Fahalalahana miteny (liberté…)

Isan’ny manara-maso ny fahalalahana miteny any amin’ireo firenena hafa ny tena (amin’ny alalan’ny Global Voices Advocacy sy ny Global Voices Online – amin’ny teny anglisy). Ary dia mampitaha an’izay hita any amin’ny misy eto Madagasikara (Madagascar).

Tsy dia azo lazaina ho tena mbola voageja tanteraka aloha raha isika eto, nefa koa tsy azo lazaina ho malalaka tanteraka koa.

Eo amin’ity fahalalaham-pitenanana (na famoahan-kevitra an-gazety, radio, fahitalavitra,  aterineto) ity no tena mafotaka maneran-tany tato ho ato ao amin’ny Global Voices. Isan’ny zavatra nampahatahotra tokoa izy io teo aloha teo raha ny teto Madagascar manokana. Toy ilay resaka CNEAGR naroson’ity takelaka an-tserasera ity tany aloha. (Mety mbola hosokafan-tsika ihany io lahatsoratra io any aoriana).

Noho ny mbola tsy fahafantarana loatra ny hoe malalaka ve sa tsia ny eto Madagasikara, dia ilàna fitandremana fatratra ankehitriny ny manoratra sy milaza ny zavatra hita aty anaty aterineto aty. Samy manana ny solomaso ijerena azy mantsy na ny mpamaky tsotra na ny mpitondra. Ary raha sendra tsy mahafaly ny eo amin’ny fitondrana izay voalazanao, dia tsara aminao ny mivonona avy hatrany handray farafaharatsiny fanakianana mivaivay avy amin’ireo tsy mitovy hevitra aminao, na ny ratsy indrindra dia ny fandrahonana mivantana (mifanatri-tava, na an-telefaonina toy izay nahazo ny mpanoratra eto)

Tsy misy rahateo ny ‘assurance’ sy fiarovana ho an’ny asa fanaovana fampitam-baovao toy itony eto amintsika raha ny fahafantarako azy (disoy aho raha diso). Ka mionona fotsiny amin’ilay hoe « izay voa manodidina » rehefa sendra ny taolana.

Raha te-hahita lahatsoratra maro mifandraika amin’ny resaka fahalalaham-pitenenana ianao mpamaky dia azonao atao ny mitsidika ny tranonkalan’ny Global Voices Online Malagasy. Voaresaka ao na ny avy any Sina, Ejipta, Barhain, Etazonia, Malezia sns..

Hita ao ihany koa ny loha hevitra maro samihafa toy ny resaka Fizarazarana ara-poko sy ny Fanavakavaham-bolon-koditra, ny herisetra atao amin’ny vehivavy, ny ara-toekarena

Iza no afaka miteny amiko fa misy fahalalahana miteny (liberté d’expression) eto Madagasikara? Iza no milaza kosa fa tsy misy fahalalahana maneho hevitra mihitsy eto? Iza no eo anelanelany?  Miandry izay afaka maneho hevitra momba izany aho mba hitondra izany eto amin’ny gazety_adaladala. Ary dia efa alefa mialoha sahady ny fisaorana.

Laisser un commentaire