Tohano ireo feo maro ao amin’ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

An’ny Global Voices Online ny lohateny nampiasaina ary niniana natao ny tsy nanova azy amin’ny maha-mpiara-miasa ny GVO sy ny Gazety_Adaladala.

Feno 6 taonba ankehitriny ny GVO. Sehatra lehibe midadasika mampiasa ny teknpolojia vaovao sy ny fampitam-baovaon’olon-tsotra ho fanelezana ny feon’ireo atao anjorom-bala sy tsy mba misy mpihaino. Mitolona ho amin’ny fahalalahan’ny fahazoam-baovao ho an’ny rehetra, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fiarovana ny zon’olombelona ka isan’izany ny fiarovana ny zon’ireo voasambotra noho ny famoahany ny heviny,  ary miezaka mandrakariva ny tsy hitanila.

Efa maro ny mpiara-miasa aminy toy ny

Hoy tokoa ny lohateny hoe

Tohano ireo feo maro ao amin’ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

Asa raha firy ny Malagasy afaka manao izany avy eto an-toerena, satria dia mampiasa ny compte Paypal izy ity. Betsaka anefa ireo vato nasondrotry ny tany any am-pita any no mety ho afka manao araka izay voatsirambin’ny tanany, ka entanina indrindra.

Mba tsy handiso hevitra ny hafa (satria dia misy tokoa ny mandray an-tendrony eto amin’ity fiainana ity, indrindra nikasika ity resaka GVO Malagasy ity), dia tsara ny itondrako fanamarihana etoana fa tsy misy mandeha any amin’ny kaontim-bolan’ny mpanodina ny Gazety_Adaladala izay fanomezana ataonareo amin’izany fa  mirotsaka mivantana any amin’ny GVO Foibe izay tsy eto Madagasikara ny foibeny.

Fa maninona tokoa moa no entanina ny resaka fanampiana toy izao? Satria resaka tsy mora ary iolam-piniavana ny asa fikaraoham-baovaoa sy fanelezana izany, raha ho an’olon-tsotra tsy miankina amin’ireo fantsom-baovao mahazatra hatrizay. Be anefa amin’ireo mpanoratra, mandika teny, mpamoaka lahatsoratra manerantany (na tsy ny rehetra aza) no manao izany aza izany maimaim-poana. Misy kosa ireo izay tsy maintsy mila fanohanana satria tsy mbola toy ny any amin’ny tany sy firenena hafa ny fahafahan’izy ireny mampiasa malalaka ny teknolojian’ny aterineto (voafetra eo amin’ny resaka sandany sy ny fandrakofana)

Azonao atao ny mitsidika bebe kokoa ny tranonkala GVO na amin’ny teny Malagasy , na amin’ny teny Anglisy raha te-hahafantatra bebe kokoa mikasika ny fiaimpiainana sy ny fiasan’io Vondrom-piarahamonina goavana be eo anivon’ny aterineto io ianao.

Dia efa alefa sahady koa ny firariantsoa ho an’ny mpamaky rehetra mba hanao Fetin’ny faran’ny taona ao anaty fitoniana sy fahatretrehana , ary hahatratra ny taona 2011 – Ho tanana’ny soa sy ny tsara rehetra ho an’ny isam-batan’olona. Ekena fa henjana ny vidim-piainana, nefa na tsy hirehitra aza ny tany mety dia tsy misy fanantenana very raha mbola afa-mitepo ny fo, tsy very ny saina ary afa-mihetsika ny tongotra sy tànana satria ireo no fitaovana voalohany enti-manatratra ny tanjona.

Laisser un commentaire