Tadidiko ry zalahy e! Tamin’izany andro izany…

Mahatsiaro manokana izay hiran’ny tarika MAhaleo izay aho androany. Fa maninona hoy ianareo? Tsotra ny antony.

‘Tadidiko ry zalahy e! Tamin’izany andro izany e!…mbola niarakaaaa!’

Taloha tokoa dia niaraka nankalaza ny fetim-pirenena (niverenan’ny fahaleovantena) ny vahoaka Malagasy, na inona na inona olana nisy teto amin’ny fireneny. Tsy nataony ho zava-poana izany. Tsy maintsy nankalazainy tamin’ny fomba rehetra azony natao sy takatry ny sainy. Isan’ireny ny fananganan-tsaina isan-tokantrano, indrindra fa ireo manamoraona ny lalam-be iraisana. Tsy nisy mihitsy nanimbazimba izany andro izany ka hiteny hoe ampirimo ny saina fa aza atsangana.

Fa hafa kely kosa tamin’ity indray mitoraka ity. Tonga ny fetim-pirenena Malagasy 2009, dia nisy ny nanentana ny vahoaka hanao ny tsy fanaony hatramin’izay, ka dia niteny ny olona mba tsy hanangana saina. Be ny natahotra hanangana sao tsy mitovy hevitra amin’ny tena ilay olona atsy avaratra, na ilay ao atsimo. Dia nifampiandry ny iray tanàna hoe iza no hanangana ary iza no tsy hanangana. Nisy mihitsy ny nahavatra nanontany ny hevitry ny namany: ‘Ianareo ve hanangana? Izahay aloha toa … toa …’ Dia misalasala eo satria efa manana ilay firehana hoe nanohana an’itsy, na mirona aroa, ka sao mahadikidiky amin’ny mpiara-mitolona sy ny mpiara-dia. Tsy ao an-tsaina intsony ilay tena atao hoe Tanindrazana sy Firenena. Fa dia ny olona na ny vondrona arahana no sisa eken-teny. Mahagaga an! Mahatalanjona! Gasy Tia Tanindrazana ve izany?. Ary nandritra ny fihetsiketsehana ny volana aprily no mankaty dia nisy mihitsy aza moa no aanilanja sainam-pirenena hafa, na nanao azy ireny ho toy ny saron-doha hiarovan-tena amin’ny hain’andro. Raha hatreo ihany dia tsy ahoako loatra.

Fa androany kosa, fetin’ny ‘be kintana’ (amerikana). Raha nivoaka ny trano ka handeha hamonjy fihaonana iarahana amin’ireo namana aman-tsakaiza aho (avy any Andravoahangy ka hatrany Ambohidahy), dia nijery foana teny an-dàlana teny sao mba nisy olona nanangana saina ‘be kintana’. Tsy nahita anefa aho. Diso eritreritra aho. Noheveriko mantsy fa ireo olona nanakana ny Malagasy toa azy tsy hanangana ny sainam-pireneny, sy nisalotra ary nanindrahindra ny sainan’ny ‘be kintana’, dia mba hanangana izany kosa isan-tokantranony rehefa tonga ny 04 jolay toy izao. Indrisy fa diso aho, ary isaorako Andriamanitra fa diso tokoa aho.

Sady izao koa anie e!!!   Tsy ho tafiditra velively ho isan’ireo kintana efa eo amin’iny sainam-pirenen’ny olona iny velively i Madagasikara! Koa raha tsy adala izy kooo!

Eto aza aho dia misaotra manoka ireo teratany vahiny roa vavy tafaraka taminay tao anatin’ny fihaonana androany (Christi sy Claire Ulrich) tamin’ny filazany ny fitiavan y an’i Madagasikara. I Claire dia niaina ny taona efatra voalohany tamin’ny androm-piainany teto Madagasikara, ary i Christi kosa dia Peace Corps teo aloha no lasa kosa manao tetikasa ho fampandrosoana ny any ambany ravinahitra rehetra any.

Dia mba ahoana ianao Malagasy mamaky ahy io??? Raha misy ny zanak’i dada, dia mba meteza koa ho ‘zanak’i Neny Madagasikara’

Koa ahoana tokoa e? Mba ‘Tadidinareo ve ry zalahy e! Tamin’izany andro izany e!…mbola niarakaaaa…niaraka foana…niaraka hatrany…! »

2 Réponses

  1. Izaho dia anisan’ny tsy nanangana saina malagasy tamin’ny fetim-pirenena ary tsy nifaly ihany koa. Tsy satria hoe nandrara ny hanaovana izany ny mpitari-tolona fa izay no safidiko. Nahoana hoy ianao ?
    Amiko ny asaramanitra dia fety hiarahan’ny mpianakavy mifaly, miara-misakafo tsara na dia tsy ho vorontsiloza sy hena-kisoa aza fa izay misy eo dia hifampizarana. Izany dia ho mariky ny fifankatiavana sy firaisam-po ao anatin’ny fifaliana. Ny fahantrana hila hahafaty amin’ny sondro-bidin’ny fiainana kanefa dia toky tahaka ny inona re izato nomena hanatsarana ny fiainan-dRamalagasy tamin’ny nahazoana ity fitondrana sandoka.
    Tamin’ity koa dia tsapako fa tsy nisy intsony ny maha-asaramanitra ny asaramanitra fa ny mpiara-monina nangarika sady nifosa, satria tsy mitovy firehi-kevitra amin’ny tena ary velona ny fanesoana hoe : « mitory ny maha-tsy misy saina ny tsy fanangana-tsaina ». Tsy maninona, izay no tiako ka na lazainao hoe tsy mana-tsaina aza aho, tsy olana izany.
    Fa ny antony hafa dia nahatsiaro fangirifiriana loatra ny foko teo am-piheverena fa tsy safidiko akory ireto olona nanao lanonana tao Mahamasina kanefa dia nifaly aoka izany. Normal be ! Na mpanongam-panjakana aza tsy olana.
    Mbola vao miasa nalahelo aho nieritreritra ireto tafika natao ho aron’ny vozona kanefa dia novidiana ambongadiny haningotra ny ain’ny mpiray rà aminy. Dia sahy manao jery atrika manoloana ny fanevam-pirenena mitory ny hasin’ny tanindrazana.
    Dia ny tena lalina dia ireto manamboninahitra frantsay nanatrika ny lanonana nefa hono tsy manaiky io fitondrana ara-dalàna io Lafrantsa.
    Aleoko hiotrik’afo ny fanaovana fety amin’ny androm-pifaliana hiverenan’ny ara-dalàna nohitsakitsahina am-paladia. Izay aho vao tena hifaly na tsy 26 Jiona aza io.

  2. Marina ny tenin’i Verohanitra, Izahay mianakavy aloha dia tsy nisy nanangana saina t@ 26 jiona las ateo satria tsotra ny antony, Tia tanindrazana ve ny olona ory hava-manana? tia tanindrazana ve ny olona mitondra olona hovonoina eny @ zone rouge? tia tanindrazana ve ny olona mandainga dia manongam-panjakana? tia tanindrazan ve ny olona tsy mitàna ny teny nomenay? izaho dia tsy zanak’i Dada nefa kosa resy lahatra aho fa raha izao no mitohy dia pire nono ny nataon’i Ravalomanana ny zavatra mitranga eto @ Firenena, .
    Anisany tsy nananganako saina ny tsy fankasitrahako ny malagasy sasany mpiray rà sy aina amiko tsy avela haneho hevitra, nefa dia izay no nitolomako teny ambohijatovo, ny fanagadrana olona tsy manantsiny tahaka ny nataon’Ingahy Ravalomanana. Malahelo ny fireneko aho raha fo feno fihatsaram-belatsihy no ankalazako ny Fetin’ny Fireneko, satria lasa tsy mahaleo tena izy ankehitriny, izay no antony tsy nananganako saina.
    Afaka mitsara ahy ianao nanao io article io, ka tsarao araka izay hitsaranao azy aho, fa ny tanindrazako sy ny fitiavako azy ,ary ny ràn’ireo ray aman-dreny latsaka t@ 1947, tsy mety ato am-poko sy ny taranako.
    Latsaka alahelo loatra ny tenako satria, mbola tsy nanao 26 jiona maloka noho ny t@ ity 2009 ity aho, Inona ny antony hoy ianao?? Mampalahelo loatra ny fanitsakitsahana ny hasin’ny tanindrazana ataon’ny mpanao politika, ka na ny fanajana ny soatoavina malagasy aza toa lasa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony, simba noho ny fanonganam-panjaka natao ny ankamaroan’ny toe-tsain’ny malagasy, ka na ny mpiray tampo aza miady noho ny tsy fitoviankevitra, ny mpifanila vodi-rindrina tsy mifampiarahaba intsony noho ny hevitra tsy mitovy??? INONA no antony??? Fiatrakan’ny Fanonganam-panjakana niseho nataon’ny mpanao politika sasany;
    Malahelo anao aho ry Tanindrazako!!!! mitomany anao satria rotidrotiky ny ady sezan’ny mpanao Politika sy ny ory hava-manana ianao, ka na ny soa toavina kely indrindra nahafantaran’ny firenena hafa anao aza izao, dia tsy misy miraharaha akory, ary ianao sy izahay vahoakanao ity mijaly mafy noho ny fahoriana mianjady, satria dia efa nozarin’ireo mpitondra rehetra niankina t@ any ivelany ianao, Nefa ankehitriny indrisy ireo firenena hafa mifanome tànana anao tsy misy mandray ny tànanao na dia efa eo amoron-kady aza ianao sy ny vahoakanao, noho ny sotatotam-piainana nataon’ireo TSIMATAHOTODY nanao ny tsy fanao teto,
    Mahereza ry Gasikara Tiako, tsarovy fa mbola maro ny Malagasy tia anao.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :