Fankalazana ny 1 Mey

Tonga ny 1 Mey 2008, ary nifanandrify ihany koa tamin’ny Andro fiakarana, izay fety kristiana. Toerana efatra samy hafa no nifanomezan »ireo sendikan’ny mpiasa ho ambohimpihaonany tamin’ireo mpiara-dia taminy. Teo ny nanao izany tany Andavamanba, ny hafa teny amin’ny kianja mitafo Ankorondrano rehefa avy niala teny Antanimena, ny sasany indray niala avy any Ampefiloha, nanoloana ny Tranombokim-pirenena mba hihazo ny Tranompokonolona Isotry.
Rehefa avy nitsirika ny teny Antanimena, izay tokony hiainga tamin’ny sivy maraina aho (nefa tsy nahita olona teny), dia lasa namonjy an’ireo tarika hiainga avy any Ampefiloha.

Mbola nahatratra ny fiomankomanana isan-karazany teny aho araka izay hitanareo amin’ny sary etsy ambony.
Niala teo ity andiany ity, izay nahitana Sendika maro (manodidina ny folo teo) ary nizotra nahazo an’iny manoloana ny CNaPS iny.

Avy eo niditra aty Ambalavao Isotry namakivaky ny tsena ary dia tonga teo amin’ny Tranompokonolona Isotry tamin’ny Folo teo ho eo.

Tsy azo lazaina ho maro, nefa koa tsy vitsy velively ireo olona tonga nanohina ny antson’ireo sendika tamin’ity.

Isan’ny antony naroson’ny sendika ho tsy nahataonana olona maro noho ireo ny tsy namoahan’ny prefet de police ny fanomezan-dalana raha tsy tamin’ny fotoana efa tena farany tokoa. Tsy afaka nanao fanentanana mifandraika amin’izay tokony ho tena izy intsony araka izany izy ireo. Teo koa moa (mbola ry zareo sendika ihany no milaza eto) ny fomba ankolaka nataon’ireo mpampiasa sasany nitondra ny mpiasa ao aminy hanao fitsangatsanganana, dia tsy ho afaka handre izay fanentanana sy tsikera ataon’ny vondrona sendikaly.
Noraisin’izy ireo ho samy niezaka nanao sakana araka izany , na ny fanjakana (tamin’ny alalan’ny prefet de police), na ny mpampiasa.

Maro tokoa raha ny sora-baventy nolanjaina hita teny an-toerana. Misy ireo solontena avy amin’ny FATEXMA, Chocolaterie ROBERT, COTE SUD, SICEH Hotel de France, FLOREAL, NIKENI, SIPED, GROUPE SIPROMAD sns..

Ny tantaran’ity tolon’ny mpiasa ity moa dia niandoha tany amin’ny taona 1884 tany, ho fitakiana ny ora 8 ho fetra’ny fiasana (tany Chicago Amerika). Telo andro (1- 2 -3 Mey) no nifandrohizana tamin’izany ary nisy mihitsy ny maty.
1889 dia nangatahan’ny Kongresy Iraisam-pirenena ny mba hahazoan’ny mpiasa rehetra mankalaza io vaninandro io ho toy ny andron’izy ireo manokana sy ho fahatsiarovana ny volana Mey 1884.

Raha ny filazan’ireo mpitarika ny diabe natao androany dia tsy tokony ho zo angatahina ny zo haneho ny tontolon’ny asa rehefa 1 Mey toy izao fa zo efa azo ary tokony ho eken’ny maro ny fisiany.

Mikasika ny fitsitokotokoan’ny fankalazan’ireo sendika ity andro ity indray dia toy izao no valiny azo avy amin’ingahy RANDRIANASOLO José SG Sendika FISEMA :

‘Toy ny fety kristiana ihany io, ny andro iray fa ny fomba entin’ny fiangonana tsirairay mankalaza ilay fety no samihafa. Dia toy izay koa no mitranga androany fa tsy hoe samy mandeha samy mitady akory ny sendika tsirairay’.

Ny foto-kevitra nentin’ireto vondrona sendikaly ireo hankalazana ny andron’ny asa androany moa dia ny hoe ‘Asa mendrika, fiainana mendrika’. Satria, hoy ihany ireo mpitarika (Dokotera Jeanne RAZANARIMANA):

raha ny mpiasa no osa, tsy misy firenena mandroso. Ary tokony hampihatra izay voalazan’ny lalana fa tsy tokony hisy fitakiana lava izao.

RANDRIANASOLO José no manohy toy izao:

‘…manomboka misy fihemorana ny fampiasana vehivavy amin’ny alina, na dia mbola misy ihany aza ny minia mikimpy. Izany dia noho ny ezaky ny sendika sy ireo solontenan’ny mpiasa…Tsy nisy fifampierana tamin’ny resaka lalana fampiasana vehivavy amin’ny alina… Ankehitriny dia misy fifanarahana iombonana 2 ezahana ho apetraka …fifampidinihan’ny telo tonta no tokony hitondrana ny resaka (tripartisme), araka izay voalazan’ny OIT (Madagasikara dia mpikambana ao)…’

Nomarihan’ireto mpitarika sendikaly ireto tao koa ny fisian’izany orinasa KARINA (ialana tsiny raha diso ny fanoratana azy, fa omena anao araka izay nahenoana azy fotsiny ilay anarana) izay mbola mampiasa ny mpiasa ao aminy amin’ity andron’ny 1 Mey ity, sy ireo magazay eny Behoririka, Mahavoky, Mascar izay Sinoa no betsaka amin’ireo mpampiasa.. Ny andro toy izao hoy izy ireo dia andro fandravonana ny tolon’ny mpiasa fa tsy tokony ho andro fitakiana lava araka izay andrasana sy andraisan’ny maro azy (indrindra fany mpampiasa sy ny fanjakana).

Isan’ny antso natao nandritra ity anio ity ny hoe:

1 * ho an’ny mpiasa==> hamafiso ny sendika, aza matahotra miditra ao anatin’io sehatra io fa ho fiarovana ano sy ny zonao izany.
2 * ho an’ny fanjakana ==> Mifantoha amin’ny tombontsoa iombonana fa aza mitongilana fotsiny amin’ny mpanambola, ka hanao ny mpiasa Malagasy ho toy ny entam-barotra
3 * ho an’ny mpampiasa ==> asio fitsiopi-dalao mazava ny tontolon’ny asa (ohatra ireny fandroahana faobe ireny). Ny securité de l’emploi no tadiavina fa tsy ny emploi. Fa raha ny efa manana no ho very asa, ho aiza isika mianakavy?

Nolazain’ireto mpitarika ihany koa fa mivoaka any amin’ny tranonkalan’ny OIT ny fanakianana maro momba ny tsy fetezana sy ny tsy fandehanan’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, fa tsy araka izay ambaran’ny mpitondra ombieny ombieny. Hita any ihany koa hoy zareo ny fanakianan’ny OUA. (mbola mba hijery aho rehefa malalaka!!!!)
Nosafoina tao ihany koa ny resaka olana ara-tsakafo miseho maneran-tany.
Notakiana koa ny hanaovana amin’ny teny Malagasy ireo zo fototra (Droits fondamentaux) sy ny fanambaran’ny OIT tamin’ny 1998 momba ny fampiharana ireo zo fototra ireo, mba ho azon’ny mpiasa Malagasy rehetra tsara ny dikany sy ny zo tokony ho zakainy.

Ny zavatra hita aloha hatreto, hoy ireo mpitarika, dia:

rehefa mahasoasoa ny fanjakana sy ny mpanambola mpampiasa ny resaka dia ENY no valiny, fa raha manome soa ny mpiasa kosa dia na arirarira, na TSIA no setriny.

 

******   Tsy mety mipoitra ny sary natsofoko teto fa dia any amin’ny Flicks no ahitana azy e!  ******

2 Réponses

  1. tsetsatsetsa tsy aritra, tokony nivily teny behoririka ny filaharana ary naka an-keriny hihihih ireo izay mbola niasa hatrany, hafa ihany koa anefa ny fipetrany raha ohatra ka ‘payé double’ ny andron’ny 1er mai niasana….

  2. ie fanakalazana io ihany no tsy nanomezan’i ra8 antsika pont ny 2 may! lol

Laisser un commentaire