Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH/SIDA

onelifecouch 500x694 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Sary tamina fanentanana hiady amin’ny SIDA entina hanaingoana ny resaka hataontsika

Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH/SIDA tokoa kay moa ny androany. Ary tsy hay ny tsy hiresaka azy ity. Resa-betaveta anefa raha ny toe-tsaina Malagasy no itondràna azy, saingy amin’ny maha-zava-doza mety hanimba ny taranaka fara sy dimby azy, dia hiala kely amin’ny resaka fadifady ny eto amin’ny Gazety_Adaladala.

Matetika tokoa ny zavatra andraràna dia toa vao mainka misarika ny sain’ireo raràna hijabaka. Misy foana ny fanentanana natao, sy atao ary angamba mbola hatao, na io ho an’ny eny an-tanàn-dehibe, na io ho an’ny any ambanivohitra. Na izany aza anefa dia misedra olana ny famatsiana an’ireny fanentanana ireny, indrindra moa fa ny hoenti-manana ny famatsiana ny fimalo, ho an’ny tany Afrikana maro. Isan’ireny ny faritra ambanivohitr’i Kenya, Narok. Ny tatitry ny ONU/SIUDA dia nilaza fa raha 21,6 tapitrisa ny filana amin’ny fimailo, dia tsy nisy afa-tsy 15,3 tapitrisa no azo namatsiana io firenena io manontolo tamin’ny taona 2008.

Mpanentana ny mitovy aminy i Jactone Lelei, ary mampianatra momba ny tokony hampiasàna ny fimailo. Be hoy izy ny tinady ka nahatonga azy sy ireo namana mpiara-miasa aminy hanao tahiry hatrany an-tokantranony mihitsy aza. Tsy adinony araka izany ny sady mampianatra no mizara azy ireny rehefa mandeha any anatin’ireo vondrom-piarahamonina samihafa manazava ny resaka VIH/SIDA. Rehefa misy mila dia miantso azy ireo fotsiny na dia any an-tranony aza , ary dia omeny fahafaham-po. Ny antony araka ny filazany dia satria ny tsy fahafahan’ireo mitady azy ireny mahita azy amin’ny fotoana ilany azy no ataony fialana tsiny ho tsy nampiasàna azy

''Tsara ny fimailo…Andraso aloha aho handeha hitady fimailo…very ny fahataitairany dia iny izy no lasa''

Efa tena tafakatra ambony tokoa ny fahafantaran’ny sasany ny antony ampiasàna ity fimailo ity raha ny resak’ity lehilahy iray ity  no jerena. Hoy mantsy i Lemeo Ntalel, miaramila iray 21 taona, avy ao amin’ny faritr’i Narok:

“Tsara ny fimailo ary mampiasa azy ireny aho rehefa miaraka amin’ny vehivavy – nampianarin-dry zareo anay ny fomba ampiasàna azy, saingy aty amin’ny faritra ambanivohitra dia olana satria voatery mandeha lavitra tokoa izahay vao mahita fimailo. Nefa amin’ny fotoana tianao hampiasàna azy raha sendra tsy misy azo raisina  any amnao, dia voatery manao amin’izao fotsiny tsy misy na inona na inona miaraka amin’ilay vehivavy; sarotra be ny hiteny amin’ilay vehivavy hoe  ‘andraso aloha aho handeha hitady fimailo’, satria ho very  ny fahataitairany dia iny izy no lasa.”

Ntalel izao dia voatery mandeha mamonjy ny toeram’-pitsaboan’ny faritra ambanivohitr’i Narok any amin’ny 26 km mba haka fimailo. (Ka te… mafy dia mafy  tsinona  koooo).

Isan’ny sàkana tsy anantonan’ny kofboay haka ireny fimailo ireny koa ny fitahirizana azy ireny any amin’ny tranon’ny deban’ilay tetikasa fanentanana. Eo ny henatra. Tsy manampy araka izany ny fametrahana azy any amin’y toerana tahaka ireny. Izay mahavantana n y besinimaro ary hahamenatra azy no tokony ho safidy.

Nitombo be anefa amin’izao fotoana ny fahavononan’ny olona hampiasa azy ireny raha oharina amin’ny tany aloha ka tokony hanao ezaka goavana ny mpitondra fanjakana mba hanao izay haha-vonona mandrakariva azy ireny ho an’izay mila azy satria zon’izy ireny ny hahazo an’izany

Ho an’ny eto Madagasikara moa dia toa rehefa manodidina io andro io no tena malaza ny resaka ady amin’ny VIH/SIDA fa rehefa avy eo dia mangatsiatsiaka any ambadika any. Nahazoana famatsiam-bola goavana tokoa izy io tany aloha tany. Na dia tsy re tsaika aza anefa dia fantatra kosa fa mbola isan’ny sampana iray manohy ny fanabeazana mikasika io ady io ny PSI – Madagascar izay manana ny foibeny etsy amin’ny Immeuble FIARO Ampefiloha.

Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, VIH/SIDA, sns… Tany aloha tany ho an’ny Malagasy sasany dia namaivaniny  sy toa natao sangisangy ihany ny momba azy ity. Ary na dia tsy mbola maro aza ny Malagasy tratra, dia efa misy kosa ny mitondra ny otrikaretina. Aoka araka izany tsy ho raisina ho fandemen-tsaina na sangisangy fotsiny ny amin’izy ity. Tsy hijery isika hoe iza no nitondra azy teto Madagasikara, na niniana natao ve ny nisiany, resa-bola goavana ve no ao ambadika, sns… fa ny fiarovana no ndeha ho atrehana. Ny 5 mn nakàna fy, na ny 20 mn niondankodanana sy niakàrana lanitra fahafito tokoa mantsy dia mety hiafara araka izay ambaran’ny sary eto ambany. Tsy asiana resaka

10 secondes 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Tsy izay rehetra mahafatifaty tokoa dia ho ary salama sy tomady, ary tsy izay rehetra tsara tarehy no tsy maintsy ho tsara fitondrantena sy tsy azo kianina

sida femme 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Manja ny SIDA, koa miarova tena ianao amin’ity lohataona ity

Hoy ilay hira iray izay hoe « Maromaro ny fakàm-panahy izay hita eny an-dalana ho’aho… », an’i Samoela io. Marina tsy misy azo kianina izany. Ny fitandremana no tsy maintsy atao aman-taonina. Aiza avy tokoa moa ary avy amin’iza ny fakàm-panahy no mety hitranga? Tsy lavitra fa eo akaikinao eo: ny namanao, ny fifampitaritarihana mankany amin’ny làlana diso, ny revy sy ditra (ohatra amin’ireny ny zaza tsy ampy taona mifampitarika mamonjy ‘boite’, manandrana zava-mahadomelina). matetika rehefa malemy saina tsy maharesy ny lango malefaky ny namana ny ankizy iray dia jobo ao, ary dia miafara amin’ny nenina be vava avy eo. Inona no mety hitranga? Misy ireo tsy mahalala na inona na inona akory ny amin’izay zavatra atolotra azy mandritra ireny lanonana samihafa ireny ka dia mihinana sy misotro an-jambany fotsiny no atao.

mauvais coups 3 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Ho voan’ny SIDA ilay tsy mahatsapa tena. Ilay ratsy vintana koa, saingy ny azy tsy nahazoana fafiny

Rehefa renoky ny tory noho ny zava-mahadomelina natao an-kiafinafina tao anatin’izay nohaniny talohan’ny nilfohazana vao mitanondrika miezaka mamantatra ny minitra vitsy na ora iray, eny mety ho andro mihitsy aza, nilomanosana, na nilomanosan’ny sasany tao anatiny tao. Mitratrevatreva firesaka isika androany ary sary maherisetra  no aseho satria tsy raharahan-jaza ity ry zareo. Tara loatra anefa, ary ny fiainana iray manontolo sy ny hoavy no efa nosimbàna noho ny tsy fitandremana kely monja. Rehefa tsy ho voan’ny VIH/SIDA, dia mety hitondra vohoka tsy niriana (izay ny tena rain-jaza avy eo mety tsy hiseho vatana ihany koa ), na fara-faharatsiny rehefa tsy voan’iretsy voalohany, dia efa very aloha ny maha-virijiny. Izay mahagaga, fa toa lasa zavatra mahamenatra ny fitazonana azy ho an’ireo taranaka aty aoriana. Ho an’ny maty eritreritra anefa izany. Aza raisina ho adala ny sasany raha mitaky certificat medical alohan’ny hidirana amin’ny resaka matomatotra kokoa amin’ny fiarahan’olon-droa. Mety tsy hino izay lazaiko izay ianao, nefa dia mbola misy tokoa ny manao izany. Toy ny tsy inoan’ny olona fa hoe mbola misy ny vehoivavy mahatahiry ny maha-virijiny azy hatrany amin’ny faha-40 taonany.

Fa rehefa tsy mitandrina dia ny rangolahy no miandry ery amin’ny fivoahana ny lalana ambanin’ny tany ery. Araho ny sary, dia fantaro mangingina  ny tiany hambara. Fa araka ilay tenin’ny baiboly io hoe « Ny zavatra rehetra azo atao, fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa » . Ka na hitsingaona, na hitsangana, na hiondrika sy hitsilany ianao, iray ihany no marina: hametraka dindo amin’ny ampitso izay nataonao tao amin’ny an-katakonana tao. Miankina aminao ny hahatsara na haharatsy azy, satria tsy misy ifanerena ny safidy. Sa tsy izany?

AIDS Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Misy hevitra tian’ilay sary ery ampiaingana havoitra, saingy tamin’ny teny anglisy moa ilay izy, ka omena antsika ety ampiafaràna mba hamehezana ny resaka. Hoy ilay soratra rehefa adika tsotra hoe: Isak’izay manao amin’olona iray ianao, dia tsarovy fa miara-manao amin’ny lasany rehetra koa. Ka fahafiry amin’ireo efa niarahany ianao?. Izay no hevitr’ireo tanana marobe mamihina ireo. Vantanina ny resaka fa tsy mody hatao hoe miara-mandry indray e! Ary aza tezitra fa aleo tsy hatao « tabou,  tabou’ lava izao ny resaka toy itony.

Une Réponse

  1. bande de cochon sale vous etes en érection

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :