VIVA:tantara mitohy

Naharay taratasy ny VIVA Radio androany, avy amin’ny Ministeran’ny fifandraisana, milaza fa betsaka ny fandaharana ao amin’ity Fampielezam-peo ity no tsy manaraka lalàna ka miantso ity farany hampitsahatra ireo fandaharana tondroiny ho manelingelina ny filaminana sy miantso ny vahoaka tsy hankato ny fitondram-panjakana. Namaly tamin’ny alalan’ny onjam-peony kosa ny VIVA Radio ka milaza fa misy ny Fampielezam-peo [ na dia tsy notonininy aza dia ny MBS no tiany holazaina] izay mandika ny lalàana mipetraka momba ny fifandraisana sy ny serasera [tsy fahazoana manao couverture nationale, nefa efa 5 taona izao ny MBS no nanao izany], nefa tsy sahy mandray andraikitra momba izany ny Minisitra. Fa rehefa ny hafa, hoy ihany ry zareo, dia hain’ny Ministera ny manao taratasy.
Hevitro manokana: Nandeha namita iraka tokoa aho tamin’nay taona 2004, tamin’iny faritra SOFIA iny nandritra ny 1 volana sy tapany, ary tany Ambatondrazaka [2002], faritra atsimo indray [2003 tany ho any], Maintirano indray tamina’ny 2004 koa, dia tena mahazo tsara ny MBS tokoa ianao amin’izay faritra rehetra nalehako. Tsy hoe fanenjehana ny MBS akory no ilazako izany fa filazana kosa hoe ‘Natao ho an’iza ny lalàna?’ Fa na ny Radio tsy miankina maro aza dia efa imbetsaka no nisy niteny ny faniriany ny mba hahafahana mandrakotra ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, saingy tsy hita hatramin’izao izay valiny matotra.
Izany antso izany dia azo ampifandraisina amin’ny andalana faha 19 ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona manao hoe :

« Tout individu a droit à la liberté d’opinion et d’expression, ce qui implique le droit de ne pas être inquiété pour ses opinions et celui de chercher, de recevoir et de répandre, sans considérations de frontières, les informations et les idées par quelque moyen d’expression que ce soit»

« Everyone has the right to freedom of opinion and expression; this right includes freedom to hold opinions without interference and to seek, receive and impart information and ideas through any media and regardless of frontiers. »

Isan’izay nampikamenona olona maro koa ny fanerena hiditra anaty antoko raha te-hirotsaka amin’ny resaka fifidianana. Dia ahoana ny amin’ity andalana faha 20 amin’ilay fanambaràana iraisam-pirenena ity, izay manao hoe:

« 1. Toute personne a droit à la liberté de réunion et d’association pacifiques.

2. Nul ne peut être obligé de faire partie d’une association. »

« 1. Everyone has the right to freedom of peaceful assembly and association.

2. No one may be compelled to belong to an association. »

Tohin’ny fampitam-baovao: Nandalo teny Ambodivona aho androany hariva, ary dia efa mijoro ao ireo trano lay hampiasaina mandritra ny alina hipetrahan’ireo Andrimasom-pokonolona. Efa misy ihany koa ny bac à ordures napetraka manoloana ny vavahady miditra mankao amin’ny Tana Water Front [io moa efa teo hatry ny alina, fa akisaka rehefa maraina mba hahafahan’ny fiara mivezivezy amin’ny antoandro, satria misy olona mipetraka ao anatin’io faritra io ary feno toeram-piasana ihany koa]

Radio Mada: nilaza ny Radio Mada androany fa 1/2 amin’ny vola nividianana ny Force One dia an’ny Filoham-pirenena, 1/2 avy amin’ny Firondrana Malagasy. Tsy nolazainy kosa anefa hoe misoratra amin’iza ary ny Force One. Mitsangana ny fanontaniana: Ka rehefa tsy eo intsony ary izy any aoriana, na ho ela io na ho haingana, dia ho asainy averin’ny Vahoaka Malagasy ve ilay 1/2 naloany? Sa ny Force One no ho alainy? Mila valiny!!!!

Radio tsy miankina iray: Nisy olona avy any amin’ny faritr’i Laca Alaotra tonga niakatra teto Iarivo ka niteny tao fa namidy amin’ny Japoney ny Lac Alaotra, ary amina teratany vahiny hafa ny ao Vohidiala [Ambatondrazaka] . Izay tsy nanaiky hoy izy dia misy ny nogadraina any am-ponja, ary mitaraina ireo olona ireo fa hoe ny voly vary no nivelomany hatramin’ny razany, koa inona indray no ho lovain’ny taranany any aoriana raha nalaina ankeriny ny taniny? …

Fa izay nahazendana ahy koa tamin’ny sabotsy nefa adinoko ny nilaza dia ny sary hita nalefan’ny mpanao gazetin’ny MBS sy ny feo nentiny nanao ‘commentaire’ hoe tsy dia nahazo olona !!! Fa dia samy manana ny solomasony tokoa ny rehetra an!

3 Réponses

  1. izao rehetra izao no hitenenako hoe samy sauvazy na i tgv na i ra8

    i ra8 aloha mazava manao toetran’ny tsy manan-kavana sy tsy mba hoe impartiale vis a vis an’ny societe-ny… tsy vaovao intsony ngamba izany.
    sauvage koa @ fieritreretana fa izay heviny rehetra dia mety daholo — izay mbola mety ihany fa le tonga dia fandraisana an’zay ho tsy maintsy tanterahina coute que coute — ohatra ny fividianana ny air force one, rehefa depenses tsy voalaza tao @ loi de finance izay dia mazava fa tsy nahazo ny aval an’ny parlement. Raha tsy hoe avy @ caisse noire-ny nga… kanefa tsy hatratra ny $60 millions zany ny vola alloue @ iny….

    i tgv koa sauvage ihany koa satria:
    * tokony mamita ny voie de recours legale rehetra izy aloha vao mitokona — question de bon sens fotsiny izany… otran’ny hoe zaza miala sakana lery

    * mbola bon sens ihany koa ny milaza fa ra tsy manara-dalana ny mbs ou n’importe quelle media na an’i ra8 na an’iza, manome zo azy handika ny lalana koa ve izany?

    lasa otran’ny hoe tany tsisy fanjakana le izy fa ze dia-dohan’lery sy izay saim-patany fotsiny izany no tsy maintsy hatao.
    et encore, ny zavatra angatahin’lery hoe minisitra miala, tsy misy hifandraisany @ liberte d’expression mintsy na ny kely aza?
    ra tena democrate marina izy tokony naka majorite tao @ assemblee nationale dia avy eo izy no praiminisitra… azony esorina izay ministra hitany fa tsy manja liberte d’expression avy eo

    aiza moa ny firenentsika no tsy hataon’ny ol hoe jungle country 🙂

  2. […] Avylavitra reminds us that the government is also trying to terminate VIVA radio and that the reason it advances for it does no…. There is a law against private radio broadcasting all over the country. Yet, one pro-government […]

  3. […] blogueiro Avylavitranos lembra que o governo está também tentando fechar a rádio VIVA e as razões apresentadas para tanto não … [mg]. Existe uma lei que proibe emissões de rádios privadas em todo o país. Ainda assim, a […]

Laisser un commentaire