Lyçée JULES FERRY / Ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena

Ny resaka taterina manaraka eto dia nifanaovako tamin’ireo tompon’andraikitra mpanabe ny taranaka Malagasy. Anjaranao mamaky no mitsara na araka ny tokony ho izy izay fanatanterahana andraikitra izay sa tsia.

Hatramin’ny nanombohan’ny taom-pianarana dia tsy nitsahatra ny nanontany ny zanako
mikasika ny fandehan’ny fianarany aho. Raha efa tany amin’ny Volana Septambra na Oktobra 2011 tany ho any no nanomboka ny taom-pianarana, dia isan’ny kilasy tsy mbola manana mpampianatra teny Anglisy ny kilasy misy an-janako ao amin’ny Seconde 10, Lyçée JULES FERRY Faravohitra.

Tsy nipetra-potsiny ny tena satria sady maharary no mahamenatra ilay zava-miseho. Tsy sanatria noho ny zanaky ny tena ao anatin’ilay kilasy ihany, fa indrindra indrindra, noho ireo ankizy marobe iray kilasy aminy, sy izay kilasy hafa mety mbola ho mizaka izay tsy fisianà mpampianatra izay koa.

Raha ny an’ny tena manokana mantsy, dia tsy ireharehana fa zavatra lalaoviny isan’andro ny teny Anglisy, izany hoe tsy tokony ho olana aminy velively. Izy rahateo mandika teny avy amin’ny teny Anglisy ho amin’ny teny Malagasy ho anà tranonkala goavana iray ety anivon’ny aterineto.

Nandritra izay fotoana rehetra izay ihany koa anefa dia tsy nitsahatra nifampiresaka tamin’ny alalan’ny antso tamin’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity Lyçée ity ny tena. Tamin’ireny fifanakalozana ireny no nilazany fa, na izy efa tany amin’ny Ministera ary efa kely sisa dia hivaha ny olana, na izy efa nandray dinidinika mpampianatra dimy fa tsy nisy hita ny nalehan’ireo, ary ny farany aza dia hoe efa misy ‘décision’ manendry mpampianatra ao aminy, nalefan’ny Ministera, fa ilay mpampianatra no tsy mbola nipoitra hatramin’izao. Volana Martsa 2012 isika izao.

Isak’izay avy mifampiresaka aminy ny tena dia mba miandry mandritra ny fotoana azo lazaina ho tsy lava, nefa koa tsy fohy, miandry vokatra. Dia miverina mampahatsiahy avy eo. Tsy teraka anefa Ambatobevohoka, ary dia nisasaka ihany ny taom-pianarana.

Tsy vitan’ny nifampiresaka fotsiny no natao, fa mba nandroso soso-kevitra koa. Isan’izany ny nandrosoan’ny tena ny amin’ny hoe

‘Maninona moa raha ny mpampianatra efa ao an-toerana no mba alamina aloha (système de rotation) , mandra-piandry izay ho vahaolana aroson’ny Ministera?’

na koa ny hoe

‘Maninona raha mba tapahana kely aloha ny an’ireo kilasy efa nahavita nanaraka fampianarana hatrany am-piandohan’ny taona, ka mba asaina manenjika sy manavotra ny tsy ampy amin’ireo kilasy tsy mbola nanana izany mihitsy kosa ireo mpampianatra eo amin’ny Lyçée ?’

Tsy mbola nivaha hatrany ny olana.

Ny tsihy anefa, hono, no fola-mandefitra, nefa koa rehefa tsy miteny sy tsy mihetsika dia toy ny vatolampy be, ka anaovan’ny vorona maloto. Tsy sanatria anefa vatolampy, na ireo ankizy tsy afa-manoatra ao amin’io toeram-pianarana io, na izahay ray sy reny mampiana-janaka ao, ka nanapa-kevitra hitondra ny fifanakalozan-dresaka ho amin’ny sehatra avoavo kokoa.

Nilaza tamin’ny tompon’andraikitra ary ny tenako fa mieritreritra ny hitondra mpanao gazety miaraka amiko, hifanatri-tava aminy, ary nangataka azy mba hanome fotoana hahafahana mitafatafa. Dia nanaiky izy tamin’ny voalohany, saingy minitra iray monja taorian’izay dia nilaza indray izy fa tsy afaka hanatanteraka ilay tafatafa, satria mbola manana ny lehibeny, ka mila miresaka any aloha, sady nanondro ny andron’ny 29 Febroary ho andro hanomezany ny valinteny. Tsy niandry ny andro 29 Febroary ho tapitra ny tena vao hiandry valiny, fa vao maraina dia nandefasana hafatra fohy izy ho fampahatsiahivana, ary dia namaly tokoa, izay isaorana azy manokana etoana, ka tao anatin’izay no nilazany fa miandry ahy ny solotenam-panjakana, eny amin’ny AGENAT, varavarana faha-33 (nosoratany tao anatin’ilay hafatra ny anaran’ny tompon’andraikitry ny Ministera nolazainy fa miandry ahy). Ary dia nivantana tany avy hatrany ny tena. Sady amin’ny maha-ray mampiana-janaka, no amin’ny maha-olona liam-baovao ihany koa no nandehanana namonjy ilay fotoana nomena.

Toy izao ary ny vokatry ny dinika tany :

Mr. L: Ilay problème-nao ve problème noho ny tsy fahampian’ny prof d’Anglais ao amin’ny Lyçée JULES FERRY, sa tsy fisian’ny prof d’Anglais ho an’ny kilasy Seconde 10 misy ny zanakao?
Izaho (RR) : tsy problème ho an’ny zanako fotsiny […] fa ny problème-ko dia lasa victime ao anatin’ilay tsy fahampiana mpampianatra ny ankizy rehetra iray kilasy ao amin’ny Seconde 10 , ankoatr’izay kilasy hafa tsy fantatro, nefa ny taoam-pianarana ity efa misasaka […] tsy ny ho an-janako irery no eritreretiko, fa raha ny ho an-janako dia vitako izay […] fa ilay ankizy be dia be miaraka aminy, manakory? Ny fotoana mandeha ihany, ny ankizy miahiahy daholo […] manahirana, tsy fantatro, fa ohatry ny biby fampitahorana ho an’ny ray aman-dreny ve ny miditra birao sa ahoana? […]

Mr L: Marina aloha izany e! […]– ianao anie na mitondra mpanao gazety aza tsy mampaninona ahy mihitsy e, satria ny antony dia misy communication tsy mandeha […] lasa miteraka fiahiahiana, miteraka zavatra hafa, ka ny fipetrany dia izaho no miandraikitra ny personnel any amin’ny Lisea..fantatro tsara izany ny problème mahazo ny Lyçée.

Ny ataontsika hoe règle Generale mihitsy amin’ny Lyçée, amin’ny ankapobeny ny Lyçée eto Madagasikara dia tsy ampy mpampianatra[…} indrindra indrindra moa fa nanomboka tamin’ny herintaona na roa taona lasa izay, dia nisy fiovan-drafitra somary nahery vaika ihany teto tamin’ny nanokafana ireny, ny filaza azy moa, Lyçées communautaires,[…] be dia be …nitsangana ara-panjakana, ka ny adidinay eto rehefa misokatra ara-panjakana ilay sekoly, ny adidinay eto amin’ny DRH dia ny manisy mpampianatra any amin’ireny sekoly ireny, mi-repartir ny mpampianatra […]

Fomba roa no fandefasanay ny mpampianatra any amin’ireny sekoly ireny: na ny mpampianatra efa misy ao no ataonay izay hisian’ny repartition, na rehefa misokatra ny recrutement, dia jerenay manokana [prioritaires] ireny vaovao vao nisokatra ireny. Ka marihako tsara eto, fa ireny lyçée ireny dia prioritaire, ary ny zavatra mitranga rehefa avy eo, rehefa misy ny recrutement, matetika izany ny lyçée ety an-drenivohitra ety, tsy ny ety ihany fa na ny any amin’ny chef lieu de faritany aza, tsy dia mihetsika firy loatra izahay fa mameno an’ireny [Lyçée vao naorina]. Ny antony dia zavatra tsotra fotsiny , ilay poste budgetaire izay zarain’ny Finance aty amin’ny Ministera tsirairay avy dia vitsy kely, tena kely par rapport amin’ny besoins izay exprimés-n’ireny lyçées ireny.

Noho izany, amin’ny fipetrak’izay zavatra izay, na izahay izao koa aza, entre le marteau et l’enclume, ny antony itenenako an’izay dia zavatra tsotra fotsiny, matoa misy Lyçée misokatra matetika, misokatra ara-panjakana an, dia tadidio tsara, matetika an, ary presque régle générale ihany ilay izy, dia voalohany indrindra misy olona lehibe izay ao ambadika ao. Ny tiako hotenenina amin’ilay hoe olona lehibe an, dia ‘un homme politique’, na izy izany CST, na izy président an’izao na izao, mihevitra hoe ity tanindrazako ity an, sy ny rehetra rehetra an, hanokatra lyçée eto aho, na dia tsy mitombina aza ilay izy du point de vue technique – satria ny fanokafana lyçée taloha dia mbola nisy etudes be dia be mihitsy natao, ohatra hoe, aiza ny lyçée faran’ny akaiky indrindra, firy ny isan’ny CEG manodidina, firy ny isan’ny EPP manodidina, ahoana ny taux d’achevement an’ireo any amin’ny classe de 3ème sy ny rehetra rehetra any, afaka ve ireo hahavatsy an’ilay lyçée izay eritreretina hosokafana? – Raha misokatra aza iny lyçée iny, mbola misy espace de 2 à 3 ans hanaraha-maso hoe mahavatsy tsara an’ilay école, izay vao tena misokatra ara-dalàna sy amin’ny fomba ofisialy .

Izany hoe fanokafana lyçée izany dia zavatra tsy moramora, fa tato ho ato ny fanokafana lyçée lasa politika, tsy afeniko mihitsy izany. Ka raha eto misy lyçée an, tsy lavitra eto, ny zanako tsy dia tiako halefa atsy […] aleo eto no asiana lyçée. […]

Herintaona na roa taona lasa izany izay, naniry ohatry ny anana ny fananganana lyçées teto Madagasikara. Tsy afeniko anao fa misy statistique eto an, entre 166 tany [….] miakatra ho 270. Tao anatinà 2 taona fotsiny izany. Nefa ny fanokafana lyçée izany taloha mbola mandalo études be dia be. Ny lyçée anankiray tsy misokatra raha tsy efa nandalo tests maromaro. Anatin’ny herintaona tsy nahavita izany manokatra lyuçée izany, tamin’izany fotoana.  Ka eo anatrehan’izay zavatra izay, ny poste budgetaire izay hanaovana recrutement an’ny lyçée dia tsy nitombo fa azoko tenenina hoe nihena aza.

Raha ny fomba fijeriko eto…fomba fijery nationale…dia afaka miteny aminao aho, afaka miteny amin’ny mpanao gazety aho, afaka miteny na amin’iza na amin’iza aho, fa mahazo tombony be ireto lyçées eto Antananarivo eto ireto. Par rapport aminà lyçées any ambadika rehetra any. |…]

Inona no solution ? izahay eto amin’ny DRH dia mi-adopter solution ihany: 1* ny CAN Commision Nationale d’Affectation [tsy misahana ny affectation anaty region iray, izay anjaran’ny DREN no manao azy] no miandraikitra ny affectation avy aminà region iray mankaminà region iray hafa. Eo amin’ny affectation, misy ny affectation naturelle, ny zavatra naturelle dia ny mpampianatra mamonjy tanan-dehibe. Ary tsy afeniko anao fa tamin’ny CNA rehetra natao hatrizay, dia Antananarivo nahazo be dia be mihitsy: na rapprochement des ménages io, na resaka marary io, na zavatra hafa. Ny ataonay ao amin’ny CAN dia ny manangona ny hoe iza avy no mpampianatra niditra teto amin’ny faritra Analamanga, dia manome izany any amin’ny DREN Analamanga, dia anjarany no manao ny repartition an’ireny mpampianatra ireny aminà lyçée eto Analamanga. Dia sahiko eto ny miteny aminao fa raha repartition equitable no atao […] dia tsy hahazo firy raha ny lyçée eto an-drenivohitra eto. Satria raha ny vao nisokatra ho an’ny region Analamanga fotsiny, ohatra, dia eo amin’ny 17 eo….tato anatin’ny roa taona izay….ary ny adidy sy andraikitry ny eto amin’ny DRH dia ny mamatsy personnel an’ireo…raha raisiko ho ohatra izao ny lyçée Mahazaza dia ny Proviseur sy Personnel administrative iray no ao, fa ny manodidina an’io dia mpampianatra FRAM daholo, izany hoa tsy mbola nahatafavoaka izahay na mpampianatra iray akory aza avy aty amin’ny Ministera hoe handeha hampianatra any. Io personnel ao io dia lazaiko aminao fa personnel avy any aminà CEG io […] du point de vue nationale, dia catastrophique no azo ilazana ny situation misy eto amintsika.

Ny tokony natao izany, rehefa tsy nitombo ny poste budgetaire, dia tokony natsahatra teo aloha ny fanokafana lyçées vaovao, kanefa tsy azo natao izay, satria izay dia point de vue an’ny teknisiana, fa tsy izay ny point de vue an’ny politisiana.

Fa ny politisiana tsy maintsy manokatra an’ireo rehetra ireo hahafahana mirehareha any amin’ny gazety hoe : tamin’izahay nandalo teo, nahavita nanokatra lyçées izahay, 200. Ary izany mihitsy no nireharehana tamin’ilay Minisitra teo aloha. Ny olona nandalo teto nandritra ny firy repoblika tsy nahavita nanokatra lyçées afa-tsy 2 isan-taona. Nefa tao anatin’ny 2 taona nandalovanay, 200 no voasokatray[…]

ny vokatr’izay manao ahoana ? […] En terme de recrutement dia any amin’ny faran’ny volana Martsa any no misy an’ny lyçée […]

RR: […] tsy azo atao ve ny mandamina ny efa ao an-toerana?

Valiny Mr. L: tsy azonay idirana, fa affaire interne an’ny lyçée sy ny FRAM izany

Mr. L :Misy FRAM ve ao amin’ny lyçée Jules Ferry? […] ifandrimbonana ny fanabeazana…itony lyçées vaovao itony matoa mihodina dia mandray andraikitra ny FRAM, ary dia mendrika ny ho ampiana ilay sekoly satria misy fandraisana andraikitry ny FRAM… Mijery ny fanjakana hoe inona no dingana efa nataon’ny ray aman-dreny…izay izao no pratique efa ataon’ny lyçées rehetra any…misy ny FRAM tonga eto aminay mangataka mpampianatra hokaramain’ny FRAM,…ireny no mendrika ny ho ampiana….

RR: dingana iray hataoko ny hifampiresaka amin’ny lehiben’ny FRAM….anjaran’ny fanjakana ny mameno mpampianatra, koa no ahoana no FRAM no handoa an’izany…sao hihevitra ny fanjakana avy eo fa hoe efa nahavita ny FRAM, ka dia hialangalana sy hiandry foana ny FRAM sisa ny fanjakana aty aoriana…

Mr. L: …rehefa tonga ny recrutement dia prioritaire ireo mpampianatra nokaramain’ny FRAM. Rehefa tafiditra ho mpiasam-panjakana ireny olona ireny dia mba libéré ny FRAM rehefa avy eo, ary afaka manao zavatra hafa…faran’izay mampalahelo ahy aza ny hoe vita ny recrutement, nefa misy mpampianatra FRAM tsy voaray…raha point de vue national dia misy ny marary lavitra kokoa. Misy mbola azo tsaboina ihany sy ny sisa….

Tamin’ireny fanokafana lyçées be dia be ireny dia nisy ny nety ary nisy ny tsy nety. Ohatra amin’ny nety izao ny lyçée ao Tanambe, tonga dia 800 ny mpianatra.

Ireo rehetra ireo no voalazan’ny teo anivon’ny AGENAT. Saingy hafa noho izay kosa ny fomba fijery sy filazan’Andriamatoa RABETAHIANA Pascal, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena , izay tao anaty fandaharana RADIO FANABEAZANA mandeha isa-maraina ao amin’ny RNM, nilaza fa mbola olana goavana ho an’ny fanjakana ny mpampianatra FRAM, ary mbola ho elalela ny hoavin’ireo mpampianatra FRAM.

Eto ampamaranana dia tsy aritra ny tsy hiteny hoe, mba hafa raha samy hafa ny tontolon’ny fanabeazana eritreretin’ny manampahaizana hatolotra ny taranaka Malagasy. Manao ny ataony ireo heverina ho sangany eny Ankatso dia mikatso ny mpianatra. Lazaina fa tsy ampy ny vola raisiny. Dia manontany tena ny maro hoe:

Ary mba fomba ahoana ary izany no maha-velona ireny mpampianatra amin’ny Fanabeazana Fototra ireny,? Sa mangalatra dia mivarotra halatra avy eo mba hamelomana ny tokantrano? Mba manao ahoana no fihazonana aina ampiharin’ireny mpiasa amin’ny orinasa madinika ireny, izay mazava loatra fa tsy afaka ny hampianatra zanaka any amin’ny sekoly tsy miankina?

Mba faly ery ny sasany fa hendry ny taranany ka nilofo sy tafita, afaka Bacc, ary hiakatra an’izany Anjerimanontolo izany. Aleoko mampiasa ny teny hoe Anjerimanontolo, toy izay hampiasa ny teny hoe Ambohits(imis)aina. Kanjo dia ni(an)katso tao ity taranaka mba noheverina ho rehareha. Ireto ankizy koa moa nanaiky hiditra anaty lalao maloton’ny politika ka dia lalaovin’ny sasany ho amin’ny tombontsoan-dry zareo manokana. Rahoviana vao ho VALALABE MIFOHA?

9 Réponses

  1. Tena fanapotehana taranaka mihitsy ilay izy raha ny fahazoako azy an! izany hoe tsy tokony hisy ho sekolim-panjakana intsony raha ny fijeriko azy eto fa aleo ny vondrom-paritra sy ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no misahana ny sekoly. Rehefa izany maninona raha tonga dia ny FRAM no mitantana ny sekoly sy mitantana ny tetibola ho azy? hevitra voalohany fotsiny.

    Maika ny hanorina sekoly ireharehana izany ry zareo fa ny fikarakarana azy kosa dia tsy misy ny vola ho amin’izany. Aiza moa no tsy aleo mampiroborobo ny sekoly tsy miankina… maika hanao kilalao politika…

    • Fanamarihana iray nataonà namana tao amin’ny Facebook ity ataoko dika mitovy eto ambany ity, avy amin’i Hery Andria
      Mampalahelo ny fampianarana ao Madagasikara. Betsaka ny olana raha ny fampianarana eny amin’ny Fanjakana no resahana. Ny eny amin’ny Université heno mitaraina lava fa ny mpampianatra Lycée, CEG sy EPP tsy mba misy miraharaha mihitsy ny momba azy. Ireo olona ireo no fototry ny fampianarana ny zaza Malagasy ary anisa’ny mandray anjara voalohany amin’ny famolavolana azy. Kanefa ireo olona ireo dia natao ankilabao hatrany (ny karama vary iray venty nefa ny zaza sahanina marobe dia marobe, ny asa sarotra satria tsy vitan’ny fampianarana ihany fa fitaizana koa). Raha amin’ny samy mpiasam-panjakana dia ny cas an’ny mpampianatra indrindra amin’ny ambaratonga ambany no tena ratsy indrindra. Izao mpiasam-panjakana rehetra izao mahazo tombontsoa isan-karazany (mbola resaka hafa indray io resaka tombontsoa io aloha) fa ny mpampianatra dia natao ankilabao hatrany ka maro no tsy te-hampianatra amin’ny Fanjakana izany. Indrindra moa fa halefa amy amin’ny tany lavitra any nefa ny karamanao dia farak’izay kely, nefa samy mba nianatra izao ihany (ny diplome ENS maha-mpampianatra dia 5 taona, izany hoe toy ny cursus Master, kanefa ilay olona rehefa miditra amin’ny Fonction Publique dia tsy raisina ho toy izay ny Categorie-ny fa ambany lavitra noho ireo amin’ny Ministera sasany nahavita fianarana 5 taona koa==> Tsy motivé ny olona). Betsaka dia betsaka ny zavatra azo resahana raha momba ny fampianarana, tsy dia nisy aloa hatreto ny finiavana tena hanova zavatra sy hijery ny tena olana, ary vao mainka aza miha-ratsy aza amin’izao. Asa hoe izao ve no mba hitan’ny sasany fa mety amin’ny fitaizana ny ho avin’ny firenena?

    • Jentilisa: mitovy hevitra aminao ny tenako!
      Mainka fa hialana amin’ny tsindry frantsay iza tsy namela ny Ministeran’ny fampianarana hametraka hanitsy ny lesoka hatramin’izay! (tany amin’ny taona 2003/4 io adyhevitra io).

      Halalaka kokoa ny isam-paritra amin’izay fotona amin’izay hametraka izay fanitsiana ilaina. Fanitsiana hatomboka amin’ny fanavaozana ny programam-pampianarana izay efa tsy maharaka ny any ivelany intsony: efa lany andro! Tsidiho fotsiny ange ny tranonkala-n’ny minisiteran’ny fapiarana amin’ireo tany OCDE e! (Rehefa hitifitra ihany ve tsy aeo atao ambony!),

      Fanavaozany iray koa ny hanaovana ezaka mba hahay sdy hifehy ny teny anglisy ny mpianatra rehefa mahavita « Lycée » ka tsy ho voatery ho any Frantsa ihany raha mba hianatra any ivelany, fa mba hanana safidy handeha etsy Afrika Atsimo, Inde, Australie, Singapour, Etazonia, Japon, Angeletera,…. ka hitondra fomba fisainana vaovao sy fahaiza-manao vaovao hampandrosoana ny tanindrazantsika, satria tsy nahomby mihitsy ny fomba fanao frantsay izay nampisaintsika hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena izay!

    • Misy tombontsoa sy vokadratsy tsy maintsy jerena akaiky raha ohatra ny vondrom-paritra sy ny FRAM no misahana ny sekoly. Tsy afaka atao io raha mbola sokajina ho mpiasam-panjakana ny mpampianatra. Mila manorina sata mifehy ho an’ny mpampianatra. Ny tombontsoa/vokadratsy dia ny vondrom-paritra sy ny FRAM no tompon’andraikitra @ fandroahana/fanatsaharana ny mpampianatra izay tsy ilaina sy mitady mampianatra izay ilaina.

    • Ity misy lahatsoratra sy fifanakalozan-kevitra mety mifandraika @ tenin’i Jentilisa « Should parents be able to control public schools? »
      http://www.nytimes.com/roomfordebate/2012/03/18/hopes-and-feard-for-parent-trigger-laws/

  2. Efa tsy mahagaga intsony ny zava-bitan’ny fanjakana ankehitriny ka dia ny ankizy no mizaka ny adalan’ny lehibe… mpanao politika! Mampalahelo ilay toe-tsaina izay efa tafidina ambany dia ambany.

    Marina ny an’i Jentilisa hoe tsy aleo ve ny fikambanan’ny ray aman-dreny no mitantana ny sekoly, mba hisian’ny fiovany izao fomba fampianarana izao!

  3. […] préoccupent pas trop: le problème du lycée Jules Ferry. Un blogueur malgache raconte dans un billet (en malgache) que ce lycée, où sa fille étudie, n’a pas de prof d’anglais depuis le […]

  4. Hahitsio ny tenako raha diso fijery fa raha ny fahalalako dia adiny 2 monja isakin’ny herinandro ny mpianatra any @ lyçée no manao Anglisy, adiny 6 ho an’ny taranja Frantsay; ny Coopération Française no manome fanampiana ny fanjakana Malagasy @ resaka fampianarana (sao dia io no anisan’ny antony tsy fahampiana mpampianatra taranja Anglisy).

  5. Mandalo kely eto Inde aho, ary mahita fa ny tena harena dia ny fahaiza-manao fa tsy ny harena ankibon’ny tany na zavatra hafa azo tsapain-tanana. NAHAVOKATRA ZAZA MAHAY MAMPANDROSO MARINA NY TOEKARENA VE NY MINISTERAN’NY FANABEAZANA?
    Politika ankapobean’ny fanjakana no tokony ho kitihina amin’io. Aza miditra lalina @ zavatra madinika isika ray aman-dreny. Fa ny tena ady dia any @ fitondram-panjakana mihitsy. Afaka mahavita zavatra isika raha tiantsika izany.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :