima ‘droit de veto’ hiala raha tsy tanteraka ny fitakian’izy ireo;

Koa manoloana izany, ny ESCOPOL dotè de nouvelle coordination dia miantso ny praiminisitra sy ny filohan’ny tetezamita hampihatra tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro izay voalazan’ny tondrozotra,

Tsy azo ekena ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka Malagasy, koa mitaona ny praiminitra sy ny filohan’ny tetezamita izahay  handray andraikitra avy hatrany ka hanendry ireo olona izay vonona sy efa natolotr’ireo vondrona politika maro

Ireo coordonateurs ESCOPOL nivory androany faha-17 Novambra 2011:

Le Noble Pierre, Hasimana, Brigitte RASAMOELINA, Ephraim Randrianasolo, Pascal R. ,Doudou Michel Andriamparany, Pierre Randrianantenaina,  Harinaivo Rasamoelina, Ratefinanahary Emile.

Garde à vue de Mamy RAKOTOARIVELO

Rehefa mety ho fihazonana olona, na garde à vue io, na fampidirana violon, na fampidirana am-ponja vonjimaika, dia saika mitovitovy foana no ilazan’ny Malagasy azy = Fisamborana, na Fitazonana….

Tsy hidirantsika betsaka ny mety haha-samy hafa an’ireo karazan-teny entina milaza an’izany, fa izay fomba natao tamin’ny nakàna olona iray ho entina eo anatrehan’ny manampahefana kosa no ndeha hasiana resaka.

Tsy ela fa vao omaly no nahenoan’ny rehetra fa nampanantsoin’ny DST i Mamy RAKOTOARIVELO mba hatao fanadihadiana mikasika ny resaka fanapoahan-javatra nandritra ny fandalovan’ny fiaran’ny filohan’ny HAT teny amin’ny Marais Masay.  -Lehilahy roa no niampanga sy namatotra azy ho tompon’ny iraka tamin’iny raharaha iny.

Tonga namaly ny antso izy, ary tany dia tsy niverina fa hoe voapanga. Tonga dia nanaovana fanambaràna tamin’ny haino aman-jery. Aiza ilay zon’ny olona tsy mbola voapangan’ny fitsarana manoloana ny tranga toy ireny? Satria mantsy nambara fa mbola hatolotra ny fitsarana ry zareo, izany hoe tsy mbola nisy didy nivoaka nanondro azy ho tena meloka mivantana.

Fetison Rakoto Andrianirina moa dia niteny fa ezaka ataon’ny HAT hampihorohoroana an-dry zareo ao amin’ny ankolafy 3 izao zavatra mitranga izao.

Fanehoan-kevitra iray mikasika izay no navoakan’ny MADAONLINE.NET tao amin’ny pejy Facebook-ny androany, manao hoe:

MadaOnline Net Madagascar

Dans la procédure d’enquête de Mamy rakotoarivelo, il aurait du passer d’abord par les OPJ (Officier des Polices Judiciaires) mais il a été enquêté par le Dst (Direction de la Sécurité Territoriale) une structure qui n’est pas reconnue par le tribunal. De ce fait, il a été renvoyé auprès de la brigade criminelle qui devrait (reprendre ou) valider l’enquête de la Dst et c’est seulement après qu’il a été déféré au parquet. 

De même,il n’y avait pas secret de l’instruction, le Dst a tout de suite fait une conférence de presse.

C’est pour dire que la procédure n’a pas été suivi. 

Où va t-on?

  • Andry Rakotoniaina Andriatahiana wait a minute: Le directeur de la DST, Charlie , a déclaré que la DST a demandé une délégation judiciaire pour apprécier son statut d’OPJ. C’est vrai ou pas? 

  •  

    MadaOnline Net Madagascar 

    Il est gardé à vue au niveau de la brigade criminelle (mais pas enqueté). 

    La question est pourquoi il y a eu deux (2) saisines pour une même affaire, à savoir la DST et la gendarmerie d’Ankadilalana. Qui des deux (2) entités est vraiment habilité à mener l’enquête?

    Il paraît que les aveux des deux hommes du mardi passé dans les médias ont été soutiré par des moyens de torture digne du moyen âge.

    Jusqu’où les enqueteurs pourront aller à l’encontre des principes fondamentaux des droits de l’homme?

    Les distinctions honorifiques donné par la HAT n’ont-ils pas de valeur aux yeux des enqueteurs en sachant que Mr Mamy Rakotoarivelo est au grade de Grand officier de l’ordre National Malgache?

Raha fintinina fohy amin’ny dikanteny malalaka dia toy izao manaraka izao:

Tokony ho ny OPJ aloha no nandray an’i Mamy RAKOTOARIVELO vao ny DST izay rafitra tsy nankatoavin’ny lalàna (tribonaly)…entina hilazàna izany fa tsy najaina ny rafitra antanan-tohatra…Maninona no misy fandraisana an-tanana roa samihafa main’ity raharaha toka ity, ary iza no tena mananafahefana hanao ny fanadihadiana?…Hatraiza ny fanajana ny zon’olombelona?…Aiza ny fanajana ny Mariboninahitry ny olona satria manana Grand Officier de l’Ordre Nationa i Mamy Rakotoarivelo?…

Niniana tsy nadika manontolo amin’ny teny Malagasy ny fifanakalozan-dresaka etsy ambony, satria inoako fa mora azon’ny rehetra ihany ny lalan-jotra izoran’ny resaka taterina ao anatiny. Teny ofisialy faharoa amin-tsika rahateo ny teny frantsay (mandra-paha….)

Azonao mpamaky atao ny maneho hevitra mikasika ity raharaha iray ity, ary koa ny mitsidika ny pejy Facebook-n’ny Madaonline.net

Resaka manaraka mety hotaterina aminao mpamaky eto amin’ny manaraka ny mikasika ilay vono olona niniana nataonà zanaka mpisolovava teny ambanin’Antanimora, ka nahafatesana polisy iray (rehefa voaangona ny vaovao, mazava ho azy).

IVATO 19 Febroary 2011

Vao maraina dia efa nisy ny nitanjozotra nankeny Ivato, nentanin’ny fanantenana hahita ny filoha teo aloha ho tonga eto Madagasikara. Rakotra vahoaka be tokoa ny teny amin’ny manodidina rehefa niha nanakaiky ny ora voatondro.

Nanamarika ity famoriam-bahoaka androany ity ny tsy nahitàna hoe iza no lohan’ny hetsika. Raha tsy efa tamin’ny 03 ora latsaka tsy nipoitra teny ry Emmanuel Rakotovahiny, Zafy Albert, Manandafy, ‘Satrobory’, Ramisandrazana, sy ny namany. Toy ny hoe efa nahafantatra mialoha fa tsy hisy hotsenaina, fa mba miala sarona fotsiny sisa. Ny fampielezam-peo sasany rahateo efa tamin’ny 10 ora maraina no efa nilaza fa tsy isan’ny olona tafiditra tao anaty fiaramanidina avy any Juhanesbourg ingahy Ravalomanana sy ny fianakaviany, araka ny loharanom-baovao marim-pototra voarainy (saingy tsy nambaran’iretsy mpitarika ny hetsika tamin’ireo vahoaka marobe mihitsy izany).

Tototra olona an’aliny maro tokoa ireo làlana rehetra mitondra mankany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, satria manomboka hatrany amin’ny HORIZON IVATO ka hatrany amin’ny Sampanana ambony mivoaka avy any an-tseranana raha hihazo ny faritr’i Fitrohafana iny, tsy nisy azo nodiavina. Sahirana tokoa ireo fiara nivoaka avy ao an-tseranana, na ireo izay ho any hitsena vahiny.

Henjana ny fisavana teo am-pidirana: karapanondro, entana, fiara, moto, samy tsy nisy afa-bela. Afaka nifamezivezy malalaka ihany kosa anefa ireo efa fantatra fa ‘Navette’, na fiaran’ny ADEMA, na koa an’ireo Hotely lehibe eto an-drenivohitra.

Zavatra vitsivitsy nahavaka saina no ho tsipihako manokana ato anatin’ity lahatsoratra ity

1* nasaina nankeny an-toerana ny vahoaka, saingy tsy tazana teny ny mpitarika, hatramin’ny naha maizina ny andro (Mamy Rakotoarivelo). Ry Zafy Albert sy Manandafy ary Emmanuel Rakotovahiny aza dia tsy sahy niatrika vahoaka mba nilaza tamin’izy ireo fa tsy ho avy ilay nandrasana ka tokony hiparitaka hody ampilaminana ny rehetra.

Fanavaozam-baovao 20/02 (RnM): Vaovao av amin’ny RnM no nahenoana fa nanao lahateny hampody ny olona i Mamy Rakotoarivelo ny Sabotsy 19/02/2011 nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva tany ho any

2* nafampàna ny fankahalàna mpanao gazety androany teny Ivato. Maromaro no tafara-dia tamiko tany anaty vahoaka tany, nidina ho amin’iny sampanana mankany y amin’ny Croc Farm iny. Nandeha ny rahom-bava sy ny sotasota. Tonga hatramin’ny fangaronana paosy, ary saika niafara hatramin’ny fikasihan-tànana. Niharan’izany ny namana iray avy ao amin’ny MaTV raha tsy nanaovako hevitra am-pitaka mba hisintonana azy hiala teo anivon’ireo olona efa nifanasa vangy sy nihodidina azy. Soa fa mba voarainy ny tanan’ilay vehivavy nangarona ny paosiny, ka tafaverina soa aman-tsara ny portefeuille-ny.

3* asa loatra izay tena antony fa tamin’ireto vahoaka nankahala mpanao gazety androany ireto dia tafiditra tao anaty lisitry ny lasibatr’izy ireo ny TV Plus sy MaTV androany. Somary nahagaga ahy ihany ity farany satria tsy an’iza fa an’ny fianakavian’i Mamy Rakotoarivelo. Inona no antony? Sa noho ity fahitalavitra ity  nolazaina fa namoaka ny hoe tsy tao anaty lisitry ny mpandeha amin’ilay fiaramanidina (vaovao reny tamin’ny RFI) ry Ravalomanana mianakavy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky? Notondroina fa mpamafy lainga daholo mantsy ireo mpaka sary sy mpanao gazety izay sendra azy ireo, ka sarotsarotra ihany ny nitadiavana làlana hilefana raha sanatria ka nisy ny kalao kalao.

4* tsy nety nifampiresaka tamin’ireo vahoaka tonga teny ireto mpitarika fa nisokosoko mangina niala ny toerana rehefa avy niseho tamin’ny mpanao gazety sy niandry ny fahatongavan’i Maitre Hanitra, mpisolo vava an’ingahy Ravalomanana. Zareo mitaingina ny 4 x 4, fa ireto vahoaka miandry vasoka tsy mahalala na inona na inona kosa handeha tongotra rehefa maizina ny andro. Ingahy Zafy Albert koa tsy nivoaka ny fiara nisy azy mihitsy.

5* tsy nety niresaka avy hatrany tamin’ny mpanao gazety Malagasy i Maitre Hanitra fa rehefa avy nivoaka ny fiara nisy azy dia namantana avy hatrany tao anatin’ny fiara nisy an’ingahy Zafy Albert. Avy eo dia tsy nety niresaka tamin’ireo mpanao gazety Malagasy marobe fa nampitady ilay vehivavy teratany vahiny mpanao gazety niaraka taminy efa hatrany anatin’ilay fiara nitondra azy niditra ny seranana rahateo. Nisy mpanao gazety Malagasy roa ihany anefa tafasisika afaka nahazo resaka nandritra izany.

6* Isan’izay sorena aho nahita ilay fihetsika nanavaka ny mpanao gazety sy mpaka sary Malagasy ary tsy nahatsindry fa niteny hoe:

Fa ho an’iza moa ny hafatra voalohany tokony hampitaina? Tsy ho an’ny Malagasy va re?

Deraina etoana ny firaisan-kinan’ireo mpaka sary sy mpanao gazety nandre io fanavahana io ka niara-nientana nihataka tsy handre akory izay nolazainy sy tsy nihontsona intsony tamin’izay ho tohiny tao.  Miala tsiny anefa ny tena fa nitady lava-boalavo ihany ka tafasisika hatrany anaty fiaran’ingahy Zafy Albert ihany ny tànana sy ny fitaovana, saingy toy ny mibitsibitsika ny fomba firesaka tao ka mila manongilan-tsofina tsara vao mandre izay nifampiresahan-dry zareo tao anaty fiara. Aleo dia tsorina fa be no tsy re tsara e! Rehefa vita izay noresahana tao anaty fiara vao nivoaka i Maitre Hanitra niresaka tamin’ireo ambina mpanao gazety sisa nanodidina azy teo.

7* nisy vazaha lahy iray nanaiky noraisim-peo teo rehefa avy nandeha tamin’ilay zotram-piaramanidina. Nahita ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ilehio ary nandre ny zavatra rehetra nolazain’ity farany tamin’ny mpanao gazety tany Juhanesbourg rehefa tsy afaka nandray ny sidina ho aty Madagasikara.

8* Nidehadehaka ery i Pasitera Edouard niteny tamin’ireo rehetra nanoloana azy fa tsy maintsy tonga amin’ity andro ity ary tsy hamitaka an’ireto vahoaka marobe tonga teo Ivato ireo i Marc Ravalomanana. Ny rehetra manotany azy anefa amin’io efa tapitra mahalala fa tsy tafakatra tao anaty fiaramanidina ny olona andrasan’ny maro. Mba vaovao taiza re no loharano narahany e?. Vita moa izay teny fohy nataony izay dia nasain’ny mpitandro filaminana niala ny toerana izy.

Manomboka eto dia hampakatra tsikelikely ny sary sy foe ho anao ny Gazety_Adaladala koa manaova ‘Refresh’ matetitetika fa arakaraky ny hiakaran’ny lahatsary ao amin’ny Youtube no ipetrahan’ny rohy etoana koa.

Ireo olna eny amin’ny làlana midina mankany amin’ny seranam-piaramanidina:

Eo mabny kelin’ny vavahady fidirana mankany amin’ny seranana:


Resaka niarahana tamin’ingahy Emmanuel Rakotovahiny:

Resaka nifanaovan’ilay mpanao gazety vahiny niaraka tamin’i Maitre Hanitra tamin’ireo olona naneho ny tsy hafaliany:

Mbola resaka tamin’ingahy Emmanuel Rakotovahiny indray:

Pasitera Edouard mbola tsy mety mino fa ho tsara petraka ny rehetra, na dia efa dila ela aza ny ora nomena. Ireo mpitarika tonga talohany anefa efa nitady lalam-poza hijaikojaikoana hody:

Ilay resaka nataon’i Maitre Hanitra tao anaty fiaran’ingahy ZAFY Albert, ary nanilihana ny mpanao gazety Malagasy ka niteraka fahasorenana ho an’ireto farany:

Resaka nifanaovana tamin’ingahy Peter Sullivan, seraseran-dRavalomanana:

Resaka nataon’i Maitre Hanitra rehefa noheveriny fa tonga ny fotoana tokony hanomezana haja ny mpanao gazety  Malagasy sisa nanaiky handray feo azy:

Azonao tsidihana ihany koa ny kaonty Flickr raha sary tsotra fotsiny no hojerena.

Hetsiky ny mpitondra fivavahana (tohiny)

Hita nanatrika ny fotoana teny Antsahamanitra androany ny mpanao politika toa an-dry Mamy Rakotoarivelo sy  Rabetsitonta.

Marobe ny olona tonga nanatrika ny fotoana, ary saiky ireo mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana no nameno ny kianjan’Antsahamanitra (tonga namaly ny antso natao azy ireo omaly).

Marobe toy izany koa ireo mpitondra fivavahana, izay tsy menatra intsony maneho imasom-bahoaka ny toerana raisiny ao anatin’izao disadisa misy eto amin’ny firenena izao. Nilaza ny tsy hijanona intsony amin’ny fanaovana fampitandremana izy ireo fa hirotsaka hanao asa mihitsy amin’io herinandro io. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampiasana ny fitsarana amin’ny fomba mitanila.

Io hariva io dia nisy mpitandrina F.J.K.M nivahiny tao amin’ny TVM (tsy miombon-kevitra amin’ireo namany tetsy Antsahamanitra) niantso ny mpino F.J.K.M mba handinika tsara, ho tony sy tsy ho entin’ny fientanam-po fotsiny amin’izao antso rehetra atao izao, ka ho lasa fitaovana fotsiny ho entina hanohana foto-kevitra. Tsy natao hanohana olona, na antoko, na fikambanana, ary tsy tohanan’olona, na antoko politika, na fikambanana ihany koa araka ny teniny ny Fiangonana. Raha fintinina dia tsy tokony haneho fiandaniana fa tokony hitoetra mandrakariva ho eo afovoany sy ho mpampihavana ny fiangonana. Toa an’i Jesoa Kristy, hoy izy, izay tia an’ireo olona rehetra ireo na mpomba an’iza izy na mpomba an’iza.

Aviavy sy hentitra tokoa moa ireo mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tetsy Antsahamanitra androany hariva. Isan’ny tena mafana fo hita ao anatin’ity hetsika ity ny mpitandrina avy ao amin’ny F.J.K.M Ankadikely Ilafy

Tany am-pamaranana ny fotoana dia nentanina ny olona rehetra nanatrika teo mba hanoratra ny laharan’ny findainy amin’ny taratasy kely, adiresy mailaka raha misy, ary dia notatazana toy ny fanatitra (rakitra) izany avy eo. Ny antony dia ny hoe raha misy tokony hifanentanana sy hifampiantsoana maika (hifamoriana) noho ny mety ho fivoaran’ny raharaha, dia andefasana SMS maika be ny tsirairay, ka tokony ho vonona amin’ny fotoana rehetra (na any ampandriana aza) mba hamaly sy hiainga avy hatrany hamaly ny antso atao.

Hafa kely indray iny tetikady iny an! Fa tanan’iza no handefa ny SMS an’arivony ho an’ireo avy etsy amin’ny MAGRO amin’izay fotoana izay? Satria izy ireo no betsaka tonga namaly ilay antso?

Nilamina ny fandraisana ny taona 2010

Marina fa ny tany tsy ilaozan’adala, kanefa kosa na dia izany aza dia azo lazaina ho tao anaty filaminana 99.99% no nandraisana ny taona vaovao 2010. Eny fa na dia teo aza ny tenin’ny mpanao politika sasany hoe ‘Tsy misy fety izany eo’.

Niantso an’i Andry Rajoelina hiverina an-databatra boribory ingahy Mamy Rakotoarivelo

Nasehon’ny Malagasy fa hainy tsara ny mifanaja rehefa tonga ny tokony hanehoana an’izany, ary tsy ny mpanao politika foana no tompony sy mpandidy ny fiainany. Enga anie mba ho raikitra lalina ao anatin’ny foto-pisainana Malagasy izany.

Nisy moa ny mpaminany vavy Shaberah nilaza ny tsy mbola hilaminan’ny raharaha politika ato ho ato, sy ny hisian’ny zava-tsy ampoizin’ny maro (indrindra fa ireo mpanao politika), nefa ny ahy dia tsotra ihany: Andriamanitra no antsoy, izy no ivavaho, fa ny vavaka manova zavatra. Nefa aoka tsy ho vavaka masirasira, fa ho tena anaty finoana (arakarak’izay finoana misy anao).

Efa mba somary miha-malalaka ankehitriny ny arabe, na dia tsy tena mbola afaka tanteraka aza ireo mpivarotra nibodo azy ireny.

Koa manantena ary isika rehetra, araka ireo fiteny Malagasy maro, ka isan’ireny ny hoe ‘Valim-piakarana, fidinana, Aorian’ny haizina, ny mazava, …’ ,fa mba hahita vokatra soa ao anaty filaminana eo am-panatanterahana ny asa aman-draharahany ny tsirairay, ho taona zina sy taom-pahombiazana anie ny taona 2010  an’i Madagasikara.

Mba tsy hatahotra hanova intsony anie ny Malagasy, ka hitady sy hampiasa ny fomba vaovao mety hahitana vokatra sy hampitombo izany haingana ny tantsaha, fa tsy hifikitra lava amin’ny nentim-paharazana lava izao. Na ny vahoaka hitny foana fa hoe ‘aleo ny eo ihany no eo , fa izay tonga eo toa mitovy foana ihany e!’ Sahia manao dingana, hoy ilay rangahy izay.

Madagasikara/Maputo: tafaverina ireo firehana telo

Taorian’ny valan-dresaka nifanaovan’ny mpanao gazety sy ny filohan’ny tetezamita teny Iavoloha ny Alarobia alina teo, dia nahazo alalana hody ireo firehana (mouvances) telo tavela tatsy Afrika Atsimo, taorian’ny fihaonana nataon’izy ireo tatsy Maputo, Mozambika.

Ny solombavambahoaka TIM RATSIMBAZAFY Heritafika no nisantatra ny fahafahana mody an-tanindrazana. Mba hahafahany mandevina an-janany vavy. Notsenain’ireo mpomba ny firehana telo moa izy tamin’ny fahatongavany teny Ivato.

Nilaza ireo solontenan’ny firehana nijanona teto Madagasikara fa tsy hasiana resaka be ny fitsenàna ireo hiverina an-tanindrazana, mba ho fitsinjovana ny filaminana mandritra izao fety izao. Voamarika ihany na izany aza fa rakotra olona ny Toby fiantsonan’ny fiaramanidina eny Ivato, ary ahitana mpitandro filaminana maro ihany koa eny rehetra eny. Isan’ny hita eny an-toerana ny Commandant ROGER LUC.

Ny arofenitra avy etsy Mahazoarivo dia hita eny koa (hitsena an’ingahy MANGALAZA!), toy izay koa ny arofenitra avy eny amin’ny Kongresy (hitsena an’ingahy Mamy RAKOTOARIVELO), ankoatra izany dia ireo mpomba sy mpikambana maro avy amin’ireo firehana telo ireo.

Tonton AMBROISE kosa anefa etsy andanin’izay dia manao fanamby (défi) amin’ingahy Andry RAJOELINA mba hanao fifanatrehana mivantana ao amin’ny TVM sy ny RNM amin’io herinandro mitsidika io. Tsy ekeny, hono, ny hoe hasiana ‘trève politique’ izany, tsy ekeny ny hisian’ny fifidianana, raha toa ny vahoaka mbola mijaly sy noana. Fanambaràna nataony io androany raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy. Nolazainy moa fa tsy noho ny fetin’i Jesosy no tokony hisian’ny fitoniana, satria izany fetin’i Jesosy izany efa misy foana isan-taona, araka ny teniny. Koa asa na fotoanan’izany fifanatrehana izany tokoa izao, na mba mendrika ny hiaina fety milamina sy handray taona vaovao ao anaty fahatoniana aloha ny vahoaka. Ny mahafaly ahy hatreto dia ity: sarotra ampiadiana ny Malaagasy. Tsara raha mitohy…

Niantsona eny Ivato izao amin’ny 3 ora tolakandro izao izany ireo olon’ny firehana tavela tatsy Afrika Atsimo. Ny minisitra Afrika Tatsimo misahana ny raharaha ivelany moa no nikarakara sy nanao izay hahatontosa ny fampodiana azy ireo, raha ny resaka nampitaina.

Fanampim-baovao: tsy tafiditra tao amin’ny salon d’honneur fa tao amin’ny fidiran’ny zotra iraisam-pirenena ireo delegasiona nahitana an’i  ZAFY Albert, Ange RANDRIANARISOA, RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison

Tsy nisy ny fanambarana niarahana fa rehefa tonga dia samy nandeha namonjy ny fiarakodia niandry azy tsirairay avy.

Andrasana moa izany izay mety ho fanambarana iraisana hataon’izy ireo rehefa tonga aty afovoan-tanàna.

Nitondra sora-baventy fiarahabana azy ireo tonga soa ireo olona maro nitsena sy niandry fanambarana avy amin’izy ireo.