Novakian’ny fanjakana sy nalainy an-keriny ny emetteur TV VIVA teny Ambohimitsimbina

Vaovao vao mafana be androany ny fidirana an-keriny nataon’ireo kolonely 5 miaraka amin’ny ao amin’ny Ministeran’ny Fifandraisana ary solontena avy ao amin’ny TVM ny teny amin’ny trano misy ny emetteur an’ny VIVA TV teny Ambohimitsimbina tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo. Nentin’izy ireo an-keriny nanaraka azy ireo kojakoja samihafa mampandeha izany TV VIVA izany, izany rehetra izany dia tsy nisy taratasy filazana na fahazoan-dàlana (ordonnance, araka ny filazan’ni Rolly Mercia azy).

Izany hoe tsy manaiky ny hilefitra sy hamoritra tanan’akanjo mihitsy izany ny fanjakana RAVALOMANANA Marc, ary tsy manaiky velively hiatrika ny ‘réalité’, ny kiakiakam-bahoaka sy ny tena zava-misy.

Ny vahoaka no nihiaka ny hamohana teo noho eo ny VIVA TV, ka dia ny fanjakana no nialoha lalana rehefa mba nampiandry am-pilaminana ny vahoaka ho amin’ny Alarobia i Andry RAJOELINA.

(ny tantara dia mbola hitohy….)

*** Loharano : Radio Antsiva sy VIVA ***

17h Dago: Misy koa ny fandraofana ny findain’ireo mpiasa tao. Hiditra mivantana amin’ny fampielezam-peo rehefa avy eo ny Ben’ny tanàna Andry RAJOELINA

17h08 Dago:
Mpanao gazety:ahoana no fandraisanao ny fihetsiky ny fanjakana?
Andry RAJOELINA: …mitohy ny fanitsakitsahana ny demokrasia…miroso amin’ny jadona ny fanjakana…manampin-tsofina amin’ny feon’ny vahoaka…Manainga antsika rehetra vahoaka hiara-hanohitra ny tsy rariny…hiaro an’izany fananana izany….Tsy fitaovam-panjakana akory ireo….fanapenam-bava ny olona tsy haheno vaovao marina…Miantso ny vahoaka rehetra hirohotra ho eny amin’ny Radio VIVA Ambodivona sy ny emetteur Radio Ambohimitsimbina hiaro izany mba tsy hahafahan’izy ireo haka izany koa

Mpanao gazety: …fanaovana zinona sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka marobe tonga teny Ambohijatovo izao fihetsika feno avona ataon’ny fanjakana izao…Miantso ny vahoaka hanao Andrimasom-pokonolona ny Ben’ny tanana mba ho eny Ambodivona. Miantso koa ireo tompon’andraikitra samihafa isan’ambaratonga mba tsy hanaiky ny baiko mifanohitra amin’ny rariny sy ny hitsiny…

17h 23: nilaza ny vaovao tamin’ny VIVA Radio fa efa mangorona entana koa ny MBS eny Anosipatrana. Tsy fantatra aloha izay antony. Fa raha ny antso nataon’i Andry dia ny ho eny Ambodivona no niantsoany ny olona fa tsy ho any Anosipatrana.

17h34: tonga ao Ambodivona ny vahoaka manao andrimasom-pokonolona ary entanina hiditra ao anaty trano am-pilaminana sy hanaraka ny fandaminana
Entaniny ihany koa ny vahoaka hanao Andrimasom-pokonolona eny amin’ny Radio Antsiva izay mampita tsy miato ny vaovao ho an’ny vahoaka. Sao koa, hono, misy ny fampiasana fahefam-panjakana hanakatona izany onjam-peo izany. Mifampitsaka sy mifandrefy amin’ny vahoaka mantsy, hoy izy iero, ny fanjakana ankehitriny

17h48: Handao kely anareo aloha ny mpanoratra fa handeha hanara-maso ny eny Ambodivona sy haka sary dieny mbola misy fitaovana azoko ampiasaina e!

18h
Feno olona manoloana ny toby fanodinana herinaratra Jirama Ambodivona amin’ny lalana miditra any amin’ny VIVA. Vonona hiaro ny Station sy hanao ny tsy mandrimandry

18h45: niainga ho any Ambodivona aho

20h01: tonga avy any aho. Marobe [anjatony] ny olona no tonga namaly ny antso. Tonga teny koa ny ben’ny tanàna ary nikabary fohy. Namerina ny fangatahan’ny vahoaka sy nanamafy izany. Ireo vahoaka kosa dia nidradradradra ny tokony hanalàna koa ny Minisitry ny Angovo, noho ny fanapahana [izay heverin’izy ireo fa fanahy iniana atao] amin’ny herinaratra, nandritry ny fotoanan’ny vaovao tokony hojeren’ny olona tamin’ny fahitalavitra TVM. Tsy teto Antananarivo ihany raha ny re no nisy io fahatapahana tamin’ny ora mitovy io fa hatrany Ambatondrazaka sy Toamasina koa dia naharaisana feo mikasika izany.
‘Vonona izahay na dia hisy faty olona aza et’, hoy ireo olona marobe tonga teny Ambodivona androany alina. ‘Tsy misy manaiky izay fisamborana, fa aleo hifampitady’, ‘Tsy mila karama izahay fa hiaro anao, sy hiaro ny feon’ny vahoaka’; isan’ny teny noventesin’ireo olona ireo izany ankoatra ny hira MADAGASIKARA TANINDRAZANAY… izay miverina matetika, eny fa na dia nandritra ny kabary fohy nataon’ny Ben’ny tanàna aza. Misy ny taratasy nolazain’i Andry RAJOELINA fa halefa ho an’ny fitondrana, ka iandrasana valiny manomboka ny Talata [hafa ilay iandrasana valinteny Alarobia, dia ny fialan’ireo minisitra roa], ary mbola namafisiny koa ny tokony hanarahan’ny vahoakan’Antananarivo ny Radio VIVA momba ny fivoaran’ny toe-draharaha. Miandry izany ny vahoaka hatramin’ny Alakamisy sy Zoma ary dia hiverina eny Ambohijatovo indray ny andron’ny Sabotsy.
Tamin’ny fahasahiana tokoa no nanambaràn’ny Ben’ny tanàna fa ‘aleo anie tsy hamaly eo, fa ho hitany ny tohiny…’
Ny olona moa te-hihetsika ‘izao dieny izao’ foana raha ny kiakiaka re teny an-toerana no taterina etoana.

Marson Evariste dia nilaza fa mijery an’Antananarivo ny faritra, ary miandry fotsiny ny ‘reussite’n-ny hetsik’Antananarivo, mba hanaovany ny anjarany any amin’ny faritra. Roa andro aorian’ny teo Ambohijatovo moa no fetra napetrany, koa asa re!!! Fa dia eo isika mahita izy;;

Farany: raha niditra ny trano aho dia nilazan’ny manodidina fa heno tamin’ny fampielezam-peo io hariva io hoe miala any ny taratasy fanafoanana ny licence nomena ny VIVA. Ary marobe koa ny olona eny Ambohimitsimbina amin’izao alina izao.

Miverina ny fahiny…

8 Réponses

  1. […] as tension between mayor Andry Rajoelina and  current president Marc Ravalomanana arises over the closing of a national TV station (mg).  Avylavitra posted photos of attendance at the meeting and Jentilisa wrote a comprehensive […]

  2. Salut,

    Merci @lay info.

    Mba ataovy a jour reh zahay fa mba te haharaka ny zavamisy.

    Ny moov zao efa tsy antenaina intsony fa dia ianareo ndray zao no hatao filamatra.

    merci

  3. […] Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana mitondra amin'izao fotoana izao noho ny fanakatonana tobim-pahitalavitra an-toerana iray (mg). Avylavitra namoaka ny sary manontolon'ny fihaonana ary Jentilisa kosa nitantara […]

  4. gazetyavylavitra.wordpress.com – cooooolest domain name)))
    ————————
    my blog: http://katepilc.lised.ru/

  5. gazetyavylavitra.wordpress.com – now in my rss reader)))
    ————————
    sponsored link: http://laurenxmos.lised.ru/

  6. yo, gazetyavylavitra.wordpress.com great name for site)))
    ————————
    sponsor: http://sudeg.ru/

  7. gazetyavylavitra.wordpress.com – now in my rss reader)))
    ————————
    ad: http://lolej.ru/

  8. yo, gazetyavylavitra.wordpress.com great name for site)))
    ————————
    signature: http://potet.ru/

Laisser un commentaire