Tana MiBlaogy andiany faha-5

Raha tsy dia nahataona namana firy tamin’ny andiany voalohany – araka ny filazan’ireo zoky amin’ity raharaha ity- dia maro be kosa ireo tonga nanotrona sy nifampitafa tamin’ity Tana mi-blaogy andiany faha-5 ity tao amin’ny Phi Quest Café.

100_0207

Tsy ny mpitoraka blaogy irery ihany fa hatramin’ny mpi-surf tsotra aza dia nisy ihany koa tonga tao.

Ho an’ireo efa matihanina amin’ny fitorahana blaogy dia nahitana karazana firehana marolafy: ao ny mpikirakira ny resaka fialamboly toy ny sarimihetsika, ao ny miresaka ny fanapariahana ny ‘destination Madagascar’, ny mivaofy ny raharaham-pirenena, ny mpampahalala ireo hetsika maro miseho eto amin’ny tanàna, sns… Nahitàna ny karazana lafika maro fampiasa amin’ny tontolon’ny blaogy koa tao. Noventesina tao ohatra ny WordPress, ny Blogspot, Blaogy.com, sns.. Tsy adino tamin’izany koa ny Facebook sy ny toa azy. Natsipy tao koa ny resaka Lojban, ny Identica sns….

Tanaty firahalahiana tanteraka no niarahana nitafa sy nifampizarana fomba fijery teo ambony latabatra; tsy nisy ny fihafahafana fa na izay vao voalohany no mba nihaona aza, dia tafiditra tanteraka tao anatin’ny fianakaviamben’ny Tana mi-blaogy.

Raha tamin’ny 4 ora folakandro teo no nanomboka ny tafa, dia tamin’ny 8 ora alina tany ho any vao nisaraka ireo tavela farany tao.

Amin’ny fotoana toy ireny dia tsy mampaninona velively ny tsirairay ny mitantara ny zavatra rehetra – hatramin’ny fiainana ankapobeny ka hatramin’ny fiainana manokana – (izay tianao ihany no atao, hihihi)

Fa isan’ny nampiavaka manokana ity andiany faha-5 ity ny fisian’ilay sary famantarana manokana (vao novidiana tamin’io andro io ihany an! ary tsy nomanina koa fa teo vao nifandrombahana hoe ‘io no maskôty’)

bobsipaonjy

Tsy nifampitsitsiana ny ‘fifanalàna’, nefa kosa tsy nisy ny nihoa-pefy. Teny an-tsefantsefany teny koa dia mandeha ihany ny dokam-barotra isan-karazany ho an’izay te-hanao izany (tsy misy voarara afda-tsy ny ompa mivantana mantsy)

Miala tsiny raha tsy hanonona ny anaran’ireo rehetra izay tonga tao fa matahotra aho sao misy adino, ka halahelo. Maro be mantsy zalahy sy zavavy tao ireny ka mety misy latsaka ny anarana dia manjary ananan-tsiny.

Ho ela velona ny TANA MI BLAOGY, Ho ela velona ny fiaraha-mientan’ny mpikirakira aterineto.

Miandry ny andiany manaraka indray.

100_0184

10 Réponses

  1. […] les participants pensaient qu’il s’excusait de son retard. Lisez ce que Mamy pense de Tana Miblaogy 5. – tattum (tattum.canalblog.com) qui aimait bien raconter l’origine du tana miblaogy et […]

  2. nahafinaritra ny fiarahana sy ny fizaranao ny tsara ho fantatra momba ireo mahazo anao rehefa mitady ireo vaovao apetraka eto @ gazety adaladala e

  3. dia mankasitraka hatrany ny tatitra e!

  4. toa efa re foana le hoe nahafinaritra lay fiarahana fa tsy maninona fa dia ho lazaiko ihany satria dia izay tokoa.
    Nahafinaritra be ry zalahy a
    « Ho ela velona ny fiaraha-mientan’ny mpikirakira aterineto », marina zany

  5. […] Avylavitra: Tana MiBlaogy andiany faha-5 […]

  6. Ny bloggers eto amin’ny tanana kay tonga de manal’azy be daholo lool mlay ka 😀

  7. Oay lety e, tena taraiky kely izahay izany izahay.

  8. tena COOL ny fiarahana fa tohizo foana e

  9. […] ———————————————-Lisez également Antananarivo miblaogy vu par:SaveoursmileAriniaina Avylavitrar1lita […]

Laisser un commentaire