Barcamp andiany faharoa – IVOTEL

Nahafinaritra, nahazoana lesona betsaka, tanaty firahalahiana sy fifankatiavana, ary nahitàna karazan’olona samihafa (teratany vahiny sy Malagasy araka ny laharam-boninahiny avy) sy avy amin’ny faritra maro nanerana an’i Madagasikara.

Izay raha lazaina amin’ny teny fohy sy tsotra ny fifankahitàna tava natao androany tolakandro tao amin’ny IVOTEL Ambohidahy.

Teo ambany fiahian’i Lova Rakotomalala, izay nanokatra ny fotoana,  moa ity andiany faharoa ity, raha i Joan Razafimaharo no nitondra ny andiany voalohany izay natao teo amin’io toerana io ihany.

Santionany tamin’ireo tonga nanome voninahitra ny fotoana ireto tanisaiko manaraka ireto (ary ialako tsiny amin’izay sendra tsy voatonona nefa tao, fa dia ataovy toy ny efa voalaza sahady…):

  • Foko (mpikarakara), ny sampana Foko avy any Fianarantsoa , Antsirabe, Toamasina, Antalaha
  • ny mpanao gazety samihafa,
  • ny minisitra tany aloha (Tsilavina Ralaindimby),
  • mpampianatra ny mpanao gazety avy any Antsirabe,
  • ny Global Voices Online Malagasy (avylavitra-Jentilisa),
  • i Hery Zo izay nanazàva momba ny blaoginy mifototra main’ny resaka Fizahantany sy ny aterineto,
  • ny Radio Ciel Antalah 100_1737 (Chris sy Afik, nisolo tena rahateo koa ny Radio Meva Ankarana – Tetikasa ‘fampielezam-peom-bahoaka’ na Radio Communautaire miara-miasa amin’ny radioactive mba hananan’ireo faritra lavitry ny renivohitra loharanom-baovao sy loharanom-pahalalàna – misy vata fampielezam-peo mandeha amin’ny alalan’ny famahànana azy (ahodina) moa nentin’izy ireo naseho tao mba ho fanosehana izay tetikasa izay, 100_1781
  • Andriakoto Ratozamanana,
  • Barijaona, namana tsy fanadino,

Nifampizara ny zavatra niainàna nandritry ny olana nolalovan’ny firenena nanomboka ny volana Janoary no mankaty ny tsirairay, ankoatra ny fizaràna fomba fijery manokana.

Nivoaka nandritra izany ny tahotra sedrain’ny rehetra (mpitoraka blaogy sy mpanao gazety matihanina) eny ankianja eny rehefa manatanteraka ny asa fanangonam-baovao. Voatanisa ihany koa ny fampitahorana zakaina taorian’ny famoaham-baovao nataon’ireo mpitoraka blaogy sasantsasany.

i Claire Ulrich manokana

100_1768dia namelabelatra maharitra ny momba ny sivana amin’ny fampahalalam-baovao sy ny fitaovan-tserasera maneran-tany, indrindra any amin’ireo tany misy mafampana (indrindra indrindra fa raha vao miresaka fanakianana momba ny fitondrana misy eo an-toerana). Ohatra nentiny tamin’izany i Maraoka, Sina, Iran, Gaza (Palestina sy Israely). Ny sivana amin’ny endriny rehetra (na amin’ny alalan’ny Logiciel io, na amin’ny fandraràna ny mpanao gazety tsy hivoaka ny toerana misy azy mba tsy hahazo vaovao, na amin’ny fanapàhana tsotra izao ny fantsom-pampitàna rehetra mety ho azon’ny mpilaza vaovao ampiasaina)

Nandritra ny famelabeàrana dia nivoitra hatrany ny hoe ‘tompon’andraikitra amin’izay soratany sy avoakany ny tsirairay’. Ny mpitoraka blaogy rahateo moa tsy manana sata manokana mifehy azy.

Momba izay sata izay indrindra dia nilaza ny zoky iray eo amin’ity sehatra ity fa tsy tokony hisy akory izany ‘code de la communication’ izany raha ny fijeriny ny fivoaran’ny fomba fampitana vaovao ankehitriny (aterineto).  Betsaka ny azo ampiasaina -Tweeter, Ushaidi, FriendFeed, SMS, sns…- ary vaovao misy fanavaozana isan-minitra, mba tsy hitenenana hoe isan-tsegondra.

Voaresaka tamin’izany koa ny tokony hifamenoan’ny asan’ny mpitoraka blaogy sy ny mpanao gazety matihanina (zareo ireny rahateo misy mangalatra ny asantsika mpitoka blaogy. hihhihi, Sa tsy marina izany?).

i Thierry Andriamirado kosa niresaka manodidina ny ‘réseau social’ –  izay rehetra mety ho tombontsoa azo sintonina avy aminy –

Nentanin’ireo rehetra nandray fitenenana moa ny mpitoraka blaogy tsy hihemotra amin’ny fampitàna izay hitany sy rèny, nefa koa navoitra ny tokony hitandremana fa tsy ananam-piry ny aina (ne pas jouer l’héroîsme, hoy ny teny nilazàna azy). Voa manokana tamin’io ilay iraikalahy mpilingilingy izay;;;;izaho ihany anefa ilay izy;;;hahaha. Zavatra iray isan’ny niderana manokana ny mpitoraka blaogy ny tsy fanafenam-baovao, raha oharina amin’ny any gazety an-tsoratra izay tsy maintsy mandalo sivan’ny tompony sy manaraka ny antsoina hoe ‘ligne éditoriale’. Io fametrahana arofanina io no isan’ny tsy nanekeko hiara-hiasa tamin’ny fananganana  ‘plateforme’ iray izay. Satria misy ‘ligne éditoriale’ apetraka harahan’ny rehetra hiditra ao anatiny. i Randy, zokibe iray isan’ny mpanoro hevitra, dia niteny hoe mijanonà foana ho tsy miankina fa very ny fahalalahanareo raha miala amin’izay làlana izay.

Fa raha tafaresaka tamin’ny olona iray nanatrika tao ny tena, dia niarahanay nanaiky ny fitotongan’ny toe-tsaina Malagasy ankehitriny. Raha tany aloha tany ny tsy fitovian-kevitra dia nijanona teo amin’ny sehatry ny fifanasàna vangy, dia ankehitriny kosa tonga hatrany amin’ny fifampikasihan-tànana (toy ilay sary nasehon’i Stephane tamin’ny fàfana (écran) nandritra ny anjara fitenenany, ka nahitàna roalahy mpomba ny andaniny sy ny ankilany amin’ny olana mitranga ankehitriny, izay samy efa nihoson-drà avokoa).

Mba manaova toa anay ireto e!

100_1759Ny hevitra tsy mitovy tsy voatery hifanangànana ho fahavalo. Dia maninona izao izahay? Ny olona no mihevitra fa ‘hanao ahoana re raha tafahaona izy roalahy ireo e?’, fa izahay kosa manao hoe ‘latabatra hafa no anaovanay daomy, ary latabatra hafa no iraisanay misakafo’. Mahaiza araka izany manaja ny fanehoan-kevitry ny sasany na tsy mitovy aza ny hevitra, fa halaviro toy ny fasam-paoana ny fifankahalàana sy ny ompa toy ny fahita any amin’ireo tranonkalan-tserasera sasany, izay fantatry ny maro tao ny anarany na tsy notononina mivantana aza. Miala tsiny fa sady manararaotra mifanabe ihany isika.

Mety tsy ho feno araka ny ilàna azy ny fitaterako ny zava-nisy fa dia entaniko kosa ianao mba hitsidika ny blaogin’ireo namana rehetra tonga nandritra io fotoana io.

Ampidiro fotsiny ny teny fototra ‘ivotel’, na ‘barcamp madagascar’, dia tsy maintsy ho hitanao ao daholo ny resaka rehetra manodidina izay androany izay.

Sady mba tongava koa moa amin’ny sisa e!Amin’izay mba mahita ny toy izao sy mifampizara fomba fijery, satria samy manana ny solomaso itarafany ny raharaham-piainana andavanandron’ny tsirairay sy ny firenena isika, ka mila mifampizara:

100_1786

9 Réponses

  1. Marina mihitsy izany Avylavitra, ny hevitra no ampiadiana fa tsy sanatria isika ny hifamono akory 🙂

  2. misaotra hatrany e!!!! mankasitraka!

  3. […] Tahina: Avylavitra Harinjaka: sixthman: photos Madagascar matin ( print only version) Posted by Lova Rakotomalala […]

  4. […] Tahina: Avylavitra Harinjaka: sixthman: photos Madagascar matin ( print only […]

  5. dia mahafinaritra ahy foana ny mahita an’io fanoharana avylavitra vs jentilisa io amin’ny resaka tsy fitovian-kevitra sy finamanana e.

  6. eo ihany isika ry jentl sy avylavitra an, milay beuh ilay izy…Siksa e.

  7. […] Tahina: Avylavitra Harinjaka: sixthman: sary Madagascar matin ( an-taratasy […]

  8. […] Madainitiative [fr], Avylavitra [mg], and Imahaka [fr] also chipped in with their experiences. Harinjaka and Ariniaina posted some […]

Laisser un commentaire