SEIMAD: inona no marina?

Ny zava-boasoratra eto ambany dia marihana fa taratasy atao hoe « misokatra » ve « sa nasisika » ? Tsy haiko izay hamaritana azy satria zavatra nasisika teny ho eny izy ity, noho ny fahafantaran’ny mpanoratra angamba fa ho hita ato ny fitarainany. Mahafinaritra ny fitokisana. Tsy voka-pikarohan’ny bilaogy izy ity araka izany, fa sakafo natolotra ho azy tamin’ny fomba tsy nampoiziny. Sakafo ho anao mpamaky indrindra indrindra, ary natao hodinihana.
Tsy sanatria hoe « omby » anefa no iheverana antsika amin’izany, fa zavatra iraisan’ny omby amin’ny olombelona io teny io, saingy ny olona kosa no nomena fanahy andalàna hahay mamakafaka sy mandinika izay voasoratra ato anatin’izy ity. Tsy nasian’ny mpandraikitra ny bilaogy fanovàna izay rehetra voasoratra tao anatiny, hatramin’ny tsipelina, ny faingo sy ny teboka. Ary inoako, rehefa jerena ilay fomba fitantarana, fa olona mahalala tsara ny fiainan’ilay orinasa no nanisika azy ho tany anaty tahiriko.
Mazotoa ary….

 

SEIMAD : mitsoka ny rivo-doza politika

Mba ho fitsinjovana ireo orinasa atao hoe Société Commerciale na Société Anonyme izay ny Fanjakana Malagasy no manana petra-bola be indrindra ao na actionnaire majoritaire (Société commerciale à participation publique) dia namoaka ny décret laharana 2014-014 ny Fanjakana manitsy sy manatsara ny fomba fitantanana ireny orinasa ireny, izay matetika no iharan’ny tsindry hazo lena avy amin’ireo Ministera Mpiahy ka zary lasa « vache à lait » na hitsetsefan’izy ireo tombon-tsoa manokana, amin’ny endrika maro samihafa, ary dia tsy vitsy tamin’ireo orinasa misy ny petra-bola be indrindra an’ny Fanjakana no efa resy tanteraka ankehitriny, ary dia miaina anaty fitaintainana sy korontana ireo Mpiasa amin’ireny orinasa ireny.
Ny tena mampalahelo dia ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mpitsetsitra ny tombon-tsoany manokana dia toa miha-manankarena sy mizendana hatrany, fa ireo tokantrano maro an’isa an’ireo Mpiasa dia zary lasa tsy zarizary ary betsaka no mikorontana sy rava satria dia tena mihatra aman’aina any amin’ireo tokantrano majinika ireo tokoa ny vokatry ny hery famoretana avy amin’ireo Ministera mpiahy manampatra ny fahefany ireo.

Efa hita sy tsapan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana anefa izany, ary noho izany indrindra no nanolorany volavolan-dalàna hisorohana ny « main mise » mihatra amin’ireny orinasa ireny.
Ny Tahirimbolam-panjakana na ny Tresor Public tokoa mantsy no solon-tena mahefan’ny Fanjakana amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo petrabolan’ny Fanjakana, izay mazava ho azy fa an’ny Fanjakana mira an’ny Vahoaka, miparitaka eny amin’ireny orinasa maro ireny. Noho izany dia ny Ministeran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola no Ministera mpiahy ara-bola (Tutelle financière) ireny orinasa ireny, ary tsy maintsy voasolo tena ao anatin’ny filankevi-pitantana na ny Conseil d’Administration io Ministera mpiahy ara-bola io.

Matetika anefa dia ny Ministera mpiahy ara-teknika (Tutelle technique) no mahazo seza betsaka kokoa ao anatin’izany filan-kevipitantanana izany, ary dia izy ireo no mijabajabaka amin’ny tsy rariny sy manao tsindry hazo lena. Ary dia tsy afa-manoatra ny Mpitantana amin’ireo orinasa ireo satria “BAIKO AVY ANY AMBONY” ka tsy maintsy tanterahina.

Toa izany ity tranga mampalahelo izay iainan’ny Orinasa SEIMad (Société d’Equipement Immobilier de Madagascar) etsy amin’ny 67 Ha ity. Iarahan’ny rehetra mahalala fa nandia taon-tsarotra tokoa izany orinasa izany, ary efa nisy mihitsy aza ny fotoana nahenoana siosion-dresaka fa tsy tafarina intsony ny orinasa ary mety tsy ho ela dia hikatona tanteraka.

Nanoloana izany dia fanamby maro no napetraky ny Tale Jeneraly, Atoa RAHARISON Liva, nandray io toerana io ny volana janoary 2012, rehefa voatendry tamin’ny didim-panjakana ny faran’ny volana desambra 2011, sy ireo Mpiara-miasa rehetra, fa hanao izay fara-heriny izy ireo hanarenana ny orinasa. Tsy ho tanisaina intsony ny ezaka vita tao anatin’izay 3 taona izay, fa dia maso miara-mahita sy sofina miara-mandre ny rehetra, fa dia tamim-boninahitra sy loha tena mitraka no nankalazan’ny SEIMad ny nahatrarany ny faha-50 taona niorenany tamin’iny taona 2014 iny. Maro ireo haino aman-jery efa nitatitra ny asa vita sy ny tetikasa efa an-dalàna ary koa ny mbola ho avy, notanterahina sy vinavinain’ny SEIMad, hanamafisana sy itazomana ny toerana misy azy, eo amin’ny sehatr’asa iainany, dia ny fanorenana sy ny fanajariana (immobilier et foncier).

Ny didim-panjakàna 2014-014 voalaza etsy ambony nefa dia mametraka fa tsy manan-kery ary tsy azo atao intsony ilay fomba nahazatra ny rehetra, saingy efa hatry ny ela no fantatra fa fandikan-dalàna (2003-036 ny 30/01/04), dia ny fanendrena Tale Jeneraly hitantana ireny Sociétés Commerciales à Participation Publique ireny, amin’ny alalan’ny didim-panjakana na “arrêté inter-ministériel” avoakan’ny Ministera mpiahy ara-teknika sy ara-bola.

Hatreto nefa dia mbola ilay arrêté tamin’ny volana desambra 2011 no nametraka ny Tale Jeneralin’ny SEIMad tamin’ny toerany. Ny Tahirim-bolam-panjakana anefa dia efa nandefa taratasy eran’ireo Orinasa voasokajy ho Société Commerciale à Participation Publique rehetra, ny mba handraisan’izy ireo ny fepetra rehetra mba hampifanentanana ny “statuts” ary hamerenana amin’ny laoniny ny fitantanana ny Orinasa, mba hanaraka sy hifanaraka amin’ilay Décret 2014-014 vaovao.

Samy nanolotra izay olona hapetraka eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny Orinasa SEIMad ary ireo ambaratongam-pahefana voalazan’ny “Statuts” an’ny Orinasa fa manana anjara-seza amin’izany, dia ny Fanjakana Malagasy (seza 7), ny Commune Urbaine d’Antananarivo (seza 1), ary ny Commune Urbaine de Toamasina (seza 1). Ankoatr’ireo dia misy seza 2 ho an’ny solontenan’ny Mpiasa, izay fidina eo anivon’ny Orinasa, saingy tsy mbola mila fanavaozana izy ireo raha toa ka ny volana Jiona ho avy izao vao tapitra ny “mandat”-any izay voafetra ho fidiana isaky ny 2 taona. Ho an’ireo seza 9 hafa kosa dia 7 taona no faharetan’ny mandat Araka ny voalazan’ny Décret 2014-014 sy ny Statuts ary dia nanatanteraka Assemblée Générale des Actionnaires ny SEIMad ny 29 desambra 2014 ary natolotra hankatoavin’io Assemblée io ireo mpikambana vaovao ho eo anivon’ny Conseil d’Administration, ary dia namoaka “resolution” ny AGO fa dia ekena 100% na “à l’unanimité” ireo mpikambana vaovao mi-isa 9 eo anivon’ny C.A.

Ny Assemblée Générale des Actionnaires irery ihany moa no fahefana mahefa fara-tampony ho an’ny Orinasa SEIMad raha ny lalàna sy ny “statuts” mifehy azy. Tamin’io fivoriam-be io ary dia notsindrian’ireo Tompom-bola fa mendrika ary tokony tohizana hatrany ny mandat an’ny Tale Jeneraly sy ireo ekipany, noho ny ezaka sy ny asa maro vitan’izy ireo, izay azo tsapain-tanana, ary indrindra, mba ho fitohizan’izany ezaka izany, sy ho firindran’ireo tetikasa maro izay efa misy ny nanomboka ary ao koa ireo efa hanomboka tsy ho ela. Toa hanano-sarotra tokoa mantsy raha ny Orinasa efa nandray ny “vitesse de croisière” no hisolo mpitantana tampoka, ary dia handringa ny « continuité des activités ». Rehefa nahazo toerana anefa ireto C.A vaovao dia tsy niandry ela fa tsy ampy 2 volana taty aoriana akory dia nanosihosy izany fanapahan-kevitry ny AGO izany, ary dia namoaka ny « résolution unique » manala an’Atoa RAHARISON Liva tsy ho Tale Jeneralin’ny SEIMad intsony, nanomboka ny 6 febroary 2015.
Tsara ihany anefa ny manamarika fa ny solontenan’ny Commune Urbaine de Toamasina dia tsy mba nandray anjara tamin’ireo fivoriana notanterahan’ny Filankevi-pitantanana na ny Conseil d’Administration, rehefa nailik’ireo mpikambana ambiny, satria hono tsy ekena ny taratasy manolotra azy ho ao anatin’izany rafitra izany. Rafitra izay efa nankatoavin’ny fahefana fara-tampony dia ny Assemblée Générale des Actionnaires ny 29/12/14 ireo mpikambana 9 natolotra handrafitra io Conseil d’Administration io. Koa ny fivoriana rehetra notanterahan’ny CA taorian’ny 6 janoary 2015 dia tsy voantso nanatrika izany mihitsy Atoa TOALINA ZAFINDRABARY, izay PDS ao amin’ny Commune Urbaine de Toamasina, neken’ny Assemblée Générale fa misolo toerana ny C.U Toamasina ao amin’ny Conseil d’Administration an’ny SEIMad manomboka ny 29/12/14. Mba mety manana izay heviny ihany koa nefa izany tompon’andraikitra izany, mikasika ny fiainan’ny orinasa sy ireo fanapahan-kevitra raisina.

Tetsy an-daniny, ireo olona 2 misolo tena ny Mpiasa eo anivon’izany Conseil d’Administration izany dia tsy mba namory ny Mpiasa, na dia indray mandeha akory aza, mba hakana izay hevitry ny Mpiasa marobe mahakasika ny fiainan’ny Orinasa sy izay mba hetahetan’izy ireo, fa dia ninia nanitsakitsaka tanteraka ny hasin’ny Mpiasa. Raha amin’ny maha-solontenan’ny Mpiasa azy ireo tokoa mantsy, dia izay hevitra sy hetahetan’ny Mpiasa no tokony entin’izy ireo eo anivon’ny rafitry ny Filan-kevipitantanana, ka mba tsy ho « vato kiboribory » hisedra ny tsindry hazo lena avy amin’izany rafitra izany ireo mpiasa, izay tena hany mahalala ny aty vilanin’ny Orinasa, miohatra amin’ireto mpikambana ao amin’ny C.A vaovao izay tsy mbola ampy 2 volana akory no nandraisan’izy ireo ny toerany.

Iza tokoa moa no mahalala mihoatra ny Mpiasa, ny tena zava-misy marina iainan’ny Orinasa? Saingy indrisy fa ireo misolo tena azy ireo eo anivon’ny Filan-kevipitantanana dia tsy te ahalala velively an’ireo Mpiasa maherin’ny 75 isa, fa dia mpiray tsikombakomba amin’izao fanesorana ny Tale Jeneraly amin’ny toerany izao.
Ary ny tena naha-gina sy naha-vaky ny fon’ireo Mpiasa marobe, dia tsy henatra tsy tahotra ireto solon-tena 2 mieboebo sy mizendana fa tsy maintsy esorina Atoa RAHARISON Liva, ary tsy maintsy mahazo toerana ambony ao amin’ny Orinasa izy ireo, satria afaka milalao sy anisan’ny mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Filankevi-pitantanana. Hatramin’izay nahavoafidy azy ireo tao anatin’izany filan-kevipitantanana izany moa dia hita taratra fa nisy fiantraikany tamin’ny asan’izy ireo izay toa zary lasa vita tsizarizary noho ny tsy faharahan’izy ireo izany araka ny tokony ho izy. Toa tsy hain’izy ireo ny mandrindra ny maha-mpiasan’ny orinasa azy amin’ny maha mpikambana azy ireo ao anatin’ny C.A, fa toa lasa ny fitadiavan’izy ireo ny tombontsoany manokana no nahery sy nahazo laka. Ny ezaka nataon’ny Tale Jeneraly mba hampahatsiahivana azy ireo ny adidy sy andraikiny voalohany amin’ny maha-Mpiasan’ny Orinasa azy ka tokony hanomezany vokatra tsara hatrany eo amin’ny zavatra takian’ny orinasa aminy, saingy toa zary tsizarizary sisa izany, fa dia ny fiheboheboana sy ny tsindry aloka hatrany no nasetrin’izy ireo izany, dia izao niafara tamin’ny fandraisan’izy ireo anjara mavitrika tamin’ny fanesorana ny Tale Jeneraly izao.
Ankoatry ny tsy fahaizana mandrindra ny sady maha-mpiasan’ny orinasa, sy ny maha-mpikambana ao amin’ny filan-kevi-pitanana moa, izay tsy tokony ho olana velively, dia tsapa fa ny tsy fananan’izy ireo ny traikefa sy ny fahaizana ampy iatrehana ny asany no tena olana goavana, nahatonga izao toe-draharaha izao. Mahay mikabary sy mandaha-teny tokoa mantsy izy ireo, ary heverina fa izay no naha-babo ny Mpiasa ka nifidy azy ireo ho solon-tenany. Kanjo, indrisy, fa ny vava tokoa dia ananan’izy ireo, fa ny fahaizana dia tsy ao velively.
Sombiny amin’izany fiheboheboana sy fisehosehoana ary tsy fahampian’ny saina mandinika izany moa dia tsy henatra tsy tahotra Atoa ANDRIANAIVO Sylvain Roger, sekreteran’ny C.A, maka ny toeran’ny Filohan’ny Filankevipitantanana na ny Président du Conseil d’Administration, manao Sonia ny taratasy fibaikoana ny Tale Jeneraly hanao ny famindran’andraikitra na ny Passation de service.
Toa tsy mahataitra ihany anefa, raha ny siosio heno, fa hay Atoa ANDRIANAIVO Sylvain Roger mihitsy no loha-laharana mitady hipetraka eo amin’ny toeran’ny Tale Jeneralin’izany orinasa SEIMad izany. Ary dia efa resa-be niparitaka tao amin’io toeram-piasana io moa raha ny feo mandeha fa efa namoaka teny hafahafa toy ny hoe “raha tsy manan-karena amin’izao fotoana fanararaotana izao izy dia tsy hanan-karena intsony” ingahy. Ho hita eo moa ny fivoaran’ity raharaha ity satria efa namoaka APPEL A CANDIDATURE ny Filankevipitantanana, ary dia ao amin’ingahy ANDRIANAIVO Sylvain Roger no aterina ny candidature, hatramin’ny alakamisy 12 febroary izao amin’ny 4 ora sy sasany. Asa re raha mba hizotra araka izay tena tokony ho izy izany rehetra izany, na dia ho fihetsiketsehana ivelany hanaronaronana ny teti-kady efa maty paika hametrahana Tale Jeneraly vaovao efa nokonikononina ela.

Hisy tokoa ve ny mangarahara? Satria dia efa azo inoana fa ny dossier an’ingahy Sylvain Roger no loha-laharana efa vonona ela mialohan’ny nivoahan’ny appel à candidature. Raha toa moa ka anisan’ireo mirotsaka ho laniana izy dia heverina fa rariny sy hitsiny raha tsy miditra ao anatin’ny rafitra mitsara sy mandinika izay homena ny toerana, satria dia lasa mitsara tena ihany, ka izay tokoa moa no hanaratsy ny tenany?

Ny irariana dia ny tsy hanaikinaiken’ireo Mpiasa maherin’ny 75 izao toe-draharaha mampalahelo izao, raha zary toa lasa nangina hatrany izy ireo hatrizay, fa kosa mba hivondronan’izy ireo hijoro sy hitsangana ho sahy hanohitra ny tsy rariny, ary hitaky ny mangarahara sy ny ara-drariny amin’izay ho fanendrena ny Tale Jeneraly vaovao, ka mba tsy ho ny tombotsoan’olom-bitsy no hahazo vahana eo anatrehan’ny tombotsoan’ny Orinasa sy ireo mpiasa marobe mivelona sy manankina ny fiainany manontolo amin’izany orinasa izany.

Ny 3 febroary moa dia efa niparitaka tamin’ny “reséaux sociaux” ny resaka arak’ity tweet iray ity ohatra:

tweetSeimad

Hita taratra sy azo antoka amin’izany fa na miezaka mafy aza ny Direction Général du Trésor izay hany misolo tena ny Fanjakana sy ny Vahoaka, mba hiarovana ny tombontsoan’ny be sy ny maro, dia indrisy fa ny hetraketrak’ireo tsy mataho-tody sy miseho azy ho tsy maty manota ka tsy matahotra an’Andriamanitra fa mitetika ny haren’izao tontolo izao sy ny tombontsoany manokana, no mbola manjaka sy mahazo làka. Dradradradraina etsy sy eroa ny hoe ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena, saingy tsy izany velively ny tanjona, fa ny hangoron-karena sy hanampatra ny fahefana kely nomena na ananana.

Efa re siosio ihany koa mantsy izao fa tsy ho ela raha tsy efa an-dalana mihitsy aza ny fanatanterahana azy, fa dia hosoloina daholo avokoa ireo tompon’andraikitra ambony rehetra eo anivon’ny Ministeran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola. Hampalahelo tokoa, ary zava-doza ho an’ny firenena raha sanatria ka izany no vitan’ireo Mpitondra, ka ho olona ho azon’izy ireo baikoana sy atao saribakoly no hapetraka amin’ireo toerana saro-pady ao amin’izay Ministera izany.

Fanamarihan’ny eto amin’ny bilaogy: raha jerena ny daty nandefasan’i Poseidon ny bitsika avy aminy dia 3 Febroary. Ny zavatra hitranga navoakany kosa dia ny 6 Febroary.

Lahatsoratra mifandraika amin’io: Nalaina tao amin’ny tranonkalan’ny La Gazette de la Grande Ile  […] Raha niezaka nanatona mba hanontany ny zava-misy marina teny amin’ny foiben’ny Analogh teny Soanierana moa ny mpanao gazety omaly dia akory ny hagaga,na raha nandre ny fandavan’ny tomponandraikitra sasany ao hamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety. Tena hita taratra fa matahotra sy mihorohoro amin’ny afitsoky ny tale jeneraly izy ireo ka tsy mety hanazava na hitondra hevitra ho an’ny mpanao gazety. Nambaran’izy ireo fa “tsy eto izao ny tale jeneraly ka tsy afaka mamaly izahay raha tsy mahazo alalana aminy”. […]

Publicités

Ny tontolon’ny asam-panjakana Malagasy

Ny tontolon’ny asam-panjakana Malagasy

Fony vao niditra niasa kelikely tamin’ny orinasa iasako ankehitriny aho (orinasam-panjakana) dia nahita fomba fiasa sy fanao tsy mety (tsy mifanaraka amin’izay tokony hampandeha tsara ny asa). Zava-poana anefa ilay eritreritro hanatsara zavatra satria sady tsy nety natoro, no tsy nety nanitsy tena ity lehibeko. Taty aoriana dia zendana aho nahalala fa ity izaho nandalo ny Anjerimanontolo anie ka baikon’ny olona tsy manana afa-tsy CEPE (ilay cadre ambony mibaiko ahy). Vitany mihitsy aza taty aoriana ny niteny fa tsy ilaina izay fianarana, fa izy jerena, tsy manana afa-tsy CEPE nefa sefo. Koa hahagaga ary ve raha tsy mandeha amin’izay tokony ho izy sy araka izay andrandraina ny asam-panjakana e? Jereo anie ireto tarehi-marika ireto e:

Nivoaka ihany ny marina tamin’ny gazety iray novakiako androany (MADAGASCARA Laza N°1087 – 11 juillet 2008, fa ny 50% amin’ny mpiasam-panjakana dia tsy manana ny maripahaizana (diplome requis) amin’ny toerana omena iandraiketany.

Raha toerana ilana maripahaizana Maitrise no mihoatra, dia 69% amin’ireo mitana izany no ambany lavitra noho izany no dingana vitany teo amin’ny fianarana.
Raha asa ilana maripahaizana BACC dia 33,8% amin’izay mitana izany andraikitra izany no tsy manana ny maripahaizana tokony hitazonana ny toerana
Raha toerana ilana BEPC farafaharatsiny, dia 51% amin’ireo mitana izany toerana izany no tsy manana io maripahaizana io.
Raha toerana ilana CEPE dia 47% amin’ireo olona miandraikitra ny asa ilana izany no tsy manana maripahaizana mihitsy mifandraika amin’io.

Ekena tokoa fa misy ny olona tsy manana ilay maripahaizana, nefa rehefa miezaka sy mamola-tena eo mandritry ny fotoana ela dia tonga mahafehy tsara ny asany, raha ny mifanohitra amin’izany kosa no ankamaroan’ny tranga hita.

Ireo antontan’isa ireo dia nalaina avy amin’izay naroson’ny Fonction Publique (Asam-panjakana)

Andanin’izany anefa dia betsaka ireo olona manana maripahaizana ambony no lasa mitondra Taxi, Taxi-be, na mirotsaka amin’ny sehatra hafa tanteraka, tsy liana afa-tsy ny maripahaizana farany ambany mihitsy noho ny tsy fahitana toerana. Hay va re ka ny toerana tokony ho azy ireny sy tokony hitondrany fampandrosoana ho an’ny firenena ka dia dongian’ny sasany tsy alehany akory. Aza mahavoa ny goavy manta!

Tsy mahagaga araka izany raha mahazo vahana koa ny kolikoly satria , ny tsy mahay tsy maintsy manambitamby ny mahay mba hampandeha ilay asany, sao rakatra eo ny fika rehetra, dia mitohy hatrany toy izay ilay ‘chaine’ mandra-pahavitan’ny zavatra ho tody hatramin’ny farany.

Mba rahoviana re no hahitantsika mpiasam-panjakana mendrika, marina, mahavita azy sy matihanina amin’ny asany eto Madagasikara e? Sady tsy tohatohanana sy apetrapetrak’i dadatoa sy nenitoa etsy sy eroa fotsiny ?

Fankalazana ny 1 Mey

Tonga ny 1 Mey 2008, ary nifanandrify ihany koa tamin’ny Andro fiakarana, izay fety kristiana. Toerana efatra samy hafa no nifanomezan »ireo sendikan’ny mpiasa ho ambohimpihaonany tamin’ireo mpiara-dia taminy. Teo ny nanao izany tany Andavamanba, ny hafa teny amin’ny kianja mitafo Ankorondrano rehefa avy niala teny Antanimena, ny sasany indray niala avy any Ampefiloha, nanoloana ny Tranombokim-pirenena mba hihazo ny Tranompokonolona Isotry.
Rehefa avy nitsirika ny teny Antanimena, izay tokony hiainga tamin’ny sivy maraina aho (nefa tsy nahita olona teny), dia lasa namonjy an’ireo tarika hiainga avy any Ampefiloha.

Mbola nahatratra ny fiomankomanana isan-karazany teny aho araka izay hitanareo amin’ny sary etsy ambony.
Niala teo ity andiany ity, izay nahitana Sendika maro (manodidina ny folo teo) ary nizotra nahazo an’iny manoloana ny CNaPS iny.

Avy eo niditra aty Ambalavao Isotry namakivaky ny tsena ary dia tonga teo amin’ny Tranompokonolona Isotry tamin’ny Folo teo ho eo.

Tsy azo lazaina ho maro, nefa koa tsy vitsy velively ireo olona tonga nanohina ny antson’ireo sendika tamin’ity.

Isan’ny antony naroson’ny sendika ho tsy nahataonana olona maro noho ireo ny tsy namoahan’ny prefet de police ny fanomezan-dalana raha tsy tamin’ny fotoana efa tena farany tokoa. Tsy afaka nanao fanentanana mifandraika amin’izay tokony ho tena izy intsony araka izany izy ireo. Teo koa moa (mbola ry zareo sendika ihany no milaza eto) ny fomba ankolaka nataon’ireo mpampiasa sasany nitondra ny mpiasa ao aminy hanao fitsangatsanganana, dia tsy ho afaka handre izay fanentanana sy tsikera ataon’ny vondrona sendikaly.
Noraisin’izy ireo ho samy niezaka nanao sakana araka izany , na ny fanjakana (tamin’ny alalan’ny prefet de police), na ny mpampiasa.

Maro tokoa raha ny sora-baventy nolanjaina hita teny an-toerana. Misy ireo solontena avy amin’ny FATEXMA, Chocolaterie ROBERT, COTE SUD, SICEH Hotel de France, FLOREAL, NIKENI, SIPED, GROUPE SIPROMAD sns..

Ny tantaran’ity tolon’ny mpiasa ity moa dia niandoha tany amin’ny taona 1884 tany, ho fitakiana ny ora 8 ho fetra’ny fiasana (tany Chicago Amerika). Telo andro (1- 2 -3 Mey) no nifandrohizana tamin’izany ary nisy mihitsy ny maty.
1889 dia nangatahan’ny Kongresy Iraisam-pirenena ny mba hahazoan’ny mpiasa rehetra mankalaza io vaninandro io ho toy ny andron’izy ireo manokana sy ho fahatsiarovana ny volana Mey 1884.

Raha ny filazan’ireo mpitarika ny diabe natao androany dia tsy tokony ho zo angatahina ny zo haneho ny tontolon’ny asa rehefa 1 Mey toy izao fa zo efa azo ary tokony ho eken’ny maro ny fisiany.

Mikasika ny fitsitokotokoan’ny fankalazan’ireo sendika ity andro ity indray dia toy izao no valiny azo avy amin’ingahy RANDRIANASOLO José SG Sendika FISEMA :

‘Toy ny fety kristiana ihany io, ny andro iray fa ny fomba entin’ny fiangonana tsirairay mankalaza ilay fety no samihafa. Dia toy izay koa no mitranga androany fa tsy hoe samy mandeha samy mitady akory ny sendika tsirairay’.

Ny foto-kevitra nentin’ireto vondrona sendikaly ireo hankalazana ny andron’ny asa androany moa dia ny hoe ‘Asa mendrika, fiainana mendrika’. Satria, hoy ihany ireo mpitarika (Dokotera Jeanne RAZANARIMANA):

raha ny mpiasa no osa, tsy misy firenena mandroso. Ary tokony hampihatra izay voalazan’ny lalana fa tsy tokony hisy fitakiana lava izao.

RANDRIANASOLO José no manohy toy izao:

‘…manomboka misy fihemorana ny fampiasana vehivavy amin’ny alina, na dia mbola misy ihany aza ny minia mikimpy. Izany dia noho ny ezaky ny sendika sy ireo solontenan’ny mpiasa…Tsy nisy fifampierana tamin’ny resaka lalana fampiasana vehivavy amin’ny alina… Ankehitriny dia misy fifanarahana iombonana 2 ezahana ho apetraka …fifampidinihan’ny telo tonta no tokony hitondrana ny resaka (tripartisme), araka izay voalazan’ny OIT (Madagasikara dia mpikambana ao)…’

Nomarihan’ireto mpitarika sendikaly ireto tao koa ny fisian’izany orinasa KARINA (ialana tsiny raha diso ny fanoratana azy, fa omena anao araka izay nahenoana azy fotsiny ilay anarana) izay mbola mampiasa ny mpiasa ao aminy amin’ity andron’ny 1 Mey ity, sy ireo magazay eny Behoririka, Mahavoky, Mascar izay Sinoa no betsaka amin’ireo mpampiasa.. Ny andro toy izao hoy izy ireo dia andro fandravonana ny tolon’ny mpiasa fa tsy tokony ho andro fitakiana lava araka izay andrasana sy andraisan’ny maro azy (indrindra fany mpampiasa sy ny fanjakana).

Isan’ny antso natao nandritra ity anio ity ny hoe:

1 * ho an’ny mpiasa==> hamafiso ny sendika, aza matahotra miditra ao anatin’io sehatra io fa ho fiarovana ano sy ny zonao izany.
2 * ho an’ny fanjakana ==> Mifantoha amin’ny tombontsoa iombonana fa aza mitongilana fotsiny amin’ny mpanambola, ka hanao ny mpiasa Malagasy ho toy ny entam-barotra
3 * ho an’ny mpampiasa ==> asio fitsiopi-dalao mazava ny tontolon’ny asa (ohatra ireny fandroahana faobe ireny). Ny securité de l’emploi no tadiavina fa tsy ny emploi. Fa raha ny efa manana no ho very asa, ho aiza isika mianakavy?

Nolazain’ireto mpitarika ihany koa fa mivoaka any amin’ny tranonkalan’ny OIT ny fanakianana maro momba ny tsy fetezana sy ny tsy fandehanan’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, fa tsy araka izay ambaran’ny mpitondra ombieny ombieny. Hita any ihany koa hoy zareo ny fanakianan’ny OUA. (mbola mba hijery aho rehefa malalaka!!!!)
Nosafoina tao ihany koa ny resaka olana ara-tsakafo miseho maneran-tany.
Notakiana koa ny hanaovana amin’ny teny Malagasy ireo zo fototra (Droits fondamentaux) sy ny fanambaran’ny OIT tamin’ny 1998 momba ny fampiharana ireo zo fototra ireo, mba ho azon’ny mpiasa Malagasy rehetra tsara ny dikany sy ny zo tokony ho zakainy.

Ny zavatra hita aloha hatreto, hoy ireo mpitarika, dia:

rehefa mahasoasoa ny fanjakana sy ny mpanambola mpampiasa ny resaka dia ENY no valiny, fa raha manome soa ny mpiasa kosa dia na arirarira, na TSIA no setriny.

 

******   Tsy mety mipoitra ny sary natsofoko teto fa dia any amin’ny Flicks no ahitana azy e!  ******

salon du recrutement

Nifàrana omaly 27 janoary 2008 ny salon du recrutement nokarakarain’ny Exhib’Mada / Orange Madagascar / BFV- SG, rehefa naharitra teo amin’ny efatra andro teo. Teny amin’ny Alliance Française Andavamamba no nisy azy ity. Maro tokoa ireo Malagasy tonga nihazakazaka teny mba hanatitra CV sy hanao « Entretien ».

sunp0015.jpg 

Nahitana ny sokajin-taona rehetra sy ny sokajin’olona rehetra ihany koa (na ny vao mitady asa voalohany , na ireo te-hiova asa mitady zava-baovao). Tsy  ny avy eto Antananarivo ihany izany no tonga teny fa hatramin’ireo avy any amin’ny faritany sendra nandalo ka nahalala ny fisian’ity hetsika ity dia nanararaotra avokoa. Tsy nahagàga araka izany raha holazaiko hoe nahatratra 1 km latsaka kely ny halàvan’ny laharana raha natao laharan-tokana.

sunp0004.jpg 

Efa mahazatra loatra antsika Malagasy mantsy ilay mitangorongorona iny, na dia laharana aza no asaina atao. Nanomboka tao anoloan’ny vavahady Alliance io laharana io,

sunp0001.jpg 

mandalo eo anoloan’ny vavahadin’ny ENS, mitohy manaraka ny sisin-dàlana mankany anaty tanàna any avy eo.

 sunp0018.jpg

Ny tao anatin’ny efitrano no somary tery ka tsy dia tsara loatra ny sary azo (naleoko najanona).

Hita araka izao fa tsy maharaka ny tinady tokoa ny tolotra. Raha nilaza ohatra ny Orange fa mitady olona 200, dia CV-na tanora an’arivony kosa no mifandrombaka.

Maro ireo orinasa tonga tao no naniry ny hitohizan’izy ity. Mieritreritra araka izany ny mpikarakara ny hanao azy ity ho isaky ny enim-bolana raha isan-taona izany teo aloha. Ny avy ao amin’ny Ministera misahana ny Fampananana asa kosa indray dia tonga mba hanara-maso, sao,hono, mantsy misy ny resaka fakàna vola amin’ny mpitady asa, toy ilay tranga ‘BAHAMAS », ka tsy hanaiky mihitsy ry zareo. Faly anefa izy ireo rehefa nahita fa dia tena fanampiana madio ho an’ny tanora Malagasy tokoa no nisy nandritry ny andro vitsy nanaovana ny hetsika.

sunp0005.jpg

sunp0006.jpg

sunp0007.jpg