Vaky i TSIAFAHY, Vaky koa ny fonjan’i BETROKA

Raha i Tsiafahy, solon’i Nosilava, lazaina fa maison de force sy isan’ny tena azo antoka indrindra amin’ny fonja, ankoatra ny ao Arivonimamo, izay natao ihany koa hametrahana ireo heverina fa fahavalom-bahoaka sy tena atahorana aza moa vaky efa ho in-telo be izao [amin’ny fomba mamppihomehy ihany],, dia tsy ataontsika mahagaga raha VAKY HALINA KOA NY FONJAN’I BETROKA. Gadra 9 tena atahorana koa no tafatsoaka tamin’izany. Ny alahelon’ny mponina dia ny tsy nampandrenesana azy ireo, fa tonga dia ny sakana eran’ny tanàna no nahalalany ny vaovao.

AN’IZA INDRAY NY MANARAKA? Wait and see!

loharanom-baovao: Antso mivantana tao amin’ny RDB ny alin’ny 05 janoary 2009

Laisser un commentaire