Madagasikara-Mali-AQIM (AQMI)

Vao maraina io dia nitetitety tranonkala aho ka nahita lahatsoratra iray miresaka momba an’i Madagasikara tao amin’ny Global Voices Online tamin’ny teny anglisy.  Miresaka momba ny fakàna takalonaina sy ny fandoavana tamby ara-bola ho famotsorana azy ireny ilay lahatsoratra. Ao anatiny ao dia ahitàna ihany koa ny hoe ireny fandoavana tamby ireny no vao mainka manome vahana sy mampihodina ny orinasan’ny fampirohorohoana.

Mametra-panontaniana ny ami’izay fomba mety hatao hamongorana ny asa fampihorohoroana ataon’ny AQIM  (na koa AQMI) ao amin’ny faritr’i Sahel ireo rehetr amaneho havitra ao anatiny, no sady manahy sao ho lasa paradisan’ny mpampihorohoro iny faritra iny rahat sy misy ny fiaraha-miasa, na ara-tafika io , na amin’ny lafiny hafa, ho famongorana azy ity, tsy ho lasa vesatra mitambaby amin’ny Afrika sy ny fizahantaniny.

Voasoritra ao anatin’ilay lahatsoratra ihany koa ny maha-vato misaka aazy ity amin’ny fandrosoan’ny Tanibe Afrikana.

Isan’ny antony tena itrikitrihan’ny mpaneho hevitra sasany ao anatin’io lahatsoratra io ihany koa fa ny tena mampiroborobo ny asa fampihorohoroana dia ny fitomboana tsy mitsahatry ny tahan’ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra aty Afrika. Manamora ny fandrabirabiana sy fitaonan’ireo vondrona mpampihorohoro ny olona izany mba hokaramaina hanao asa mamoafady.

Nandalo krizy i Madagasika, betsaka ny ray aman-dreny no tsy afaka nandefa intsony ny zanany ho any an-dakilasy, na nahenan’izy ireny ny isan-janany miditra ny varavaran-tsekoly. Dia sanatria ve ho latsaka anatin’ny sangidina mahafanina toy izany koa isika?

Fampahatsiahivana: Teratany avy any France, Togo ireo takalonaina resahan’ny lahatsoratra. Ary iray avy eto Madagasikara. Miasa ho an’ny orinasa Frantsay mpitrandraka uranium AREVA, sy ny SATOM any Niger

Hita amin’ny teny Frantsay, Anglisy ary Malagasy ilay lahatsoratra

Laisser un commentaire