Filoha, Tsy filoha

Dia tonga maro namaly ny antso teny amin’ny 13 mai indray ireo mpomba an’i Andry Rajoelina androany. Talohan’ny nahatongavako teny dia nisy fiara 4 x 4 nisosososo nisongona ny scooter-ko teny an-dalana, hay ireto izy handeha handrava teny amin’ny 13 mai. Niditra an-keriny teo an-kianja hono ireo ary naka an-keriny fitaovana sy seza teo amin’ny 13 mai. Tsy ny rehetra anefa no lasa ary tsy nahaleo ny herin’ireto mpanohana an’i Andry kao ry zalahy ka lasa nandeha nirifatra nandositra.

Nanomboka teo dia tsy nisy nataoko afa-tsy ny naka sary sisa rehefa tonga teny an-toerana. Teny no nandrenesana ny hafatra avy amin’ny EMONAT (araka ny Radio VIVA) fa nilaza ry zareo hoe tsy avy amin’ny EMONAT ireny olona nanao barofo teny an-kianja ireny.

Nifandimby niteny teo ireo mpianatra, mpiasam-panjakana, solotena isam-paritra, sendika, senatera, sns… Satria tokoa nisy senatera sy olom-boafidy tonga teny ary nanao samboady mihitsy.

Notanisaina teny an-kianja daholo androany ireo teboka efa ho folo lazain’ireo mpomba an’i Andry fa fanitsakitsahana lalampanorenana nataon’Atoa Ravalomanana Marc, ka tafiditra ho isan’ny tena antony azo analana azy amin’ny toerany, ka isan’izany ny resaha ‘haute trahison’ momba ny fanafarana mpikarama an’ady hamono ny taranaka Malagasy, ny fanaovana fanavakavahana ara-pinoana sns….

Teny ampamaranana ny fotoana, rehefa ela no niandrasan’ny vahoaka azy, dia nivoaka ihany ilay fanambarana lehibe nataon’i Andry Rajoelina, ka nanabaràny fa izy ny mitondra vonjimaika ny tetezamita, ary manome baiko sy mitantana ny raharaha rehetra. Nisy ny fanaingany ny tafika sy ireo ministera isan-tokony mba hanaraka ny baikony.

Mifanome fotoana eny indray ny rehetra amin’ny Alatsinainy amio,’ny 10 ora maraina. Nilaza izy fa mandra-pahatongan’ilay governemanta tetezamita, dia angatahana ny Ministera sy ny biraiom-panjakana rehetra tsy hisy hivoha intsony.

Fa teny an-tsefatsefany teny dia mbola misy ihany ny gaigy sahy misangy vahoaka. Nisy tovolahy iray tratra nitondra basy tao anaty vahoaka tao, ka nosamborina. Rehefa natao ny fanadihadiana dia ‘basy kilalao’. Saingy inona no antony nitondrana sy nanehoana izany teny anivon’ny olona marobe teny. (hadalàna ny azy). Voalaza teny ambony lampihazo koa fa nisy fiara nizara vola tao ambadimbadika tao (nolazaina teny hatramin’ny laharan’ny fiara mihitsy), ary tany Ambodifilao tany, taorian’io fizarana vola io dia efa nisy vondron’olona nanomboka nitangorona tsy fantatra hoe hanao inona. Notondroina avy hatrany ho ireo ‘casseurs’ moa ireny. Ary niantsoan’ny teny ambone sehatra ny mpitandro ny filaminana mba hijery izany akaiky.

Raha mijery ny canal misy ny TVM sy ny sary alefan’ny MBS kosa ianao rehefa tonga aty an-trano, dia sary mitovy no mandeha ao. Isaky ny 15 na 30 mn eo dia ny hafatra avy amin’ny mpitondra no mandeha ao, ary fampilazana fa hampiasa hery raha ilaina. (araka ilay commandant vaovaon’ny Gendarmerie: Pili Gilbain). Rehefa nanontaniana ny mpiasa tao amin’ny TVM dia nilaza fa tsy fantany na ny toerana iaingan’ilay sary mivoaka ao amin’ireo fahitalavitra roa lazaiko etsy ambony ireo. Izany hoe piratage no zavatra misy. Saingy tsy fantatra hoe aiza no misy ilay foibe andefasana azy. Ary teknisian’ny MBS no mandefa azy. (s: Johary Ravaojanahary). Dia sanatria ve hiverina indray ny resaka taloha ‘pensée unique’, hoy i Ismael Razafinarivo izay, ao amin’ny Radio Antsiva FM 97.6 ao.

Rehefa vita moa ny fihaonana teny amin’ny 13 mai dia nasaina nirava am-pilaminana ny rehetra, ary dia nilamina tokoa hatramin’ny fotoana nidirako ny varavaran-tranoko.

Fampitam-baovao ho anao no nataoko, koa aza maika ny handoko ahy ho itsy na iroa. Misaotra

Raha te-hijerijery sary moa dia any amin’ny flickr any ry zareo rehetra no nivahiny androany.

Manolotra fisaorana manokana ho an’ireo namatsy fitaovam-piasàna ahy  ny tenako. Dia i Boaikely izay nahafahako naka sary hatramin’ny ela, ka hatramin’izao.

4 Réponses

  1. […] reported by Avylavitra (who posted pictures on his flickr account as well) : “Notanisaina teny an-kianja daholo […]

  2. […] ny no taterin'i Avylavitra (sy ny sary nalainy mivoaka ao amin'ny flickr ) : “Notanisaina teny an-kianja daholo androany […]

  3. […] relata Avylavitra [mg] (que também publicou fotos em sua conta no flickr): “Notanisaina teny an-kianja daholo […]

  4. […] doniesień Avylavitra, (który również opublikował zdjęcia na swoim profilu […]

Laisser un commentaire