Antananarivo Miblaogy 7 – HdO Le Bus Antanimena

Sahala ny efa fanaon’ireo mpitoraka bilaogy (bloggers) hatrizay, dia tonga teo amin’ny andiany faha-7 ny Antananarivo Mibilaogy. Zavatra izan’ny nampiavaka an’ity omaly ity ny namoahana voalohany ny tenifototra (hashtag) ho famantarana ny hetsika: #antambl . Ny Antananarivo Mibilaogy izay fotoana iray hihaonana mivantana ho an’ireo rehetra mpikamentsona any anaty tontolon’ny serasera any. Mitovy amin’ireno antsoin’ny Amerikana hoe ‘After Work’ irony no fomba fanao amin’izany. Tsy mialonjafy ny hetsika, ka na iza ianao, na iza te-hanatrika ny karazana fihaonana toy itony, dia asaina an-tanan-droa.

Toerana nofinidy hifamotoanan’ny maro ny tetsy amin’ny  HdO – Le Bus Antanimena.

Tsara ny toeram-pandraisana, toy ireny tany amin’ny trano fandraisana vahiny manokana irny ny rehetra. Ary isaorana etoana ny fanomezana maimaim-poana ny  fahafahana niserasera tamin’ny aterineto tamin’ny alalan’ny WIFI, izay raha somary nihisatra kely teo am-piandohana, dia nisosa tokoa fotoana fohy taorian’izay.

Nalalaka ny serasera. Fitaovana samihafa no azo nampiasaina. Jereo anie e: tsy manala hoho akory io namana iray io fa fitaovan-tserasera finday no ao an-tànany ao

Isan’ny toetra iray niavahan’ity andiany iray ity ny hafanam-pon’ireo mpandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra tanaty loha-hevitra samihafa. Tsy misy ny lohahevitra voafaritra mialoha horesahana, fa eo vaomifanentana ny amin’izay mahaliana ny tsirairay. Endrika iray ananan’ny Antananarivo Mibilaogy koa izay. Voaresaka nandritra izany, na ny resaka manodidina ny teknolojia avo lenta, na ny fomba hahafahana mitrandraka ny bilaogy hitondra tombontsoa ho an’ny tompony, na ny mikasika ny fiainana amin’ny ankapobeny. Tonga hatramin’ny fampitahàna ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ny zava-misy any ivelany eo amin’ny lafiny fampandrosoana (I Jean Marc niresaka mikasika ny fomba nataon’ny Sinoa teo amin’ny lafiny fanabeazana). Hita tao ny lafiny rehetra eo amin’ny valan-tserasera samihafa (mpikarakara na mpampahafantatra lanonana sy fivoahana mitety tànana, ny mpitoraka bilaogy noho ny fitiavana manoratra fotsiny amin’izao, sns…Ary ny tena nanamarika ahy manokana dia ny fifandresen-dahatra teo aminay telo mirahalahy (Thierry – HeryZo – Avylavitra) mikasika ny handikana ny teny hoe ‘tweet’ ho amin’ny teny Malagasy: izaho nandroso ny hoe ‘bitsika’ na tazonina ho tweet ihany mandra-paha…HeryZo nametraka ny hoe ‘te-ho-hita’…Tanaty tokiky  lavareny no nifanakalozana hevitra momba an’io saingy hatreto aloha dia tsy mbola nisy hevitra matotra tapaka. Arosoy etoana raha misy hitanao mpamaky fa azo andikàna azy io. Saiky tsy nifarana mihitsy aza izany raha tsy nanery mafy ny hanoanana.

Tanaty fifanakalozana feno fifanajana sy firahalahiana tanteraka, toy ny hoe mpianakavy tafahaona no nifampitafàna, ary taorian’ny nandaozana ny HdO Antanimena dia nirodorodo namonjy ny Look’s Andravoahangy ny rehetra mbahiara-misakafo.

Tsy naka sarotra ny rehetra fa teny amoron-dalana ihany dia efa vita ny fivoriana maimaika nanapahana ny andron’ny 25 Febroary hanaovana ny fihaonaa manaraka.

Raha maro sy nazoto tamin’ny fandraisana fitenenana ny tsirairay omaly dia inoana fa tsy ho ambaka an’izay ny amin’ny manaraka. Nipoitra tamin’io fotoana namaranana ny diniky io aza ny soso-kevitra naroson’i JeanMarc Rolland hoe azo atao ny manao LiveStreaming mba handraisan’ireo tsy afa-manatrika anjara fitenenana raha misy tiany holazaina. Ny indrokelin’ny mpandrafitra amin’izay dia sao hanova ny endrik’ilay Antambl (mihaona vatana) izay hevitra izay, ka hiandry fotsiny any ambadiky ny fàfana any ny maro. Hafa ihany mantsy ilay mifanatri-tava.

Isaorana etoana i Andrydago namorona ny tenifototra, ary tsy adino koa ny maneho fisaorana anareo rehetra tonga namaly ny antso. Isaorana toy izany koany HdO Bar   Le Bus Antanimena nampiantrano.

Mankasitraka indrindra.

Ary entina hifandaozan dia ndeha hiaraka hitsiky amin’ireto harona hafakely ireto

Eeeeeeeh! Harona ireo fa aza ratsy saina eo an!

5 Réponses

  1. Midera sy mankasitraka ny fiaraha mientana sy ny firaisakina. Nilendalenda ny tena mahita ny ambiance tany. Amin’ny manaraka e!

  2. […] This post was mentioned on Twitter by Thierry Ratsizehena and Human D-League, Lygier. Lygier said: RT @thierry_ratsiz Antananarivo Miblaogy 7 – HdO Le Bus Antanimena: http://t.co/1mKWGeZ [mg] #madagascar /via @avylavitra /Ianoa @io sary io […]

  3. Isaorana ny nikarakara dia isaorana ihany koa ny famintinana ny fiaraharana tamin’iny. Amin’ny manaraka indray ary e 🙂

  4. […] peux lire les récits des Antananarivo miblaogy antérieurs (version 7, version 6, version 5). Je suis sûr que les autres online-addicts complèteront les liens pour les […]

  5. […] pour échanger, discuter et faire connaissance autour d’un verre comme les tweetups ou Tana Miblaogy (le rendez-vous de la blogosphère tananarivienne), ou encore des évènements web du genre […]

Laisser un commentaire